ahoana ity can 2006 ity ry zareo a?

1. jentilisa ( 20/01/2006 06:02)
Iza no heverinareo fa hibata ny amboara amin'ity indray mitoraka ity? ataoko fa tsy nisy tahaka ity an! ireo nalaza tsy nisy tafakatra mondial ka hiezaka ny hanonitra izany moa ireo tafakatra tsy maintsy haneho amin'ny hafa hoe izao no herinay matoa tafakatra mondial izahay. Sa ahoana?
2. ravatorano ( 20/01/2006 10:28)
za tsy miala amin ny Nigeria aloha eh
3. lapino ( 20/01/2006 10:31)
Fa iza daholo ilay tafakatra mondial aloha fa zay tsy maharaka e?
4. jentilisa ( 20/01/2006 13:16)
Angola, Côte d'Ivoire, Tunisie, Togo ary Ghana e! ary ny tsy tafita moa ao ry Senegal, Cameroun, Afrique du Sud, Nigeria, Egypte izany hoe izay malaza teto Afrika taloha e!
5. lapino ( 20/01/2006 16:05)
Eeeeh, ka Nigeria an-dRavatorano aza tsy tafakatra mondiale ko! Za rangah maka Togo a! :wink:
6. jentilisa ( 21/01/2006 09:17)
Mampitaintaina ny fanarahana baolina eto Dago ry zareo a! fizaram-potoana faharoa izahay vao naharaka...manjary manahy ny tsy hahita baolina lava izao raha tsy hoe manana TPS na Canalsat angaha!
Fa ilay Libia sy Ezipta aloha tahaka ny tsy dia masaka raha ny fijery ny omaly Zoma e! be loatra ny baolina votsotra ary be koa no toa fahoany fahoany! Ny mpiandry tsatokazo Libiana aloha dia tena tsy izy mihitsy e!
7. jentilisa ( 21/01/2006 12:58)
Dia mbola mitohy indray ny alahelo sy taintaina ary fahatezerana e!
hita ihany aloha ny baolina tamin'ny Ivoariana fa rehefa tonga ny fizaram-potoana faharoa dia avy be tsy misy tahaka izany ny orana teto Antananarivo. Tapatapaka noho izany ny jiro. Fa rehefa tahaka izany no nitranga dia tapatapaka koa ny fanarahana ny baolina, vokany tsy nahita ny faran'ny baolina indray izahay ary na dia niverina ara-dalàna aza ny fandaharana tamin'ny canlsat sy ny parabole dia izay nataony ihany no nataony, fandaharana tsy tian'ny mpakafy baolina no nalefany sady nataony mihitsy izay inoana hoe tsy hiverina intsony ny baolina ô!
dia nandresy 1 noho 0 izany ny Ivoariana e!
8. jentilisa ( 23/01/2006 09:02)
Izaho moa dia hanao karazana fitantarana mihitsy mba ho tsiaro amin'izay noreshina sy mety ho tadidiana rehetra e!

Ny voamarika faramparany tamin'ny baolina efa nitranga moa izany dia ny "fahadiovan"'ny lalao nifanatrehan'ny Afrikana tatsimo sy ny Gineana!

