Fomban'ny sekta: mahomby ve raha ...

1. lapino ( 09/01/2006 22:43)
Nieritreritra hoa za, hoe raha jerena ny fahombiazan'ireo antokom-pivavahana, satria nahoana? Inona no méthode ampiasainy? Sao dia soa fianatsa ho an'ny fampandrosoana?

Ireto izao ohatra:
- "volontaire": maro mitolo-tena hiasa maimaim-poana hitory, manana finiavana manokana sy hafanam-po. Mahafoy tapak'andro anatin'ny herinandro hanaovana asa evangelisation.
- "organisé": miaraka amin'ny mpandaha-teny, mpihira, mpitendry zava-maneno, sns ...
- "mission": mitondra hafatra ao amin'ny baiboly
- "agressif": tsy maintsy tetezina daholo
- ...

Vokany avy eo (miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra):
- mivavaka ny olona, lasa pérenne ilay activité io
- misy andro iray (na mihoatra aza) isan-kerinandro lasa mianatra any am-piangonana ny olona,
- mahay ny olona ny farany: lasa afaka mandeha mitory indray koa ireo avy eo, manitatra ny "conquête"

Tsy mba mampandrevy anareo koa ve raha asiana programa fanabeazam-bahoaka ohatra an'izany, entina hatrany amin'ny farany ambanivohitra indrindra any? Miaraka amin'ny mpampianatra, ny mpihira, sns ... Ny Arema taloha no efa saika nahavita an'izany, saingy ilay hevitra naely mihitsy no tsy nanjary.

Eritreritra mandalo, eritreritra manidina ... :)
2. rakekely ( 10/01/2006 08:30)
raha eo amin'ny fanambeazana madio dia tena mahomby
saingy aza adino fa raha fivavahana no atao dia ny valim-pitian'Andriamanitra no andrasan'ny olona dia ny fahasoavana izany, fa raha asa fanambeazana amin'ny maha-nofo kosa dia toa sarotra amin'ny olona ny manao azy ka mila tambiny hita maso mandrakariva, hany ka tsy dia mahomby loatra.
Ohatra ny mpampianatra iray any ambanivohitra lavitra dia mandany herinandro no mihotra raha haka ny karama izay tsy maintsy alaina koa anefa
dia izay
3. Vahinala ( 10/01/2006 08:34)
Mety hisy ihany no hahavita izany tsy mila tambiny saingy ny olana dia efa sarotra koa ny fiainana ka sahirana ny vahoaka. Fa sinon, mety ho hevitra mahomby tokoa ry lapino an !
4. pissoa ( 10/01/2006 08:36)
Tsy ratsy ilay hevitra. Tsara mantsy e,
saingy ny mpiasa sy ny mpampianatra ary ve tsy sasatry ny "miresaka" fa kely ny karama, dia volontaire no tadiavina! Mety hisy fa vitsy raha ny hevitro.
5. mandrindra ( 10/01/2006 08:40)
Hevitra azo ampiharina mihitsy io fa saingy tsy maintsy fidiana tsara hoe inona no ampiasana azy : famokarana, fanabeazana, ...
6. olona ( 10/01/2006 13:13)
lapino:

Nieritreritra hoa za, hoe raha jerena ny fahombiazan'ireo antokom-pivavahana, satria nahoana? Inona no méthode ampiasainy? Sao dia soa fianatsa ho an'ny fampandrosoana?

Ireto izao ohatra:
- "volontaire": maro mitolo-tena hiasa maimaim-poana hitory, manana finiavana manokana sy hafanam-po. Mahafoy tapak'andro anatin'ny herinandro hanaovana asa evangelisation.
- "organisé": miaraka amin'ny mpandaha-teny, mpihira, mpitendry zava-maneno, sns ...
- "mission": mitondra hafatra ao amin'ny baiboly
- "agressif": tsy maintsy tetezina daholo
- ...

Vokany avy eo (miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra):
- mivavaka ny olona, lasa pérenne ilay activité io
- misy andro iray (na mihoatra aza) isan-kerinandro lasa mianatra any am-piangonana ny olona,
- mahay ny olona ny farany: lasa afaka mandeha mitory indray koa ireo avy eo, manitatra ny "conquête"

Tsy mba mampandrevy anareo koa ve raha asiana programa fanabeazam-bahoaka ohatra an'izany, entina hatrany amin'ny farany ambanivohitra indrindra any? Miaraka amin'ny mpampianatra, ny mpihira, sns ... Ny Arema taloha no efa saika nahavita an'izany, saingy ilay hevitra naely mihitsy no tsy nanjary.

