MBOLA MARO IREO TSY MINO FA MISY ANDRIAMANITRA...

1. tivinah ( 31/01/2006 12:31)
Mbola maro ny Malagasy tsy mino fa misy Andriamanitra.
Aminareo izay efa mpino, inona no mety mahatonga ny olona tsy mino? A
novalian'i marozevo ny 02/03/2006 15:47
2. sonwin ( 31/01/2006 13:10)
Za nefa mahita fa maro dia maro ny Malagasy mino fa misy Andriamanitra, ary efa hatry ny ela mbola tsy niditra ny vazaha no efa nino izy. Ny fahitako azy, ny kristianina no mihevitra fa maro ny gasy no tsy mino ny fisian'Andriamanitra.
3. xxx ( 31/01/2006 13:53)
Tsy voatery mihevitra izany ny kristianina e fa ny eritreritra hoe maro no tsy pratiquant, any no halehan'ny saina, izany hoe maro ny animistes mino ihany izy ireo fa misy ny Zanahary fa tsy mnadeha any am-piangonana izy ireo. Dia tsy hita fa izany ny fomba fiainany.
4. dadabe ( 31/01/2006 13:59)
raha vao tsy mahazo valimbavaka izy dia ,milaza fa tsy misy Andriamnaitra
5. scorpion ( 31/01/2006 14:12)
satria ireo mpino toa tsy hita akory izay mampiavaka azy amin'ny tsy mpino (resaka fitondran-tena no resahiko sy ny fahaiza-miaina anaty fiaraha-monina), dia aleony tsy mino.
6. dadabe ( 31/01/2006 14:19)
zay :wink:
7. diamondra27 ( 31/01/2006 17:27)
maro ny tsy mpino satria tsy ampy le mpitory.

T@ za nampiely baiboly , de nande t@ faritra ambanivohitra , tsy tongan'ny tomobilina,tsy misy jiro sy rano, de nampalahelo be fa gaga le olona fa tsy fantany akory 'zany hoe: Jesosy 'zany

Koa ianareo ze manao azy efa mijoro tsara de mitandrema mba tsy ho lavo fa tena mila anareo mpino Andriamanitra mba hahafaha'ny olona tsy mahalala azy hoe DIEU EXISTE

Tsy ho faty ny olona raha tsy efa naheno ny filazantsara izy

8. ravakamalala ( 31/01/2006 20:37)
scorpion:
satria ireo mpino toa tsy hita akory izay mampiavaka azy amin'ny tsy mpino (resaka fitondran-tena no resahiko sy ny fahaiza-miaina anaty fiaraha-monina), dia aleony tsy mino


f'angaha ny olona hafa no handeha entina hinoana na tsy hinoana an Andriamanitra? Sady ami nizay hoe ny fitondratenany!!
rah ohatra indray ka hoe izay zavatra mitranga amin' ny fiainany (marary lava ilay kristiana, dom pahoriana lava, ory lava,...) dia ekeko hoe manakivy ny tsy mpino izany, fa ny fitondratenany dia safidiny manokana.

:roll::roll:
9. Vahinala ( 31/01/2006 21:04)
Ny olona tsy mino ny fisian'Andriamanitra dia tokony manontany tena hoe avy aiza ary no niavian'izao tontolo izao, nahoana no misy ny alina sy atoandro, iza no nanao ireo kitana amambolana ? Mpanao magie ve ??????
10. marozevo ( 31/01/2006 21:17)
Araka ny fahitako azy kosa dia mino ny Malagasy rehetra, mino an'Andriamanitra, singy ny sehatra anehoany izany no samihafa. Isika mpino dia milaza fa misy ny tsy mpino, ho azy ireo anefa dia isika no tsy mpino...
Araka ny fahalalako azy koa dia ireto avy ny karazana fomba fino :_
1 -Kristianina : Catho - FJKM - FLM - Anglicans - Autres religions chretiennes. Ireo ilay ataontsika hoe KRISTIANINA. Ny sekta sasantsasany koa mety ho ao anatin'io.
2 - TSY KRISTIANINA : Silamo - Indous - Boudhisme sekta sasany, etc...
3 - Religions traditionnelles (Tsy dia azoazoko loatra ilay hoe animistes).
Marihiko fa tsy midika na inona na inona amiko ilay filaharany, fa mba hampahazava azy eto fotsiny.

11. ravakamalala ( 31/01/2006 21:19)
vahinala > ka indraindray ny olona tsy mametrak izany fanontaniana izany fa ny fiainany andavanandro no jerey dia rehefa tsy misy fiantraikany amin io fiainany andavan'andro io dia tsy asiany lanjany!
Ny azontsika kristiana atao dia ny mijoro ho vavolombelona ary mampiseho azy fa mety amin ny fiainantsika ny fananana an Andriamanitra ho mpitarika.
12. Veloo ( 31/01/2006 21:26)
misy tokoa moa ny tsy mino fa misy antra---- ny evolutioniste ka...
13. marozevo ( 31/01/2006 21:51)
Veloo:

misy tokoa moa ny tsy mino fa misy antra---- ny evolutioniste ka...



Ny evolutioniste anie na milaza aza hoe tsy misy Andriamanitra dia tsy mbola afaka naneho hoe avy aiza ary ilay MONOCELLULAIRE niandohan'ilay evolution eh... Ary raha ny marina koa ny finoana tsy hoe amarinina ara-tsaina fa ao anaty fanahy ao. Azo atao ny milaza ara-tsaina fa tsy mino aho, fa tena izay ve ny ao anatiko. Iza no mahita ?
14. Vahinala ( 31/01/2006 22:05)
dadabe:

raha vao tsy mahazo valimbavaka izy dia ,milaza fa tsy misy Andriamnaitra



Zay koa d marina mihitsy aloha.
15. diamondra27 ( 01/02/2006 06:36)
ny devoly koa de mino saingy mangovitra...
16. Veloo ( 01/02/2006 19:41)
diamondra ie zany mihitsy :°)
17. moi ( 02/02/2006 06:05)
Ny mahatonga ny olona tsy mino ?
Satria sarotra ny mino amin'izao andro izao ; indrindra indrindra raha metimety ny fiainanao. Inona indray moa no ilàna Andriamanitra ? ohatry ny automatique ny hoe maraina ny andro, vohaina ny frigo dia ao izay ilaina ... Ny jiro mandeha, ny telefaonina tsy tapaka ...
Andriamanitra koa na nanampy anao aza dia tsy tsapanao fa heverinao fa ny chance anao no nety... sarotra ny mino e !
18. Veloo ( 02/02/2006 19:51)
moi a dikan'izany zany raha voa tsy satisfait @ izay angatahan'ny eo dia eo dia oe tsy misy Andriamanitra?
tsssssss, efa misy plan tsirairay ho an'ny rehetra izay ataon'Andrimanitra...
19. Vahinala ( 02/02/2006 20:09)
Zay ilay hoe ny olombelona rehefa misy olana dia mahay mivavaka sy mangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra ny ankamaroany, rehefa metimety kosa anefa ny fiainany toa adinony hatramin'ny fisian'izany Andriamanitra izany.
20. Veloo ( 03/02/2006 16:31)
ie zany mihitsy:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2958