Setrim-pandavana (réponses aux objections)

1. tsimiandravola ( 13/01/2006 21:57)
Rehefa tsy tokony hisy ny fahanginana,nefa mangina ireo tokony hitabataba dia io ilay lazain'ny vazaha hoe :"silence assourdissant".Ka ireo mpahay tantara fahagola (antiques) izay tsy tokony hangina raha nisy tokoa ny kristianna sy i Jesoa (raha araka ny fankalazan'ny baiboly azy no dinihina) tamin'ny andro tokony nisiany bobaka be,ary koa tamin'ny toerana tokony nisy azy.
Ny fahanginan'ny mpahay tantara tamin'izany andro izany dia niteraka fahabangana be tokoa.Manelingelina izany fahabangàna izany satria sao dia mampandamoka ny famoronana Jesoa kristy an-tany,ara-nofo.Inona ary no fikafika????MBA ATAO IHANY IZAY EZAKA AHAFAHANA MAMENO IZANY BANGA IZANY amin'ny alalan'ny fanosohana andalan-tsoratra any amin'ny sangan'asan'ny sasany,ohatra i Flaviosy Josefa.Ny amin'n tranga hafa indray dia lazaina fa kristianna ireo Esenianna Zelota dia vita kabary.(CF Paoly nampiantranoin'i Aquilla sy i Priscilla dia zelota mampiantrano zelota)

NB:eny fa na dia hatramin'izao aza dia tsy manan-tsafidy ny kristianna fa voatery mifikitra amin'ny témoignage fôpla ...mba hanohanana fa nisy ara-tantara tokoa i Jesoa.

Raha manitikitika anao indray ary ny te hahafantatra izany,satria izy ity dia tsy hipetra-potsiny fa ho tonga any ampoto-tsofin'ny mpiray tanindrazana na ho ela na ho haingana,dia jeri http://www.geocities.com/tsinisijesoa/setrimpandavana
Aleo ianao dia efa mahafantatra mialoha raha te hiaro azy ireny mba ho kristianna foana:lol:
novalian'i marozevo ny 30/01/2006 01:10
2. jentilisa ( 14/01/2006 06:03)
Lava izany raha fanazavana! andeha horaisiko ity andalan-tsoratra ity.

setripandavana:

Mba hamintinana ny amin'io hosoka io dia izingiziniko na dia ohatry ny tsy mampino aza fa ny tahirin-kevitra tokana izay nifotoran'ny tantara momba ny fandorana an'i Roma dia tsisy afa-tsy io andalan-tsoratra natolotry ny sekretera pontifikaly Poggio Brandolino io tamin'ny taon-jato faha-XV.Izy io dia iray tamin'ireo mpisandoka kristianna kalazalahy.Io andalan-tsoratra io no noteren'ny Eglizy ho toy ny solotenan'ny porofo marina ny amin'ny fisian'ny kristianna tamin'ny andron'i Nerona.

toy iazo kosa no hitako amin'ny tantaran'ny roma:
http://www.francebalade.com/rome/romeempereur.htm#neron

En 64 aprés J-C a lieu le grand incendie de Rome, celui-ci a démarré dans le Circus Maximus puis a gagné les Palais et a fini par se déployer dans les Forums pour ganer ensuite le quartier de Suburre et les habitations sur la colline de l'Esquilin. Néron profita de l'espace libéré par cet incendie pour se faire construire un immense et somptueux Palais (la Domus Aurea : Maison Dorée) qui irrite la population de Rome en dépit de la démagogie de l'Empereur.

iniako tsy adika mihitsy izay voasoratra;
fanontaniana: ny nandorana an'i Roma ve no lavina sa ny nanamelohana ny kristiana ho nandoro an'i Roma?
Satria ny filazanao azy dia hoe tsy nisy izany Roma may izany!

