Ratsiraka

21. Solitikabe ( 16/02/2006 05:25)
Izay ry Lejim ilay hoe ny vazaha vazaha foana an. Ny Gasy raha teo tsy masina an-taniny. Raha mandalo hono ny vazaha dia atao hoe Bonjours sady vohaina ny varavarana.
Fa raha Gasy no mandalo dia izy ihany no mamoha ny varavarana sady voaanontany hoe Inona ny anao izay, mitrerona kely mihintsy amin'io an. Na hoe inona no tadiavinao izay?
Jereo ny Polisy ny ZAndary, ny Ladoany. Raha ny gasy no mandalo dia kitakitana mihintsy ny fanakanana na ny fisavana raha ao @ Seranana ianao. Raha vazaha sy Karana kosa dia atao hoe Ahoana Patron, na Bonjour. Tsy misy fisavana taratasy (raha fiara)na entana(rehefa hivoaka ny Aeropaoro)
22. ainga ( 16/02/2006 18:11)
Manahoana daholo ô?
Betsaka ny tiana ambara momba ity lohahevitra ity. Aleo atao miandalana.
1) Ny momba ny hoe Ratsiraka sy ny vazaha no nampamono...sns...
Ho an'ny zandrikely sy ho an'ireo izay nanadino dia aoka ho tsarovana fa Ratsiraka no nahatonga ny fiovan'ny accords de coopération t@ Lafrantsa izay namatotra mafy antsika t@ Frantsay. Ny tena nisongadiny t@ io accords vaovao io(1973) dia ny fialàn'ny tafika frantsay tao Ivato sy Diego ary ny fialàn'i Madagasikara tao amin'ny zone franc. Ireny zavatra ireny no nankahalàn'ny vozongo an-dRatsiraka. Sarotra noho izany ny milaza fa soavalin'ny Frantsay Ratsiraka tamin'izany andro izany (1972-1975).
Manaraka izany vao nahazo fitondrana Ratsiraka dia noraisiny ho fananampanjakana ny banky, sy orinasa vahiny (frantsay daholo) marobe. Nahafaly ny Frantsay ve izany araka ny hevitrareo ?
Noho izany, raha nisy fandraisan'anjara avy @ Ratsiraka sy ny vozongo (ny ex-colons sy zanatany)tamin'ny famonoana an-dRatsimandrava dia tsy mazava loatra hoe ahoana. Alliés objectifs angaha hoe ? Raha tsy hoe, ho fanafenana ny tena tsikombakomba amin'ny frantsay ny fandroahana ny vazaha t@ 1973 ? Mbola azontsika iandikevitra io @ manaraka.

2) Momba ilay alimaina naman-dRatsimandrava dia Kamphausen no anarany.
Jereo ity lahatsoratra tao @ Le Quotidien ity indrindra ireo zandrikely.

http://www.lequotidien.mg/article.php?art=5845&date=2006-02-11

Misaotra anareo namaky.
23. Veloo ( 16/02/2006 20:04)
tena mampagotsaka kle...:cry::cry:
aiza moa tsika no tsy ho romotra @ frantsay?:twisted:
24. xxx ( 16/02/2006 20:25)
Minisitry ny raharaham-bahiny izy t@ ny nanafoanana ny accord de cooperation,

Nony avy eo Ratsimandrava no natao chef d'etat

fa Ratsiraka kosa lasa attaché militaire tany Paris.

izay vao nisy namono Ratsimandrava

Directoire militaire aloha

izay vao niakatra chef d'etat Ratsiraka

izay vao natao ny nationalisation izay notakian'ny vahoaka fa tsy sitrapony tsy akory
25. Solitikabe ( 16/02/2006 21:07)
Fa fanakonan-javatra fotsiny ireny ry AINGA. Ireo le fika fanakonana maso fotsiny. Ka na ianao aza anontaniako hoe noraisin'ny fanjakana ireo orin'asam-bazaha.
Fa naninona ohatra ny Ste Gallois no tsy noraisiny?
Fa nahoana ny tanin'ny Bolore tany Mampikony Port Berger no tsy nalain'ny fanjakana toy ny tany tany Alaotra?
Fa naninona i DeHaulm no tsy voakitika tamin'ireny, fa vao maika aza naroborobo?
Izay ilay hoe fika fotsiny ireny, efa fanao tamin'ny 1947 sy ny fanjanahantany ilay mody asiana sorona hanakonana ny ratsy natao. Toa ireny fika fandravana grevy taloha tamin'ny TTS ireny ihany eh.
Dia ampiako ilahy ry xxx.
Saingy tsy i Ratsiraka ihany no atidoha tamin'ireny fa mampiahiahy koa ny sasany
26. ainga ( 16/02/2006 23:45)
talohan'ny mey 1972 i Ratsiraka no attaché militaire tany Paris, ry xxx, fa tsy taty aoriana akory a!

