blog tsimiandravola

1. tsimiandravola ( 05/01/2006 08:47)
Indro ary ny blog tsimiandravola ka dia mazotoa mamaky,ary mirary taom-baobao 2006 sambatra sy mahomby ho antsika mianakavy.
NB:io blog io dia tsy tsara ho an'ny noana sy mavesatra entana,ka dia ialàna tsiny.
2. tsimiandravola ( 05/01/2006 08:50)
tsimiandravola:

Indro ary ny blog tsimiandravola ka dia mazotoa mamaky,ary mirary taom-baobao 2006 sambatra sy mahomby ho antsika mianakavy.
NB:io blog io dia tsy tsara ho an'ny noana sy mavesatra entana,ka dia ialàna tsiny.
hadino ilay blog:

www.geocities.com/tsinisijesoa/fanolorana


3. hery ( 05/01/2006 09:28)
Mahaliana...

"Fantaro ny zavatra rehetra... dia tano izay tsara" (Baiboly)
4. majesty ( 05/01/2006 11:17)
Mafinaritra ilay fanehoan-kevitra fa saingy indrisy tsy dia manana fotoana loatra aho hanokafana blog hafa koa hanazavako ny hevitra hafa mifanohitra @ ireo izay nanendren'i JESOSY ny mpianany fahiny kanefa na izany aza dia afaka manome hevitra kely fotsiny aho hoe ny olana teo @ fandikana ny soratra masina fahiny ange dia saika ny soratra voarakitra ihany no azo adika fa ny fihetsika tsy hita izay handikana azy oh:t@ Jesosy niteny t@ Petera hoe ianao ry petera dia vatokely sady manondro an'i petera izy fa avy eo kosa izy sady manondro ny tenany no milaza hoe"fa @ ty vato ity kosa no haoriko ny fiangonako" ohatra fotsiny ihany izany fa na izany aza fakafakao ihany fa aza dia mihinana ambolony loatra
5. sonwin ( 05/01/2006 11:29)
tsimiandravola> mazotoa manoratra e, fa resaka finoana io na mino na tsy mino, za manokana tsy misy ilako porofo zany na nisy na tsy nisy fa "ampy ahy ny fahasoavaNY"
majesty> hay ve nisy fihetsika zany e:-D:-D:-D tokony manao blog koa enao dia ny fihetsika daholo no atao ao :-D:-D
6. lapino ( 05/01/2006 11:31)
Misaotra an'i tsimiandravola aloha amin'ilay NB, mba tsy manohitra ilay Matio.11:28 :)

Nitsidika tao aho fa tsy tamana, namaky ihany fa tsy resy lahatra. Asa raha izay no tanjon'ilay vohikala. Fa avelao aloha aho mba hametraka an'ireto andininy ireto:

ny Baiboly:
IJaona 2:22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mand� an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mand� ny Ray sy ny Zanaka.

IJaona 4:3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.

IIJaona 1:7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
7. jentilisa ( 05/01/2006 12:04)
hono ho'aho, efa nanompa an'ingahy ve izaho? Ary moa tsy tamin'ny alalan'ny fisainana no namaliako an'ingahy tsimiandravola? sa iniana adinoina ireny nosoratako taloha ireny?
8. rpk ( 05/01/2006 12:24)
efa nanontany teto ihany aho hoe ilay pseudo tsimiandravola ve tsy anarana sampy malaza t@ fahagasy (fahapanjaka) fahiny???
9. tsimiandravola ( 05/01/2006 12:32)
jentilisa:

hono ho'aho, efa nanompa an'ingahy ve izaho? Ary moa tsy tamin'ny alalan'ny fisainana no namaliako an'ingahy tsimiandravola? sa iniana adinoina ireny nosoratako taloha ireny?
Salut!Na tsy nanompa ahy aza i Jentilisa,dia fantatro fa fomba fanao kristianna izany,sahala amin'ny hoe satanika,diabolika,mpanompo sampy...eny fa na dia ny mafimafy sy ny malefadefaka rehatra aza dia ataoko ao anatin'izany kategoria izany daholo.Ary aza mieritreritra fa raha tsy olona iray mambra ao amin'ny kristianisma toa an'i Jentilisa akory no cibler-vako,fa ny kristianisma iray manontolo mihitsy,ka raha tsy manompa ahy (anay tsy mpino)aza i Jentilisa dia maro ireo hafa manao izany.

