iza no mahay?

1. jentilisa ( 07/02/2006 12:05)
"proportion divine"; mbola tsy navadika teny malagasy aloha eto. Nahavariana ahy ity zavatra ity ka mba te-hahalala azy avy amin'ny fanazavana teny malagasy. PHI moa no mampiavaka na anavahana azy amin'ny matematika.

Mba azavao re ry zareo!
novalian'i Veloo ny 10/02/2006 19:59
2. lapino ( 07/02/2006 12:16)
Tsy nombre d'or ve no resahin'i jentilisa?
3. maelys ( 07/02/2006 12:27)
:roll::roll::roll::roll::-w:-w:-w:-w
4. Fiffi ( 07/02/2006 14:15)
:roll:
5. watafon ( 07/02/2006 14:28)
za tsy mahay !!
6. mandrindra ( 07/02/2006 15:12)
lapino, ie io angamba no tian'i jentilisa ho resahina. raha ho ahy aloha dia mistery io isa io, tsy hay hoe latsaka avy aiza, tsy hhita hoe hikajina inona
7. Veloo ( 07/02/2006 16:41)
:-w:-w:-w
8. hesham ( 07/02/2006 16:52)
divine = devine hihihi za tsy mahay
9. vancleef ( 07/02/2006 17:05)
Tsy mistery izany mihintsy ny nombre d'or phi. Zavatra solution positive ny équation du second degré x² - x - 1 = 0 fotsiny. Izany hoe (1 + racine carrée de 5) / 2 = 1,618 033 988 749 894... Ny zavatra mahazendana azy fotsiny dia :
phi² = phi + 1
1 / phi = phi - 1
phi³ = 2 * phi + 1
...
10. lapino ( 07/02/2006 17:12)
Isa anankiray miavaka izy io amin'ny matematika, ohatra ny Pi sy ny e. Manana toetra matematika manokana maro, ireo nomen'i vancleef ireo ny patiny.

Io isa io hono izany no manome proportions mahatonga firindrana (harmonie) amin'ny natiora. Ny proportions avy amin'io isa io koa nataon'ny mpanakanto maro hoe mahatonga ho tsara endrika (estéthique), mampahazo aina mijery azy, sns ... Dia hita amin'ireo sangan'asa maro io nombre d'or io, indrindra tamin'ny arsitektiora (pyramides, tempoly grika, arsitektiora moderna, sns ...), fa tamin'ny zava-kanto hafa koa (hoso-doko, mozika, sns ...).

Ireto izany misy ohatra hita tetsy sy teroa hoe ahitana an'io "divine proportion" io amin'ny natiora:
- raha mitsangana ny olona: haavon'ny tampon-doha/haavon'ny foitra
- halava amin'ny tanana: soroka hatr@ loha-rantsana/kiho hatr@ loharantsana
- amin'ny tantely: isan'ny vavy/isan'ny lahy
Dia mbola misy bediabe hita amin'ny jeometrian'ny voana pin, mananasy, akorandriaka, sns ... fa indraindray kompliké no fisehony.

Efa naheno koa za hoe misy mysiteriny io isa io, fa tsy haiko.
11. hesham ( 07/02/2006 18:55)
:-w:-w:-w:-w:-w
12. Veloo ( 07/02/2006 19:49)
:-w:-w:-w:-w:-@:-@:-@
13. Herimiafina ( 07/02/2006 20:37)
no comment! hehehehe:-D:-D
14. lapino ( 07/02/2006 22:34)
Ny tena famaritana ny nombre d'or dia hoe ampaha mamaly an'ity fanontaniana ity:

eo amin'ny ampahafirin'ny kantsana (segment) iray no izarana azy mba ho (ny halehiben'ny ampahany lehibe miohatra amin'ny ampahany kely) dia hitovy amin'ny (halehiben'ilay kantsana manontolo miohatra amin'ilay ampahany lehibe)?

Ny famahana an'izay no nahazoana an'io fimiran'i vancleef io.

Misy koa ny "suite de Fibonacci" izay faritana hoe: u(n+2) = u(n+1) + u(n), ka rehefa mihalehibe ny n dia miha-manatona ny nombre d'or ny u(n+1)/u(n).

Dia ny ahitana azy, ankoatra an'le teo:
- eo amin'ny zavamaniry: http://www.lenombredor.free.fr/nature.htm
- eo amin'ny système solaire: manaraka suite de Fibonacci ny faharetan'ny fihodinan'ireo planeta tsirairay manodidina ny masoandro
- ny refin'ny molecule-na ADN: halavan'ny hélice iray: 34 Angstrom, ny savaivony: 20 Angstrom, ka ny fizaran'ireo dia manome ~ nombre d'or
- etsetra ... etsetra ...

Isa irrationnel moa ny nombre d'or, ka ny ampaha akaiky azy izao dia ny 5/3 = 1,6. Dia hita ao amin'ny baiboly io proportion io:
- amin'ny alitaran'Andriamanitra: Eksodosy 27:1
- fiaran'i Jehovah: Eksodosy 25:10,17
- sambofiaran'i Noa: Gen 6:15
sns ...

Hummmh! ... :-w:-w :wink:

jentilisa:
Nahavariana ahy ity zavatra ity ka mba te-hahalala azy avy amin'ny fanazavana teny malagasy.

Tsy nareo mahay teny grika aza ve no tena tokony hanazava kokoa? Bandy grika Phidias izany hono no tena nahatonga an'ilay Phi ko!
15. petakorona ( 08/02/2006 00:18)
toa miovaova le fanazavana raha faribolana na efajoro
16. dizneff34 ( 08/02/2006 04:49)
:) faly mahafantatra an' i phi i dizneff34 !
17. fijo ( 08/02/2006 04:49)
ô lereto an,resaka teny inona ity ataonareo?????
18. Fiffi ( 08/02/2006 05:39)
fijo: de asa mihintsy fa tsy maharaka ny aty e!8O
19. jentilisa ( 08/02/2006 12:08)
ny tena maha-hafa azy ity hoe, raha ny PI no fampiasa amin'ny faribolana, ity PHI ity kosa indray dia saiky amin'ny amin'ny voarin'Andriamanitra no tena ahitana ny kajiny.
Reko hoe raha refina olona iray hatreo an-tampon-doha ka hatreo amin'ny vodi-tongotra no zaraina amin'ny refiny hatreo amin'ny fôtra mankeo amin'ny vodi-tongotra dia manome io PHI io ihany koa.
Andramo hoe ry zareo.
20. lapino ( 08/02/2006 13:38)
Aleo atao an'izao àry ohatra hoe:

+------A-------+----B----+

Ny proportion divine dia ny proportion-n'io sary io, ka: A/B = (A+B)/A .
Phi = A/B am'zay, ==> Phi² = Phi + 1

Proportion io, izany hoe maneho fitahàna refy. Dia mety ahitana azy daholo amin'ny efajoro sy boribory, na endrika hafa.

jentilisa: za tsy manana metatra, fa norefesiko tamin'ny zehy, kajy boribory izany no nataoko:
tongotra foitra : A = 5 zehy
foitra loha : B = 3 zehy
tongotra loga : A + B = 8 zehy
5/3 = 1,6 ary 8/5 = 1,6 (Phi = 1,6)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1036