Rehefa tonga fotoana

1. xxx ( 26/01/2006 12:09)
O ry zavavy ah, ianareo ve marary be toa ahy rehefa tonga fotoana?

Toy izao ilay marary teneniko: kely aina kely; dia mafana be foana toy ny voan'ny tazo; safotra kely indraindray (ohatran'ny hoe tsy mahavita miaina izany amin'ny hafanana); dia fanina be foana raha vao
mitsangana; dia ny vanin-taolana tena malemy be tsy mahavita na inona na inona (ohatra hoe misakafo aza dia ohatran'ny tsy ho zakako ilay sotro); te handoha foana nefa tsy mahavita; marary kibo; marary lamosina.

Efa nanantona mpitsabo aho mazava ho azy, dia efa nomeny fanafody sy nasainy misotro rano be dia be (Izay no nanaovako azy ato amin'ny Resa-behivavy fa tsy tany amin'ny Fahasalamana)... Nihatsara ihany aloha e, ohatra hoe tsy safotra intsony aho raha tsy hoe nanao reraka talohan'ilay tonga fotoana iny. Fa mbola mijaly ihany nefa. Dia izay no anontaniako anareo, inona kay no ataonareo mba mihena kely ohatra ilay marary kibo na marary lamosina (ireo mantsy toa olona maro no voa toa an'ireo) Ohatra hoe sao misy paozy mampahazo aina kokoa rehefa midaboka, na tsy haiko e ...
novalian'i FABIOJAX ny 06/06/2006 21:50
2. fasaly ( 26/01/2006 12:15)
izà kou alou de mi dsouffre be refa ho tonga fotoana e! indrindrany rehefa ho tonga sy ny 1er jour iny, fa après somary soulagé amzay; ny bas du ventre no tena marary de ny lamosina, tena mifoiritra mintsy zà rehefa manikitra be le izy, sady lasa be rivotra be ny kibo, de plus iny mivoka plus miha miena lay marary, fa mihinana anti douleur fotsiny no ataoko, io no hany mba totohevitra omeny gyneco ahy, fa na izany aza tsy tsara ny mi consome fanafody loatra fa raha tena tsy tanty vao mihinana fanafody.
ny hitako mankarary azy an! de izy tsy de mande be iny ny rà, fa raha lasa bdb le izy de miha maivana le marary, ny fanafodiny de manao vizana angamba mba hampandeha azy bb kokou! asa anefa!!!!
3. fasaly ( 26/01/2006 12:18)
fa tsy noramly kosa io fanina sy mitady ho safotra io ry xxx a! sao de tokony hanao fizahàna lalindalina kokoa any am spesialista aza? raha izà zany de efa tsy mandry ny saiko, ny dokotera ange ndraindray manao fizahàna routine fotsiny e!
de mihonona amin'iny izy na de efa misy zavatra hafa aza, sà mantsy efa trantran'izay aky!
4. mamzelkely ( 26/01/2006 12:33)
za alo ko refa tonga fotôna de tena marary mijaly be mits surtout le 1e jour iny fa za njay de heretako eo sinon asaiko orina ny lamosiko le ambany mifanandrify am rein iny fa za njay ts mihinana fanafody alo ee za ts de tia fanafody zany mits na marary aza fa hiaretako fôna ny ana

fa le mando no efa henoko fa nisy namako zay efa tratran'izany mando zany fa apres kosa alo izy calme ee fa ts fanina sy sisa zany

fa ny mety aminao angamba ry xxx de manatona mpitsabo de manaova cure ana spasfon fa mila indication an dokotera aaaa sô de we mamzelkely no nanoro de za eo no mahazo loza fa manatona dokotera de manaova cure an'io refa fatatrao fa efa akaiky tonga n règle, tokony mifaciliter ny circulation an rà io

sinon ny afaka ataonao ko de manaova sport tsara de mi-regulariser ny circulation an rà de mihena le douleur de misotro rano bdb fôna
5. booboo ( 26/01/2006 12:38)
zà sady mandoa, tsy mahahetsika, no fanina lava, no mitady ho torana fôna ny andro voalohany sy faharoa iny. Ny anà une semaine alohan'ny règles dia efa maharary velona ny kiboko sy ny feko sy ny lamosiko iny. Dé avy teo ndray sady manao règles vachement abondantes no eo @ 6 andro eo @ ankapobeny ny faharetany ! fa mandreraka aina a !

