Lahiniriko: mety sa tsy mety?

21. fijo ( 11/01/2006 19:54)
iny fomba fiady politika ka.azo ekena tsara io,satria ny fifidianana ihany no hafaka manamarina izay voalaza rehetra.
fa ny olana amiko dia i lahiniriko mihintsy.rehefa hitanoa fa tsy mifanaraka amin'ny hevitrao intsony le tantana,maninona kay raha miala.
22. jentilisa ( 12/01/2006 09:26)
izao izy indray no nietny fa efa nisy tokoa ny fifandamin'ny samy filohan'ny andrim-panjakana! dia tezitra mafy la Gazette hoe mpihatsara-velatsihy hay ity rangahy ity!
23. yehel ( 12/01/2006 14:43)
Eeeh! dia tsika koa toa variana @ zavatra tsy misy dikany.Iza marina moa no milaza fa tokony hiteny foana ny chef d'institution e?Mba campagne de médiatisation fotsiny ireny e!Iny dia lasa "à la une" dry gazety fotsiny satria @ zay dia mihato kely ny resaka adim-piainana eto dago.

Samy manaova izay mahasoa azy @ zay tandrifintsika tsirairay avy fa raha ny politika eto dia ambany dia ambany.Isika ireto anie samy mahatsapa an'izany fa aty @ internet no manala fo e!sa ahoana?
24. fijo ( 12/01/2006 18:42)
hay??taiza indray no nahitana na'izany le?tsy mazava intsony.
25. jentilisa ( 13/01/2006 09:44)
ie, ataon'ny sangodim-panina politika variana eo ny rehetra e!
26. hps ( 13/01/2006 13:23)
tsy dia tokony hatao mahataitra zany rehetra zany na ny eo @ andrim-panjakana izany na ny eo @ Hcc fa ny mahamaika dia ny iandrandrana sahady ny zava-tsoa ho avy eto @ Firenentsika arakin'ny tenin'n Filoha manao hoe:" tsy misy mafy tsy laitran'ny Zoto" ny vaovao manaraka izao dia toa efa miketrika miaraka @ ireo 3FN Ingahy Lahiniriko,ka asa ndray zay ketrika ao?
27. fijo ( 13/01/2006 19:39)
efa fantra fa miray loha amin'ny 3fm izy,nefa tsy mbola sahy milaza fa manohitra.sa mba te hanao bayrou
28. jentilisa ( 14/01/2006 07:25)
Fa ahaona ny ataon'i Bayrou?
29. xxx ( 14/01/2006 14:27)
Mazava ihany ilay fifanantonany @ Ndrema sy tariny ary ny 3fn. Ilery izany no mety hatao-dry zalahy candidat hifaninana @ R8.
Ny zavatra mampanahy fotsiny dia i Ndrema no mitady hi-manipuler! (Inona indray ny kotrehin'i RaPasy ao?), qui vivra verra
30. fijo ( 16/01/2006 13:49)
jentilisa,i bayrou aty frantsa dia mitovy fihetsika amin'io.toeriny daholo izay ataon'ny fitondrana,nefa izy milaza fa mbola ao anaty majorite.
XXX za koa dia nahatsapa io hevitrao io.fantatr'i ndrema fa tsy misy mahatosika an dravalo raha ireo ao ireo,ka dia naleony nitady olona hafa azo atosika.ny olana?tsy hanaiky an'izany ry zafy fa ity aho eto
31. xxx ( 16/01/2006 18:32)
aleo ilery hanao izay fantany fa mety e, olon-dehibe izy, mety izay koa ange no heveriny fa hahalany azy @ fifidianana manaraka e. mety ilery ve ilay olom-baovao hanavotra ity gasikara ity? sady toa mpivavaka tahaka an'i ra8 ihany konko ange ilery e!
32. jentilisa ( 17/01/2006 09:31)
Dia ho hitantsika ny tohin'ny raharaha rehetra e!
33. eprom ( 17/01/2006 10:32)
[quote]
tsy mety mihitsy satria tsy manana éthique politik mihitsy.Rehefa tsy mifanaraka @ hevitra dia miala fa tsy mbola ery @ perchoir ery ihany no mitabataba.
[\quote]
Tsy ekeko indray ity hevitra iray ity. Amiko mantsy ny depiote ( sy ny filohany )de tsy voatery hitovy hevitra @ governemanta. Noho izany, tsy misy antony ialany eo @ toerany mihitsy na mifanipaka atsimo sy avaratra aza ny heviny sy ny an'ny filoha. Hafa indray raha ministra no resahina.
34. vetsoko ( 17/01/2006 14:29)
@ politika tsy hoe voatery hiteny fa ny fahanginana koa @ fotoan-dehibe dia fomba fiady ihany koa,sady fanehoan-kevitra
35. xxx ( 17/01/2006 16:26)
Aza adino konkoa fa eo @ politika dia raha vao manome concession kely @ mpanohitra ianao dia vita matavy, satria hitarin-dry zalahy zavatra hafa rehefa avy eo. raha ny tena izy dia ao @ parlement ihany no tokony hisy debat, fa tsy any ivelany, ka dia mazava hoazy izany fa ny majorite no manjaka. na aiza na aiza eran-tany dia izay ny rules fa tsy hoe hafa akory ny eto gasikara.
36. fijo ( 17/01/2006 21:34)
eprom ,ny tiako lazaina amin'ilay hoe miala dia ,ny ao amin'ny maha TIM azy.tokony hiala ao izy.dia ho hita eo raha mbola havelandry zalahy hijanona eo ihany ao tsimbazaza
37. xxx ( 17/01/2006 23:17)
Tokony hiala TIM izany ilery raha ny lojika, kanefa hanao izany ve izy ?
38. fijo ( 18/01/2006 04:40)
raha ny lojika dia tokony ho izay.nefa araka ny vaovao heno,dia toa efa nifandamina ry zareo,ary toa misy tatitra iraisana nosoniavina aza tao,ka isan'ny nanao sonia ingahy rainy.ka asa e
39. jentilisa ( 18/01/2006 08:28)
raha tena te-ho goavana ny tim dia zara aza ange maba misy ny hevitra hafa mivoaka e!
40. mandrindra ( 18/01/2006 08:38)
vakio ny gazety androany fa io ilay nolazaiko anareo e, lasa manome teny mamy kely indray aloha i levalo izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0442