Fiangonana mampitaraina ny manodidina

41. Fiffi ( 22/03/2006 15:51)
Achia: ka @ iny no tena hivavahana mafy. Fa miheritreritra wa zah hoe fa maninona no hasiana mozika ? nefa raha tena mangina be iny an! tena ao anatin'ny concentration be mihintsy satria nandray ny fanasan'ny Tompo
42. marozevo ( 23/03/2006 00:17)
Achia:

na le refa mandray fanasan'i Tompo iny ara zany de tena tsimaintsy mangina be mitsy nefa ra hoe hisotro sy hihinana ny aofon'i Kristy zany tokony tena hmmmm falifaly mitsy e



Marina fa miteraka hafaliana ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo. Tena hafaliana tsy omby tratra. Saingy tsy voatery haseho amin'ny tabataba foana akory ny hafaliana.
43. Fiffi ( 23/03/2006 10:43)
marozevo: raha mitabataba kosa aloha dia tsy lasa eh! fa raha zah manokana indray an! dia rehefa mihira iny aho dia tena @ foko manontolo ary toa tsapako mihintsy fa mafy be nefa moa raha ny fo no mitondra azy misy maharatsy azy ve ?
44. Achia ( 23/03/2006 19:47)
ka hoe midera an'ATRA @ kimpantsona sy ny aponga tapaka ko
45. Fiffi ( 24/03/2006 05:54)
ka raha izany koa moa no hitany fa izay vao tena henon'Andriamanitra ny antsony dia ahoana ?
46. Achia ( 24/03/2006 18:37)
:°)8O
47. marozevo ( 25/03/2006 00:23)
Izay fomba hiderana an'Andriamanitra dia mety daholo, saingy ny olana mipetraka any amin'ny voalohany anie tsy ilay izy ireo mivavaka eh... tsy afaka hitsara an'iny kosa isika ... fa le izy manabataba ny mpiara-monina eh.

Ataonao ahoana ny hitia an'Andriamanitra izay tsy hitanao, na ny mpiara-monina aminao aza tsy hajainao?
48. Achia ( 25/03/2006 04:43)
tsy hoe ze hiderana an'ATRA de mety daholo e misy firindrany ny fiderana fa ATRA tsy tompon'ny fikorotanana fa fiadanana
49. Fiffi ( 25/03/2006 07:34)
an3 , tsy afaka ny hitsara ny finoan'ny olona aloha an!
50. marozevo ( 26/03/2006 00:56)
Fa ny mahagaga kosa ange dia izao eh... Na ny lalana civil na ny lalana mifehy ny fifandraisan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana (Fahalalahana hivavaka), dia samy manasongadina daholo fa "malalaka ny fivavahana (finoana), eto Madagasikara, rehefa voahaja ireo fepetra takian'ny lalana mifehy ny fiaraha-monina eh".
Avelao izy hivavaka araka izay heverina fa mahamety ny fivavahany sy ny fomba fivavaka, - Iny dia azy sy Andriamanitra fa isika tsy afaka hilaza hoe tsy mety ny fivavahany - , fa aoka kosa izy hijery ny mpiara-monina. Manana autorisation ve izy hanao fihetsiketsehana amin'ny alina ? Ahoana ny tapage nocturne.

Hevero fotsiny fa ny Fiangonana Katolika (Ao Antsirabe no resahiko), amin'ny Sampankazo, andro antoandro, manao procession avy eo amin'ny Immaculée mankao amin'ny Cathédrale [Zara raha manitsaka tanim-panjakana mirefy 60 metres], nefa tsy afaka manao izany izy raha tsy mahazo autorisation.
51. Achia ( 26/03/2006 18:39)
Fiffi:

an3 , tsy afaka ny hitsara ny finoan'ny olona aloha an!


fa ra ny zavatra ao anaty Baiboly ve no tenenina de mitsara e fanitsiana zany fa tsy fitsarana
52. marozevo ( 26/03/2006 23:04)
Achia:

Fiffi:

an3 , tsy afaka ny hitsara ny finoan'ny olona aloha an!


fa ra ny zavatra ao anaty Baiboly ve no tenenina de mitsara e fanitsiana zany fa tsy fitsarana




Na i Fiffi aza no iantefan'ity, dia mamelà ahy ianao, ry Achia, mba hamaly kely fotsiny.
Tsy misy mahadiso akory ny maka andininy ao amin'ny Baiboly, ary tsy mitsara ianao raha manao izany. Na izany aza anefa dia aoka isika tsy ho sodoka loatra, ndrao dia mifototra ny fandraisana ny baiboly. Izao no tiako hambara : Ny Baiboly dia natao hanazava ny saina amam-panahintsika fa tsy natao hanamarinana ny hevitra efa masaka ao an-tsaintsika.
tsy milaza aho akory hoe ianao manana hevitra masaka an-tsaina, fa mba te-hanazava kely fotsiny aho.
53. Achia ( 27/03/2006 20:01)
Tena marina mitsy zany zevo :-*=D=D
54. marozevo ( 27/03/2006 22:42)
Iza amin'ireo olonakely eo ambony ireo no i zevo, moa iza no Achia?
55. Fiffi ( 28/03/2006 06:00)
zahaloha tsy mahafantatra an!:-D:-D
56. marozevo ( 30/03/2006 22:38)
Tsy mahagaga raha tsy mahafantatra i Fiffi, satria i Achia no nanao an'ireo, ka izy no anontaniako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0496