Sans plomb

1. Vahinala ( 08/01/2006 12:07)
Henoko tamin'ny fofombadiko any Dago hoe nisy lalàna nivoaka ndray hono fa manomboka amin'ity taona ity dia foanana ny essence sy ny gasoil fa tsy maintsy hovaina sans plomb daholo ny solika ampiasaina, mila fanovana motera sns nefa zany raha ny fahafantarako azy kanefa dia maro ireo olona any no tsy ampy enti-manana ho amin'izany ary dia ho betsaka tokoa angamba ny tsy hampiasa ny fiarany intsony satria ny ankamaroany dia ireny efa somary tranainy ireny.
Maha lasa saina hoe inona no tanjon'ny fanjakana amin'izay, toa hoe mitandro ny tontolo hiainana hono, tsara tokoa ilay eritreritra kanefa na izany aza tokony jerena ihany ny farimpiainan'ny olona tsirairay na fara faharatsiny mba misy sosokevitra omena hanampiana ireo tsy afaka manao izany. Sa ve kosa efa tiana ho "éliminer" na daholo ny fiara tontatonta rehetra fa ny mpanana ihany sisa no tavela eo miaraka amin'ny fiara tsara sy maharaka fivoharana, dia raha hivarotra ny azy ireo manana ilay taloha ireo, iza intsony no hividy azy ?
novalian'i Ralay ny 18/01/2006 11:28
2. kally ( 08/01/2006 12:29)
Matetika anie ny tômôbilina tsy vonona amin'izany ny môtera dia ny tômôbilina vita talohan'ny 1986 (efa ho 20 taona)na izany aza anefa misy azo amboarina ihany ny môtera ho an'ireo tena mahakojakoja ny fiarany.Ny ankoatr'izay tsy aleo ve esorina fa maty an-dalana sy mahabe embouteillage fotsiny?
3. Vahinala ( 08/01/2006 13:12)
kally > Ekeko mintsy izay nefa ny olana dia izao hoa, ra esorina ireny, ka hivarotra ny azy ary ilay olona iza no hividy azy ? Sa avela lozitra fotsiny ao nefa hainao ihany ny farimpiainan'ny ankamaroany malagasy ?
4. xxx ( 08/01/2006 14:42)
mba mahita vaovao ko ane zany fofombadiny vahinala zany fa refa dinihina le izy otrany tsy logik mintsy zany zavatra lazainy zany ko ,nefa tsy hay alo e ,fa tandremo fotsiny tsy hanely tsaho ary e
5. Vahinala ( 08/01/2006 14:54)
xxx Izy any Dago ka, vaovao mandeha amin'ny haino amajery izany fa tsy noforonina akory, izahay koa aza gaga nahare izany satria anisany ilay mba manana fiara le talohaloha ireny izahay natokana ho atao collection.
6. Ralay ( 08/01/2006 18:42)
vahinala>Tena marina tapany na diso tapany ny vadinao izany hoe ny essence avec plomb(super) no ho foanana fa tsy ny gas oil akory ka tsy olana mihintsy izany @ fiara taloha lazainao fa na zarinao tsikely² @ sans plomb ilay fiara 50-50 aloha na tonga dia ataonao sans plomb dia asina additif na koa tonga dia atao sans plomb avy hatrany fa tsy mampaninona azy akory fa ny konsomasio no mety hitombo kely ary ny fiara koa mety tsy dia somary hihena kely ny durée de vie-ny nefa @ gasy dia tonga voiture de collection daholo ny daba rehetra.:lol:
7. Vahinala ( 08/01/2006 21:03)
Ralay > Hihihii ny mikasika ny teknika madinika ndray alou ts d harako loatra e, fa nahasarika ny saiko fotsiny ilay hoe essence satria le fiaranay iray ao essence tsinona, efa somary mandany ihany izy amzao fotoana ka asa ra ovaina na hanao ahoana na hanao ahoana !
8. Herimiafina ( 08/01/2006 21:19)
Ary misy le hybride ireny ve any Dago any e?
9. Veloo ( 08/01/2006 21:29)
ny tena tsara dia essence sans plomb knou, dikan;izany ve dia ho lafobe ndray ny vidi-dasantsy?
10. Herimiafina ( 08/01/2006 21:32)
Veloo, efa nisy foana ny essence sans plomb kah, mampitombo vidy amin'ny essence ordinaire. Manimba ny plomb mivoaka ny échappement, mahatonga ireny olona maro voan'ny allergie ireny, ireny misy tension ireny, ireny misy cancer ireny, mbola gravy noho ny setrotsigara ny setroka feno plomb sady mety ho radioactif.
