mbola ravalo ihany no holany.

1. fijo ( 24/01/2006 21:54)
Dia samy efa maneho ny haviny moa izany,ny mpifaninana rehetra.
hilatsaka i ratsiraka,miandry fotoana i lahiniriko,tsy hay be ihany i ramarosaona alin,i zafy koa tsymamela mahazo.
ary ny mpifanandrina dia i ravalo.
nahoana no i ravalo ihany no mbola holany?
-tsotra:
-ny mpanohitra dia tsy miray saina.
-mibaribary be,fa ny mpanohitra dia mitady seza fotsiny.
-tsy manana olona vaovao hatolotra ny mpanohitra,fa ny efa tonta sy nankaleo ny olona no mbola harosony.
-ny mpamatsy vola ny mpanohitra(avy aty frantsa)dia tsy ainy intsony izay tokony hitokisany.ka mety tsy hanome izy.
-mifanipaka ny lazain'ny mpanohitra.
raha milatsaka ny sasany,ny hafa kosa milaza fa tsy ilaina akory ny fifidianana.fa tetezamita no ilaina.
-ny mpanohitra vao mahazo vola dia milefitra.
raha jerena ireo,dia tsy ahazo isambato firy akory ireo mpanohitra ireo,ary dia hitaraina indray fa nisy ny halabato.
novalian'i fijo ny 23/02/2006 22:28
2. lemenakely ( 24/01/2006 22:38)
eeee ny politique amiko variable be sarotra ny hiteny hoe ra8 no tsy maintsy ho lany tsy antananarivo irery no madagasikara izay angamba no hamitinako azy
3. marozevo ( 25/01/2006 00:31)
Fa tsy maintsy hoe ny ao Antananarivo ihany ve no hifidy an-dravalo hoy i lemenakely? na izany na tsy izany dia hisy raharaha ihany io fifidianana ho avy io. No tokony hataontsika VAHOAKA MISAINA fotsiny dia ny hiezaka mba tsy hiverina ireny krizy saiky isaky ny misy fifidianana ireny.
4. dadabe ( 25/01/2006 01:38)
isika anie tokony hifanampy an'izay mpitondra eo na iza izy na izae, fa raha mbola tahaka izao foana no ataon'ny antokompanohitra (mitady seza ) dia tsssssssss
5. fijo ( 25/01/2006 03:57)
ka le fanampiana anie ry bedada sandaindry zalahy seza e.izay no olana.
tsy tana irery no mifidy,fa aza hadino,koa ,fa na ireo mpifidy ny mpanohitra aza dia ho kivy amin'ny mpilatsaka maro,ka na izy tsy hifidy=tombony hoan dravalo,na anao vato fotsy.
6. Solitikabe ( 25/01/2006 04:12)
Ka izao izany ry Fijo an. Efa be dia be izao ny mpandrafitra isaky ny elakela-trano. Dia ireny fotsiny no hafarana hanao seza be dia be dia tsy miady seza intsony ry zareo ahahahahaha.
Avelao izay hilatsaka hilatsaka, dia ny olona avelao hijery malalaka. Ataovy telo volana efa-bolana na iray taona aza ny fampilazana ny mombamomba ny mpilatsaka tsirairay. Dia hitan'ny olona eo ny maizina sy ny mazava, ny maramara sy ny vandana. Fa ilay fampielezan-kevitra telo moa sa roa herin'andro koa tsy mety mihintsy fa manjary mifidy anjambany fotsiny ny olona. Hany ka ny vaovao sy ny mahatolotolotra foana no lany.
7. xxx ( 25/01/2006 04:34)
F'angaha moa hono ny tim na ireo antoko nanohana ny fitondrana mbola mifampipetapetaka ihany?
Ny olona nanohana an-dravalo taloha ireo koa ohatra, raha samy manome candidat doly. Ry Pety ohatra, ry Lahiniriko Jean, ny AVI, ry Manandafy, Ny ao amindr'i Voninahitsy. Efa tsy haiko tanisaina intsony. Vato mizarazara doly izany. Mbola ao raha teo ry Alain Ramaroson, ho an'ny Tananarive izany. Zahay Tamatave rahateo efa tsy and-Ravalo efa ela. Surtout efa misy olonay ao! Six fotsiny, wait and see
8. xxx ( 25/01/2006 05:13)
xxx nareo ve izany mpialokaloka any NY-city izany. Tsy mety ny kozinareo fa ovay. Dia rehefa avy eo ny olona any no lazainareo manilikilika mpiray tanindrazana.
9. jentilisa ( 25/01/2006 07:16)
fa inona koa ity mifanebaka ity!
10. mandrindra ( 25/01/2006 09:11)
io aloha no pronostika hatramin'izao. Fa aleo aloha hivoaka ny lisitry ny HCC hoe ireto avy ny mpifaninana izay vao afaka manamafy na mandà an'io.
NY halabato aloha na iza no mpitondra eo na iza dia tsy maintsy misy foana, ary aza heverina hoe eny amin'ny biraompifidianana ihany izany no mitranga.
11. jentilisa ( 25/01/2006 09:46)
Be anefa ny miteny hoe tsy mila mangala-bato izany ny mpitondra ankehitriny dia lany ihany!
12. Veloo ( 25/01/2006 17:06)
fa rovina ny fifidianana? ary tsika aty ivelany angaha tsy mahazo mifdy? za zao voa nahazo ny passport-ko gasy kle...:-D:-D
13. fijo ( 25/01/2006 21:05)
jentilisa,aleo hifamely ao ny samy XXX e.
za koa mino fa tsy mila mangalabatio ravalo dia lany.satria ny mpanohitra fopla loatra
14. xxx ( 26/01/2006 00:37)
Heureusement ity xxx manebaka anakah ity mba matahotra ihany koa matoa miafina. Six e.
Wait and see hoziko.
Samy manana pronostic-ny io. Zah ary tsy nanome pronostic akory, ary tsy dia mankahala an-dRavalo firy koa na dia izany.
15. mandrindra ( 26/01/2006 07:46)
Amin'ny maha eo amin'ny fitondrana azy, tsy ny vokapifidianana faobe ihany no zavadehibe fa ny vokatra isamparitra ihany koa. tsy maintsy mba eritreretiny ihany hoe ampiakarina ny score any amin'ny faritra izay tsy voalohany izy tamin'ny 2001 mba tsy ho lasa faritra mpanohitra ireny.
16. mandrindra ( 26/01/2006 07:47)
oay le lasa tampoka, fa ny tiako ho marihina dia tsy maintsy misy foana ny halabato. Ary tsy ny eo amin'ny fitondrana ihany no mitady lalana amin'io zavatra io fa ny mpifaninana rehetra.
17. jentilisa ( 26/01/2006 12:22)
Misy tokoa aloha ny fomba maro hangalaram-bato e! na dia ny isan'ny biraom-pifidianana metyhitombo azy eny ihany!
18. mandrindra ( 26/01/2006 13:10)
ny mpifidy koa mitombo, ary ny tena mpangalatra anie dia ny ao amin'ny HCC e, mody hoe foanana ny birao atsy sy aroa, dia tampina ny dômy e.
19. Samoana ( 26/01/2006 13:22)
Izay be vôla ariana afaka manao prôpagandy araka izay danin'ny kibony mety afaka mifampitana ( kelikeliny ihany ) amin-dra8:D
20. Veloo ( 26/01/2006 17:01)
nareo ko zany tsy misy mamaly ahy...:roll::roll::(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2514