"Mila ovaina ny toe-tsaina"

1. lapino ( 10/01/2006 21:05)
"Mila ovaina ny toe-tsaina"
Ny toe-tsaina ahoana no ovaina manao ahoana, dia amin'ny fomba ahoana? Ary possible ve izany?

Zavatra faheno foana manko izy io, tsy aleo mba asiana resaka?
novalian'i Vahinala ny 02/02/2006 11:50
2. dadabe ( 10/01/2006 22:25)
changement de mentalite
3. Herimiafina ( 11/01/2006 02:27)
Mila fantarina izy zavatra rehetra ao ambadikin'ny toe-tsaina, ohatra hoe: fahantrana, izany hoe fahantrana no mahatonga ny toe-tsaina dia ny fahantrana klou no ovaina.

Hoy ny mpandinika, misy antony daholo ny mahatonga ny fihetsika iray (pertinence d'une action, d'un comportement) ka tsy dia tsara ny mitsara amin'ny fihetsika fa amin'ny antony mahatonga izay fihetsika izay.

Ka ny fahitako azy dia ilay antsoina hoe toetsaina dia conséquence fa tsy cause velively. Mety azo atao cause izy indraindray fa tsy eo aminy no miandoha ny zava-drehetra fa eo anelanelany izy. (le cercle de la pensée-action).
4. Herimiafina ( 11/01/2006 06:27)
Raha tsotsorina dia mila fantarina ny antony mahatonga ny olona iray hanana fomba fisainana iray, complexe be ilay izy satria mety antony kely nefa mety ho lehibe mifandray amina disciplines maromaro.

Ny olona mantsy samihafa be de lasa mitsara foana izay tsy mitovy fisainana aminy, ary manenjika mihintsy aza.

Ary matetika ny zavatra hitantsika eny amin'ny manodidina antsika dia ny toetratsika ihany satria isika toy ny fitaratra ka izay hitan'ny olona hataontsika no harahany, na mitarika toetra mifanaraka amin'izay any aminy.
5. lapino ( 11/01/2006 09:48)
Raha ohatra izany misy toe-tsaina tiana hesorina, dia mila fantarina ny antony mahatonga azy. Mety ho ireo antony ireo, na ny antony mahatonga ireo antony ireo no misy zavatra ahitsy.

Toy izany koa izany raha hampiditra toe-tsaina iray, mila fantarina hoe antony ohatra ny ahoana no mety hahatonga azy, na inona no antony hahatonga ireo antony ireo.

Ireo antony sy anton'ny antony ireo anefa dia miankina amin'ny zavatra niainan'ny olona, ny fitaizana azony, ny fiaraha-monina nisy azy, sns ...

Koa satria sarotra ny hanova ny traikefa efa azo, na hampiaina traikefa vaovao indray, dia ireo izay mbola tsy manana traikefa izany no tsara indrindra karakaraina mba hanana toe-tsaina tsara (izay mbola relatif). Izany hoe ny ankizy sy ny tanora.

Ary satria tsy fongana akory ny fiaraha-monina misy ireo efa manana ny toe-tsainy voarafitra, dia miantraika amin'ny toe-tsain'ny tanora koa izay.