Farany dia tsy amin'ny alalan'ny fisainana irery ihany no namalian'i Jentilisa ahy ,fa tamin'ny alalan'ny finoana indrindra indrindra.Ary mbola ratsy noho izany aza satria amin'ny alalan'ny fandrehofana indray an'ireo efa voatsakon'ny mpitondra fivavahana natelin'i Jentilisa teo aloha.Fomba fiteny ihany izany fa aza tezitra.Lazaiko izany satria tadidiko i Jentilisa namaly aho indray mandeha hoe:"dia ny teny efa navalin'i "Origène"(???)ihany no mbola amaliako an'i tsimiandravola".(NB:i Origène aza ny latany no noboriany fa vontom-pinoana be léry "il y en a qui se font énuque pour le royaume de dieu").


10. jentilisa ( 05/01/2006 12:36)
ny kananita tsy midika hoe zelota!

kananita midika hoe kanana (izay lasa ny faritry tyro sy sidona sisa na dia io faritra ngezabe amin'ny palestina io aza no niaviany)

Tsy mitovy ihany koa ny hoe zelota sy eseniana izay antokom-pivavahana, ny zelota dia ilay lazainy hoe tia tanindrazana mitam-piadiana rahateo.
11. tsimiandravola ( 05/01/2006 12:51)
rpk:

efa nanontany teto ihany aho hoe ilay pseudo tsimiandravola ve tsy anarana sampy malaza t@ fahagasy (fahapanjaka) fahiny???
Valiako satria tsy noeritreretiko ho zava-dehibe teo aloha,tiako ho fantatra ny anton'ny insistance;

Ny pseudo-ko dia tsy misy ifandraisany amin'ny sampy(Ikelimalaza,iFatàka,Ramahavaly,...).Anaran-tanàna kely any an-kodahoda,akaikin'Ambohimiadana Andramasina,Tsiazompaniry:Frontière de l'Imerina sy Bezanozano.
à 90 km D'Ambatofotsy.

Anectdote tadidiko tamin'ny andro nandalovako naka fialan-tsasatra:"Maty tao an-tatatra Ingahy François,lehilahy efa antitra be sy manjoko.Ny zanany sasany dia misy mipetraka any Amboniandrefana,ary ny sasany mipetraka eo Tsimiandravola.3Km eo no elenelany ary sarahan'ny saha.Niainga tany Tsimiandravola izy mba ho any Amboniandrefana,dia latsaka tao an-tatatra.Ny zanany any Amboniandrefana mieritreritra fa any Tsimiandravola izy,ary ny zanany any Tsimiandravola mieritreritra fa efa any Amboniandrefana izy izay.Dia toy izany no nahafaty an'Ingahy François,ary tsy nahazahoany "fanosorana farany",ka nampitebiteby fatratra ny havany sao lasa any amin'ny afobe.Raikitra ny fanaovan'ny fianakaviana ny atao hoe "hasiviana",tsy mba afaka mampanao lamesa ho an'ny "pentansy" mantsy satria iray ihany ny maopera eran'ny distrika.Ny hany azo natao dia ny mivavaka ho azy mba tsy hijanona ela loatra any amin'ny afo-fandiovana izy,indrindra koa mba tsy ho any amin'ny afo-be....

Ataoko fa ampy ireo ahafahan'i rpk mahafantatra ,nahoana aho no naka an'ilay pseudo???