Manaraka izany dia voasoratra ao amin'ny setripandavana ihany koa hoe tsy nahalala Jesoa maty izany i Paoly. Ataoko ity Jesoa nitsangana tamin'ny maty no fototry ny finoany.
Mandeha dia mandeha ny demonstration saingy rehefa misy faingo adino dia diso foana izy rehefa amin'ny martematika. Miala tsiny!
3. dadabe ( 14/01/2006 07:18)
????
4. jentilisa ( 14/01/2006 07:43)
inona koa ny mahagaga an'i dadabe?
5. hery ( 14/01/2006 11:33)
jentilisa> asa taitra fa i dadabe angamba manenjika statistika (cf. ny hafatra fohy rehetra mandeha eto toa izy daholo no nanoratra azy :-) )

tsimiandra> anisan'ny mahafaly ahy ny fironankevitrao :-) aleoko ianao miteny hoe tsy nisy i Jesoa toa izay miteny hoe tsy Andriamanitra izy. Izany hoe efa misy karazany roa sahady izany ianareo tsy mpino :-)
Ao ireo miteny hoe tsy nisy i Jesoa
Ao ireo miteny hoe nisy izy fa tsy Andriamanitra izany

Koa angamba ianareo aloha no tokony hifandamina dia rehefa milamina ny anareo dia hasehon'izay mino amin'izay hoe nisy izy ary Andriamanitra.
6. tsimiandravola ( 14/01/2006 11:43)
jentilisa:


iniako tsy adika mihitsy izay voasoratra;
fanontaniana: ny nandorana an\'i Roma ve no lavina sa ny nanamelohana ny kristiana ho nandoro an\'i Roma?
Satria ny filazanao azy dia hoe tsy nisy izany Roma may izany!

Manaraka izany dia voasoratra ao amin\'ny setripandavana ihany koa hoe tsy nahalala Jesoa maty izany i Paoly. Ataoko ity Jesoa nitsangana tamin\'ny maty no fototry ny finoany.
Mandeha dia mandeha ny demonstration saingy rehefa misy faingo adino dia diso foana izy rehefa amin\'ny martematika. Miala tsiny!
Ito no teny frantsay nadikako:\"Que ce document présenté par Poggio Brandolino en l\'an 1429 soit un faux nous est démontré, en plus du bon sens, par le fait que Simon Pierre n\'a pu subir aucun martyre de la part de Néron puisqu\'il fut été exécuté avec son frère Jacques en 46, à Jérusalem, sous Cuspius Fadus, et parce que Tacite n\'aurait jamais écrit qu\'un incendie eut lieu à Rome car, selon tout ce qui a historiquement été montré, il n\'eut jamais lieu.\"
Fanamarihana
1)I Poggio no nampiseho voalohany an\'ilay document lazaina fa nosoniavin\'i Tasita.
2)ilay citation nomen\'i Jentilisa dia nalaina avy amin\'io document io.
3)I poggio nefa dia malaza fa mpisandoka.Porofon\'izany dia tsy tany Roma i piera sy Zaka no maty fa tany Jerosalema.
Ireo fanamarihana ireo dia efa ampy hisalasalana ny amin\'ny maha authentique ny loharanon-kevitra.
4)I Nerona,raha hamorona palais mba revireviny fotsiny no nahamaika azy dia \"expropriation\" vitsivitsy fotsiny dia efa ampy fa tsy voatery handoro an\'i Roma (satria nisy nilaza koa fa i Nerona ihany no nandoro an\'i Roma).
5)Ny kristianna (pères de l\'Eglise) dia efa fatra-pihosoka loatra ka rariny dia rariny raha atao \"remise en cause\" daholo izay mety ho porofo aroson\'ny Eglizy.Izany akory tsy manao hoe tsy misy hinoana mihintsy izay voalazany taloha,kanefa na izany aza dia \"méfiance\" \"méfiance\".
Ka noho izany indrindra dia aleoko mihanona amin\'ny \"intuition-ko\" aloha mandram-pisavan\'ny \"rahon\"ny maizimaizina\".Na izany na tsy izany anefa dia mazava fa hosoka ny an\'i Poggio momba an\'i Piera sy Zaka.Ary tsy manova n\'inon\'inona izany ny amin\'ny tsy nisian\'ny kristianna tamin\'izany andro izany,satria ireo lazaina fa kristianna dia tsy inona akory fa Eseniens Zelota na eseniens spriritoaly.Asa na remarquer-vanareo ny Asan\'ny Apostoly sy ny Epistily rehetra fa lahantsoratra antonina ny fahamatorana ara-pivavahana efa tena lasa lavitra tokoa,fa tsy mifanaraka mihitsy amin\'ny fibadabadan\'ny kristianisma vao nipoitra vao haingana.I Paoly rahateo dia tena mpahay baiboly fatratra mihitsy nefa tsy niresaka mihitsy izany fahaterahan\'ny mesia tany Betlehema izany,tsy nahafantatra izany majy izany,tsy nahafantara izany hoe Joany batista izany sns sns .Tena hita mihitsy hoe olon-kafa mihitsy i Paoly miohatra amin\'ny kristianisma evanjelika.

