ahoana ity can 2006 ity ry zareo a?

21. jentilisa ( 30/01/2006 14:08)
Dia saiky latska ny RDC marina! efa nisy mhitsy ny tratran'ny karatra mena saingy tsy nanambitana kokoa izany ny Angoley e!
22. jentilisa ( 01/02/2006 12:13)
nahafinaritra ihany koa ny lalao omaly izay nifanandrinan'ny senegaley sy ny nizeriana. Ny anton'izay teny izay dia tsy mba nanao fifanarahana mialoha mihitsy ireo ekipa roa ireo ka hieritreretana hoe samy nanao match nul fotsiny hahatafakatra, satria mety ho sarotra angaha ny kajikajy samihafa!
nahagaga ahy ilay hoe resy ny ganeana! iza ami'ny solontena afrikana ary ho'aho no mety mba ho tafakatra amin'ny dingana manaraka amin'ny mondial 2006 io?
23. eprom ( 02/02/2006 05:45)
Tsy afaka ny hanao nul mihintsy ny senegaley satria raha sendra nandresy ny ganeana de raraka avy hatrany ry zareo. Mendrika kosa ny zimbaboeana na tsy tafakatra aza. Hatramin'ny voalohany mihitsy no hita fa mahay ry zalahy ireto fa ny morale mihintsy no tsy ampy. Mbola misy 4-bolana ny mondial ka ho hita eo ihany.
24. jentilisa ( 02/02/2006 06:21)
Ka iza amin'izay ary no eritreretinareo hahazo ity amboara ity!
25. jentilisa ( 06/02/2006 09:18)
Nahavariana ny lalao tamin'ny Aabotsy izay samy niafara tamin'ny penalty-penalty moa. Ireo nandohalika voalohany hatrany no nandresy! "nampiana" ny kameroney fa resy ihany. Samuel Eto'o no tsy nahafaty ny tifitra nataony faharoa!
Senegal sy Egypte
izany moa ny lalao iray ary Cote d'Ivoire sy Nigeria ny faharoa?
26. mandrindra ( 07/02/2006 15:45)
Dia ny ivoiriana izany no tafakatra voalohany amin'ny famaranana rehefa nandresy ny nigeria tamin'ny isa 1 noho 0. Ny fizarampotoana voalohany dia somary samy nihidy avokoa ny mpifanandrina ka tsy dia nahitana hetsika firy. Vao nanomboka, iray minitra monja, anefa ny tapany faharoa dia namantsika ny défenseur nigeriana teo antoerana i Drogba ka nampiditra ny baolina tny anaty harato. Ho setrin'izany dia nanova tetikady ny mpanazatra nigeriana ary nampiditra an'i Jay jay Okocha izay tsy mbola nilalao mihitsy tamin'ity CAN ity. Nitondra hery vaovao sy fandaminana teo amin'ny fanafihana ho an'ny nizeriana izany, saingy na izany aza tsy nahasahala ny ivoiriana ry zareo.

Dia ho hita eo rehefa avy eo indray ny fihaonan'i senegal sy egypta.
27. jentilisa ( 08/02/2006 12:35)
Eny tokoa! ary dia voasoratry mandrindra mihitsy ny saiky hosoratako tamin'io fotoana io! ary nahafinaritra tokoa ny fidiran'i Okocha fa saiky nahatafiditra baolina izy rehefa nitifi-davitra! niova tokoa ny endri-dalao fa nanao pasipasy mahavalalanina koa ny Ivoariana mba handaniam-potoana rehefa nanakaiky ny firavana!

ny amin'ny lalao faharoa kosa indray moa dia tena hadalana tokoa ny nataon'i mendy nanosika tamin'ny tanana ny baolina mba tsy ho eo an-dohana lohalaharana egyptiana iray ny baolina...raha navelany tamin'izao iny baolina iny dia tampon-doha no nahazo iny fa tsy handrina ka dia ho niakatra mazava ho azy ny baolina.

rehefa sahala indray ny baolina dia nanjakan'ny senegaly indray ny lalao. anisan'ny hanamarika ity CAN 2006 ity ihany koa ny fifamaliana nisy teo amin'ny mapanazatra sy i mido. Afa-baraka tanteraka io mido io ny fijeriko azy ary mety tsy ho tafiditra nasionaly intsony araka ny tombatombako manokana moa. mety ho siokam-pahatezerana no asetrin'ny mpijery azy raha milalao izy. Asa anefa!

ny tena resaky ny maro moa mazava ho azy dia ilay penalty tsy azon'ny sengaly raha hita fa tena voafingana tokoa ny lohalaharana senegaly iray. mety ho niova tanteraka ny valin'ny lalao raha nisy io penalty io.

asa hanao ahoana ny adi-toerana rahampitso sy ny famaranana amin'ny zoma ho avy izao izay samy hotanterahina amin'ny fito ora eto Dago avokoa!
28. eprom ( 09/02/2006 06:32)
Za manao hoe raha mbola manao eo i Mido de resy i Egypta. Lalao iraisana ny baolina fa tsy lalaon\'olon-tokana.
29. jentilisa ( 09/02/2006 08:06)
efa tsy milalao intsony aloha i mido satria voasazy enimbolana e!
30. mandrindra ( 09/02/2006 10:35)
ireny fihetsik'i mido ireny no tena hoe manao lohan'angindina, tsy ampahafirin'izay mba hoe star dia mihevitra ny tenany ho raitra. ary tsara ho 'nai' mido mihitsy fa ilay ranamana nisolo azy, i amr zaki, no nahafaty ny baolina faharoa ka nitondra ny fandresen'ny egiptiana. manamafy izany fa ny mpanazatra no mandahatra fa tsy ny mpilalao.

