Setrim-pandavana (réponses aux objections)

21. dadabe ( 19/01/2006 08:02)
:roll::roll::roll:
22. naritsimba ( 19/01/2006 09:45)
tsimiandravola> eprom> amiko manokana dia tsy hiadian-kevitra ny finoana sy ny Baiboly, fa kosa natao hakana lesona sy hanaovana ny tsara.

fanontaniana apetrako ho an'izay mamaky sy mbola hamaky ary angatahako ho valiana:

1-Na moa ve efa nahavita nanao asa soa tahaka Azy ianao? toy ny fanasitranana, fanampiana ny hafa sy ireo maro tsy voatanisa.
2-Moa ve nahavita nanao tahaka ny nataon'i Kristy ny tsy mpino Azy na ny mino Azy ka hahatanteraka ilay teniny fa hahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany?
3-Moa isika mino an'i Kristy ve nahavita nanaraka sy nankatoa ny teniny ka nahatanteraka na vonona ny hanatanteraka ilay vavaka nampianariny manao hoe: omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay ary mamela ny helokay tahaka izay namelan'izay meloka taminay?

raha ireo ihany dia ahitana fa na ny mino na ny tsy mino an'i Kristy dia hita fa manao izay hanamarinana ny tenany fotsiny @ izay ataony ny tsirairay satria olombelona, koa aoka tsy hifanenjika fa Aza mijery ny andry eo @ mason'ny hfa fa ny eo ambonin'ny masonao aloha alana izay vao mijery izany.
23. jentilisa ( 19/01/2006 11:48)
i Marcion dia nanavaka manokana ny heveriny ho soratra masina sy tsy masina. Tsy neken'ny sinaoda ny nataony no nahatonga azy hoe heretika na tsia. Ny fanapahan-kevitra tamin'izany fotoana izany dia niainga avy tamin'ny fanapahan-kevitry ny eveka avokoa fa tsy izay sitrapon'iray sy mahasoasoa ny iray fotsiny...voateny amin'izany na dia ny papa aza.

Momba ilay fanontanian'i naritsimba indray dia izao:
Tahaka ilay efa notenenin'i marozevo ihany manao hoe tsy hoe miasa amin'ny maha-olona iray ny olonja iray fa miasa ho an'ny fiangonana izy. Mety ho efa nahavita soa aho na efa nahavita fanasitranana fa tsy natao hireharehana izany. Efa voasoratra rahateo fa na dia mahafoy ny aiko aza aho nefa tsy manana ilay fitiavana dia zava-poana avokoa izay ataoko.
manaraka izany tsy hoe izay mahavita izay notanterahana ihany fa manao mihoatra aza.
Ahoana izany?
24. jentilisa ( 19/01/2006 11:55)
Io dia efa nolazain'ny Tompo ihany manao hoe tsy ataoko hoe mpanompo ianareo fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony, izany hoe tsy mahalala ny fomba fisainany, fa ataoko hoe sakaiza ianareo satria ny sakaiza dia ilazana ny tsiambaratelo...izay zava-miafin'ny Tompo izany.

Rehefa fantatra izany ny foto-pisainan'i Jesoa ka izay no hanaovan-javatra ihany koa dia izay ilay manao mihoatra. Mahavita zavatra betsaka amin'ny sehatra mety ho tsy nandalovan'ny Tompo koa manko izany.
25. tsimiandravola ( 19/01/2006 12:56)
naritsimba:

tsimiandravola> eprom> amiko manokana dia tsy hiadian-kevitra ny finoana sy ny Baiboly, fa kosa natao hakana lesona sy hanaovana ny tsara.

.....

