Fifidianana Palestina: nandresy ny Hamas!

1. jentilisa ( 26/01/2006 12:17)
Efa mba rentsika ihany angamba ny fifidianana depoite izay ataon'ny Palestiniana. Natao omaly izany fifidianana izany ary sambany no nandray anjara ny Hamas izay manana ny tanjona ny hanafoana ny firenen'Israely. Koa na dia politika any ivelany aza izy ity tsy azo amaivanina amin'ny zava-misy mampipoaka ady maneran-tany. Fomba fijeriko izay fa ampidiriko ny adi-hevitra. Inona no mety ho fiantraikan'izany amin'ny raharaha iraisam-pirenena?
novalian'i xxx ny 15/03/2006 10:46
2. mandrindra ( 26/01/2006 13:12)
tsaratsara angamba aloha raha azavain'i jentilisa ny lanjan'ny antenimiera (depiote) any palestina.
3. Samoana ( 26/01/2006 13:15)
Miha-sarotra ny toe-draharaha satria ny amerikana sy ny jiosy tsy hiara-hiasa @ hamas mihintsy izay sokajian'izy ireo ho terôrista.Eurôpa tsy maintsy miezaka mampihavana. Ny tompon'andraikitry ny hamasy anefa efa nivoady hanafongana tanteraka an'israely araka izay efa voalazan-dRajentlisa.
4. jantina ( 26/01/2006 13:16)
raha ny fahitako azy dia ho ratsy ihany ny toe-draharaha, manahy aho fa dia ho "bloquer" eo indray zany ilay "processus de paix" efa nogenagenaina iarahana @ israeliana. Toy izany koa ny fananganana ny "Etat"'i Palestina,efa nanao fanambarana tokoa mantsy hono- araka ny vaovao aninkeo- ry zareo israeliana fa tsy afaka ny hifandraharaha @ terorista.
5. Veloo ( 26/01/2006 17:00)
tsy aleo ve aloha mieritreritra ny any an-tanidrazana:?:
6. Herimiafina ( 26/01/2006 21:01)
Aleo ihany FATA fa iny mba miasa e! Ny HAMAS mantsy ny lutte armée ihany no tena hainy, izany hoe korontana e! hehehehehe:-D:-D
7. eprom ( 27/01/2006 03:53)
Veloo> Misy fiantraikany aty amintsika io ka. Raha mbola ady foana no iainan'ny arabo sy ny israelianina de hanjary fahasahiranana ho an'ny diplomasiantsika izay. Ny israeliana de afaka manampy antsika betsaka ( indrindra ara-teknika) nefa de sahirana be isika miara-miasa aminy izao.
8. jentilisa ( 27/01/2006 07:17)
Manahirana dia manahirana ity toe-draharaha ity e!
Amin'ny Hamas ohatra dia ny fibodoana sionista sy ny fitohizan'ny fanafihana sy famonoana ny vahoaka palestiniana no fototry ny olana. Matoa izy miteny izany dia noho ny nandroahana ny Palestiniana tamin'ny andro nahazoan'Israely fahaleovantena (1947-1948). Aminy dia tsy nisy ny fanjakan'Israely talohan'io...ary karazana fanjanahan-tany Eoropeana tafiditra ao Azia andrefana ny nanaganana izany fanjakana izany. Izay no nahatonga ilay tarigetra hoe tsy maintsy foanana ny fanjakan'Israely.

Etsy andaniny kosa ny firenena vaventy (ara-toe-karena) dia miangavy ny Hamas tsy hanohy intsony ny tolona mitam-piadiana izay ataon'ny amerikana sy ny israeliana hoe mpampihorohoro...noho izy ireo mamony sivily.

Manaraka izany dia misy sahady ny fihetsika tsy voatandrina nataon'ny mpanohana ny Hamas. Tao Ramallah misy ny lapan'ny antenimiera Palestiniana dia nampidinin-dry zareo ny saina Palestiniana ary ny sain'ny Hamas no natsangany!