12. rpk ( 05/01/2006 14:31)
raha tsy diso aho mantsy dia misy anarana sampy toa io any @ faritra andrefana Mada sady mbola tompoin'ny olona maro ka izay no antony nanontaniako
13. dadabe ( 05/01/2006 14:34)
Mpandefa : tsimiandravola [ Valio ] 05-01-2006 12:47:40
Lohateny : blog tsimiandravola
Indro ary ny blog tsimiandravola ka dia mazotoa mamaky,ary mirary taom-baobao 2006 sambatra sy mahomby ho antsika mianakavy.
NB:io blog io dia tsy tsara ho an'ny noana sy mavesatra entana,ka dia ialàna tsiny.


tena zah tsy maharaka , fa tsy io ve akory no size e??? nefa toa misy resaka ompa, de aveo jentilisa , de aveo resaka sampy de tsy azoko intsony ......:^)
14. jentilisa ( 05/01/2006 14:48)
misy ny atao hoe mpianatra na dia tsy ao anatin'ny apostoly aza! iazy no nahatonga ny 70 lahy izay mpialoha lalana...tsy mba nolazaina loatra ny amin'izy ireo!
15. tsimiandravola ( 05/01/2006 14:48)
[quote=dadabe]

tena zah tsy maharaka , fa tsy io ve akory no size e??? nefa toa misy resaka ompa, de aveo jentilisa , de aveo resaka sampy de tsy azoko intsony ......:^)
Miala tsiny fa ny tena sizé dia ity e:
zahao sy www.geocities.com/tsinisijesoa/fanolorana.
Dé mazotoa mamaky.


16. tsimiandravola ( 05/01/2006 14:57)
jentilisa:

misy ny atao hoe mpianatra na dia tsy ao anatin'ny apostoly aza! iazy no nahatonga ny 70 lahy izay mpialoha lalana...tsy mba nolazaina loatra ny amin'izy ireo!
Ataoko fa tsy misy pertinence loatra amin'ny demonstration amin'ny tsy fisian'i Jesoa.Ka na 70 ,na im-pito ambifito-polo dia toa ohatry ny "isa-masina" daholo izany.Nahoana no 70 fa tsy 71 ohatra.Mbola resaka hafa indray ny amin'izany.

Na dia izany aza dia mampahatsiahy ahy ny ampahany ao amin'ny vohikala io ny amin'i Jodasy izay manana pseudo anankiroa,ka nanjary nisy Apostoly telo vokatr'izany.
Jodasy antsoina hoe Tadé na antsoina hoe Thomas.Nanjary nanome ny Apostoly Jude,Tadé,ary an'i Thomas.Tonga amin'ilay fitenenana hoe "trois en un,ça dégrippe".

17. jentilisa ( 05/01/2006 14:59)
nahavita kosa tsimiandravola nanao an'io an! nakana congé mihitsy angamba ô?

Mazotoa e! fa ilay tetiharana sy mpianatra toa sarotra raisina be koa!
18. dadabe ( 05/01/2006 15:05)
19. Veloo ( 05/01/2006 15:59)
o ry tsimiandravola a ito no azoko tao raha nijery za:
Sorry, the page you requested was not found.

Sorry !!!
20. tsimiandravola ( 05/01/2006 16:13)
Veloo:

o ry tsimiandravola a ito no azoko tao raha nijery za:
Sorry, the page you requested was not found.

Sorry !!!
oayyy !nisy point kely fotsiny tany amin'ny farany dia gaigy aho.Azafady fa tsy mi-rater mihitsy ity indray mitoraka ity e.Fa mbola handeha hiasa aho fa dia mamaly kely an'i Jentilisa ihany koa:tsy naka vakansy akory aho fa mandika tsikelikely eny isaky ny misy fotoana.Ataoko fa tena tsara raha misy ny olona convaincu amin'ny utilitén'ny zavatra toy itony dia manao fandikàna ihany koa satria ny any an-tanàna anie ka tsy mahay an'ilay teny farany tsy hay daholo ê (amin'ny domaine rehetra izany fa tsy amin'ny resaka religion ihany.
Zahao sy http://www.geocities.com/tsinisijesoa/fanolorana


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1603