Ny momba ilay hoe Asa 25,19 milaza fa \"jesoa ,efa maty,nefa lazain\'i Paoly mbola velona\".
Io dia tsy voalaza hoe \"efa maty nefa lazain\'i Paoly velona indray\" na hoe \"nitsangana tamin\'ny maty\".
Ny fahasarotana mantsy ho an\'ny mpino kristianna dia izao:tsy misy olana ho azy ireny mihitsy ny tonga dia handray izany ho fahavelomana aorian\'ny fitsanganana.Ka atao ny fanamarihana:
1)Tsy nisy nanitsy na i Paoly aza ka nanao hoe :\" velona indray\" na \"nitsangana tamin\'ny maty anie no tiana lazaina\"
2)Ny texte dia texte Esenianna ,toy ny ambiny rehetra ary novàna kristianna rehefa asiana ny fanovàna eritreretina fa ilaina.Rehefa tsy hita hoe nilaina dia tsy hita izy izay,ka tsy novaina.Minam-bary aza misy latsaka.Ohatra fotsiny izao:zavatra efa nolazaiko teo ihany ny momba an\'i Kefasy izay nanapaka ny lohan\'ireo mpivady tamin\'ny sabatra(Asa)fa tsy nandrotsaka ny vidin\'ny tany tao amin\'ny kitapombola iombonana araka ny fitsipika Esenianna,araka ny fahazarany hatreny amin\'ny mont des oliviers ihany koa(couper au sabre l\'oreille du gardien du temple).Ka hoy aho hoe io passage io dia tsy hitan-dry zalahy dia tsy novàny.Fa raha hitany io dia mety efa novàny hoe \"nitsangana tamin\'ny maty\",amin\'izay dia tsy misy mihitsy ny \"ambiguité\".
7. jentilisa ( 14/01/2006 13:04)
Ka io pasazy io dia tsy hitan-dry zalahy dia tsy novàny...ô rangahy ity! nefa dia voasoratra mihitsy hoe bedin'i Jesoa izy tamin'io fotoana io an! dia naverin'i Jesoa tamin'ny toerany ilay sofina tafala! sa teny nampiana koa angamba ilay sofina naverina e!

Dia aza adino fa tsy mety afangaro ho'aho izany Eseniana sy izany Zelota izany! Zelota antoko politika "tia tanindrazana" moa ny Eseniana mpivavaka sahala amin'ireny Fifohazana mpiakanjo fotsy eto amin'ny tanàna ireny ihany! Toetra mifanipaka tanteraka no ananan'ireo antoko iniana afangaro sahala ny tamin'ny nanaovana ny Pasitera isan-karazany nampijalian'ny Mpanjana-tany tamin'ny 1947 ireny. Rehefa tiana hovonoina rahateo ny alika dia endrikendrehiona ho tratran'ny haromotna izy hoy ny ohabolam-bazaha!