Efa fanehoana tsy fahamatorana sahady izay na dia hoe kolikoly aza no tena naharesy ny fatah!
9. mandrindra ( 27/01/2006 08:57)
ka iza ary no manana ny marina ny mpibodo toerana natosik'izao tontolo izao sa ny tompontanana natositosika ? io anie no manahirana amin'ny fitsarana e.
10. jentilisa ( 27/01/2006 13:03)
Angamba kosa jerena tsara ny tantara!
andeha atao hoe natositosik'izao tontolo izao izy, ny israeliana io. Rehefa nifarana ny ady ka nanapa-kevitra ny firenen-dehibe noho ny voina nahazo ny jiosy fa rariny raha manana firenena mahaleo tena izy ireo, dia efa niomana izany hatry ny elaela kosa ny jiosy. Nisy ny fomba nanaovany azy dia ny fividianana ny tany rehetra nifanakaikikaiky. Rehefa azon-dry zareo ny faritany maromaro dia nihetsika amin'izay ry zareo. natsangany ny firenena Israeliana. Tamin'ny voalohany...izany hoe tamin'ny andron'ny anglisy dia asmy niara-nonina tao Palestina ihany na ny jiosy na ny Palestiniana. Maro tamin'ireo Mpitondra Jiosy tamin'ny fotoana nananganana ny fanjakan'Israely no mbola nizaka izany zom-pirenena Palestiniana izany. Ohatra i Golda Meyer izay nampiseho izany karany izany ho hitan'ny rehetra. Najorony amin'izany ny lalàna fa izay tsy miala ny faritra azon-dry zareo dia manaiky fa mizaka izany zom-pirenena Israeliana izany koa. Maro ny palestiniana tsy nanaiky hofehezin'ny jiosy no niala tamin'ny faritra Israeliana vaovao fa nisy ihany koa ireo izay nijanona...ireo farany ireo no lasa jiosy arabo ankehitriny ny maro taminy.

Koa raha hoy mandrindra hoe izany no nibodo ny tanin'iza? Tsy haiko loatra ny mamaly azy! novidian'ny jiosy tsikelikely ny tany mahavokatra maro aloha.

Raha tonga ary ny fotoana nandroahana ny palestiniana hiala amin'ny faritra azon'ny jiosy dia maro no tezitra tamin'ny mpiotndra arabo. Efa tamin'izany fotoana izany no najory ny tigetra fa tsy maintsy foana amin'ny sarintany izany Israely izany. Tonga ny 1967, nifanafika ny jiosy sy ny Arabo. Ezipta no notafihin'Israely, teo koa i Siria...Potika avokoa ny fiaramanidina mpiadin'ireo tany arabo manodidina an'Israely. Tao anatin'ny enina andro monja dia nitombo avy enina heny ny tany azon'Israely...resy tosika tanteraka ny arabo.

Na dia izany aza dia mbola nanohy ny tolona ny Palestiniana! Aminy dia mbola taniny io bodoin'Israely io. Tamin'izany no nampalaza ny fametrahana baomba sy famonoana jiosy izay tratran-dry zalahy. Ny nalaza indrindra dia ilay tany Allemagne (Munich) 1972 izay nahafaty atleta Israeliana sy hafa koa...raha rariny teo anatrehan'ny maro (tiers monde) ny tolona talohan'io fotoana io Dia nomelohan'ny fanjakana maro io fihetsika iray io, ary tamin'izany dia efa mpitari-tolona Atoa Yasser Arafat! Nihataka tamin'ny palestianiana ny namany maro teo aloha...tsapan'ny OLP ny paika diso nataony ka nanapa-kevitra ry zareo tsy hanapoaka baomba any amin'ny sivily tsy jiosy no maro.

Na dia izany aza dia nanohy ny tolona tamin'ny endriny hafa kosa ny Hamas izay eto ambany ny tantara

http://fr.news.yahoo.com/27012006/5/l-histoire-du-hamas-en-quelques-dates.html

Koa afa-mamakafaka isika fa tsy hitongilana be fahatany!
11. mandrindra ( 27/01/2006 13:44)
jentilisa a, raha toa misy olona maro mizaka ny zompirenena hafa ankoatran'ny malagasy mividy tany any Madagasikara, dia avy eo roahiny ao ny malagasy dia manangana firenena vaovao izy, ahoana no fihevitr'i jentilisa ? avela amin'izao ve sa hanao hetsika ? dia raha vao misy fifandonana dia hanao négociation de paix dia mijanona eo ny tsy tompotanindrazana.

Marina fa mampihorohoro sy mampiasa herisetra ny hamas. Tsy mety izany raha tazanina avy aty ivelany. Fa mba omeo fomba hafa hoe ahafahany manatanteraka ny tanjony ? Amiko aloha dia tsy misy ny fomba hafa satria raha mbola ny fifandinihina ho any amin'ny fandriampahalemana no tanjona dia midika izany fa hijanona eo ny israeliana izay naka ny taniny, noho izany tsy ho tratrandry zareo ny tanjony.

Ny fitsarana entina dia tsy tokony fomba fijery avy aty ivelany ihany fa mipetraka eo amin'ny toerandry zareo palestiniana mihitsy. Aza ny fomba filazambaovao ataon'ny firenena tandrefana ihany no henoina satria kolontsaina tsy mitovy ka mahadiso.

