Mondial 2006

1. lapino ( 13/12/2005 06:05)
Halefa any am-piangonana protestanta any Alemaina hono ny lalao amin'ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra!

Tokony ho mety ve izany?
novalian'i jentilisa ny 23/12/2005 13:31
2. Mifenty ( 13/12/2005 11:32)
maninona kosa anefa izany e.

baolina no atao solon'ny toriteny.

farafaharatsiny mba mi recruter oul vavao ny fengonana kou
3. sonwin ( 13/12/2005 11:52)
Mety angamba matoa nataon-dry zareo, ny hevitra sy ny tanjona ao ambadik'izay no tsara jerena.
4. Veloo ( 13/12/2005 15:54)
za kosa tys manaika an'izany kle.... ny fiangonana dia toerana masina hiresahana @ Andriamanitra fa tsy ny footy tena manao ny tsy fanao mihitsy kle..
na dia oe te-hitarika olona ho any @ fiangonana ary dia tsy tokony otran'izany mihitsy ny kle ... mila mampiasa ny imagination-ndry zareo fa tsy otran'izany mihitsy... Mba fantatrareo moa fa Faly ery zao i Satana satria sivasivanina ny trano'ny Tompo?:twisted:
5. lapino ( 13/12/2005 21:03)
ilay tompon'andraikitra:
"Le football est un grand morceau de vie et la vie dans tous ses aspects a sa place là où les gens sont proches de Dieu",.... "Les chrétiens sont des personnes joyeuses et ouvertes sur le monde. Nous allons le vivre dans les retransmissions des matches du Mondial".

Za aloha mieritreritra hoe mametaveta ny tempolin'Andriamanitra io zavatra io satria:
- ho lasa toeram-pilokana izany ny fiangonana
- ohatra ny misintona ny olona hivavaka amin'ny baolina
- misy raharaham-barotra be ny mondial (pubs, sns ...)
Matio.21:12-13:
12 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;

13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: "Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana " ( Isa.56.7); fa hianareo kosa manao azy ho "zohy fieren'ny jiolahy " (Jer.7 .11).
6. marozevo ( 14/12/2005 00:27)
Fa angaha kosa hoe ao anaty trano Fiangonana no tiany ho lazaina amin'izany. Araka ny hitako any Allemagne, tena hitako fa tsy lazan'olona akory, dia manana trano fanaovana izany ny Fiangonana tsirairay : Salle multi-fonction, na salle culturelle na ny mitovitovy amin'izany. Dia ao le izy no alefa mba hiaraha mifaly. ka inona no heloka amin'izany.
7. lapino ( 14/12/2005 08:54)
Raha misy an'izay, ka tsy trano Fiangonana le izy tsy dia maninona ka. Fa na izany aza izaho manokana indray tsy mahita an'izany ho tsara, satria mbola "ao an-kianjan'ny tempoly" le izy.
8. Mifenty ( 14/12/2005 09:04)
ka lé tempoly anie tsy oe lé tranovato mangatsiaka be iny iany e.

azo atao tempoly dolou naiza naiza kou.

aona zao refa misy vavaka b eny mamasina reny?

Maty hasina ndray zany ny sport am reny sa aona?
9. lapino ( 14/12/2005 09:35)
Azo ivavahana daholo ny toerana rehetra izay aleha, eny! Fa tsy tempoly daholo akory! Ny tempoly dia orina ("edifice") iray natao hanaovana culte ho an'Andriamanitra.

Ny eny Mahamasina afaka hanaovana baolina, hanaovana defilé, azo ivavahana koa. Fa ny tempoly natao hivavahana dia izay ihany!

Dia aza ampitoviana koa, fa ny sport tsy manana ny hasin'Andriamanitra mihitsy! Na hivavaka amin'ny baolina aza ny sasany!
10. lapino ( 14/12/2005 09:38)
Tsy azoko ny nahatonga an'le smiley ... :?
11. dadabe ( 14/12/2005 13:11)
enao ihany no nanao azy teo kle

zah tsy manakevitra
12. lapino ( 14/12/2005 13:17)
dadabe < :-D:-D Ka izay indrindra
13. Mifenty ( 14/12/2005 16:40)
atraty io e

sa aona bedada? anjekaky o
14. Veloo ( 14/12/2005 16:43)
enga anie mba tsy ao @ tempolin'andriamanitra ilay izy no miseho...:roll:
15. dadabe ( 15/12/2005 02:07)
fa aiza ??
16. Mifenty ( 15/12/2005 08:15)
any antempolin'i allah :-D:-D:-D sa tsy fiteny zany?
17. lapino ( 15/12/2005 08:54)
:-D:-D
18. mandrindra ( 15/12/2005 15:32)
fa angaha moa raha baolina no alefa ao ampiangonana dia hoe mivavaka amin'ny kitra ny olona?
Io ihany ve ny zavtra tsy mifanaraka amin'ny fivavahana mitranga ao amin'ny eglizy sa misy tsy fitiavana an'i=o taranja io manokana ?
19. marozevo ( 15/12/2005 23:22)
mandrindra > Ny olana ange dia ilay Fiangonana manana ny hasiny manokana sady ambony eh, ka mila fitandremana ny fidirana sy fipetrahana ao. Ka raha baolina kosa ve no halefa ao tsy hanahirana. Fa tsy hoe izay tsy atao ao am-piangonana akory dia tsy tiana... sanatria izany.
Raha ny momba ilay mondial kosa indray dia iry efa nolazaiko ambony iry. Alefaso ao amin'ny salle d'oeuvre na salle de fete dia tsy misy ny olana.
20. fijo ( 16/12/2005 04:49)
veloo an,ny fiangonana anie ka araka io anarany io,dia "trano be fihaonana e"miangonangona ao dia izay atao ao,na hijery baolina ,na hifampizaha ,na hifaninona ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166