Ny hevitrao no andrasako !

1. nani ( 11/01/2006 09:09)
Salut daholo !

Raha misy ny zavatra faran izay manahirana ahy indrindra ny mieritreritra azy de anisan izany ny hoe " misy marina ve ilay atao hoe anjara ? "
Ohatra iray , raha misy olondroa mifankatia ka vonona ny hifapakavady . Moa tsy safidin izy ireo ve zany ? Tsy hilaza aho zany hoe i Soa no anjaran i Nary , fa kosa i Soa no safidin i Nary , na ny mifanohitra aminizay .
Ohatra iray hafa kosa anefa , mitady asa ary Soa sy Nary , ary samy mahafeno zay fepetra ilaina izy ireo . I Soa no nahazo ilay asa . Midika zany zay fa anjaran Soa ilay asa ?

Asa raha aZonareo ny olana tiko ahatongavana , fa na zaho manokana ary sahirana manazava azy ka zay no antony nanaovako ohatra tsotra ! Ka de mba miandry zay hevitrareo ary ee!!
novalian'i nani ny 13/01/2006 17:37
2. pika ( 11/01/2006 09:23)
fomba iray entina hampiononantena ny filazana fa izay no anjara .....ialana ny nenina sy ny alahelo


3. lapino ( 11/01/2006 09:30)
Ny tena marina, ny zavatra mitranga amin'ny fiainan'ny olona dia vokatry ny ataon'ny olona ihany.

Diso tsinona ohatra raha hiteny hoe tsy fanahy inian'i Soa sy Nary ny hifanambady.

Raha azon'i Soa ny asa nifaninanany tamin'i Nary, dia nanana tombony tamin'i Nary izy izany. Asa ohatra tsara kokoa ny entretien-ny, mahay miresaka kokoa izy, ...

Ohatra koa, raha manan-karena kokoa i Rakoto noho i Rabe, dia satria nahay nihary izy, na nazoto niasa, ...

Ny resaka "anjara" indray dia eo amin'ny finoan'ny malagasy. Ny fahazoako azy ny "anjara" dia misy idiran'ny safidy/sitrapon'ny olona. Fa ireo zavatra tsy miankina amin'ny sitrapon'ny olona, fa iharany fotsiny ny olona, dia ny "lahatra" no iantsoana azy. Ahitsio aho raha diso amin'izay.
4. mandrindra ( 11/01/2006 10:14)
raha izao rehetra izao no lahatra sy anjara dia andraso fa ho tonga ho azy eo daholo izay mety ho anjaranao.
5. nani ( 11/01/2006 10:35)
Pika , manaiky ilay hevitrao koa aho hoe , entin olona hamaliana ireo fanontaniany sarobaliana eo amin fiainana tokoa ilay hoe anjara , refa misy zavatra de avy hiteny hoe zay ny anjara ee ,satria tsy hita zay lazaina .
6. nani ( 11/01/2006 10:38)
Lapino ,tsy misy ho kianiko zay valinteninao satria zay ny hevitrao ary hitako fa misy fahamarinana na .
Mandrindra , zaho kosa tsy miliza hoe zay zavamitranga rehetra de anjara daholo ,fa ny tsy fahazoako anizay anie no nahatonga ahy nanontani ee !!
DE MAZOTO DAHOLO
7. Vahinala ( 11/01/2006 11:50)
Amin'ny resaka fitiavana dia ny fahazoako azy mety hisy marina kely ihany ilay hoe anjara na koa fanadaharana nataon'Andriamanitra angamba no tiako kokoa hilazana azy ho an'ny mpino, satria metetika na misy olona tianao tahaka ny ahoana aza ka tsy tena iny no izy dia tsy tanteraka foana fa mazàna mety olona tsy ampoizinao tampoka ndray no lasa vadinao ohatra na lasa miaraka aminao, izay ilay hoe faniriana ny an'ny olombelona fa an'Andriamanitra ihany ny fanapahana.
Ny amin'ny resaka fiainana tsotra indray ohatra ilay resaka asa dia mitovy hevitra amin'i lapino za, tsy hoe anjaran'i Soa akory ilay izy fa na nitovy aza ny faripahaizan'izy sy Nary ohatra dia nanana tombony kely ihany izy, ohatra matotra kokoa na mahay mamoaka hevitra kokoa. Ohatra daholo zany an !
Zay no fahitako azy.
8. dadabe ( 11/01/2006 12:40)
nani > zah zao raha hilaza hoe i nani no anjarako dia ahona ?? fahamarinana izay de tokony hanaiky izany toi :D
9. nani ( 11/01/2006 15:49)
Dadabe an !
Nan ka , rah nilaza izay ianao de safidinao manokana zay fa tsy anjara ka !!! sa !:cry:
10. mpianatra ( 11/01/2006 17:38)
nani....mahereza o
hohoho
11. fijo ( 11/01/2006 21:06)
io voalazan'i lapino io koa no hevitro.
12. debakely ( 12/01/2006 06:06)
debakely
13. diamondra27 ( 12/01/2006 06:37)
lahatra zany ve tsy hoe: voasoratra e! y a pas de choix

anjara: zavatra natokana ho anao irery ihany tsy zaraina aman'olona . Ohatra hoe: ty ny anjara gâteau-nao. Izy no anjaranao.Lany zara???

vintana:miankina @ nahaterahanao io ohatra hoe: vintana alakaosy etc...
Mizara roa ny vintana: de vitandratsy sy ny vintana tsara
14. booboo ( 12/01/2006 09:55)
ary ny tendry ?
15. pika ( 12/01/2006 11:35)
vahinala a fitiavana no resahina ilay olona tena tina nefa tsy lasa vady dia ilay oh ny tonga ho azy no lasa novadiana dia nolazainao fa izay no anjara
fanontaniana anjara mandrampisaraka ve? satria matetika ireny dia misaraka fa tsy tody mandrampaty fa raha misy sendra mahita na tojo ilay tena tiana na ny mitovy aminy dia taraiky eo :wink:
16. pika ( 12/01/2006 11:37)
ANJARA LAHATRA TENDRY :-D:-D booboo tokony hiverina hanao mlg ndray za zany klé
17. lapino ( 12/01/2006 12:38)
Vahinala : raha ilay olona tena tianao ohatra tsy tia anao akory, dia fandaharan'Andriamanitra ve izay?
18. Vahinala ( 12/01/2006 20:28)
lapino an > Avereno vakiana klou le nosoratako dia avy eo ndray valiako ny fanontanianao an !:wink:

Vahinala:

matetika na misy olona tianao tahaka ny ahoana aza ka tsy tena iny no izy dia tsy tanteraka foana fa mazàna mety olona tsy ampoizinao tampoka ndray no lasa vadinao ohatra na lasa miaraka aminao, izay ilay hoe faniriana ny an'ny olombelona fa an'Andriamanitra ihany ny fanapahana.



19. fijo ( 12/01/2006 21:00)
io lesy kilalao an,izay mahay milalao ihany no mahazo ny tsara
20. pika ( 13/01/2006 04:22)
ianao ihany no manamboatra ny anjaranao raha fitiavana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1923