Fahazaran-dratsy

21. Herimiafina ( 19/01/2006 11:46)
Betsaka mihintsy ny fahazarandratsy mety ho hita koa amin'ny fikolokoloina ny fiara e.
-Misy ohatra ny mi-chauffer maotera amin'ny afo kitay, ireny SG1 sy SG2 ireny, satria izy ireny toa tsy mampiasa bougie de chauffage raha tsy diso aho fa karazana bougie manome pression ny gasoil no nasolo an'io.
-Misy koa ny manolo ny lockheed amin'ny ranontsavony, izay manimba ny flexible tokoa kanefa ny compressibilité sty mitovy amin'ny liquide de frein akory.
-Misy koa ilay rehefa mipotsaka ny coupel de frein dai supprimer-na aloha ilay frein amin'ny pneu sasany nefa ny charge (isan'ny olona entina) ampitomboina, tssssss
22. jentilisa ( 19/01/2006 12:26)
ka ny mahatonga ireny tamin'ny andron'ny revolisiona ka nidemerda daholo ny olona fa tsy nisy ny zava-drehetra, dia mitohy mandraka ankehitriny ary misy ary ny mihevitra hoe io mihitsy no atao amin'iry zavatra iry
23. Herimiafina ( 20/01/2006 03:53)
Kally: ilay hoe maka bahana ankavanana vao miankavia angamba valable ihany raha be vatana ny fiara entina, ireny semi-remorque ireny ohatra dia tsy maintsy izay, izany hoe mi-calcula ny gabarri an'ilay fiara ilay saofera.
24. kally ( 20/01/2006 16:41)
Herimiafina> Tsy tokony hihoatra ny "bande" misy azy ny fiara iray na ahoana na ahoana, efa voakajy amin'izany ny arabe (aty @misy ahy no lazaiko),efa tsipika fotsy ve dia mbola hihoarana ihany, mampidi-doza ho an'ny fiara avy aty ankavanana anie izany e!angaha izy irery no mampiasa ny arabe?
25. fijo ( 20/01/2006 19:25)
fahazarandratsy sarotra hialana.rehefa mitondra,dia tsy tokony hijery sipa eny amin'ny sisiny,fa misy tena misarika maso,ka mety hanadinoana volant.
26. kally ( 21/01/2006 07:14)
Izay izany ry fijo ilay hoe ny sipa jerena moa ny vôlà takarina?:oops:
27. Herimiafina ( 22/01/2006 06:35)
kally:

Herimiafina> Tsy tokony hihoatra ny "bande" misy azy ny fiara iray na ahoana na ahoana, efa voakajy amin'izany ny arabe (aty @misy ahy no lazaiko),efa tsipika fotsy ve dia mbola hihoarana ihany, mampidi-doza ho an'ny fiara avy aty ankavanana anie izany e!angaha izy irery no mampiasa ny arabe?

Kally: Mety misy arabe ihany any amin'ilay misy anao efa tamin'ny 1960 ny design (na ny profil en travers sy profil en long) nanamboarana azy kah, any amin'ireny vieux quartier na village ireny ohatra, tamin'izany andro izany mbola hafa ny système direction, mbola hafa ny fiara.
Resaka braquage sy tours volant izany le izy e, misy volant un quart de tour misy demi-tour misy tour complet ary misy ihany koa ny be braquage misy ny kely braquage toy ny Land Rover B110 ohatra.

28. Fiffi ( 23/01/2006 05:17)
ny hitako aloha dia ny fanaovan-taingimbe , sady mampatahotra no mety mampidin-doza satria mba heritrereto kely ange hoe manitsaka frein tampoka fa nisy olona nitsoriaka hiampita lalana ? dia ireo olona zara fa misy hikifizana mety ho votsotra tampoka ny tanany dia ho loza no hiatra
29. Ralay ( 23/01/2006 21:44)
ka izany ny any an-tanàna kou :lol:
30. kally ( 27/01/2006 17:27)
Herimiafina koa dia faly hamaly fotsiny kah! ny mampidi-doza no resahina, raha any @ tanàna kely zara raha misy tômôbilina mandalo anie tsy mampidi-doza izany ary tsy manelingelina ny hafa izany e!tsy misy mpiraharaha fa ilay resahiko eto ilay eny an-dalambe mpidi-doza
31. Herimiafina ( 27/01/2006 18:00)
Kally! Eny ary e! Tsy nifankahazo njay izany ny resatsika mianaka tamin'iny. :-*
32. fijo ( 27/01/2006 21:07)
kally izay mihintsy.
33. zandrikely ( 28/01/2006 18:46)
rehefa mba omena lalana dia mahay misaotra
avelao ny olona hiampita
34. kally ( 30/01/2006 16:09)
Herimiafina:

Kally! Eny ary e! Tsy nifankahazo njay izany ny resatsika mianaka tamin'iny. :-*


Isika mianaka? Dia iza amintsika mianaka no zanany?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0786