2 mihitsy ny penalty tokony ho azon'ny sonogaly. Ny voalohany dia mbola 1 noho 0 nitarika ny egitpiana ary nisy tifitra iray voasakan'ny tanan'ny egiptiana tao anatin'ny toeran'ny fahamarinana. azo lazaina aloha hoe sarotra ho an'ny mpitsara no nahita io voalohany io satria haingana ihany ny lalao, ny tanan'ilay egiptiana anefa dia tena misaraka tanteraka amin'ny vatana. ny penalty faharoa moa dia iny takla iarahamahita iny. ny tena mahagaga dia notsofindranamana ny kiririoka ary notondrony ny penalty dia avy eo izy niverina tamin'ny heviny.
31. jentilisa ( 09/02/2006 11:52)
Hay tokoa moa!
dia natahotra inona tokoa ary? hamaly amin'izay koas angamba ny Ivoariana an!
32. jentilisa ( 11/02/2006 06:55)
Dia resy teo amin'ny sehatra farany izany ny Ivoariana, ny tsy nahatafidiran'ny mpilalao roa lahy avy tao amin'ny Cote d'Ivoire moa izany no nampisy izay faharesena izay. Efa somary nanisy tosika kely ho an'ny tompon-tany ihany ny mpitsara saingy tsy matin'ny kapiteny izany tao amin'ny fidirana voalohany tamin'ny fanalavam-potoana. mety ho nanisy akony be dia be teo amin'ny toe-tsaina Ivoariana io ka tsy nahatafidiran'i Drogba mihitsy ny baolina efa ho intelo misesy.
Nahafaty baolina ihany koa ny Egyptiana tany amin'ny miniotra faha-83 saingy voatsindrina tongotra Egyptiana i Tizié mpiandry tsato-kazo Ivoariana.
Raha ny endri-dalao no nojerena dia saiky nanjaka'ny Egyptiana ny fidirana voalohany...somary nihanatanjaka kosa ny Ivoariana teo amin'ny fidirana faharoa ka saiky tsy nisy fanafihana mihitsy ny tompon-tany.
Dia nandrombaka ny amboara fanindiminy izany Egyptiana.
33. watafon ( 11/02/2006 08:54)
jentilisa, ny mbo tiako tsindriana d ny fitongilanan'ny mpitsara amin-dry zareo egyptiana e! asa raha tsikaritrao le mpiandry vodilaharana havanana ivoariana naka baolina t@ ara-dalàna nefa nomena karatra mavo e! d ny penalty koa torak'izany !efa hatrany @ manasa-dàlana moa zany no nisy io fitongilanana io !
@ ankapobeny zany raha ny fijeriko d mbola mila ezaka ilay fitsarana e !
34. jentilisa ( 11/02/2006 13:50)
na tamin'ny demi-finale aza dia nisy tahaka izany! mba hidiran'ny vola betsaka e! moa ny saosy manaraka ihany!
35. jentilisa ( 13/02/2006 07:41)
fa izao ry zareo a! malazalaza indray ny hoe tena voavidin-dry zalahy i Drogba e! ahoana ny hevitrareo? aiza tokoa ve ka in-telo nandritra ny lalao no tsy nahafaty baolina izy fa miakatra be ny baolina...moa ny penalty tsy maty rahateo! mampieritreritra an!
36. mandrindra ( 13/02/2006 09:34)
tranganjavatra kosa ireny fa ataoko fa tsy voavidy izany i drogba.
izaho koa dia nieritreritra toy ny maro hoe mitongilana ny mpitsara. nefa aoka tsy ho adino fa nisy baolina matin'ny egiptiana nolavin'ny mpitsara. ary tsy io lazain'i jentilisa io no antony fa satria hors-jeu passif i amr zaki, izany hoe tamin'ny fotoana nandakan'i ahmed hassana ilay baolina dia tany aorianan'ny défenseur ivoiriana i amr zaki, voatohan'i tizie anefa iny daka be iny dia notsenain'i amr zak ary natosiny tany anty arato ny baolina.
raha tena te hitongilana marina ny mpitsara dia nodiany tsy hita fotsiny ny saina natsangan'ny mpitsara anjorony.
ekena anefa aloha fa nisy hadisoana maromaro teo amin'ny fitsarana nataony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3448