Fahazaran-dratsy

1. hery ( 16/01/2006 07:15)
Fahazarandratsy vitsivitsy hitako amin'ireo mpitondra fiara (indrindra ireo saoferana taxi sy taxi-brousse)... tokony hialana raha toa ka te hitsitsy.

Resaka embrayage (fitsitsiana disque sy fourche)

- Rehefa mijanona mihoatra ny 10 segondra dia atao point mort dia esorina tanteraka eo ambony embrayage ny tongotra.
- Rehefa manao démarrage en co^te dia ezahina ny mampiasa frein à main na frein (raha maharaka). Fadiana dia fadiana ny mihazohazo amin'ilay point de patinage iny fa mikiky disque.

- Rehefa mandeha ny fiara dia tsy apetraka eo ambony pédale-n'ny embrayage mihitsy ny tongotra. Isaky ny hamindra vitesse ihany no mi-embrayer.

Inona koa no fahazarandratsy hafa tokony hialana sy fahazarana tsara tokony horaisina?
novalian'i kally ny 30/01/2006 16:09
2. vale ( 16/01/2006 10:35)
Misaotra t@ toro-hevitra mahasoa Hery fa dia misy ho hampiharina.... ny hitako tokony hialàn'ny mpamily koa ity manao "excès na vitesse"ity! raha izy moa no maratra sy maty , sitra-pony ny azy, fa ny olona "victim" no mampalahelo!!!!!!!
3. hery ( 16/01/2006 11:08)
Fahazarandratsy ataon'ny mpitondra taxi-brousse amin'ny faritra sasany... indrindra rehefa mandeha lavitra (ohatra Antananarivo - Toliara) :-)

Misy ry zareo rehefa manome lalana dia mampiasa jiro mitsitapy (clignotant) havia. Tena diso io...
Rehefa manome làlana dia tokony hanao jiro clignotant havanana. Fa rehefa misakana ny olona ao aoriana tsy hihoatra anao kosa ianao vao manao jiro clignotant havia.
4. lapino ( 16/01/2006 12:21)
Fahazarana tokony horaisina indray: rehefa mametraka fiara (mi-garer), dia asiana vitesse 1re mitsofoka foana hikaly azy tsy higorisa ho azy, na dia efa mipetraka aza ny frein à main.

Raha eny amin'ny tany misompirana no ijanonana, dia 1ère no ampidirina raha mitady higorisa mandroso izy, ary Marche arrière raha mitady higorisa mihemotra.

Efa naheno resaka koa aho manko hoe R12 Toros, vao nivoaka vao haingana izy tam'zany, dia namotsotra ilay frein à main fa tsy voasintona tsara angaha, dia nitsoraka tany anaty rano hono ilay daba milay be.
5. Ralay ( 16/01/2006 13:22)
Hoy i hery
Somary manitsy kely aho fa toa mifangaro ny dikan-teny ,mazava ny tin'i hery lazaina @io fa saingy au contraire no izy zany hoe rehefa hamindra vitesse no mi-debrayer:lol:

Toa izany koa ny voalaza'i Lapino:

Raha mitady higorisa mandroso dia marche arriere no vitesy atao izany hoe rehefa mijanona @ fidinana ianao fa raha mitady higorisa mihemotra kosa dia 1ère ny vitesse atao izany hoe rehefa mijanona @fiakarana. :lol:
Mino aho mazava amintsika ny anton'ireo :lol:
6. Samoana ( 16/01/2006 13:30)
Fahazaran-dratsy moderna: miresaka na mamaly antso @ phone portable. Adino na volant, na vitesy fa any an-kafa ny saina.Ny tenako izao no efa saiky dangy tamina rond-point. Nivoady tsy hanindroa fa fay:D

Vaha-olana: vonoina tanteraka ny portable refa mitondra mba tsy hisian'ny fakam-panahy hamaly antso
7. Herimiafina ( 16/01/2006 18:09)
8)Matetika fahita koa:
-Ilay rehefa mahazo aina amina fiakarana iny ilay fiara (taxi be) ka cinquième ny vitesy dia tonga dia mi-retrogrady troisième tampoka mba hahazo aina hono ilay fiara.
-Mitsaky frein mafibe hijanona tampoka eny amin'ny fidinana be (taxi-brousse).
8. diamondra27 ( 17/01/2006 10:23)
tokony ho calme refa au volant fa tsy stressé na maika de manjary manao ny tsy fanao