tsy aiko izay nalehan'ny post nosoratako lavabe teo. @ manaraka indray.
27. jentilisa ( 17/02/2006 06:04)
Novakiako ilay tantaran'i Ratsimandrava sy kampausen! mahavariana! saiky mitovy amin'ny tantaran'i Lumumba ihany koa.
aoka ho fantatsika ankehitriny fa ny dosie momba ny namonoana dia notehirizina tao amin'ny lapan'Andafiavaratra. Isika rehetra dia mahalala fa tamin'ny taona 1976 no may io lapa io. Noho izany, tsy hisy porofo ho hita intsony fa lavenona ireny. Manaraka izany dia mbola lapan'ny praiminisitra io lapan'Andafiavaratra io tamin'izany fotoana izany. Ary ny praiminisitra nipetraka na niasa tao talohan'ny nahamay azy dia it. Joël Rakotomalala izay maty noho ny lozan'angidim-by...ho an'izay tsy mahalala. Vokany raha mety ho namaky ny dosie rangahy io dia vita ny tantarany!

Ny filazana ofisialy koa no nenti-nilazana fa maty teny Ambohijatovo it. Ratsimandrava. Efa nisy anefa ny namoaka hoe efa tao amin'ny minisitera izy no nisy namono fa saiky nentina tany an-trano aloha vao lazana ny toe-draharaha.

Ny direktoara militera dia tokony ho ny Jeneraly Andriamahazo no lehibe nitantana, saingy nisy ny "fanonganana" tamin'ny fomba ankolaka ary nametrahana an-dRatsiraka ho filoha faratampon'ny tolom-piavotana tamin'ny jona 1975.

momba ny nanapahana ny zone franc indray dia efa nilaza mihitsy Atoa Ratsiraka filoha teo aloha fa nihoatra ny notakian'ny vahoaka izy mba hitiavan'ny vahoaka azy. Efa nalaza be ny fankahalana frantsay tamin'izany fotoana izany ka vao nanao iny fihetsika iny izy dia be ny nankasitraka ny fihetsiny! efa nanomana ny hitondrany ny firenena izy amin'izay fotoana izay! koa anjarantsika ny mandalina!
28. jentilisa ( 17/02/2006 06:06)
Adinoko!
najanona ny fitsarana momba ny namonoana ny Kol. Ratsimandrava ho fiarovana ny tombotsoam-pirenena sy ho fitandrovana ny fampiraisam-pirenena!
29. ralambo ( 17/02/2006 07:21)
Amin-tsika rehetra ary inona no tena marina? dia inona koa no vahaolana? fa tena loza nitatao ho antsika sy ny firenena Malagasy mihitsy izany lay Rangahy iny. Ny tena tsara aza izay tena mahay ny tantara tokony handefa izany eto sa ahoana hoy ianareo?
30. dadabe ( 17/02/2006 12:02)
aleo mihitsy i tompokolahy ratsimandrava no hanambara hoe iza no nitifitra azy e:^)
31. jentilisa ( 17/02/2006 13:33)
efa fantany ka! fa tokony mba ho nametraka plainte de reserve izy!
32. lapino ( 17/02/2006 14:05)
De tsy ho nanjavona koa ve izay plainte izay?!
Mahery aloha ilay sefo deba e! Indrisy lery fa ratsy saina!
33. ainga ( 17/02/2006 14:15)
Manahoana daholo indray ô !

Tsy laviko mihitsy ilay hevitra hoe nisy ny fanomanan-dRatsiraka hitondra ny fanjakana. Ny tiako tsindrina t@ post nalefako voalohany dia ny hoe \" nisy tombony ho an\'ny Frantsay ve ny niankaran-dRatsiraka eo amin\'ny fitondrana tamin\'ireny fotoana ireny ?\".
Ireto misy lohahevitra vitsivitsy.

