tena aleo ihany asiana fiheverana ny toy itony

21. mandrindra ( 15/12/2005 09:31)
Tokony averina mihintsy ny fitsarambahoaka, ny tribonaly baranahany, ny fonja efa feno loatra, dia lasa be ny manaonao foana.
Izaho manokana aloha dia manaiky fa tokony namboarina tsy ankiandry fitsarana rehefa mpamono olona voaporofo.
Tsy mila izany gadraina mandrapahafaty izany, satria mameno fonja sy mandany volampanjakana (noho izany volambahoaka) fotsiny, fa tonga dia ajedaka.
Raha tsy misy fandraisana fepetra hentitra tsy milamina ny tany.
22. fijo ( 15/12/2005 21:49)
le ajedaka kosa aloha tsy mety amiko e.
23. mandrindra ( 19/12/2005 15:58)
tsy mety ahoana indray ary e, efa voaporofo izao fa mpamono olona ve dia ho tehirizina aiza indray?
24. fijo ( 21/12/2005 21:47)
saziana izy,fa manjary mpamono olona daholo ny hiafarantsika
25. mandrindra ( 22/12/2005 10:19)
ka ilay sazy omena azy anie vonoina izy e. Isika tsy ho lasa mpamono olona daholo satria rehefa mivoaka ny didimpitsarana hoe voaheloka ho faty n y olona iray dia misy olona efa voakarama hanatanteraka izany.
Raha izany hoe lasa mpamono olona daholo izany isika ve leitsy no raisina, hisy mpamono olona noho ilay lazain'ny mpivavaka hoe hody any aminy ry zareo rehefa maty satria sitrany ny niantsony ny zanany.
26. fijo ( 22/12/2005 21:31)
ka raha valifaty foana ,ve tsy ho isany koa izany isika?
27. mandrindra ( 23/12/2005 12:59)
tsy hoe valifaty foana anie fa misy didimpitsarna hoy aho e. ampiharina tsy ankiandry rehefa mazava sy tsy azo lavina ny porofo na tratra ambodiomby.
28. fijo ( 23/12/2005 20:08)
ka le lalana fanamelohana mihintsy ny ahy no laviko,nefa tsy homeko tsiny aloha izay momba azy io e.
29. mandrindra ( 26/12/2005 14:59)
izay aloha ny hoa safidy sy fomba fijery samy manana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1442