1-Na moa ve efa nahavita nanao asa soa tahaka Azy ianao? toy ny fanasitranana, fanampiana ny hafa sy ireo maro tsy voatanisa.
2-Moa ve nahavita nanao tahaka ny nataon'i Kristy ny tsy mpino Azy na ny mino Azy ka hahatanteraka ilay teniny fa hahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany?
3-Moa isika mino an'i Kristy ve nahavita nanaraka sy nankatoa ny teniny ka nahatanteraka na vonona ny hanatanteraka ilay vavaka nampianariny manao hoe: omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay ary mamela ny helokay tahaka izay namelan'izay meloka taminay?

raha ireo ihany dia ahitana fa na ny mino na ny tsy mino an'i Kristy dia hita fa manao izay hanamarinana ny tenany fotsiny @ izay ataony ny tsirairay satria olombelona, koa aoka tsy hifanenjika fa Aza mijery ny andry eo @ mason'ny hfa fa ny eo ambonin'ny masonao aloha alana izay vao mijery izany.
Ko ny Jesoanareo aza tsy nisy koooouh! Inona no 1 sy 2 sy 3 eo???

Jentilisa--->Vao miha-vorika satria be noho vitsy.F'angaha raha sinoda dia manan-jo hangalatra na hiosoka...F'angaha resaka fifidianana izy ity ka izay tapakevitry ny maro na ny sefa fa tsy resaka honetteté satria misy morale ambony lanja ao.Araraotiko koa fa amin'ny resaka soratra masina izay lazaina fa nobitsihin'ny fanahy masina,nefa hosoka sy halatra ary fangalan-tahaka daholo no natao,dia izany ve no asaina hinoana saty asiana balise hoe :"izay manota amin'ny zanakolona dia mety mbola ho voavela heloka,fa izay manota amin'ny fanahy masina dia izay no vita".
Hitanareo amin'izany ny tahotra abosesika any an-dohan'ny olombelona.Tena tsy afa-mikopoka mihitsy hoaho!Ary io tahotra io no tsapako fa mitàna ny maro tsy hiteny izay ao an-tsainy mihitsy.Iza ry Lery no tsy hipararetra amin'izany???

Naritsimba--->Averiko indray Koa ny Jesoanareo aza tsy nisy ara-tantara fa vao noforonina taty aoriana ko!innona no 1 sy 2 sy 3 eo.Izay mantsy ilay manao pré-supposition hoe nisy izy,dia lasa mivadika any amin'ny sujet hafa ny resaka.(Rien à foutre qu'il dit...qu'il pense...déjà,il devait commencer par exister!)

26. jentilisa ( 19/01/2006 13:23)
Dia mahavariana indray raha izay fitenenana izay! izany sinaoda izany no karazana parlemanta tamin'izany fotoana izany! tsy olonolom-poana na mpangalatra sy mpanao usage de faux no nivory tamin'izany fotoana izany! raha izany manko dia association de malfaiteurs tena gravy be noenjehin'ny lalàna tapa-doha avokoa saingy tsy izany tsinona! izay ange ilay mahatonga ny fitenenana hoe raha i anona ve no miteny dia vorondolo fa raha in ranona kosa dia voromanga?
misy fifandresen-dahatra tao anatin'izany fa tsy fanerena! ny tapaky ny be sy ny maro no tanterahina avy eo! iza amin'ny vondron'olona tamin'izany fotoan izany no efa nahavita tahaka izany?
fa satria ve lasa aloha dia lazaina hoe mpihosoka?