1)Raha maro ny vondron\'olona nahazo tombony tamin\'ny fahafatesan-dRatsimandrava, na nankahala azy fotsiny izao dia tsy voatery nifankahazo ireo vondron\'olona ireo. Saingy alliés objectifs kosa. Izany hoe raha tsorina dia tao ny nanararao-paty !

2)Ny hitantsika aloha dia Ratsiraka no niakatra teo tamin\'ny volana jona 1975. Ary marina ny voalazan\'i jentilisa fa tao anatin\'ny Directoire no nafana ny raharaha ka lasa be no vitsy ry Soja (Ratsimandraviste)satria voahodin-dRatsiraka daholo ny lohan\'ireo officiers mpikambana. Aza adino fa nantsoina nifidy koa ny governeram-paritany enin-dahy izay Ratsimandrava no nanendry azy tamin\'ny toerany. Naninona no Ratsiraka no lany ? Azo fantarina ny anaran\'ireo mpikambana
tao @ Directoire. Lasa CSR ny sasany tamin\'izireo.

3)Soavalin\'ny fitondrana frantsay ve Ratsiraka hoy ny sasany ? Nironabe tany amin\'ny Sovietika anie ilay fitondrana revolisionera e ! Ho fanankonana ilay fikabe daholo izany hoy ny hafa ! Ka raha izany sao dia tsy nahaleo ny sarany kosa ny vidiny ho an\'ny Fitondrana frantsay ?

Ireo voalaza teo ireo dia tsy midika mihitsy hoe tsy voarohirohy t@ famonoana ny Filoha na ny frantsay na Ratsiraka. Saingy samy naka ho azy.

4)Ny tsy azo lavina kosa dia ny fahaizan-dRatsiraka nividy ny sasany. Izany no tsy ahitàna ny marina satria mifampitàna @ tsiambaratelo daholo. Ny olona toa an-dry Fraise dia ilàna famotorana mihitsy.

5)Tsy azo lavina ihany koa fa nifanantona t@ Frantsay (niverina !)i Ratsiraka nanomboka tamin\'ny taompolo 1990. Nikoroso fahana i Madagasikara ary tsy nisy nanatenaina intsony ny Sovietika.

6) Mila porofo ilay resaka hoe tao Anosy (Patte d\'élephant) no nisy namono Ratsimandrava. Efa tamin\'ny 1975 io resaka io no nandeha fa tsy vao izao.

7)Ny momba ny fandorona an\'Andafiavaratra indray ry jentilisa dia misy source milaza fa tsy tao @ io Lapa io ireo dossiers.

Betsaka ny honohono fa miandry ny témoignages sy porofo isika. Iza no hiteny ?

Misy ireny tahirin-dahatsoratra angazety ireny any hahafahan\'ny tanora sy ireo izay nanadino, mamakafaka sy \"mitsara\" ny zava-niseho farafaharatsiny araka izay niainan\'ny mpanoratra azy ireny. Ilaina marihina fa nalalaka ny gazety tamin\'izany andro izany. Ts nanankana ny fisian\'ny fandrahoanana anefa izany. Nisy lahatsoratra nafonja tokoa tao @ Lumière sy Lakroa, samy gazetin-dry Mompera. Nisy koa lahatsoratra nosoratan\'i Latimer Rangers nivaoka tao amin\'ny Madagascar Matin nandritra ilay herinandro nafana 05 à 11 février. Tadidiko tsara ny lohatenin\'ny iray tamin\'ireo manao hoe \"Quid du cas Ratsiraka\". Iangaviana izay mahita ireny lahatsoratra ireny mbà hamoaka azy eto ho hitan\'ny besinimaro.