Isika izany aloha tsy afaka hanantena hahita toe-tsaina miova ao anatin'ny fotoana fohy. Dia mbola mitohy aloha ny resaka, hoe toe-tsaina ahoana no tokony hovaina manahoana?
6. Vahinala ( 11/01/2006 11:59)
lapino > Amain'ny lafiny ray raha vakiana ilay zavatra nosoratanao io dia toa ianao ihany dia efa nahavaly ilay fanontaniana, ny tiako ho lazaina fotsiny dia ohatra akaiky no raisiko efa nolazaiko tany amin'ny dinika hafa. Ny ao Tanà zao ohatra fotsiny na Dago amin'ny ankapobeny mihitsy dia anisan'ny maha lasa ambany fisaina ny olona ny resaka fahantrana, loto foana no niainany tao anatin'ny fotoana maro sns, taty aoriana anefa mba efa nisy ny zavatra nivohatra, tsy ho possible tokoa hoe hiova ao anatin'ny segondra vitsy ilay fisainana fa tokony hiezaka kosa ny tsirairay mba manaraka ilay fivoharana rehefa mba misy ny fanatsarana madinika eo amin'ny tontolo hiainana, efa zatra nanao maloto eny rehetra eny ohatra ny sasany, dia mba mila mihezaka hoe efa nasiana ny wc public d ndeha mba ampiasaina, ny olana fotsiny dia andoavambola koa izy ireny ka raha ho any mahantra aloha dia ataoko fa tsy manavanana azy ilay izy.
Ny tsirairay koa dia tokony mihezaka manome exemple ny hafa, ohatra ny tanora no hentanina, satria rehefa betsaka no manaraka ilay izy anie dia manaraka ho azy koa ny hafa e, izany hoe fifanampiana foana izany ilay izy amin'ny samy mponina.
7. lapino ( 11/01/2006 14:29)
Vahinala: ny fomba fandraisako ny famoaboasan'i Herimiafina ireo, fa tsy mamaly an'ilay fanontaniana, fa raha tsy izany tsy naveriko napetraka. Ny teninao izao no manomboka mikitika ny hoe toe-tsaina inona no mila ovaina.

Ohatra izany nolazainao teo: ny fahalalana madio (toerana ivoahana na anariam-pako) na ny fanajana izay zavatra tsara an'ny tena na tsia, dia mety ho endrika isehoana toe-tsaina iray ohatra. Mety misy endrika hafa koa isehoany fa ireo aloha
- Ahoana no hamaritana io toetsaina io?
- Inona no mety ho antony mahatonga izany? inona koa no mahatonga izay antony izay?
- Ahoana no fomba hanovana azy?
8. ravakamalala ( 11/01/2006 15:06)
mahaliana ilay resaka fa sarotra velabelarina.

Misy fahamarinana ny tenin i herimiafina hoe ny toetsaina dia vokatry ny tontolo manodidina sy ny tontolo niainana efa hatram zay.
ohatra : ny toe tsain ny ankizy mipetraka any amin ny banlieue (frantsa) dia tena nateraky ny manodidina azy mihitsy, mety ho hafa ny toe tsainy raha ohatra ka nipetraka tao Paris teny amin'ny 16eme arrodissement izy. ka raha tianao hiova ny toe tsainy dia tsy maintsy izy alavirinao ny banlieue.//
9. ravakamalala ( 11/01/2006 15:10)
nefa koa hitako hoe tsy dia azo generaliser na loatra ilay izy. Marina io hevitra io raha ohatra ka olona mbola vao mi " construire" ny personnalité-ny. fa misy kosa ireo olona efa mahalala ny tsara sy ny ratsy (discernement) dia tokony mahafantatra sy mahatsapa fa tsy mety ny fomba fisainana ary mila manova izany izy.
10. Vahinala ( 11/01/2006 16:39)
lapino > Aleo mihitsy alou za hieritreritra kely fa ato antsaiko ilay fanazavana fa toa tena tsy haiko ny mamoaka azy ko ! :wink:
11. kally ( 11/01/2006 17:10)
Ny ahy aloha tsy ekeko ilay hoe ny fahantrana no miteraka toe-tsaina tsy mamely.IO foana mantsy no atao ala olana.
Ianao anie mahantra noho ny manankarena noho ianao foana e! noho izany ohatrinona marina moa ny vola any am-paosin'ity hoe mahantra lazainao ity?
Ankoatr'izay,ny fanariana fako eny an'arabe, ny tsy famafàna trano sy tokotany tsy misy idiran'ny fahantrana izany fa hakamoana, ny ditra sy ny fanimbana zavatr'olona izany tsy vokatry ny fahantrana izany .Misy olona be vola (ohatrinona io?) ny koveta sy ny siô mikabary eny an-tokotany, ny zazakely itangoronan'ny lalitra, misy olona zara raha manana hatokona madio sy milamina ny tranony na dia tsy misy entana aza ao anatiny, ny zanany mahay sy mianatra tsara...
12. Vahinala ( 11/01/2006 18:30)
kally > Azavao ary izany ny atao hoe ahoana izany manova toetsaina ary maninona ilay toetsaina amin'izao fotoana, fa ianao zany mahay azy. Valio le fanontanian'i lapino io ary e !
13. ravakamalala ( 11/01/2006 19:24)
lapino:
"Mila ovaina ny toe-tsaina"
Ny toe-tsaina ahoana no ovaina manao ahoana, dia amin'ny fomba ahoana? Ary possible ve izany?