Nahoana hoy ianareo? Sambany aho tamin'ito CAN ito no tsy nahita mpilalao nifanositosika na nifampitazona rehefa corner na coup franc ny baolina! izany hoe ilay metimety amin'ny gasy raha hilalaovana...saingy choc ihany ilay baolina na dia izany aza...ny hafainganan'ny lalao koa moa tena izaitratra aok'izany.
Ny lalao hafa moa izay hitako hatreto dia misy fifandonana madinidinika sy fanenjika hafahafa hatrany ny lalao rehefa amin'ireo fotoana roa ireo...izay tssy dia mety loatra nefa leferin'ny mpitsara hatrany.
Miresaka mpitsara ihany moa dia hita fa tsy naharaka loatra ny nitsara ny baolina nifanandrinan'ny Afrka Atsimo sy Ginea ity. MIsy koa ny fihetsika tsy dia nety nataona Toniziana iray izay nanindry dy baolina tao ambaniny ary voarainy mihitsyaza ny baolina saingy navelan'ny mpitsara handeha soa aman-tsara ihany ny lalao. Toy ny mpitsara tena anefa ny mpilalao raha manao ireny fihetsika ireny.
Hatramin'izao dia hita fa misy ny ekipa izay tena goavana tokoa amin'ny filalaovam-baolina!
Hatreto izany dia Samuel Eto'o Jay (fils) sy Dos Santos no mpilalao nahatafiditra baolina betska indrindra. Samy baolina telo no tafiditry ry zalahy ireo!
9. mandrindra ( 24/01/2006 15:36)
Ny RDC no anisan'ny nahavariana ahy ny fomba filalaony. hita fa misy taktika ary mirindra fa tsara.
10. mandrindra ( 24/01/2006 15:39)
Mampalahelo ihany koa ny toetsaina nasehon'i adebayor, efa nampifila aloha tamin'ny voalohany hoe tsy andray anjara amin'ny CAN, dia avy eo mifanditra amin'ny mpanazatra dia tsy lasa titulaire. dia satria resin'i congo ry zalahy dia nitaimbaka indray hoe hiala any egypta hono lery fa tsy hanao intsony. ny mpiaramilalao aminy no nametraka azy amin'ny toerany ka nijanona izy ary nangina tsy hiresaka amin'ny mpanao gazety aloha.
11. jentilisa ( 25/01/2006 06:04)
Tsy tafiditra teto aho omaly ka tsy tadidiko loatra ny baolina afak'omaly. Marina tokoa fa nahafinaritra ny baolina nasehon'ny RDC tamin'iny andro voalohany nilalaovany iny.
I Zambia indray dia sady kely no matahotra milalao indrindra fa ny mpiandry tsatokazo. Hita tsara amin'izay izany hoe ahoana ny mpilalao rehefa matahotra na dia ny handray baolina aza. Vokany: be ny fihetsika diso toy ny tokony handry miankavanana ilay mpiandry tsatokazo raha tafaporitsaka ny mpanafika andaniny dia nandry ankavia indray, maty ho azy ny baolina.
Izay sisa ny afak'omaly tadidiko!
12. jentilisa ( 25/01/2006 06:18)
Nanao ahoana kosa ny baolina omaly?
Ny baolina voalohany izay nifanandrinan'ny Ivoariana sy ny libiana dia somary nampihomehy ihany! raha ny fiheveran'ny mpanaraka ny lalao baolina kitra manko dia hoe lanin'ny Ivoariana moramora raha izay Libiana. Efa niray tarika manko ireo ekipa roa ireo tamin'ny fifanintsanana ka nandresy ny Ivoariana tany amin'ny taniny (2 noho 0) fa ady sahala kosa rehefa tany Tripoli.
rehefa fehezina ny lalao dia tsy nahavanona mihitsy ny lalaony ny Ivoariana. Azo lazaina fa tsy nisy endriny mihitsy ny lalao. Ny nahatsikaiky aza dia ny Libiana indray no saiky nandresy ny Ivoariana tamin'ny ora faramparany. Siangy tsy zatr'ady angaha ilay lohalaharana Libiana!
Nahafaty sady naharesy tamin'ny isa 2 noho 1 ihany moa ny Ivoariana ary tahaka ny kitanontanona no nahatafiditra io baolina io.

Ny lalao faharoa kosa moa dia lalaon'ny sakay sy maso izay noranitin'ny mpitsara aza. Azo lazaina fa ny mpitsara mihitsy no nanimba ity lalao izay karazana final ity na teo amin'ny endri-dalao na teo amin'ny hamaroan'ny mpijery! mpampiatrano tokoa moa no nilalao.
Be loatra ny fingampingana tsy nahazoana sazy indrindra fa rehefa votsotra tsy azo izay ny lohalaharana na teo amin'ny andaniny izany na teo amin'ny ankilany. Be loatra ny tsy tokony ahazoana sazy akory no nivoaka ny karatra mavo. Fanahy iniana nataon'ny mpitsara ve sa tena tsy harany intsony iny lalao iny?
Soa ihany hoy aho fa tsy nisy nahafaty baolina ry zalahy fa na iza na iza nahafaty baolina teo dia ahiana ho maro no tapatapaka teo. Ny ratra moa dia maromaro mihitsy ary ny fiatoana koa torak'izany. Tsy nahagaga raha ity lalao ity no lava indrindra ny fanampin'ora nilalaovana!
Dia samy amin'ny lalao farany ry zareo izany vao tena fantatra izay ho tafakatra!
13. jentilisa ( 26/01/2006 07:25)
Angola sy Congo!

Lalao nahitana ny ekipa iray misolo tena ny afrikana amin'ny mondial 2006. Nilalao folo ny kongoley fa tsy nahay nanararaotra izany ny angoley. Ireto farany indray ary no mbola variana milalao sy mijijy hany ka nanome vahana ny kongoley. Tsy hay izany ny nanararaotra ny fahamaroan'isa! niafarany ady sahala samy tsy nisy nitoko.