Ny mahavariana amin'ny tantara dia izao: lazaina fa hosoka ny nandorana an'i Roma! ny tantara avoakan'ny mpandalina rehetra milaza izany avokoa. Sa tratran'ny negativisma sahala amin'i Jean Marie Le Pen ka miteniteny hoe zavatra tsy misy dikany izany chambre à gaz namonoana ny jiosy izany?

tena mahavariana e! hay efa lasa misy sekta koa izany tsy finoana an'i Jesoa izany!

ny momba ny hoe maty tary ananona na tary ananona indray dia tsy haiko loatra satria tsy voasoratra ao amin'ny Asa ny nahafatesan'izy rehetra ireo. Ny tantara rahateo tsy misy raha tsy misy ny mpitantara azy araka izay itantarany azy!

L'histoire n'est pas les faits mais l'interpretation des faits.

Na misy zava-dehibe sahala amin'inona rehefa tsy misy mpitantara dia heverina ho sahala amin'ny tsy misy izy. Rehefa misy zava-madinika ny fijery azy nefa mitantara avokoa ny olona dia tafiditra ho singa ao amin'ny tantara izy __fijery ara-tantara izay__.

Ny manahirana anie dia tsy fantatra intsony izay toherina na ilay lazain'ny baiboly milaza ny momba an'i Jesoa na ny lovantsofina napetraky ny eglizy e!
Rehefa baiboly no resahina dia baiboly no atao. Rehefa zavatra nolazain'ny eglizy kosa indray tsy misy idirako loatra amin'ny mahajentilisa ahy izay!
Ny manahirana dia tadiavina terena ho Rakoto iray ihany no misy eto Madagasikara! tahaka ny an'ny Jiosy betsaka manana anarana Simona, Jaona sy ny karazany. Ary lazaina fa Jodasy iray ihany no misy fa noterena hanana endrika telo e! Tsy hita intsony moa fa angamba iray ihany ny olona manana anarana Luigi ao Italia ao! asa aloha!
8. Veloo ( 15/01/2006 02:59)
:?::?::?:
9. xxx ( 15/01/2006 12:11)
('^:^')('o^o')
10. tsimiandravola ( 15/01/2006 12:47)
hery:


tsimiandra> anisan\'ny mahafaly ahy ny fironankevitrao :-) aleoko ianao miteny hoe tsy nisy i Jesoa toa izay miteny hoe tsy Andriamanitra izy. Izany hoe efa misy karazany roa sahady izany ianareo tsy mpino :-)
Ao ireo miteny hoe tsy nisy i Jesoa
Ao ireo miteny hoe nisy izy fa tsy Andriamanitra izany
Koa angamba ianareo aloha no tokony hifandamina dia rehefa milamina ny anareo dia hasehon\'izay mino amin\'izay hoe nisy izy ary Andriamanitra.
Misaotra anao manome fanamarihana,ka tsara raha azavaiko ombieny ombieny ny position-ko na dia izany aza satria sao dia tsy fantatry ny olona voa mi-debarka eto amin\'ny serasera.
-Izaho izany no anisan\'ilay miteny hoe :tsy nisy i Jesoa,ka ny tsy maintsy azo amin\'izany ,ary efa tsindriko matetika dia ny hoe:i Jesoa kristy ARAKA NY FAMARITAN\'NY TESTAMENTA VAOVAO AZY no lazaiko fa TSY NISY,fa tsy ilay \"Kristy\",na ireo kandidà Kristy taranak\'i Davida akory.(Ny Kristy lazaiko eto koa dia eo amin\'ny dikany hoe Mesia,na Oint fa tsy amin\'ny dikan\'izany ao amin\'ny saina kristianna moderna akory izany hoe anarana manokan\'i Jesoa).
Ka raha fehezina dia izao:Ny Kristy Jesoa no tsy nisy ara-tantara.Nefa kosa nisy ny Kristy Joany (ny tena marina dia candidat ho Kristy)fa saingy ny tava narosony no tsy nifanaraka amin\'ny \"politiquement correct\" ka dia nohezahan\'ny \"Ntaolo\" ny nikosoka ny tavany,ka nasiany saron-tavan\'ilay efa fantatrareo fa \"Andriamanitra\".

