Lahiniriko: mety sa tsy mety?

41. fijo ( 18/01/2006 19:55)
tsy hay intsony izay tena ao,fa isika manaraka ambadika fotsiny e
42. jentilisa ( 19/01/2006 05:46)
ny mety mahavoa anie dia zatra mipetraka an-tendrony loatra isika gasy e! tahaka ny hoe rehefa manohana dia tsy mahazo mitsikera ary hoe rehefa manohitra tsy mahazo manasohaso! tokony hanana ny heviny hatrany ny tsirairay na dia mety hamapararirary ny mpitondra aza!
43. fijo ( 19/01/2006 20:32)
mahazo mitsikera mihintsy amiko na mpanohana aza,saingy,saingy,raha amin'ny toa azy,dia tsy tokony hoataony eny imasom bahoaka toa ireny;
io toa ny ray amandreny.hafaka tsy mitovy fisainana momba ny fitondrana ny zaza,fa tsy tokony eo imasonjanaka no haneo ny tsy fitoviana,fa lasa manome vahana ,ilay ditra.
44. jentilisa ( 20/01/2006 06:27)
mba asiana teknika ihany koa e! tsy voatery hoe tsy mety ny tahaka izao fa tonga dia ny soso-kevitra no aroso avy hatrany...tsy miteny hoe izao no soso-kevitro fa hoe mba mahita izao tsara atao na izay fomba mety hanaovana na ilazana azy e!
isika ve mahita an'i Dominique de Villepin sy Nicolas Sarkozy nifanjinja? nefa ry zaero dia hifaninana amin'ny fifidianana ho avy izao!
45. fijo ( 20/01/2006 19:36)
izay mihintsy no mbola tsy hain'ny mpanao politika afrikanina.tsy mahay mampiasa diplomasia rehefa miresaka fa entim po fotsiny
46. jentilisa ( 21/01/2006 06:47)
izao indray dia lazain'ny gazety fa tsy manaiky an-dRavalomanana i Lahiniriko! tsy azo intsony izay tena heviny! mivadibadika toa lela may! raha tena mijoro izy ka manana praogany maba hafahafa kokoa!
47. kary ( 24/01/2006 17:59)
Mety ireny nataon'i Lahiniriko ireny; ary vitsy ny mpanao politika sahy manao ireny fihetsika ireny nefa ao anaty fitondrana; olona tahaka ireny no tena ilaina satria sahy mikritika fitondrana milaza izay tsy mety fa tsy manaradrenirano fotsiny tahaka ny sasany ka na hita izao ary fa mijaly ny vahoaka dia mbola lazaina fa tsy misy kianina ihany ny fiondrana.
48. fijo ( 24/01/2006 21:40)
kary,izay no lazaiko hoe azony atao izay,fa raha manohana ny fitondrana izy,dia tsy tokony ataony imasombahoaka toa ireny.lasa entim po fotsiny le tsikera mantsy
49. jentilisa ( 25/01/2006 07:21)
Vao maika ampiadian'ny mpanohitra anie e! ny hevitra tsy mitovy avadiny ho fifandrafiana!
50. fijo ( 25/01/2006 21:24)
izay mihintsy no tokony nisainany.ny mpanohitra anie ka seza no hilainy e,tsy haka azy mihintys,nefa lery koa izao maty pas ao amin'ny fitondrana,dia vita mahia eo
51. mandrindra ( 26/01/2006 08:02)
film efa nosoratan'i levalo hoa io, amin'izao manatena ny mapnohitra hoe mety mba mahzo olona azo atosika ihany hiverenana eo dia tsy mitady fa miandry fotsiny dia eo no raisina. fa i levalo anie raha nanao film mety nahasoratra milay e. efa hitantsika izay roa taona misesy kabary voalohan'ny taona, mody ohatran'ny omeny ny tsipaka kely izany i razaka (sylla io) sy ny governemanta dia milaza daholo hoe hidoboka amin'izay io fa ela ny ela, nefa eo ihany e tsisy miala eo. mahay mandebireby i levalo ka.
52. jentilisa ( 26/01/2006 12:20)
na izany na tsy izany ny mpampiady angely no tena nikofoka tao. Misy ny manao izay hisian'ny desinformation!
53. fijo ( 27/01/2006 20:52)
izay indrindra.jereo ny "madagascar tribune "androany momba ny mpanao gazety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7145