sao dia tsy fantatrao akory ny tena diak'izany hoe manota amin'ny zanak'olona sy manota aùmin'ny fanahy masina? raha ny fijeriko azy eto manko dia tsy izay eritreritrao hoe natao hampitahorana izay mihitsy!
ny manota amin'ny Fanahy Masina dia izay efa resy lahatra ny amin'ny fahamarinan'ny teny nefa kosa tsy manantanteraka avy eo! izany hoe izay mandainga amin'ny tenany ihany na dia resy lahatra aza!
ianao aza tsy mino koa inona no idiranao amin'izany?
27. fijo ( 19/01/2006 22:02)
za aloha tsy mpino,fa za kosa dia mino fa nisy izany jesoa izany.saingy izy io,dia zazasary,zanak'i maria tamina olon kafa tsy vadiny akory"zaza janga izany ".ary olona mafy loha,satria olona mafy loha no sahy mandrava tsena.
nahay niresaka koa izy,satria nahatarika olona.ary farany olona mpandika lalana izy ,matoa maty voameloka.
izay no fahitako ny momba ilay olona atao he jesosy.
28. marozevo ( 20/01/2006 00:31)
Tsimiandravola > Ndao ary mody ho ekeko hoe tsy misy le Jesoa... mody ekeko mba hampety ny ady hevitra ... fa amiko anefa misy le izy. Dia tsisy izy izany... Dia ahoana ny baiboly, fara faharatsiny ny Testamenta vaovao ? Aminao izany dia lainga daholo io... aminao izany dia crime daholo io... Ndao ndray koa ho ekena fa lainga daholo io ... ndao koa mody ho ekena fa crime daholo io ... mody ekena mba hampety ny ady hevitra fotsiny... Dia inona ary no BOKY TSARA INDRINDRA hitan'i Tsimiandravola fa mahasolo ny toeran'ny Baiboly? Dia iza koa no olona hitan'i Tsimiandravola fa mahasolo ny toeran'io Jesoa io ? Dia inona koa no rafi-piaraha-monina hitan'i tsimiandravola fa mahasolo ny Fiangonana ?

Zao manko eh ... Critiquer est aisé, l'art est difficile...

farany : TSAROVY TSARA ITY TENIKO ITY ANY AORIANA ANY. Hisy fotoana hilanao ny iray amin'ireto olona na antokon'olona ireto any aoriana any, ary tena hanampy anao amin'ny fo sy fitiavana izy. Ireto ilay izy :
- Olona vita batemy na Batisa.
- Olona mivavaka, na Katolika, na Protestant na tsy Kristianina koa aza fa mivavaka anefa.
- Olona mino an'Andriamanitra Mpahary izao tontolo izao.
- Olona mino an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra velona.

fijo > Tsara rehefa miaky hoe nisy izy aloha... Ny hoe izao ny fiaviany na ny toetrany, dia "zandiana" io ka ny tsara amiko mety ho ratsy aminao, moa ny tsara aminao mety ho ratsy amiko. Nefa na izany aza mba diniho ihany ny TSARA VITANY. Tsy mbola nisy Jesoa nandrava tsena izany kosa aloha eh... resa-be izany!
29. MioraArielle ( 20/01/2006 04:53)
aoka samy hijoro @ heviny ny tsirairay e!
30. jentilisa ( 20/01/2006 06:45)
marozevo> ny hoe lazainy ho nandrava tsena dia ilay nandravany ny mpanakalo vola sy ny mpivarotra ondry na vorona tao an-tempoly. Voasoratra kosa izay na dia ao amin'ny testamenta vaovao aza! an?
31. tsimiandravola ( 20/01/2006 10:09)
fijo:

za aloha tsy mpino,fa za kosa dia mino fa nisy izany jesoa izany.saingy izy io,dia zazasary,zanak'i maria tamina olon kafa tsy vadiny akory"zaza janga izany ".ary olona mafy loha,satria olona mafy loha no sahy mandrava tsena.
nahay niresaka koa izy,satria nahatarika olona.ary farany olona mpandika lalana izy ,matoa maty voameloka.
izay no fahitako ny momba ilay olona atao he jesosy.

Noho ity voalazan'i Fijo ity dia voatery indray aho mamerina ny tiako ho tenenina amin'ny hoe:"tsy nisy i Jesoa":

I Jesoa araka ny famaritan'ny testamenta vaovao azy no tsy nisy fa noforonina (de toutes pièces).Raha mbola averiko ihany dia i Jesoa ara-nofo,incarné avy amin'i Maria Virjiny,zanak'i Josefa ,nofantsihina faha-pontsy pilaty,maty de nalevina ary nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ary avy eo niakatra any an-danitra" (eo moa dia tsy hitako intsony) no tsy nisy ara-tantara. ATAOKO FA MAZAVA ANGAMBA IZAY.

