Kardinaly

41. marozevo ( 25/03/2006 00:35)

Hoy i Fiffi ao ambony ao :

Izaho aloha raha tena izy dia Anglikanina aho nefa dia ao @ katolika aho no mandeha mivavaka , ary matetika koa aho mandeha mivavaka ao @ Protestanta koa rehefa tsy lasa ny Alahady maraina satria ny protestanta dia ny après-midi , amiko izany dia tsy misy olana mihintsy izay andehanako mivavaka satria hivavaka no handehanako any ary ny Tompo hivavahana dia iray hiany.

MIla fitandremana ihany satria misy foto-kevitra lehibe mampiavaka ao ka.. Marina fa ny fo no mivavaka... Na ny marimarina kokoa angamba dia hoe "fitiavana". Ho anay Katolika, raha sendra misy fivavahana iraisam-pinoana amin'ny andro alahady, dia tsy maintsy mitady fotoana aloha izahay hanaovana vavaka ao amin'ny Fiangonana Katolika amin'ny fomba katolika, izay vao manao ilay firaisam-pinoana, na dia ao amin'ny Fiangonana Katolika aza no hatao ilay vavaka iraisam-pinoana.
42. Achia ( 25/03/2006 04:38)
marina zany zany voalazan'i zevo zany hoe misy ny fo tokevitra mampiavaka ao sady efa nanazava ragadona ao ambony ao hoe tsy fantatrao zay arahano (fifi) Le fivavahana hiraisampinoana ve tena mahafeno ny sitrampon'ATRA e sa sika olmbelona no namorona azy io e
43. Fiffi ( 25/03/2006 17:14)
MIla fitandremana ihany satria misy foto-kevitra lehibe mampiavaka ao ka.. Marina fa ny fo no mivavaka...
marina dia marina ny voalazanao io ry marozevo fa na izany aza dia tsy manakana ahy ny fandehanako mivavaka any io an! ary fantatro tokoa ny mampiavaka azy saingy hoy aho hoe ny Tompo hivavahana dia iray hiany. Ary alohan'ny andehanako nivavaka tao @ katolika ohatra dia efa nisy tokoa ny resaka lalina t@ mpitondra ny fivavahana izany .
44. marozevo ( 26/03/2006 01:05)
Fiffi > Izaho angaha moa nandrara anao tsy hivavaka atsy na aroa eh. Milaza ny zava-misy fotsiny aho. Io nataonao io dia tena "torahako salut voninkazo" mihitsy, ilay hoe niresaka tamin'ny mpitondra fivavahana ianao alohan'ny hivavahanao tao amin'ny Katolika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0916