12. Veloo ( 27/01/2006 17:33)
eprom a :-*:-*
13. fijo ( 27/01/2006 20:39)
izao no zavamisy aloha izao.
taloha ny HAMAS mpanohitra,izao izy lasa eo amin'ny fitondrana.
ka tadidio tsara,fa tsy mitovy ireo toherana ireo.taloha,fonympanohatra,dia ny tena no mitsikera.aiza izao e,aiza izao e.fa izao,raha tsy ampy ny zavtra,dia ny tena no tsikeraina.

aza hadino koa,fa ny mpamatsy vola ny palestina dia ny EU sy ny amerikanina.ka raha ireo no manakatona ny volany,dia vita mahia ao ry zalahy.

ary ,mba efa tena vonona ny handray fahefana koa ve ry zalahy,fa toa nangataka ny FATA mantsy ryzareo androany hiaraka hanangana fitondrana aminy,fa tsy nanaiky ny FATA;

ka manomboka izao,izany dia tsimaintsy miova ny fomba firesaky ny HAMAS.satria:
-aratafika aloha dia nofy ny handresy an'i israel.
-ara bola dia tsy hafaka mahavita tena izy.
-amin'ny raharaha tokantrano(interne)dia manomboka hiatrika ny olana misy izy.
ny karaman'ny fonksionera any,dia vola avy aty eu no handohavana azy.ka ahoana?haniky ny rafitra nisy niarahan'ny FATA sy ny EU,sa ahoana.

io fanarahana tany HOSLO io,mantsy dia mazava.hanampy ny europena,fa tsimaintsy manaiky ny fisian'ny israel i palestine.dia toa izay koa i israel.ka sarotra be ny hoe alefaso le vola,nefa izahay tsy hanaiky ny fifanarahana;
eo isika izao.
14. Herimiafina ( 27/01/2006 21:17)
Maty aho Israely malalako klé, hehehehe:-D:-D
15. fijo ( 28/01/2006 04:06)
tsy maintsy miova ny HAMAS ka
16. jentilisa ( 28/01/2006 12:27)
mandrindra:

jentilisa a, raha toa misy olona maro mizaka ny zompirenena hafa ankoatran'ny malagasy mividy tany any Madagasikara, dia avy eo roahiny ao ny malagasy dia manangana firenena vaovao izy, ahoana no fihevitr'i jentilisa ? avela amin'izao ve sa hanao hetsika ? dia raha vao misy fifandonana dia hanao négociation de paix dia mijanona eo ny tsy tompotanindrazana.

Tsarovy fa mbola teo ambany fahefan'ny firenen-dehibe tamin'izany fotoana izany ny faritra maro nanerana an'izao tontolo izao, ka nahay nanararaotra ny jiosy tamin'ny nakany ny tany hanaganany firenena vaovao. Raha amin'izao fotoana izao dia sarotra be izany hanagana firenena vaovao izany. Tsy hisy firenena hanaiky anao izany. Tamin'izany fotoana izany anefa vao namoaka fehin-kevitra ny filakevim-pilaminan'ny firenena mikambana hoe raryiny raha manana faritra ho azy ny jiosy.
fa raha resaka tany amidy aloha, izay anjara faritra azy manokana dia azo raràny tsy hidiran'olon-kafa ka! na aiza na aiza io.


Marina fa mampihorohoro sy mampiasa herisetra ny hamas. Tsy mety izany raha tazanina avy aty ivelany. Fa mba omeo fomba hafa hoe ahafahany manatanteraka ny tanjony ? Amiko aloha dia tsy misy ny fomba hafa satria raha mbola ny fifandinihina ho any amin'ny fandriampahalemana no tanjona dia midika izany fa hijanona eo ny israeliana izay naka ny taniny, noho izany tsy ho tratrandry zareo ny tanjony.

Na ahoana na ahoana ny fampiasan-kery tsy vaha-olana na oviana na oviana. Ohatra: tamin'ny raharaha 1947 dia nanoratra J Ravoahangy Andrianavalona hoe ny ady anaty akata no nandrava ny famoriana be saiky hataon'ny MDRM ny 1 Avril 1947. Vao nandray fiadiana ny sasany dia nanjary izay matanjaka no nanana ny rariny. Etsy andaniny ny Indiana izay notarihin'ny Mahatma Gandhi nampiasa ny non-violence nahazo ny fahaleovantenany.


Ny fitsarana entina dia tsy tokony fomba fijery avy aty ivelany ihany fa mipetraka eo amin'ny toerandry zareo palestiniana mihitsy. Aza ny fomba filazambaovao ataon'ny firenena tandrefana ihany no henoina satria kolontsaina tsy mitovy ka mahadiso.