tandremo ny tsy manaja STOP

9. Vahinala ( 17/01/2006 11:43)
diamondra27 > Ka misy aza aky ireny taxi brousse sy taxi be ireny mifanenjika loza tany ka aiza moa no tsy hiteraka izao olana rehetra zao e !
10. cutie ( 17/01/2006 12:12)
Herimiafina [ Valio ] 16-01-2006 22:09:56
Lohateny : Re : Fahazaran-dratsy
Matetika fahita koa:
-Ilay rehefa mahazo aina amina fiakarana iny ilay fiara (taxi be) ka cinquième ny vitesy dia tonga dia mi-retrogrady troisième tampoka mba hahazo aina hono ilay fiara.
-Mitsaky frein mafibe hijanona tampoka eny amin'ny fidinana be (taxi-brousse).

ohtran'ny hitako ery zany :-D :-D :-D
11. kally ( 17/01/2006 13:30)
Mampiasa frein isaky ny mihetsika, sy mitsako frein anaty fiolanana.

Dia misy olona koa rehefa hivily hiankavia izy ohatra dia maka bahana miankavanana aloha vao mivily miankavia, tena tsy lasa mihitsy...:°):twisted:
12. jentilisa ( 18/01/2006 07:59)
Ny fiara zatra mitsofoka rehefa mijadona amin'ny arabe ny fiantsonana hany ka mihemotra indray ny fiara rehefa hiainga. Tokony hoteo ampanatsofohana ny fiara no nihemotra! be loatra ny fiara no manao izany eto amin'ny tanàna an!
13. Ralay ( 18/01/2006 11:58)
Crenau marche avant ve no tian'ny jentilisa lazaina @io fa tsy dia mazava amiko loatra ilay fanazavana .:lol:
14. jentilisa ( 18/01/2006 13:36)
tsia! rehefa miditra na mivoaka parking ka 90° amin'ny fijanonan'ny fiara ny arabe!

tsy rehefa hiainga vao manao marche arrière ka tsy hahita ny fiara mandeha eny amin'ny arabe raha tsy hoe misy olona manampy angaha! efa nampianarina any amin'ny conduite fa e-he! fahazaran-dratsin'ny teo aloha no mitohy e! ny eto Dago aloha no hitako an!
15. chipie1 ( 18/01/2006 16:38)
dia mijanona STOP kou fa betsaka manko ny tsy mijanona dia alefa ny clignontant rehefa hivily à gauche na droite
16. lapino ( 18/01/2006 16:58)
Marina io tenenin'i jentilisa io, io aza no tena fahadisoana be mpanao noho ny hakamoana. Raha ovaina kely angamba ny code ka raràna ny rangement en bataille manatsofoka lohana fiara an, ... Mila manangana trano printy manokana mihitsy angamba ny fanjakana hanontana ny taratasy hanaovana PV. Ary tsy Dago irery io!

Aleoko aza mahita an'ilay creneau marche avant!!
17. Ralay ( 19/01/2006 04:01)
Marina ny voalazan'i jentilisa sy lapino fa ny antony dia tsy te hisahirana no mahatonga an'io satria raha ny vodiny no ampidirina mialoha dia rehefa hamoaka entana ao @ coffre dia tsy maintsy aroso aloha ny fiara dia apres vao mihemotra indray Ny garage mantsy juste be ny ankamaroany.Eo ihany koa moa ny hakamoana dia rehefa voan'ny accident anie vao tonga saina e. :lol:
18. jentilisa ( 19/01/2006 06:18)
Fa taiza no efa nisy nanao izany creneau marche avant izany? sa izaho no tsy mahatsikaritra loatra?
19. Ralay ( 19/01/2006 10:30)
Azo atao foana fa mila manoeuvre bb kokoa dia tsy manao ny olfa kamo daholo :lol:
20. lapino ( 19/01/2006 11:01)
Raha misy trottoir dia ampiakarina ambony trottoir ny lohan'ny fiara, dia rehefa tafiditra ny ao aoriana dia averina amin'ny lalana am'zay.

Misy fomba hafa mahery setra koa, fa mila ianarana manokana mihitsy angamba ireny: mandeha mafy dia sady manitsaka frein miditra créneau, dia miderapy kely ny vodin'ny fiara. Za aloo mbola tsy nahita, fa tantarain-dry lerony fotsiny. ireto misy karazandrazany : http://andre.canlayandre.free.fr/video/creneau.wmv avy eo http://lesravageous.free.fr/temporaire/creneau.wmv

Fa raha tratran'ny prà am'zany koa aloha mety manefa e! :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383