Nenina

1. Vahinala ( 19/01/2006 11:05)
Nandalo tao antsaiko tampoka ny mikasika an'io "nenina" io raha avy namaly hafatry fijo tany amin'ny resa-dehilahy tany aho. Ahoana nohevitrareo mikasika azy, rehefa mety ho nenina rehetra eo amin'ny fiainana. Za manokana aloha tsy mba ao anaty ny filozofian'ny fiainako izany nenina izany satria na inona na inona vitako ka raha sanatria ratsy ny vokany dia efa tsy misy azoko atao intsony satria tsy afaka averina akory ny fotoana, fa dia zakaina ny vokany ary manarina ny tsy mety raha toa ka azo atao. Famintinana : Vahinala tsy mba manenina amin'ny zava-bitany zany.

Ary ianareo ahoana no fahitanareo azy ?
novalian'i Vahinala ny 24/01/2006 20:04
2. Fiffi ( 19/01/2006 11:26)
Amiko dia tsy misy zavatra fara'izay tena tsotra:
Ny nenina tsy aloha hananatra fa any ariana handatsa.
3. ari.malala ( 19/01/2006 11:28)
mitandrina no fahendrena d raha sanatria solafaka d zao no tarigetran'i ari.malala, ny hadisoana omaly tsy natao hanamaloka ny anio fa atao jiro itarafana ny ampitso. Zany hoe tsy anenenana ny zavatra natao fa mizaka ny vokany foana e :)
4. Fiffi ( 19/01/2006 11:30)
mety diso fanoratra aho fa , ny nenina tsy aloha hananatra fa any aoriana handatsa . Mazava ho azy fa rehefa alohan'ny havaovan-dravatra dia ilaina avadika im-pito aloha ny lela ary heritreretina tsara ny zavatra tokony hatao na lazaina mba tsy hanenenana. Fa rehefa vita ny natao na nilazaina dia vita !!! tsy afaka hiverin-dalana raha toa ka tsy nety ny natao arakin'ny filaza hoe" le mal est fait"
5. Herimiafina ( 19/01/2006 12:06)
Ilaina ny nenina kah, anisan'ny fomba hanekena fahadisoana vita ny fanenenana, ary ny fadisoana no fianarana hoy ny manampahaizana.
Raha tsy mahatsiaro diso sy manenina ianao dia tsy hahatsiaro meloka sy hahita hoe ratsy ny zavatra nataonao nampanenina anao ka mety hamerina imbetsaka ilay fahadisoanao tary amin'ny voalohany ianao!!!8)
6. hery ( 19/01/2006 12:32)
Raha nenina mandatsa fotsiny dia tokony amboarina. Ilay lazainareo hoe mizaka ny vokany... dia ao anatin'izay fizakana ny vokany izay koa ny nenina.
Ny nenina dia mitory fanetren-tena sy fivononana hiatrika ny ho avy.
Marihana fa misy misy dikany roa ihany ny nenina. Eo ilay hoe tahak'izay fotsiny (regret) fa eo ilay fanekena ny hadisoana vita.
7. Vahinala ( 19/01/2006 12:40)
Ka zaha indrindra, raha toa ka misy dikany 2 izy io d hekeko ilay hoe fanekena ny hadisona vita, fa ilay hoe tahak'izay kosa tena tsy izy amiko satria efa vita izy tsinona ka afaka hanao inona intsony moa ? Fa marina hoe raha tsapanao fa tsy nety ilay izy dia mihezaka enao mba hampihatra azy eo amin'ny ho avy mba ho anatry ny sisa.
Ny ahy mantsy mampalahelo ahy ny mahita ireny olona sasany ireny, nisy zavatra nataony efa amantaonany lasa nefa dia mbola eny ihany manakotsako foana hoe "le plus grand regret de ma vie" e zao e, amiko tokony mibanjina ny ankehitriny amzay dia mihatrika ny ny anio fa anjaran'ny tsirairay no mandinika tsara, maka ambony maka ambany alohan'ny hanaovana zavatra iray.
8. diamondra27 ( 19/01/2006 14:27)
aza manenina zany akia ry vahinala a!
9. mangidy ( 19/01/2006 18:12)
Amiko manonkana aloha,matoa nahatsiaro nanenina de nahatsapa ny tsy nety nataony,saingy indrisy fa ny nenina hoy ny fitananana tsy aloha fa aoriana handatsa. Kanefa na izany aza @zay soa ho lavo ahay amindra,kenda ahay hitsako.
10. fijo ( 19/01/2006 18:26)
vahinala an,raha toa enao ka efa nanao izay azonao natao rehetra no tsy nahita vokany ,dia tsy misy nenina izay,fa raha tsy nanandrana akory nefa avy eo,mahita zavatra tsy mety,eto kosa ngamba misy ihany ny nenina ka.
fa ao ary fa tairiko foana ny saindry raha izany e.hi hihi
11. Vahinala ( 19/01/2006 20:19)
fijo > Hihihi ieu tairotairo foana ny saiko e !
Za aloha hatramin'izay tsy mbola nahatsiaro hoe nanenina be zany teo amin'ny fiainako e, tsy hoe akory mety daholo ny zavatra nataoko an, fa rehefa hitako fa ratsy ny vokany dia tsy hilaozana mitanisa an'izany eo foana akory hoe manenina aho nanao iry na iry fa mi "agir en conséquence" manarina izay tsy nety ary mizaka ny vokany koa d zay.
12. fijo ( 19/01/2006 21:32)
kay,ary miakatra mihitsy ndry io kay raha izany ko.
13. Vahinala ( 20/01/2006 08:34)
fijo > Hihihi miakatra mankaiza ndray e !
14. Angolaina ( 20/01/2006 12:56)
Tsy misy dikany ny manenina fa ny miezaka ny hanarina ny tsy nety ihany no tena tsara !
manimba saina fotsiny koa ange zany manenina zany e! nef atsy afaka hiverina any @ taloha hanarina akory !
15. ari.malala ( 20/01/2006 13:36)
K'hita wa fa marina mintsy zany! hanenina nefa d haninona? tsy aleo miatrika ny anio sy manatsara azy? efa fantatra zany hoe ity le tsy nety d ezahina tsy averina intsony iny d zay e :) arahina tsiky kely foana fa ny fiaianana tsy ilaozan'olana :)
16. Veloo ( 20/01/2006 17:22)
17. fijo ( 20/01/2006 21:02)
vahinala,miakatra le krika ka.hi hihi
ka fomba fiteny aza ny hoe :"ny efa vita aza nanenenana"
18. Vahinala ( 21/01/2006 12:26)
fijo >Aza manenina izany hoa fa zay vita de vita, ny hoavy no banjino.
19. Fiffi ( 23/01/2006 05:08)
Vahinala: tsy maintsy misy akia io an! satria @ io no ahazoana avy eo hanatsara sy ny fiheritreretana fa tsy anao an'io intsony @ manaraka fa aleo aloha avadika im-pito ny lela vao vatany hiteny na hiheritreritra tsara aloha alohan'ny anaovan-dravatra sa ahoana hoy ndriko ? :-*:-*
20. Vahinala ( 23/01/2006 08:16)
Fiffi > Ieu ka zay mintsy aky no tiako lazaina an, refa hanao zavatra dia mandinika tsara izay rehetra mety ho vokany aloha fa miroboka mba tsy hisian'io nenina io indrindra avy eo, satria na hanenina aza "ce sera trop tard" e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3697