Kamerona sy Tôgô!

Nahafinaritra ihany na dia resy aza ny Tôgôley izay misolo tena ny afrikana ihany koa amin'ny mondial 2006. Hita kosa raha ny fijeriko azy fa tsy dia tena varatra be izany ny Kameroney fa zakan'ny gasy tsara raha ny tokony ho izy. Tsapa fa ny saina no naharesy mialoha ny Tôgôley!
14. eprom ( 26/01/2006 07:41)
Le Angola sy Congo no nahavarina ahy ny fiafarany. Nisy fanalavampotoana 4 mn nga izy iny. Fa de mijorojoro sisa ny maro fa tsy misy milalao intsony. Ny goal aza moa ery @tsatoby ohatry ny tsy misy manafika izany ny poziny...lasa nahasosotra indray le izy
15. mandrindra ( 26/01/2006 08:47)
Mahadiso fanantenana ny amin'ny mondial raha ireny angola sy togo ireny no jerena.
Nahafinaritra ahy kosa no nijery ny herintsaina nentin'ny kongoley nilalao na dia efa 10 aza ry zareo nanomboka teo amin'ny minitra faha19. tsy nitsahatra ny nanafika ry zalahy sady mba nahitana fahaizana mijijy mhafinaritra.
16. jentilisa ( 26/01/2006 12:53)
Asa na izaho no tsy mahay mijery na ahoana fa tahaka ny tsy azo no-charger-na izany ny kameroney. Sa ny Tôgôley mihitsy no tsy mahay maka baolina?

Asa hanao ahoana ny lalao ifanandrian'ny Zambia sy Ginea? mety hahafinaritra ihany ve as tonga dia hoe hanjakan'i Ginea io?

Ny amin'i Afrika atsimo sy Tonizia kosa tahaka ny hoe efa resy sahady Afrika atsimo amiko. Asa anefa?
17. jentilisa ( 27/01/2006 07:42)
Eny tokoa ary! raha somary nanjaka kely ka nahafaty baolina mihitsy aza ny zambiana dia nivadika indray ny rasa rehefa nandeha kelikely ny fidirana faharoa. Resy indray ny Zambiana ka rehefa vita ny lalao fahatelo dia efa mangoro-damba ry zareo. Ny Zambiana no matetika no vato misakana ny malagasy rehefa milalao amin'ny sehatra iraisam-pirenena isika malagasy ka mety ho taratra avy amin'izany ihany ny misy antsika amin'izay fotoana izay.

Ny lalao faharoa kosa moa dia efa araka ny novinavinaina ihany ka tsy dia hitako loatr azay ambara!
18. mandrindra ( 27/01/2006 09:03)
iza no mpilalao mba tena nanamarika anareo hatramin'izao ?
19. jentilisa ( 28/01/2006 07:21)
Ny hitako aloha dia i Samuel Eto'o sy i Dos Santos no tena niavaka...Ary eo ihany koa ny mpiandry tsatokazo ilay mailamailaka sy mipitipitika ireny. Tsy nahita baolina aho ry zareo omaly ka tsy afaka mitantara na inona na inona. Reko fotsiny fa nandresy ny senegaley ny ganeana. Tsy nandefa ny baolina moa ny tvm koa saiky tsy nahita izany ny maro taty Dago. Ilay baolina faharoa kosa indray dia noheveriko avy hatrany fa tsy hiady ny lalao, ho fantatra avy hatrany ny hivoaka handresy ka dia naleoko nanao zavatra hafa!

Fa mahavariana koa ny fihogo afrikana an!
20. jentilisa ( 29/01/2006 12:36)
Saiky nahafinaritra ny fifanandrinan'ny Ivoariana sy ny ezipsiana omaly. Noho ny folaka nahazo ilay mpiandry tsatokazo dia voatery nosoloina izy io (Ivoariana). Kanjo raha tsy mbola nandray baolina mihitsy ilay nisolo dia nahafatesana roa avy hatrany ilay io. Nampalahelo ingama saingy tsy dia hoe fahadisoany fa ny defense mihitsy no toa tsy niraika hafahafa izany!
Vokany nandresy ny Ezipsina ary manantena izy avy amin'izany fa tsy hihaona amin'ny Kameroney izay mety ho laharana voalohany. Moa izany tokoa ve no tsy maintsy hitranga?
Sa tsy izay tiany ihany io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2447