tena aleo ihany asiana fiheverana ny toy itony

1. ravatorano ( 13/12/2005 12:21)
Tamin ity taona ity dia nisy olona iray tao amin 'ny fianakaviako izay novonoin 'olona.Vao haingana koa dia nisy namana anakiray izay novonoin 'olona.
Ny antony dia halatra : vola vaky trano opération taxi.:evil::evil::evil:
Rehefa nandinika lalina aho dia izao foana njo tao antsaiko raha tratra ry zareo nahavanon doza inn no tokony tsy "hanamboarana sy hikarakarana azy ireo" ?:idea::idea::idea:
Manana zo hiaro ny tenany ny olona rehetra na inn inn fahadisoana ataony eran izao tontolo izao zay afa tsy amin ny firenena mampiasa ny lalana silamo ka avy hatrany dia manapa doha sy manao fanatonana pendaison ny nahavanona ny loza.
Any zamerika moa toa mbola misy etat mampiasa izany saingy ny tena tiako resahina dia izao : malahelo ny fo ,:}:}:},:-o:snif::snif::snif::snif:, maharary ny tena mahatsiaro ilay havana namana sy tapaka novonoin dry zalah tsy mahataho tody ireny , ka raha tratra v izy ireo ka voaporofo sy nanaiky ny heloka vitany tsy tokony "amboarina v" ?
Zay ny ahy no tena tiako :idea::P
2. lapino ( 13/12/2005 12:50)
Mamangy amin'ny fahoriana aloha izany ravatorano!

"amboarina" hoe ajedaka ve? Amin'ny lafiny iray aloha mi-"rendre justice" izay noho ilay hoe "maso solon'ny maso ...". Amin'ny lafiny iray, be ny manakina fa hoe dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny handatsak'aina ve?

Amin'ny lalàna gasy toa misy fanamelohana ho faty, fa efa tamin'ny andron'ny fanjanahantany no nisy novonoina farany. Vao haingana koa anefa no naheno aho hoe nisy didim-pitsarana nivoaka nanameloka ho faty tany Madagasikara. Asa raha tena nampiharina ilay izy.
3. ravakamalala ( 13/12/2005 14:09)
mamangy ny fahoriana koa ravatorano a!

raha ny hevitro manokana dia raha voaporofo tokoa fa izy no meloka na miaiky izy, ka raha izay no saziny hoe "peine de mort" dia manaiky aho satria zay no mbola atao hoe tany misy lalana, natao ampiharina ny lalana ka asakasak izay mbola minia manao ihany.
4. Veloo ( 13/12/2005 16:05)
mamangy ny fahoriana ravatorana :( tena mampalahelo tokoa izany, nefa tsy antsika no manao lalana..
ny tribonaly ry reto no tokony andehanana sy lazaina an-ndry zareo fa tsy mety ny fanampiasana ny lalana eto Dago... ary tokony hamafisina ny sazy...
5. Fiffi ( 13/12/2005 16:46)
Mamangy ny fahoriana Ravatorano.
Tena mampalahelo tokoa ny zava-miseho any Dago any , saingy indrisy , tsy hita mihintsy izay tena zava-bitan'ny tribonaly satria efa nahazo fahoriana be tahak'izao koa ny fianakaviako . Zazavavy tanora vao 20 taona no novonoina satria tsy nanaiky ny nanomezana ny firavaka dia niandrasan'ireo jiolahy ka notapatapahany ny tenany. Mafy izany , eny tena mafy nefa dia hatramin'izao dia tsy mba nisy na iray aza voasambotra , eny na dia betsaka ireo vavolombelona. Misy koa ny voavidy vola mba tsy isian'ny fitsarana ireo jiolahy.
6. fijo ( 13/12/2005 21:06)
veloo malalako an,tsy ny tribunaly anie no manao ny lalana fa le ao tsimbazaza e.ny tribunaly mampihatra ny lalana fotsiny.
7. hesham ( 13/12/2005 23:57)
mamangy @ fahoriana ravatorano .
Tena mampalahelo le izy .
Fa zavatra tsikaritro an tena lasa mahavanondoza be ny olona ao dago zany hoe nihabiby saina ny olona hany ka na vola 1 millions dia sahiny hamonoana anao .
Ny mampalahelo in11 dia olona fantatra fa nahafaty olona ary voaporofo izao an dia misy afaka gadra tsotra zao 9afaka mandehandeha )satria hoe misy olona fantatra ao ambonimbony ( mampalahelo ).
Fa raha ohatra ka ampiharina ilay lalana entitra tahaka ny fanamelohana ho faty dia mety mba ihena ihany ny habibiana misy any amintsika , asa re ny hoavin`ny madagasikara fa otran`ny mihamaizina ary miharatsy ny toetsaina sasany .
8. Herimiafina ( 14/12/2005 01:35)
ravatorano:

Tamin ity taona ity dia nisy olona iray tao amin 'ny fianakaviako izay novonoin 'olona.Vao haingana koa dia nisy namana anakiray izay novonoin 'olona.......
.........Ka raha tratra v izy ireo ka voaporofo sy nanaiky ny heloka vitany tsy tokony "amboarina v" ?
Zay ny ahy no tena tiako :idea::P

Mampalahelo tokoa ny toejavatra toy izao sady mampisaina raha toa ka havana sy namana no iharany.