Fa ny Mesia antsoina hoe Joany avy any Gamala,taranaka Asmoneanna,taranak'i Davida,mpampihorohoro sy sefo deban'ny Boanarjesy,io dia nisy tokoa ary ara-tantara mihitsy fa saingy ny tava narosony no tsy mifanaraka amin'ny tian-dry kristianna ho Mesia.Ka niainga teo ny famoronana ny Mesia izay natao izay hifanarahany amin'ny Mesia spiritoaly norevirevena,fa saingy tsy maintsy nifantoka tamin'ny zava-pantatra momba ny fiainan'i Joanin'i Gamala ihany ara-tradition.Dia nanomboka teo amin'izay ny MIXAGE; mixage eo amin'ny jeographie,eo amin'ny histoire sy texte,ary eo amin'ny imagination sy ny revin-gadra.

Izany no nadikako amin'ny tenin-drazana ao amin'ny site tsotsotra nataoko mbola tsy hitan'i Fijo angamba: http://www.geocities.com/tsinisijesoa/fanolorana

32. tsimiandravola ( 20/01/2006 10:13)
jentilisa:

Dia mahavariana indray raha izay fitenenana izay! izany sinaoda izany no karazana parlemanta tamin'izany fotoana izany! tsy olonolom-poana na mpangalatra sy mpanao usage de faux no nivory tamin'izany fotoana izany! raha izany manko dia association de malfaiteurs tena gravy be noenjehin'ny lalàna tapa-doha avokoa saingy tsy izany tsinona! izay ange ilay mahatonga ny fitenenana hoe raha i anona ve no miteny dia vorondolo fa raha in ranona kosa dia voromanga?
misy fifandresen-dahatra tao anatin'izany fa tsy fanerena! ny tapaky ny be sy ny maro no tanterahina avy eo! iza amin'ny vondron'olona tamin'izany fotoan izany no efa nahavita tahaka izany?
fa satria ve lasa aloha dia lazaina hoe mpihosoka?

sao dia tsy fantatrao akory ny tena diak'izany hoe manota amin'ny zanak'olona sy manota aùmin'ny fanahy masina? raha ny fijeriko azy eto manko dia tsy izay eritreritrao hoe natao hampitahorana izay mihitsy!
ny manota amin'ny Fanahy Masina dia izay efa resy lahatra ny amin'ny fahamarinan'ny teny nefa kosa tsy manantanteraka avy eo! izany hoe izay mandainga amin'ny tenany ihany na dia resy lahatra aza!
ianao aza tsy mino koa inona no idiranao amin'izany?

Tsy hadinoko ity ry Jentilisa fa mahandrasa.
33. jentilisa ( 20/01/2006 13:55)
he! he! he! he!
Ary rehefa vita ny fanapahan-kevitra iraisana ka tsy manaiky ihany ilay olona dia out izy!
ny tratran'io voalohany dia Arius no nalaza indrindra!

ny antony dia noho ny olana nitranga tamin'ny fiangonana noho ny fampianarana rehetra mety mampivily lalana azy.

Antoko iray izy ka raha misy ny mikiry hanohy ny tanjona hafa dia aleo ahataka izy. Mazava anie izany e! aza manao zavatra lava be sao reraka eo fotsiny! :°)
34. marozevo ( 21/01/2006 01:09)
jentilisa:

marozevo> ny hoe lazainy ho nandrava tsena dia ilay nandravany ny mpanakalo vola sy ny mpivarotra ondry na vorona tao an-tempoly. Voasoratra kosa izay na dia ao amin'ny testamenta vaovao aza! an?

Ko 'zany aza efa hoe Tempoly koa... mandrava tsena ve izany ? raha toerana tsy azo ivarotana no ivarotanao, ka tonga ny tompon'io toerana io, na ny mpandamina manala anao teo... mpandrava tsena ve izany?... Nisy fotoana tsy azo ivarotana zavatra sasantsasany teo amin'ny devant ny Air France teo Analakely, tonga ny Polisy manala ny mpivarotra... mandrava tsena ve izany?... Aoka fa mazava : Raha io no zohina dia Jiolahim-boto sy mpandrava tsena ny Polisy.. tsy any M/kara ihany fa na aiza na aiza dia manao izany ny Polisy.
35. jentilisa ( 21/01/2006 07:52)
Izay re no fomba nandraisany azy e!
36. marozevo ( 22/01/2006 01:46)
jentilisa:

Izay re no fomba nandraisany azy e!