34. pakopako ( 17/02/2006 20:45)
za indray aloha d manaiky ireo hevitr\'i Ainga ireo tsy afaka miala i ratsiraka satria efa maloto izy anefa mbola misy afera hafa izay tsy ananana porofo koa anefa be mahalala fa tsy misy mahasaky miteny eto d ny hoe: m mainty hono i tlahy Ratsimandrava ka iza izany no an\'isany koa ? ary matoa maske io afera io dia be da be ny voakasik\'io,sao d mba tsara ho fantarina koa ny @ izay,ary angamba raha t@ fitondrana ratsiraka koa ny nahafaty an\'i Francisca ravony sy germain ireny angamba d mbola ho i ratsiraka koa ô.
35. fijo ( 17/02/2006 21:14)
lejim.manontany hoe :\"tsy azoko hoe inona no hatahorana ny frantsay?\"ny antony dia tsotra.raha namaky io momba an dratsimandrava io enao,dia nahita fa nisy namono le rangahy alemana io.ny tsy voasoratra tao,fa voalaza kosa tamina lahatsoratra hafa,dia nisy fetytao amin\'ny ambasady frantsay,tamin\'ny namoahana ny fahafatesan\'io rangahy io.fantatry ny rehetra izany.hafats nareo zandrikely.
manontany koa ngamba hoe ,fa nahoana no tsy tian\'ny frantsay i ratsimandrava.tsotra.ratsimandrava,dia niady mafy mba hamerina ny maha malagasy ny malagasy.izay zavatra nezahan\'ny frantsay nopotehana nanomboka tamin\'ny andron dradama faha II.
ary io rahagahy alemana io,dia nanao io fikarohana io hanampiana azy(ratsimandrava)amin\'izany tanjona izany?ka fatatry ny frantsay,fa raha tanteraka ireo,dia hovery ao mada izy.ka dia naleo najedaka izay manelingelina.
ratsiraka:noraisiny ny banky sy ny karazany.efa nisynanazava ery ambony ,fa fanakonanjavatra fotsiny ireny.ary tadidio,fa na dia niaraka be tamin\'ny sova aza nyfitondrana gasy tamin\'izany.ny mpanolotsaina miaramila izay niara niasa akaiky tamin\'ny filoha dia frantsay hatrany,izay nisy lasa nipan\'ny zananay ny iray.
porofo:
vao lany izy dia ny namafa ny porofo rehetra no nataony.andafiavaratra nodorany,ny manamboninahitra rehetra mpomba andratsimandrava,maty daholo.
ary raha izao no mbola misy mitady hikitika io resaka io,dia mbla eo ny frantsay hamita ny tantara tohiny.

fanitsina kely momba le lafatsoratra.voalza tao fa voasambotra i \"zimbo\",tsy voasambotra izy,fa maty teny ambohijatovo.
ny nahafatyazy sy ireo namany.
raha nalefa teny ambohijatovo ry zalahy,dia tsy nahalala,fa misy ekipa faharoa nalefa hamono andry zalahy avy eo.(ny bala rehetra nahafaty andry zalahy dia avy ao aoriana avokoa.)ny plan dia hoe mitifitra ry zalahy,ka vao vita izay,dia mitifitra andry zalahy indray ilay ekipa faharoa.izany hoe tsy nisy vavolombelona velona teo.

ny fitsarana moa dia efa nolazaiko ,fa izay rehetra nanontaniana ,dia nanamarina fa ratsiraka no nanome ny vola.
36. fijo ( 17/02/2006 21:18)
fanitsiana."nipan'ny zanany"sipan'ny zanany no tiana lazaina eo.
37. ainga ( 18/02/2006 10:30)
fanintsiana ny voalazan' fijo momba ny teny Ambohijatovo.

olona iray no maty t@ ireo commandos GMP : i zimbô irery. Ny hafa kosa, Boto, Laza Petit-Jean, ... dia voasambotra.

Ireo no voazazy 5 taona...
38. xxx ( 18/02/2006 15:12)
Bora Christian koa
39. hps ( 19/02/2006 17:47)
Ny ahy indray aloha raha io kôzy io de izao eh! Aiza ny maha tany tan-dalana antsika efa andray ny faha 5taona izao no nivoizana an'izany,sa raha olona tsy mana-katao dia voasambotra eo no eo,fa raha tena deba dia modina gisa fontsiny;toa tsy nahataitra ny fitondram-panjakana akory mantsy ny momba ilay valan-dresaka naely,na koa mba mila ranon-dranony @ filoha Ra 8 eh! ka manahy ihany mantsy za fa sao dia mangetahata ny fitondrana no manao be resaka toy ireny,na mety tsisy porofo akory eh.Amiko de izao fontsiny ihany tsy adala ny fitsarana raha izany no marina!!!:^):^):^)
40. xxx ( 19/02/2006 23:18)
Efa histoire ancienne izany ry zalahy a! ny hoavy no tandremana fatratra, à bon entendeur! a
Aza manaiky intsony @sisa fa aleo amboarina avy hatrany izay mitady ho bevaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088