*Mirary fiononana sy faherezana ho an'i ravatorano sy ni finankaviany*.

8)Momba ny famonoana ny olona tratra namono olona indray dia izao ny hevitro: Raha tena zohina anefa dia mahatsiravina ny mahita an'izany hoe mpamono olona tratra dia notsaraina ary dia nahazo sazy maivana dia maivana, toa tsy manome hasiny ny rà latsaka, ka mankarary ny saina, mahatonga tsy hahatoky ny Justice intsony.Mametraka olana tokoa io satria eo ny lalàna-mpanjakana sy ny lalàna ara-moraly, ny zon'olombelona sy ny sisa.8)

:roll:Ny antony mahatonga ny hoe tsy mety ny mamono olona vengeance dia satria mety hisy hanararaotra ka mety olona tsy meloka akory no ho fatifaty foana, noho ny tondro-molotra, ka aleo ny Fitsarana ihany no hanapaka:roll:

:twisted:Kanefa rehefa fa hita ny porofo rehetra, voamarina ary tratra soa amantsara ilay olona, kanefa tsy nahazo ny sazy mahafampo, dia tokony hovonoina tokoa, saingy ny tena indray avy eo no ifoteran'ny lalàna tokony hanome ny rariny.:twisted:

Ka noho izany, tsy vonoiko izy fa tapahiko ny tongony roa sy ny tanàny roa de vao maika hitany ny ngidin'ny fiainana klé. :twisted::twisted:

9. hesham ( 14/12/2005 03:08)
herimiafina :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D tsy ratsy ilay hevitra fa raha fantany hoe ianao no nahatapaka ny tanany sy ny tongony mety mbola hitady anao ny havany satria na namono olona ary iny havany tsy manary azy zany . Ny hitako zao dia ny maha lhl azy mintsy no tapahana fa mandrapafatiny iny tadidiny fona hihihihi oupsss azafady amile hevitra maloto fa raha vhv de inn re eee hhuuummm :-w:-w:-w
10. Herimiafina ( 14/12/2005 03:14)
O lty ry boay kely an, elha mpijery film aratra io tsy mahalala ny ato hoe ninja ngah lah klé? hehehehehehe:-D:-D:-D:-D