Ka raha hifanaraka amin\'ireo izay manao an\'i Jesoa ho Andriamanitra aho,dia toy ny manaiky sahady fa nisy izy,izay no tsy mahamety azy.
Mitovy ihany amin\'ilay débat mety ifanaovantsika eo amin\'ny fitsanganana na tsia amin\'ny maty ohatra:amiko dia tsy misy tokony hiadian-kevitra ny amin\'izany satria ahoana no hitsanganan\'ny olona tsy nisy amin\'ny maty???
Toy izany koa ny amin\'ny fisiana na tsy fisian\'Andriamanitra:tsy miady hevitra amin\'izany aho satria amiko dia misy Andriamanitra,na dia tsy hitako hamarinina aza,ny fantatro kosa ary hitako amarinina tsara dia ny tsy maha-misy,ary ny tsy maha Andriamanitra an\'i Jehova,Yaweh...

NB:\"Plus on s\'élève,plus on a le vertige et plus douloureuse est la chute \" Ceci est un simple conseil que j\'adresse à ceux qui élèvent des enfants dans la foi chrétienne.
11. marozevo ( 15/01/2006 23:10)
tsimiandravola > Inona anefa aloha no tena mampahararirary ny ain'i tsimiandravola mahita ny olona mino eh... mahita ny olona manabe ny zanany amin'ny finoana eh... mahita ny olona mino fa TENA NISY ARY MISY i Jesoa Kristy eh?
Izaho tsy dia tia miady hevitra amin'ny olona efa borné, fa ity izy miady fo eh.. efa tena maimbo ra mihitsy ka angonina daholo izao tapian-javatra tsiponina etsy sy eroa izao hanamarinana ny toe-tsaina efa misy.
De toute façon .... la caravane passe.
la caravane passera toujours et à jamais, meme si le nombre de tsimiandravola va augmenter.
12. tsimiandravola ( 16/01/2006 00:56)
marozevo:


Izaho tsy dia tia miady hevitra amin'ny olona efa borné, fa ity izy miady fo eh.. efa tena maimbo ra mihitsy ka angonina daholo izao tapian-javatra tsiponina etsy sy eroa izao hanamarinana ny toe-tsaina efa misy.

Ny olona no borné,fa ianao izay efa raiki-tapisaka ao amin'ny finoana kristianna izay denoncer-vako tsy borné mihitsy fa manana esprit hyper-ouvert???????Ka raha tsy miaddy hevitra ary ianao,inona indray no mbola andefasanao méssage momba ny topic asosako????Sa ny mahafinaritra anao dia ny hanafosafoana anao manaraka amin'ny lantom-bolonao ihany????
Amiko dia tena manana esprit ouvert aho,izany no ahasahiako miatrika n'iza n'iza,eny fa na dia ny olona "toa an'i Marozevo aza".Ary izany koa no ohatra iriko hananan'ny gasy satria vokatry ny fifandraisana sy ny ady hevitra ihany no hiantoka ny fandrosoan'ny firenentsika.

Miady fo ery??? Eny e !marina izany,fa fantaro koa fa mahafinaritra ahy ilay izy,lasa passion,fa tsy contrainte,dia inona no mahaosa an'i Marozavo amin'izany?????

Angonina daholo izao tapian-javatra...Daholo???(':-w')hitako fa manelingelina be ilay zavatra angoniko,ary manindrona antsy ny finoan'i Marozevo.Azafady ary e.
Tsy alao ve ary isika mijery télé e,na mampiady akoholahy,na manao daomy(':-D')

Na izany aza anefa dia tiako ny fahamarianana,ka rehefa mahita lainga aho dia ajedako.Na dia izay fotsiny ihany aza.Nefa mbola miampy,tena mba bien kosa ilay mitady an'ilay hosokosoka nataon'ny kristianna malemilemy toa dinty nefa maharaikitra an-dravorona an!