Nisy fotoana zà tsy maintsy nanao traitement hormonal noho ny FC dia mba tsy naninona firy. dé zao ndray miverina marary nefa efa ça va oun ny raha aby aby. zany no tsy ahasiako manao zana-booboo mandrak'ity na efa te-hanana mafy aza sao manao FC eo indray. pfffffffffffff.
6. fasaly ( 26/01/2006 12:57)
booboo ka rehefa tsy azo antoka manatona mpitsabo kalou alohan'ny hanaovana zana-booboo.....sao manao ankasarotana eo koa mandrintra ny grossesse vao loza.
7. booboo ( 26/01/2006 13:03)
fasaly > hihihihihi, refa tsy matahotra hôpitaly tsony zà vô ho any indray hiresaka an'azy an'izany :°).
8. fasaly ( 26/01/2006 13:07)
fangah ndriko matahatsa hopitaly? fa naninona? angoissée ngah njy refa mandeha hopitaly???
9. mamzelkely ( 26/01/2006 13:16)
de aôna ts hanana zana-booboo mits zany njy ry booboo refa te hanana ky de manantona dokotera
10. Vahinala ( 26/01/2006 15:29)
Nena ndray eo amin'ny 10jours mialoha eo manomboka marary be ny nono, dia 2 jours mialoha eo ndray marary be ny valahana sy ny kibo mandrapaha tapitry ny 1 sy 2ème jour ny règle. Tsy mba mihinana anti douleur zany za fa hiaretako satria normal ihany amin'ny lafiny iray angamba raha misy marary, fa ny fanaoko fotsiny dia misotro rano mamay be satria matetika mivaingana le rà any anaty any dia izay no tena mankarary azy fa indrindra ny kibo, misy cousine ko dokotera zay nilaza tamiko hoe mahavara an'io hoy izy dia ataovy rano mafana farak'izay zaka mintsy.
11. vale ( 26/01/2006 21:38)
manahoana i xxx: ny mba henoko izany oe ny antony mankarary ny vhv rehefa tonga fotoana dia ny tranon-jaza, no samy manana ny fomba fipetrany, ohatra ao no misy mitongilana kely ao ny tena ila hitsongolika mihintsy "hono" hoà fa tsy aiko ze fahamarinany é! ny tsara koa dia misotro rano na dité mamay, dia minana "anti-douleur", izay no mba azoko anampina anao fa tena mampalahelo be ko enao izany! mahereza é!:-*
12. vale ( 26/01/2006 21:40)
oay, hay efa nisy nanoro ilay misotro rano mamay io!hihihih, izao vao itako, fa ny nahamaika an'ah de ny hamaly an'i xxx avy hatrany!:-*:-*:-*
13. jennifer2 ( 26/01/2006 23:23)
hay tsy za irery no voan'zany koa, ny ahy herinandro vao tapitra sady be de be, de eo @ faritry ny tranon-jza tena marary be sady mamaly any @ lamosina koa! de lasa feno rivotra be ny kibo. Fa rehefa mafana ny andro de fanina foana koa za. Fa ny nataoko, tsy manao vizana be zany, mihena mantsy ny herin'ny tena hanohitra an'le marary rehefa vizana. De misotro rano mamay zay zaka, de taty aoriana aho mihinana chocolat kely (portion kely efatra farafahabetsany isan'andro fa mankarary aty indray raha mihoatra an'zay) rehefa akaiky ho tonga iny sy le roa andro vaolohany. manome hafanana sy hery mantsy ny chocolat! De jereo koa ny taux calcium fa rehefa kely calcium koa de marary be le izy!
14. xxx ( 27/01/2006 02:42)
Nena njaytalo tena narary b otran'zany ko fa nisy nanoro oe manao firaisana foana d tsy manin ;d @zao za tsy manin tsony na tsy manao firaisana aza, d zay !!:D
15. xxx ( 27/01/2006 05:50)
Misaotra anareo rehetra mamaly. Andramako aloha ireo teneninareo ireo :-*

vale: :-*:-*
jennifer2: Ilay izy anie na dia ririnina mangitsy be aza dia miakatra foana ny hafanako e. Fa hojereko io calcium teneninao io, na dia tsy mbola nanao crise tsy fahampiana calcium izany aza aho
xxx: Mampihomehy be
16. maelys ( 27/01/2006 05:59)
za ko marary kibo be foana sady te hando no oh misy bouffée de chaleur zany. Ny lamosiko sy ny ranjoko mila tsy ho zakako. Manampy an izany ko ny fivalànana matetika. Mila ho afaka ny aiko. Ndraindray zà mihinana fanafody nefa refa avy avy tany am dokotera fa tsy nisy fiovana de hozizy hoe io koa hono indraindray efa toe-batana.
Misy milaza hoe refa miteraka de tsy maharary tsony avy eo fa nefa ny zanako zao 3 taona fa eee. Isaky ny tonga fotoana de maharary kibo lava e !
Ny ataoko tsy hampandoa anà de mihinana zvt marikivikivy.
17. Vahinala ( 27/01/2006 07:51)
xxx > Manao firaisana mandritra ny fotoana ve ? Tandremo fa za mpanao an'izany taloha dia nahita fandaharana mikasika ny fahasalamana izay aho indray mandeha nilaza hoe tsy azo atao mihitsy ny manao rehefa en règle fa tsy mampi teraka hono, nisy fanazavana nomeny mahatonga an'izay fa lava be ilay izy. Tsy nanao intsony za avy teo fa sao ho loza koa, mbo te hananjanaka ihany !
18. dadabe ( 27/01/2006 09:52)
zah koa maharary be foana isaky ny tonga fotona :cry::cry:
19. bozimanga ( 27/01/2006 10:09)
ny vahaolana azoko omena ano dia tsy misy ankoatry ny manao fanatanjahantena fa io no vahaolana tena tsara fa toy izany olanao izany mihitsy ny zokiko taloha fa sahirana mihitsy toy ireny ho faty ireny ,fa ny fanatanjahantena irery ihany no nahafaka ny azy ary tena tsy manin toy ireny tsy tonga izany izy anhehitriny ;ka mba andramo hoe.
20. Vahinala ( 27/01/2006 11:56)
bozimanga:

ny vahaolana azoko omena ano dia tsy misy ankoatry ny manao fanatanjahantena fa io no vahaolana tena tsara fa toy izany olanao izany mihitsy ny zokiko taloha fa sahirana mihitsy toy ireny ho faty ireny ,fa ny fanatanjahantena irery ihany no nahafaka ny azy ary tena tsy manin toy ireny tsy tonga izany izy anhehitriny ;ka mba andramo hoe.



Mandritra le période ny regla mintsy ve no manao fanatanjahantena sa amin'ny fiainana andavan'andro ? nena mantsy zao raha vao somary reraka iny dia vao maika loza ilay fanaintainana ary hatram tongotra aza lasa mavesatra avy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2963