"Mila ovaina ny toe-tsaina"

21. Vahinala ( 28/01/2006 19:57)
ds > Mety tsy mahaliana ny sasany angamba nefa za koa tena liana be, tairo tohizantsika sy enao e !
22. ds ( 01/02/2006 11:13)
Endrika iray ao anatin'ny fizaho (personnalité) ny toe-tsaina izay azo hitarafana ny fitondran-tena (comportement).
Ny biby araka ny hevitro tsy manana fizaho. Noho izany mitovy foana ny fitondran-tenany manoloana zavatra iray.
Isika olombelona kosa manana fizaho (misy toe-tsaina) ahafahantsika mampifanentana ny fitondran-tenantsika amin'ny zava-misy.
Ny fizaho dia miforona mandritra ny fahazazana arakaraka ny manodidina iainana. Ny zaza zatra voakapoky ny raiamandreniny ohatra dia lasa mpikapo-jaza koa rehefa manan-janaka. Fikapohana mahery vaika miaro fampijaliana no resahiko eto an.
"Mila ovaina ny toe-tsaina" hoy ny hevitra mandeha. Azo atao ve izany, dia ahoana ny fomba anovana azy ?
Koa satria endrika iray ao amin'ny fizaho ny toe-tsaina (araka ny hevitro) dia azo hovaina tokoa.
Ohatra : toe-tsaina ny tia mifosa olona na mandainga. Azo ovaina ve sa tsia ?
23. Vahinala ( 01/02/2006 11:31)
Ds > Tena azo tokoa, ny anampiako ny teninao angamba d hoe mila "volonté" avy amin'ny tsirairay io fa ny zavatra tsy mety rehetra azo hovaina avokoa.
24. ds ( 01/02/2006 16:10)
Indraindray kosa toa mila ampiana ny olona vao tafavoaka.
25. Vahinala ( 01/02/2006 21:01)
Ny fianana anie mila fifanampiana foana fa na izany aza mbola averiko ihany hoe mila volonté io fa rehefa tsy mihezaka ny hiova tsy ho tafavoaka mintsy.
26. lapino ( 01/02/2006 21:31)
ds:
Endrika iray ao anatin'ny fizaho (personnalité) ny toe-tsaina izay azo hitarafana ny fitondran-tena (comportement).

Andraso kloo kloo fa misy tsy azoko izany: tsy ny fitondran-tena ve no itarafana ny toe-tsaina?! Satria ny toe-tsaina tsy hita maso.
ds:
Ny biby araka ny hevitro tsy manana fizaho. Noho izany mitovy foana ny fitondran-tenany manoloana zavatra iray.

:-w:-w
ds:
Koa satria endrika iray ao amin'ny fizaho ny toe-tsaina (araka ny hevitro) dia azo hovaina tokoa.

Satria nahoana àry? Azo ovaina ve ny personnalité? Sarotra izany. Ny olona miova personnalité izao, tsy maintsy hoe na voadona mafy indray mandeha, na nisy zavatra lehibe hafa nitranga taminy. Tookie Williams izao ohatra.

Vahinala:
mila "volonté" avy amin'ny tsirairay io

Tsy maintsy misy motivation vao misy ny "volonté". Na io vola, na intérêt hafa, na ... arakaraka ny "valeur" amin'ilay olona. Dia ahoana izany?
27. Vahinala ( 01/02/2006 21:37)
Mila karamaina zany vao hanana "volonté" hiakatra eo amin'ny fiainana ? Tsarovy fa misy fihatraikany betsaka eo amin'ny fiainanao andavana'andro ny toe-tsaina entinao miaina.
28. ds ( 02/02/2006 11:46)
29. Vahinala ( 02/02/2006 11:50)
raha zay lazainy ds zay d ekeko tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4136