11. Ralay ( 09/01/2006 04:20)
vahinala>Tsara aloha raha mbola mazoto homana ny fiaranareo @ zay mahazo reserve tsara :lol: vazy² zany fa normale raha fiara efa somary bebe taona no mandany lasantsy fa kosa tsy dia hoe hisy difference be anie fa andramo dieny izao aloha dia ho hitanao.:D
12. val907 ( 09/01/2006 06:39)
VAL. AZA SAHIRANA IANAREO E!ampisongadina ny manana fahefana toy ny manana carte sns.. IZA NO TENA MANDOTO ess sa gazoil tsy aleo tonga dia tsy nasiana diesel koa eto @tanana reny tena maloto,fa ny mpamily tax:twisted: no mampalahelo.
13. Vahinala ( 09/01/2006 08:30)
val > Zay mantsy hoa ange e !
14. Veloo ( 09/01/2006 21:06)
hery a fantatro ny cause fa ny tsy fantatro fa angaha tsy nisy essence sans plomb mihitsy tany dago? raha tsy nisy dia oy ao oe ny essence sans plomb no tsara .. sa ahona ndray?
15. diamondra27 ( 09/01/2006 21:49)
ka le sans plomb inona lou zany e! 95 sa 98
16. Ralay ( 10/01/2006 09:18)
Dia hoy aho hoe ny madinika tsy mahavidy fiara vao² ihany izany no mandoto environnement @ izy ity.Jereo koa fa ny tany lazaina hoe mandroso no tena mandoto be indrindra fa raha ny antsika no jerena dia mbola misy marge bdb. Izany no hividianan'ireo tany mandroso ny anjara fandotoana tsy voalotontsika tany madinika.(Rejet des gaz a effet de serre).:lol:
17. Vahinala ( 10/01/2006 15:05)
Ralay > Marina mihitsy ny anao ka.
18. Herimiafina ( 10/01/2006 17:17)
Le permis de polluer angamba klou mbola tsy dia mihatra loatra satria mifanolana ny europeana sy ny amerikana amin'izy io e. Mazava ho azy fa mety resaka principes environnementaux no mahatonga ny fanapahankevitra hoe tsy maintsy sans plomb no ampiasaina. Tsy any amin'ny resaka mahantra na fiara antitra na madinika no tokony hipetraka ny olana fa any amin'ny resaka isan'ny fiara miasa ao amin'ny toerana iray, raha oharina amin'ny tany hafa dia mbola vitsy ny fiara miasa any Dago ka tsy dia mametraka olana loatra ny setroka (afa-tsy en ville ihany). Ny fandoroana ala, sns manome CO2 no olana mitarika GES any amin'ny tany mahantra ary ny setroka fiara sy ny zaoridira mamamoaka NH4 no olana any amin'ny tany mandroso, izay heritreretina manimba ny tontolo iainana.
19. Ralay ( 11/01/2006 05:15)
Marina ny voalazan'i toi ry herimiafina fa misy olana ny USA sy ny UE nefa tsy mahasakana azy handoto ny environnement izany fa ny resaka essence dia tsy hanana choix isika fa tsy maintsy hivadika sans plomb daholo ny fiara fa ho foana ny super avec plomb mahazatra. Izany anefa tsy hampiova firy ny pollution any amintsika satria ny fiara mampiasa ny SP dia mbola ilay fiara efa tsy @ norme antipollution ihany sady ny consom hitombo ihany koa @ SP. :lol:
20. Herimiafina ( 14/01/2006 04:28)
Ka na tsy hanao afatsy sans plomb aza anie i Mdagasikara rehefa mbola mikivilavila ny resaka fikarakarana madinika (entretien) tsy dia misy dikany loatra izany raha toa ka resaka tontolo iainana no nahatonga izay fanapahankevitra izay e.

Firifiry moa ny fiara no maty segment nefa mbola taritina eny ihany, maro ny efa tokony hisolko filtres ireny taxi-be ireny, mbola eny ihany. Ny an'ny sasany aza moa tsy misy entretien ny frein, efa lany ny plaquette ny ferodo, mbola lasa foana efa supprimé ny frein amin'ny pneu sasany mbola eny foana, hany ka mamono olona directa, nefa ny olona no tokony ho zavadehibe indrindra ao anatin'ny antsoina hoe tontolo iainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5043