Mbola ilaina ve ny Masera sy Mompera?
1. Nickovy
(
18/01/2006 15:24)
Fanahy iniana natao ato izy ity satria eritreritra mandalo ka tsy natao any amin'ny dinika Fivavahana , Finoana.
Betsaka ny tanora diso fanantenana noho ny fitondran-tenan'ny mompera na masera. Maro ny tsy miditra am-piangonana intsony noho izany. Dia lasa ny saina hoe mbola ilaina ve ny Mompera sy Masera? Ary inona no tokony hatao hamerenana ireo namdao ny fiangonana?

novalian'i Mifenty ny 31/01/2006 07:11
2. Fiffi
(
18/01/2006 15:34)
Tena ilaina kosa aloha ireo olona ireo e! satria raha jerena kosa ny statistika momba ny olona nandao ny fiangonana dia hita fa vitsy dia vitsy eo anatrehan'ny olona mbola miditra ao @ fiangonana. Na dia nisy aza ny fahadisoam-pitondran'ireo mompera sy ny masera tsy midika amiko velively hoe tsy hilaina intsony izy ireo. Inona no hiafaran'izao tontolo izao raha tsy misy ireo mompera sy masera @ fandehanana mibebaka sy mivavaka any an-tranon'Andriamanitra?
4. pissoa
(
18/01/2006 15:54)
Fanamarinan-tena sy fialana andraikitra amiko ny filazana hoe noho ny zavatra tsy nety nataon'i Mopera na Masera no tsy nidirana fiangonana intsony. Mifono toe-tsaina faly tazain'ny fiaraha-monina fotsiny izany, faly mandray; fa tsy mba mieritreritra ny hitaiza sy hanome.
6. Noslid
(
18/01/2006 16:10)
Samy manana ny fahadisoany ny olona ka tsy tokony ho izany velively no handaozana fiangonana. Ilaina ary TENA ILAINA ny masera sy mompera satria maro ny manome oha-piainana sy torohevitra tsara ary tena manampy ny tanora. Ireo miala ny fiangonana dia miala andraikitra amiko satria tokony hifanampy fa tsy hifandatsa.
7. Fiffi
(
18/01/2006 17:35)
raha ny tena marina aza dia izao: marina fa misy ny tsy tonga eny ampiangonana intsony nefa na izany aza tena maro dia maro ireo olona mavitrika be mitoro-tena (laïka) izany vonona hanampy sy andray anjara izay tokony hatao hanatsarana ny fiara-monina @ fiainana eny ampiangonana. Mahalasa ny heritreritro izao lazainao izao ry Nickovy , sady koa na nisy aza ny fahadisoana nataon'ny mompera sy ny masera dia tsy tokony io mihintsy no hitondra ny fanahi'ny olona andao ny fiangonana.
Tsy mba nahatsikaritra an'ity ve ianareo ? ireo mpianatra teny @ sekoly nisy ny mompera sy ny masera , raha jerena dia ny zanak'izy ireo dia tena mpivavaka daholo ? hitako aloha io an! fa ny any @ nareo no tsy fantatro.

8. Vahinala
(
18/01/2006 18:50)
Tsy azoko hoe inona moa no tokony hiasana saina be amin'ny izay ataondry zareo, olombelona mitovy amin'ny rehetra ihany koa anie ireny e fa tsy tonga lafatra akory, izay zavatra ataony sy lazainy izay mahasoa no tokony ho henoin'ny olona fa tsy hoe noho ny ataony no handeha tsy hivavahana intsony koa, Andriamanitra no hivavahana fa tsy olona na zavatra hafa akory. Misy tokoa mantsy ireo izay miala tsy hivavaka satria marina aloha hoe anisany atao fitaratra eo amin'ny fiaraha monina ireny mpitarika fivavahana ireny ary tsy ny mopera sy ny masera ihany akory nefa tokony tsy mandray an-tendrony koa fa ny finoanao no tano d zay e !
9. Mifenty
(
18/01/2006 19:07)
o lty a
ra i mopera sy masera no andehanan lah any ampengonana de tsy ilaina izy
fa raha hanantona an'Andriamanitra no ahatongavan lah any de tena ilaina tokoa izy ireny.
17. cutie
(
19/01/2006 12:31)
Nickovy [ Valio ] 18-01-2006 19:24:53
Lohateny : Mbola ilaina ve ny Masera sy Mompera?
Fanahy iniana natao ato izy ity satria eritreritra mandalo ka tsy natao any amin'ny dinika Fivavahana , Finoana.
Betsaka ny tanora diso fanantenana noho ny fitondran-tenan'ny mompera na masera. Maro ny tsy miditra am-piangonana intsony noho izany. Dia lasa ny saina hoe mbola ilaina ve ny Mompera sy Masera? Ary inona no tokony hatao hamerenana ireo namdao ny fiangonana?
No comment aloha 8)
18. hery
(
19/01/2006 12:36)
Be ny mpivady no misaraka, ny fianakaviana no ravarava, ny zaza zanaky ny divorcés no mijaly sns sns.
Dia mbola ilaina ve ny fanambadiana sy ny fanorenana tokan-trano?
Tsy miankina amin'ny vokany ny filàna.
Dia mbola ilaina ve ny fanambadiana sy ny fanorenana tokan-trano?
Tsy miankina amin'ny vokany ny filàna.
19. cutie
(
19/01/2006 13:09)
Nickovy ,manin raha tsy ny papa any rome mitsy no anontaniana e :-D
Ilaina kambony ry zareo e 8)
Ilaina kambony ry zareo e 8)
20. Noslid
(
19/01/2006 13:14)
Ka ny papa angamba mbola variana @ mama koh! Sady mbola mamon'ny ROMA angamba:-@:-@:-@=))=))=))=))=))
cutie:
Nickovy ,manin raha tsy ny papa any rome mitsy no anontaniana e :-D
Ilaina kambony ry zareo e 8)