Mpihatsaravelantsihy

1. pissoa ( 31/01/2006 17:49)
Ahoana kay no fandraisanareo izany hoe mihatsaravelatsihy izany. Dia ratsy foana ve izany?

Ho avy amin'ny manaraka ny anton'ny fanontaniana raha ilaina :wink:
novalian'i Veloo ny 07/02/2006 16:57
2. Fiffi ( 31/01/2006 18:35)
Hoy pissoa: Ahoana kay no fandraisanareo izany hoe mihatsaravelatsihy izany. Dia ratsy foana ve izany?

mety hoe possible ve hoe mety ho tsara ve izany mihatsaravelatsia izany :roll::roll:
3. pissoa ( 31/01/2006 18:40)
Ka ahoana hoa no hamaritanareo an'izany hoe mihatsaravelatsihy :-* Dia izay vao teneno ahy na tsara na ratsy :-D:-D
4. vale ( 31/01/2006 19:21)
salu njy pissoa :-* ny fahafantarako izany aloha dia tsy milaza ze ao an-tsaina fa mandainga é! asa....indrindra koa fa oe tiko iny olona iny nefa kay lainga be fotsiny fa mamadika any ambadika any :twisted:
5. fasaly ( 31/01/2006 19:39)
ny mpihatsaravelatsihy dia olona tsy marina,
eo anatrehanao izy anjely sy olo-marina farehefa mitodika ianao de sahiny ny manindrona antsy anao, izany hoe olona afaka mamadika anao izany e! eo amin'ny fiainana andavan'andro.
6. Fiffi ( 31/01/2006 19:59)
ny maharatsy azy aloha amiko dia izao: milaza ilay olona sady mandoka @ zavatra tsara , midera , nefa vao vatany mitodika io olona noderainy io dia io ary ilay fanenjehana sy filazan-dravatra ratsy ho azy. Efa nahazo an'io aho , nisy olona izay tena namako ary eo anatrehan'ny sasany izy sahy milaza hoe " mpirahavavy anie izahay e!" nefa vao niodina aho dia sahy nilaza izy hoe " ntssss iza koa no nilaza anareo fa rahavaviko iny ? :(:(
7. fasaly ( 31/01/2006 20:05)
fiffi: matetika ny mampalahelo dia ny namana akaiky foana no mamely anao manana io toetra ratsy io....
nefa tena sarotra be ny mamantatra azy ireny hoe mpihatsara velatsihy ve ity namako ity, fa ny marina mitranga eny foana avec le temps de amin'iny enao vao tolagaga hanky va re!!!!! ary tena maharary mihintsy alou vao mahafantatra ny marina fa hadino foana iny e!
ny fanafodiny angaha dia tsara ny manana namana ohatra fa ny mifandray be tsy tsara loatra, na eo amin'ny mpihavana koa mety hitranga izay.
8. ravakamalala ( 31/01/2006 20:31)
amiko io dia arakarak ilay olona miresaka aminao sy ny vanim potoana, na ny zava-misy (contexte).

miankina amin javatra maro no mety mahatsara na maharatsy azy.

9. Vahinala ( 31/01/2006 20:53)
Ny miatsaravelatsihy amiko dia mamoaka fihetsika na fiteny tsy vokatry ny fo, ohatra : Milaza am namana iray izy fa hoe tia azy, manampy azy am olona rehetra, nefa any ambadika mifosa azy amin'ny olonkafa. Za manokana dia tsy mba mahavita azy io noho izany tsy tsara izy amiko.
10. Veloo ( 31/01/2006 20:56)
ny ol ireny tsy miteny ny zavatra marina avy ao am-pony.. ary ratsy io amiko...mampiseo lachete ny fahitako an'izany
11. ravakamalala ( 31/01/2006 21:15)
raha adika amin ny teny frantsay ny mihatsaravelatsihy dia mifandraika kokoa amin ny hoe "diplomatie" sa amin ny "hypocrisie".

raha diplomatie dia hitako hoe ilaina izy io indraindray
12. Fiffi ( 01/02/2006 06:42)
ravakamalala! an3 ny diplomatie aloha tena ilaina e! fa tsy misy hotovizany mihintsy arakin'ny fiheritreretako ny hoe diplomatie sy fiharahambelatsia satria ny iray "tetika" ny iray ratsy , mety ho tetika ratsy koa anefa ny diplomatie fa raha jerena @ tena dikany dia aleo asiana diplomatie kely aloha alohan'ny hanaovan-javatra sa tsy mety ve izany ?
13. lapino ( 01/02/2006 07:08)
Maloto be ny ao an-trano, feno karazan-doto rehetra rehetra io, kanefa handray vahiny, dia saromana tsihy fotsiny ho takona ao ambany ao ny loto rehetra, fa mba ohatra ny madio ery no hitan'ny vahiny. Dia izay no mihatsara ivelan-tsihy.
14. lapino ( 01/02/2006 07:18)
Dia avy eo ilay izy ilazana hoe manao zavatra tsy mifanaraka amin'izay tena zava-misy aminao, mba ho toy ny tsara ny fiseho.

Hoe ratsy foana ve? Ratsy aloha izany, fa tsy haiko hoe mety misy situation mety mahatsara azy? :? Anontanio ny conscience-nao e.
15. pissoa ( 01/02/2006 07:57)
:lol:
16. maelys ( 01/02/2006 10:44)

Mihatsara velatsihy : manafina zavatra, na toetra @ olona iray. Hypocrisie angamba amiko ny teny vazaha mahalaza azy.
Amiko aloha de tsy mety ny mihatsara velatsihy fa tokony ho ny marina foana no lazaina. raha oh ndray ka tonga eo am le fitenin'ny vazà hoe "toute vérité n'est pas bonne à dire" de eo angamba no miditra an-tsehatra ny "diplomatie".
Zay no fahitako azy tsotsotra.
17. pissoa ( 01/02/2006 13:04)
Misaotra ny rehetra.

Fanontaniana manaraka ary e: Ny mihatsara velatsihy ve tsy maintsy misy an'ilay hoe manao zavatra ratsy kely any ambadika? Satria misy miteny hoe diplomatie ...
I lapino izao miteny hoe mba toy ny ho tsara fiseho. Dia inona moa no olan'ny fiaraha-monina raha tsara fiseho ny olona iray? :roll:
18. lapino ( 01/02/2006 13:40)
Sô de miverina amin'ilay "miseho milay" indray izany zédémô-n'i pissoa izany?! :wink:

"tsy mifanaraka amin'izay tena zava-misy ... mba ho toy ny tsara ny fiseho" ( fa manjary kapila ilay hevitra :wink: )

Ka ny olana amin'ny fiaraha-monina dia manjary voafitaka izy. Na ohatra fotsiny aza hoe manjary mametraka fitokisana amin'ny olona heverina fa tena lafatra sy olo-marina, ... kanefa ny fitokisana danzeré
19. pissoa ( 01/02/2006 14:03)
Hihihi - tsisy zédémô izany eo ry lapino ah :wink: Tsy azoko fotsiny ilay tena mihatsaravelatsihy!

ka eo anie no anontaniako. Tsy maintsy misy an'ilay hoe manao ratsy kely any ambadika angaha vao hoe mihatsaravelatsihy :roll: Izaho mantsy mamaky an'ilay teny dia mahita hoe tsara sy ivelany. Ka inona no danzeré raha izany?
20. Vahinala ( 01/02/2006 14:34)
Fa inn le mot lalaovina e, toa lasa tsy maharaka tsony za kle !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2536