Marina ny anao, saingy tokony hodinihintsika ihany ny teny ampiasaina satria misy teny tena mafy fitsatoka, misy mba azoazo ihany, misy ny teny mamy araka ilay hoe ny TENY SOA SAKAFO... Tsy izaho akory no ho taitra'io fitsatony io. Nefa inoako fa sady tena fantatro fa tsy mitovy amintsika daholo ny olona ka handray moramora izay hoe izao na izao no handraisako azy.
37. jentilisa ( 23/01/2006 13:12)
Tsara ihany ny mahafanta-javatra rehefa sahala main'izao ka!
jereo ohatra ny nataon'Andrianampoinimerina. Nataony ho karazan-dapa masina koa ny tsena tamin'ny androny mba hahamafy ny sazy ho an'izay manakorontana...mihatra aman'aina sady heverina ho manakorontam-panjakana mihitsy! Dia mifandraika amin'izay no mety ho zava-nosaininy!
38. marozevo ( 24/01/2006 00:28)

Supposition fotsiny ny anao io, fa ny tena fandehany tamin'iny fotoana nandroahan'i Jesoa mpivarotra tao an-tempoly iny dia izao. Takian'ny fanaovana Sorona ny karazan-javatra : Domoina, voromahailala, zanak'ondry, sns... atolotra sorona ao an-tempoly ireo. Tsy misy olana izany fa izany no voalazan'ny Levitika.
Misy moa ny avy lavitra (Galilea ohatra), tsy mahavimbina zavatra fa hoe any Jerosalema mividy eh.. Tamin'ny voalohany dia tany an-tsena no mividy ry zareo, fa nony hitan'ny mpivarotra dia nanatona ny tempoly ny mpivarotra. Ary farany dia tao an-tempoly mihitsy. Toa ireo mpivarotra sapin amin'ny Noely eh... eny akiky Fiangonana, na mpivarotra sampan-kazo alohan'ny Paka.
Olana aterak'izany : fitiavam-bola no nanjary betsaka fa tsy fitiavana ny Tempoly.

39. jentilisa ( 24/01/2006 07:14)
Afaka miteny ihany koa aho hoe supposition ny anao. Misy ny antony matoa i Jesoa niteny hoe ny tranoko atao hoe trano fivavahana fa ianareo kosa manao azy ho fitoeran'ny jiolahy. Nahoana i Jesoa no niteny izany? Tsotra! tamin'izany andro izany dia nisy ny nanao monopole ny varotra voromailala sy ny karazany! Iza no afaka manao izany monopole izany? Mazava be raha hoe efa lasa ao an-trano tempoly (kianja no tena izy) ny varotra. Ireo izay lehiben'ny fisoronana ao no fototr'izany. Mety ho nisy ny fandrarana tsy hividy any ivelany fa ny ao anatiny ihany. Sazy raha minia mividy any ivelany dia tsy mety manao ny fisoronana ry zareo...efa voatokana anefa ireo olona nanao ny fisoronana ireo. Rahafa ny varotra no atao monopole dia mazava ny vokany...lasa lafo ny vidin-javatra...misy izany ny manangon-karena amin'ny tsy rariny.
Izay tsy rariny atao ao anaty fivavahana izany no fototry ny fihetsiky Jesoa amin'izay fotoana izay!
40. marozevo ( 25/01/2006 01:15)
Ilay supposition samy manao ihany isika raha izany koa.. fa ilay conclusion dia mitovy.
Fa tsy tena siora kosa aho hoe misy famerana ho tsy mahazo mividy zavatra any ivelany izany... mba novakiako im-betsaka ihany ny introduction fa tsy hitako izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089