Zavatra faheno foana manko izy io, tsy aleo mba asiana resaka?


ny toe tsaina miandry tolorana lava izao mila ovaina. ovaina mba ho tia mitsikaraka, mba ho tia mieritreritra sy mitady hevitra.

aminny fomba ahoana? fanentanana , famporisihana, fandokadokafana.
14. lapino ( 11/01/2006 20:09)
kally : marina izany teninao izany. Tsy ny fahantrana no mahatonga ny olona ho kamo sy voretra, fa ny fitaizana azony + ny fiaraha-monina misy azy. Raha kamo sy voretra daholo ny manodidina azy dia hirafitra manaraka an'iny ny "standard" ao anatiny.

ravakamalala : misaotra amin'ny valinteninao, tena mba mamaly an'ilay fanontaniana. Fa misy iray kely hadino, ilay hoe "possible ve izany?"
15. lapino ( 11/01/2006 20:19)
Misy zavatra iray koa tokony hojerena ihany (efa voaresako tany ambadika tany): ny zavatra mahatonga motivation-n'ny olona dia:
- na misy vola, tombon-tsoa
- na hambom-po
- na fitiavana tsotra izao fotsiny
Ka tsy maintsy misy zavatra manaitra ny iray amin'ireo any am-pony any vao mety hiova ny fihetsiky ny olona.
Raha vao misy contrainte mipetraka koa, na dia hoe "sarotra ny miala amin'ny mahazatra" fotsiny aza, dia mila jerena daholo ankoatra ny fahatongavan-tsaina.
16. kally ( 12/01/2006 07:16)
Vahinala:

kally > Azavao ary izany ny atao hoe ahoana izany manova toetsaina ary maninona ilay toetsaina amin'izao fotoana, fa ianao zany mahay azy. Valio le fanontanian'i lapino io ary e !



Inona ary ity ry Vahinala? Moooramora ihaaaany!
17. Vahinala ( 12/01/2006 07:40)
kally > Hihihi za ange tsa tezitsa e, fa efa tsy haiko tsony le manazava an'ilay izy koa, za tena mahita hoe misy lesoka ny eo amin'ny toetsain'ny olona, marina fa tsy ny fahantrana ihany no mahatonga izany fa ao koa ny hakamoana ka io mihitsy no tena mila hitadiavana paika ny hanesorana azy, ka asa hoe izay rehetra maha tsapa tena eo amin'ny fiarahamonina no mila manome exemple ho an'ny hafa, rehefa manao ny tsara ny ankamaroany, dia mino aho fa manaraka ho azy koa ireo sasany satria mety hahatsapa menatra ihany izy ny farany e ! Asa aloha fa izay no fahitako azy e !:wink:
18. Veloo ( 15/01/2006 02:33)
:roll::roll:
19. ravakamalala ( 16/01/2006 20:44)
Ny fahantrana sy ny fahavoretrana alooha tsy voatery hiaraka foana tokoa e! tsy ny rano akory no tsy misy.

fa amin ny lafiny iray koa, tsy fomba fisainana anie ny fahavoretrana fa fomba fiaina e!

ny fomba fisainana niterak fahavoretrana zao no hoe inona?
tsy haiko!8-)
20. ds ( 28/01/2006 18:11)
Toa tsy nitohy intsony ity adihevitra ity ???
Tena mahaliana be anefa : avy amin'io no mety hanovozan'izay hanana andraikitra eo amin'ny fandrindrana ny fiaraha-monina hevitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4152