Eritreritra mandalo, eritreritra manidina ... :)




Eriretritra mandalo, eritreritra manidina, tsara hosamborina(satria ao tsara mba hampiasaina), hampidinina antany fa tsy ampiasana basi-mborona fandrao simba, de ahoana zany no hisamboran-tsika azy eny ampanidinana?
7. lapino ( 10/01/2006 21:23)
rakekely, pissoa :
zavatra anankiroa no mety hampisy motivation ny olona: - tombontsoa sy tambin'asa - fitiavana tsotra izao. Ilay fitiavan-tanindrazana no tiako horesahana, fa asa aloha izay mety ho fitrangan'ilay voalohany e! Tamin'ilay SOS Kere ireny manko nahitana fa tena tia tanindrazana ny gasy.

mandrindra: "Fanovana toe-tsaina" :wink:
Vazivazy iny fa izao: asa heverina ho pérenne ilay izy, noho izany arakaraka an'izay arakaraka eo no ho lohahevitra jereny.

olona: avelao aloha izy handalo, fa tsarovy ihany raha sendra mety hilaina :)
8. dadabe ( 11/01/2006 08:01)
lapino> farito aloha le atao hoe sekta ???
9. lapino ( 11/01/2006 09:04)
dadabe: tsy ilay maha-sekta azy no tiana horesahana, fa ilay fomba na fanaon'ireo mitory teny. Angamba ny tian'i dadabe hotenenina hoe tsy ny sekta ihany no manao an'izany, dia Eny hoy aho.

Ny fomba nitoriana ny filazantsara na taiza na taiza dia ohatra an'izany daholo, araka ny nanirahan'ny Tompo. Nampianatra zavatra betsaka ny baiboly, ka ataoko fa betsaka ny azo raisina ao, fa io mba nahalasa ny eritreritro.

Fa ny "sekta" fotsiny no nalazalaza, dia ireny hitantsika mitory teny an-tsena sy an-dalambe ireny, manao campagne-na évangélisation sns ...
10. dadabe ( 11/01/2006 13:31)
ka zah tsy hanaiky satria le definition-ny sekta mihitsy n tsy mbola nomenao e
11. lapino ( 11/01/2006 15:32)
Ok dadabe :)

Ny sekta tiako holazaina (inoako fa izay no tonga dia andraisan'ny gasy maro azy) dia ireo fiangonana na antokom-pivavahana kristiana ankoatra ny katolika, protestà, anglikana. Isan'ny mety hahafantarana azy dia izy mandeha mitory teny sy mihira an-tsena sy an-dalambe, mitety tranon'olona, mizara/mivarotra boky sy trakta.

Ny tena famaritana azy indray dia ity no azoko omena: http://www.google.fr/search?hs=YOi&hl=fr&client=firefox-a&rls=org.mozilla%3Afr%3Aofficial&q=define%3Asecte&btnG=Rechercher&meta=
12. ravakamalala ( 11/01/2006 15:45)
za koa tam voalohany saika tsy nahazo an ilay resaka , fa raha ny tianao ho tenenina izany dia hoe : ireo fomba ireo no entina ampadroso ny firenena dia mety hahomby ve?

volontaire : raha momban i madagasikara manokana dia hitako ho zavatra sarotra satria ny gasy tsy manana motivation ankoatran n vola.tsy dia d'accord loatra amin io toe tsaina io aho fa tsy hita omena tsiny satria mafy loatra ny fiainany : ny nohanina omaly no tadiavina androany.

organisé :io no mety hahomby satria efa betsaka izao ny gasy no manaphaizana amin ny resaka fitantanana, efa betsaka ny manakevitra.

raha amiko manokana dia mahomby io eritreritra io rehefa miaro fahavononana sy firaisana kina./

fa inona anefa aloha ilay hevitra entina?
13. lapino ( 11/01/2006 15:49)
ravakamalala: http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m43c2e6fd60801#m43c425d98ec05 paragraphe faha-2
14. ravakamalala ( 11/01/2006 19:15)
Inn no tianao tenenina? ilay hoe ny fitiavan tanindrazana no atao motivation? Ampy io fa ny olana dia mila mahay mandresy lahatra ny olona ianao. ary tsy zavatra mora anefa zany satria ny olona amin izao fotoana izao dia leon ny resa-be, zay heveriny foana fa fandrebirebena
15. lapino ( 11/01/2006 19:38)
mandrindra:
Hevitra azo ampiharina mihitsy io fa saingy tsy maintsy fidiana tsara hoe inona no ampiasana azy : famokarana, fanabeazana, ...


ravakamalala:
fa inona anefa aloha ilay hevitra entina?


lapino:
mandrindra: "Fanovana toe-tsaina" :wink:
Vazivazy iny fa izao: asa heverina ho pérenne ilay izy, noho izany arakaraka an'izay arakaraka eo no ho lohahevitra jereny.
16. ravakamalala ( 11/01/2006 20:00)
oyé! oyé!:-D:-D
17. fijo ( 11/01/2006 21:14)
tsara ilay hevitra ka.fa raha vao entina amin'ny anaran'ny antoko io ,dia tsy azonao ny olona
18. ravakamalala ( 11/01/2006 21:29)
marina any zany!
19. lapino ( 12/01/2006 06:35)
ravakamalala:
oyé! oyé!:-D:-D

:-D:-D:-D
Miloko mena sahady izy zany! :)
20. fijo ( 12/01/2006 21:10)
hi hi hi le politika mantsy ,efa mankalilo ny olona,ka na tsara aza ilay hevitra aroso,dia mihenmotra foana ny olona aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2278