Rien que le plaisir de dénicher la subtilité de l'arnaque chrétienne,c'est fantastique.Tu sais Marozevo,il est 3h du matin en France,et je suis encore là.C'est que j'aime bien traiter la question,ça me fait tellement plaisir que je n'en peux plus!Celà dit je vais rejoindre ma femme,faut pas exagérer!


13. jentilisa ( 16/01/2006 12:22)
ie dia tena mahafinaritra anao tokoa ilay topic ary mahavariana fa ato amin'ny fivavahana ihany ianao ho hita anarana! mahafinaritra ny mitsipona ny fahadisoana any anaty fitantarana any nefa ny finoana tena izy tsy miankina amin'ny ara-bakinteny fa mifototra amin'ny hevim-panahy sy izay tsoan-kevitra mibosaka ho an'ny rehetra!

Mahafinaritra ahy koa ny adi-hevitra satria sehatra hafahafa kokoa no nihaonana!

Misy koa manko ny soratra ao anatin'ny boky toherina io manao hoe ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona! Manamarika izany fa mety ho tratran'ny fifikirana amin'ny zavatra tsy mifanentana amin'ny vanim-potoana intsony raha miankina amin'ny soratra fa ny fanahy izany hoe ilay saina nomena ny olombelona kosa no tena manandratra sy manome hasina ny olombelona.

Toy izany no nahatonga ny hoe ny olona no tompon'ny sabata fa tsy ny sabata no tompon'ny olona!

Ny sabata dia hanasoavana ny olona...hivoarany izany sy hananany saina misokatra fa tsy natao hangeja ny olona kosa ka fatopatoran'izao karazan-dalàna mety ho efa tsy izy intsony!
14. eprom ( 16/01/2006 13:48)
Ny zavatra mba mahagaga ahy de raha vao olona manohitra ny baiboly de inoan'i Tsimiandravola avy hatrany. Raha milaza ny mpanoratra iray hoe misy hosoka ny boky toy izao @ andalana izao fa ity no tena version originale, etc.. de inoany, fa azo eritreretina koa anie hoe ilay milaza ho mahita hosoka no nanao hosoka eh. Sa napetrak'ireo mpanoratra tranainy tany @ omda ny bokiny ka nahalalana hoe ity no tena izy? Hoe tsy flavius Joseph no nanoratra ity fa nososohan'ny kristiana? Hoe tsy may Roma satria teo aho t@ izay ka tsy hitako izany? Raha misy tahirinkevitra milaza fa tany roma no maty petera de hosoka izay fa raha misy hafa milaza fa tany jerosalema izy no maty de tsy hosoka izay? Za aloha tsy nahita ny fandevenana azy eh. Sady tsy raharahako izy na taiza no maty na taiza. Tsy misy ifandraisany @ finoako manko izany.
15. tsimiandravola ( 16/01/2006 13:56)
jentilisa:

ie dia tena mahafinaritra anao tokoa ilay topic ary mahavariana fa ato amin\'ny fivavahana ihany ianao ho hita anarana! mahafinaritra ny mitsipona ny fahadisoana any anaty fitantarana any nefa ny finoana tena izy tsy miankina amin\'ny ara-bakinteny fa mifototra amin\'ny hevim-panahy sy izay tsoan-kevitra mibosaka ho an\'ny rehetra!

Mahafinaritra ahy koa ny adi-hevitra satria sehatra hafahafa kokoa no nihaonana!

Misy koa manko ny soratra ao anatin\'ny boky toherina io manao hoe ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona! Manamarika izany fa mety ho tratran\'ny fifikirana amin\'ny zavatra tsy mifanentana amin\'ny vanim-potoana intsony raha miankina amin\'ny soratra fa ny fanahy izany hoe ilay saina nomena ny olombelona kosa no tena manandratra sy manome hasina ny olombelona.

Toy izany no nahatonga ny hoe ny olona no tompon\'ny sabata fa tsy ny sabata no tompon\'ny olona!