I Herimiafina raha manao izany de toy ny Ninja, tsy hita maso, manaraka toy ny aloka, mipoitra tampoka tonga de katanas de tapaka ny tanany roa, de katanas fanindroany de tapaka ny tongony, de miantso ambulance kely aloha avy eo haka azy saod every rà be loatra izy, de vita ny tantara.
11. hesham ( 14/12/2005 03:43)
ka raha hanapaka ihany ve tsy aleo koa tapahana le ary inn tena hitako maharary azy raha bory hihihihi oupsss
12. Herimiafina ( 14/12/2005 04:04)
Ka mbola misy tanana sy tongotra izy moa koa raha le any no tapahina de tsy maintsy mbola tsoahina ny patalohany, mbola tazonina izy,, ary mety hilana namana mihintsy aza, de tsy mety satria ireny flirony fananmpiny hanasarotanjavatra ireny no mahatraingy avy eo, indrindra moa izany hoe haka namana izany, tsy laozan'izay hiteniteny iny raha malemy fanahy klé, tsssss
13. fijo ( 14/12/2005 04:47)
hesham an,any amerika izao misy ny fanamelohana hofaty.nihena ve ny habibiana any?????
14. ravatorano ( 14/12/2005 06:19)
Misaotra betsaka anareo tamin ny teny fampiononana na dia efa somary vola dimy na enina aza no nanamboaran dry lerony ny zôdahiko .
Fa ny tiako lazaina dia hoe voaporofo sy nanao ny heloka vitany izy ary efa voaheloka tany aloha nefa mbola namerina indray aty aoriana.
Izany v olona mbola antenaina fa hisy fiovana eo amin ny fiaraha monina ?
Efa zatra migadra izy efa zatra mamono olona rehefa manao ny operation nefa rehefa tratra d averina gadraiana indray d mivoaka indray d mamono indray :twisted: d izany v ry namana isany mbola avela tsy ho "ajedaka" ihany ?
Raha zà manokana wa efa novizaniko ilay olona fa maro no nanakana satria maro anie ny fomaba mety hahavitana izany eh fa tsy voatery we ny tena no miditra direct .
Tena reveko mihitsy ireny we misy jiloahy lavo voatifitry ny polisy na zandary ireny ! tena mibitaka zà amireny satria mety ireny amiko :wink:
15. ravatorano ( 14/12/2005 06:50)
ekeko fa misy ny fitanana amponja mandrakizay misy ihany koa ny fanamelohana ho faty amin ny lalana misy eto madagasikara.Nefa tadidido fa mbola tsisy olona voaheloka ho faty ka novonoine teto amitsika satria ............isika ono nanao sonia momba izany resaka we manameloka ho faty fa tsy mahazo mamono :-D
asa aloha ny fahamarinan izany fa vao androany koa no mba nandrenesako an izany.
Zà tamin ny andron'ny naha SN ahy dia nipetraka tamin ny faritra b dahalo ka nahita ny fijalian ny olona tamizany ary nahita koa ny fitsaram bahoaka ho an ireo dahalo efa tena gaigilahy b ka miafara amin ny fahafatesana tsy elaela izany.
Tsy hoe misy habibiana izany fa dia ilay lalanan i talion tokoa fa izay no nampitsahatra ny firongaran ny dahalo tamin ilay faritra izay any atsimon i Betafo any tamin ny taona 1980 tany ho any.
16. agoago ( 14/12/2005 13:59)
Ny ahy indray rehefa mahita ireny olona maty novonoin'ny olona ireny aho ary ta@ ilay mpitondra taxi nolazainao mihintsy aho no nieritreritra izay dia izao ny ao antsaiko hoe izay izany ny fomba voatendrin'Atra iantsoana an'io olona io Raha mba tsy nandalo ta@ io lalana io mantsy izy ta@ ilay ora dia tsy nosakanandry zareo dia tsy maty.Na mba nisy niova ny iray ta@ ireo jiolahy dia nanavotra azy.Ohatra ny fiantsoana rehetra, raha mianjera @ avion ve ny havanao dia hamaly faty ny compagnie aérienne ianao "Aoka ho ahy ny famaliana hoy Atra", eny maharary @ @ maha olombelona nefa dia tsy maintsy mampionontena.Tokony hamela aza nefa mila ezaka be izany
17. Veloo ( 14/12/2005 16:33)
o ry kala fijo a aiza moa no ahafnatarako ny any retsy a :-D:-D:-D
18. fijo ( 14/12/2005 21:54)
veloo,ka ndry nga tsy mihaino vaovao.
agoago ,za kosa eto tsy manaraka io voalazanao io kle.nahavita ratsy izy dia sazina,fa raha izany voalazanao izany dia tokony hoafahana izy ireo satria nanatanteraka lahatra.aiza no hampety an'izany ???
19. Veloo ( 15/12/2005 00:51)
fijo a vao2 ny dago ve? za tsy manana, ny frantsay zara fa misy za tsy manana satelita manakatra ny vao2 any ivelany retsy a :P
20. ari.malala ( 15/12/2005 06:39)
agoago:

Ny ahy indray rehefa mahita ireny olona maty novonoin'ny olona ireny aho ary ta@ ilay mpitondra taxi nolazainao mihintsy aho no nieritreritra izay dia izao ny ao antsaiko hoe izay izany ny fomba voatendrin'Atra iantsoana an'io olona io Raha mba tsy nandalo ta@ io lalana io mantsy izy ta@ ilay ora dia tsy nosakanandry zareo dia tsy maty.Na mba nisy niova ny iray ta@ ireo jiolahy dia nanavotra azy.Ohatra ny fiantsoana rehetra, raha mianjera @ avion ve ny havanao dia hamaly faty ny compagnie aérienne ianao "Aoka ho ahy ny famaliana hoy Atra", eny maharary @ @ maha olombelona nefa dia tsy maintsy mampionontena.Tokony hamela aza nefa mila ezaka be izany



mora b anie ny miteny we mamela e, ary sasanangy samihafa b mints ny we accident t@ avion, mety we accident technique, fa ny iray anie tena we iny ny tanany niainga hamono e! ary za alo tena tsoriko mitnsy, za koa mivavaka, fa ny ahy aleoko aza fitsaram-bahoaka raha toa ka tena voaporofo marina fa nanao ilay heloka le ol, satria anie marina ny tenin'i Zoky ao ambonimbony ao we efa zatra ny migadra izy, d ts mampanin anazy akory ny miverina any e... mety we mody manao hendry b aza izy any am-pigadrana any hambaboana ny fon'ny mpiarabelona d mahazo fampihenan-tsazy, fa vao tafavoaka d iny fa mamerina inray, ny tanan zatra mitsotra anie ka sarotra avonkina e... fa tokony halalahina mintsy ny fitsaram-bahoaka!! tadidio fa io resaka fitsaram-bahoaka io tokoa anie no mba nampihena kely ny halabotry taloha e! asa ianareo raha nahatsiaro, fa raha misy ol tratra am-bodiomby nangalatra talo d tong iny d may doran'ny ol na tonga d maty e, fa ts nisy sahy tsony alo teo @ le faritra nisian'zay fitsaram-bahoaka zay!

na izany na ts zany aloha mirary fiononana sy faherezana hoan'i Zoky Ravatorano sy ny fianakaviany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2713