Na ahoana na ahoana dia tahaka izany mihitsy ny fomba fisainan'ny mpangalatra sy ny mpamono olona. Hoy ry zareo rehefa manao action hoe haka ny anjaranay izahay. Tokony haka ny toeran'ny mpangalatra ve aho mba ahalalana ny olana manjo azy ireo?


17. jentilisa ( 29/01/2006 13:00)
izao manahirana fa ny samy palestiniana indray no miady! nahoana? mifankahala ve? noho ny hevitra tsy mitovy dia izay tsy mitovy hevitra no lazainy hoe mpamadika...
18. mandrindra ( 30/01/2006 12:33)
hoy i jentilisa :
Tokony haka ny toeran'ny mpangalatra ve aho mba ahalalana ny olana manjo azy ireo?


iza no mpangalatra ry jentilisa? iza no tompon'ny tany sy ny firenena fa noroahina?
Nandritra ny hafiriana no tsy nanantany ary tsy nanana firenena ireo palestiniana ireo?

Na ahoana na ahoana ny fampiasan-kery tsy vaha-olana na oviana na oviana.

mba omeo vahaolana ary e. andeha ve ry zareo palestiniana handondona ao ambaravaran'ny israeliana dia hiteny hoe miala amin'izay ianareo azafady tompoko dia averino aminay ny taninay, dia hiala eo ve ny israeliana ?

mbola averiko amin'i jentilisa ny fanontaniana hoe raha misy maka ny tanindrazan'i jentilisa ary noroahina tao ianao. tsy vitan'ny noroahina fa tsy manakaleha akory. dia inona no ataonao?

ilay hoe saly palestiniana no miady dia ny samy fatah no mifanasa vangy aloha. ny antony dia satria tsy mitovy ny tetik'asa, talohan'ny fifidiana dia efa nisy branche 2 izay samy manana ny lisitra saika ho arosony. noho ny discipline de parti moa dia lisitra iray ihany no naroso dia izao resy izao no vokany.

fijo, marina daholo ireo voalazan'i fijo ireo. fa firifiry moa ny mpitondra fanjakana no rehefa eo amperin'asa izy dia lazainy fa ny hafa foana no manao habibina. ohatra i alzeria, mody lazaina ny antoko silamo no mamono olona nefa ny miaramila no hirahina hanao izany. dia toy izay ihany koa ny hamas, mody hipetraka aloha izy dia rehefa avy mitohy ihany fomba fanao dia ho tondroiny molotra ny fatah sy ny israeliana ary ho lazainy fa mametraka velampadrika ho andry zalahy.

ny nahalany ny hamas anie tsy noho izy mpampihorohoro e. nandritra ny fampielezankevitra dia ny fitsikerana ny tsy mety ataon'ny fatah eo amin'nyfitondrana ny raharahampirenea no nataony. ny hevitra lehibe marosony tamin'izany dia ny fiadina amin'ny kolikoly, fanajariana ny rafipanjakana, ary fametrahana pôlitika sosialy mitodika any amin'ny palestiniana.
19. eprom ( 30/01/2006 13:25)
mandrindra:
iza no mpangalatra ry jentilisa? iza no tompon'ny tany sy ny firenena fa noroahina?
Nandritra ny hafiriana no tsy nanantany ary tsy nanana firenena ireo palestiniana ireo?

Raha ny fahalalako ny tantara, ( za koa tsy de mahay ) de azo ambara hoe samy tompony ireo : ny jiosy izay tao saingy niparitaka taty aoriana sy ny arabo izay nifindra tsikelikely tao . Miverina ny jiosy ankehitriny. Heveriko fa ny vahaolana de zaraina ny tany : ny iray an'ny Jiosy, ny iray ho an'ny arabo. Marihiko koa fa tsy mbola nisy fanjakana palestinianina izany hatrizay. Io tany io de teo ambany fifehezan'ny tiorka, nondimbiasan'ny anglisy. Tsy mbola nisy koa arak'izany ny "firenena palestiniana" raha tsy nohon'ny fitsanganan'ny fanjakana jiosy.
20. jentilisa ( 30/01/2006 14:18)
Dônky! an'ny Tiorka ny tany! :°)
fa rehefa miditra koa ny propriete prive ka tiany tsy azo idirana iny tsy manana ny rariny izay miditra ankeriny eo na iza na iza, na ny tompony taloha aza!
Mety ve raha efa namidinao taman'olona ny tany dia mbola hitokony enao avy eo hoe izaho tsy maintsy mipetraka eto?

Diso paika ny sasany noho izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0625