Ny sabata dia hanasoavana ny olona...hivoarany izany sy hananany saina misokatra fa tsy natao hangeja ny olona kosa ka fatopatoran\'izao karazan-dalàna mety ho efa tsy izy intsony!



Izany ahay ka position kristianna azo leferina.Tsy naharitra mihitsy aho namaly an\'ity tenin\'i Jentilisa ity satria misy zavatra tiako ho lazaina momba ny silamo.
Nisy nanakiana ahy nanao hoe:ny silamo no tokony harodana fa tsy ny kristianisma fa ianao mitifitra bala amin\'ny tongontsika.Misy fahamarinany ihany izany ary tsy novaliako ilay olona satria amin\'ny teny frantsay ka tsy tiako ho vaky batsilana ny taktika. Chuuuuut!Kanefa raha tsapantsika fa ao no tena ady mangotraka dia tokony hiray hina ny velona rehetra hiara-miady amin\'izany.Mba anombohana izany anefa dia tsy maintsy mandinin-tena aloha.Ka ny masaka ao an-dohako dia tsy vitan\'ny fitondrana amim-bavaka izany,ary tsy vitan\'ny generation iray,fa tsy maintsy atomboka,ary efa misy manomboka sy mikandra fatratra ka raha lazaiko anareo dia ho lany eto ny andro.(lancer-o google avec le mot clé \"contre le monothéisme\".)

Ka raha iverenako kely ny amin\'izay masaka ato an-dohako,dia ny hoe:tsy afaka hiady sy hisoroka amin\'ny islam mihitsy isika raha mitady hanao izany amin\'ny alalan\'ny kristianisma.Amiko dia resa-ketotra ny mifanohitra amin\'izay.Tsy misy afa-tsy ny laicité aloha voalohany.
Ka ny tena tsapako dia ny kristianisma ,izay fototry ny intolérence fanta-daza no mila reforme de fond et de forme mba ahafahan\'ireo izay te hanohy hino.
Ohatra fotsiny izao ny prétention arrogante milaza fa ny kristianisma ihany no mahavonjy,I jehova ihany no tena andriamanitra marina, \"mandehana ataovy mpianatro ny firenen-drehetra\"...Ireny rehetra ireny dia manosika ny mpino hanana \"fiérté\" diso toerana,miavoavo na dia ny contraire aza no lazaina.

Dia tsoriko aminareo fa plus ianareo miavoavo,plus ianareo lasa ambony, dia plus ianareo lasa \"borné\".Borné satria tsy te hianjera ary amin\'ny tany fa sao maratra.Finoana efa matotra sady efa nifandovam-paraman-dimby ve leiretsy dia finganin\'i Tsimiandravola amin\'ny kely foana? Raha ivaiva matsy no nisy anareo ka mienjera dia mba tsy vaky taova.Izany no tena riska alain\'ny kristianna evanjelika,izay matetika miseho ho bob daholo na amin\'ny fahaizana baiboly na amin\'ny fahamafisam-pinoany.Mba andramo ange ny mankany amin\'ny egise évangelique ê.Ho hitanareo fa tena toy ny efa any an-danitra mihitsy ianareo.

Tsoriko fotsiny ny ahy,tsy mino intsony an\'izay tsy mitombina ao amin\'ny baiboly na ny voalazan\'ny pasitera aho.Kanefa ny fivavahana kristianna mba azo ekena ihany raha tsy mi-exagérer.Tairo ny vako-drazana sy ny hiragasy,ary ny tsinjaka,manaova bal,mihinàna,mba ampianaro ireo nentin-drazana (eny Ambohipo zao le misy fampianarana kabary nefa eglizy protestanta),raiso ny adidy amin\'ny firenena,aza mandany andro mihoatra ny adin\'ny 1 rehefa alahady (ny an\'ny kato dia lamesa 1h de vita kabary,sady azo anticiper-na ny sabotsy hariva),dia mivavaha kely de Basta!Fa tsy lany andro amin\'ny alelouia ,ny sasany efa maatory,ny sasany efa voan\'ny kirampy,ny alatsinainy nefa mbola handeha hikandra....Merde! (azafady)
16. marozevo ( 16/01/2006 23:27)
Raha araka ny fahitako io paragrafy faran'i tsimiandravola io dia toa mitady hibebaka sahady izato izy, nefa vao eo no manao be fiavy.
17. naritsimba ( 18/01/2006 04:38)
tsimiandravola> tairo ny vako-drazana sy ny hiragasy,ary ny tsinjaka,manaova bal,mihinàna,mba ampianaro ireo nentin-drazana (eny Ambohipo zao le misy fampianarana kabary nefa eglizy protestanta.

Izaho ry tsimiandravola dia mivavaka ao @ FJKM Ambohipo, ary anisan'ny mampianatra Kabary ao @ io fiangonana io, no mpihira gasy sy mpandihy ao ihany koa.
Samy manana ny finoany ny tsirairay ary tahaka ahy dia afaka miaraka ny maha malagasy sy ny finoana kristiana.

Tsy voatry hino an'i Kristy ianao nefa matoa ianao mandà azy dia efa nino azy izany , koa dia ampitomboy ny finoanao azy fa mbola tsy ampy izany matoa mitady handà azy ianao.
18. tsimiandravola ( 18/01/2006 06:58)
hé hé hé hé!!!=))=))=))=))
manja ê!!! (mbola voan'ny gripa aho izao aloha ka tsy afa-miteny betsaka!!)
19. eprom ( 18/01/2006 13:33)

aza mandany andro mihoatra ny adin'ny 1 rehefa alahady

Oay kosa! nareo pasione hatramin'ny 3 maraina ko ny olona no feranareo ho adiny 1.

Ohatra fotsiny izao ny prétention arrogante milaza fa ny kristianisma ihany no mahavonjy,I jehova ihany no tena andriamanitra marina

Iza no arrogant kokoa, ny olona mila an'Andriamanitra sa ny olona tsy mitompo afa-tsy @ sainy ka mahasahy mandrefy izay tsy azo refesina?

Ny momba ilay hoe Asa 25,19 milaza fa "jesoa ,efa maty,nefa lazain'i Paoly mbola velona".
Io dia tsy voalaza hoe "efa maty nefa lazain'i Paoly velona indray" na hoe "nitsangana tamin'ny maty".
Ny fahasarotana mantsy ho an'ny mpino kristianna dia izao:tsy misy olana ho azy ireny mihitsy ny tonga dia handray izany ho fahavelomana aorian'ny fitsanganana.Ka atao ny fanamarihana:
1)Tsy nisy nanitsy na i Paoly aza ka nanao hoe :" velona indray" na "nitsangana tamin'ny maty anie no tiana lazaina"

Tsy azoko ny tian'i Tsimiandravola ambara, tsy i Paoly ve no nanoratra hoe
I Korint 15:12-16:

12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
20. tsimiandravola ( 19/01/2006 07:48)

Tsy azoko ny tian'i Tsimiandravola ambara, tsy i Paoly ve no nanoratra hoe
[quote= I Korint 15:12-16]
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;

Ny avaliko an'i Epron fotsiny dia izao :vakio tsara ireto rohy ireto fa izany no manazava bebe kokoa noho izaho.http://www.luigicascioli.it/altreprove3_fra.php#8
Bref résumé de l'historicité des textes sacrés
sy http://www.luigicascioli.it/altreprove3_fra.php#7
lettre de Paul de Tarse et les actes des Apôtres.
Fehiny fotsiny :ny texte dia corrompu satria i Marcio no nitondra sy nampiseho an'ireny tamin'dry zareo tao Roma (netiny avy any sinopolis akaikin'ny mer morte).Rehefa azony izany dia nodakàny i Marcion ary nolazainy fa hérétika.Namboariny sy nampiany ary namafany fotsiny sisa ny texte dia vita kabary.Antsika sisa no mandinika ny hoe iza no voalazan'i Paoly na tsia.Ka mazotoa.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118