Mondial 2006

21. jentilisa ( 16/12/2005 13:46)
IZA ARY ITY MAMPIESONA ITY! aiza no misy izany vaovao izany?
22. Samoana ( 16/12/2005 14:24)
1)Ny baolina kitra matetika @ alina no mande direkta @ TV ( Mondial 2006 )
2)Tsy misy fiangonana mampanao lamesa andro alina raha tsy hoe sasak'alina angaha? Jolay anefa fa tsy Desambra ny mondial
3) Mba te hitangorona ny mpitia kitra rehefa lalao goavana, na mpivavaka izy ireo na tsia.
4) Mety mba hiena ny fisotroana sy ny fidorohana raha toerana hiandreketan'ny fiangonana no hitangoronana.
Arak'izany tsy hitako izay olana. Bal sy kermesy aza efa be no manao, fanatanjahantena indray ve de horaràna ?
23. lapino ( 16/12/2005 14:25)
jentilisa < Jereo eto
24. jentilisa ( 16/12/2005 14:56)
kivy be aho ny amin'izay satria tsy maintsy hisy toaka sy sigara tafiditra foana ao!

Hita hoe mihemotra be ny fiangonana any amin'ny ila-bolantany avaratra raha marina tokoa io!

Aleo tsy atao fiangonana intsony fa lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena. Ny trano any rahateo ngezangeza ihany!

reseo lahatra ihany aho raha misy maharesy lahatra aho fa tsy ekeko mihitsy io.
25. Veloo ( 16/12/2005 15:23)
jentilisa a za tsy afaka miresaka @ ol otran'ireo lesy a... aleo izay lazaina any lazainy..
o ry fijo a mba tandremo ihany ty vavanao fa tena lasa lavitra... za aloha tsy hamaly intsony e
26. Samoana ( 16/12/2005 16:01)
Raha jiolahy izahay mpitia baolina kitra de aleo zahay hijanona jiolahy fa tsy maninona e !:)
Raha manana namana tsy misy télé na toka-monina za any allemagne de aleoko izy mitangorona mijery baolina ao am-piangonana toy izay hanenjika bar.
Ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ve tsy mety hiaraka @ fitaizana ara-panahy ?
27. sonwin ( 16/12/2005 21:04)
aza dia maika ny hitsara ry zareo a fa fantaro marina ilay tena ho ataon-dry zareo sy ny antony
http://www.ekd.de/aktuell/051214_wm_rv_super_illu.html
28. marozevo ( 17/12/2005 01:23)
les paroisses protestantes en Allemagne :
Ny atao hoe Paroasy tsy voafetran'ny trano Fiangonana ry zareo ah ! Izay infrastructure miankina amin'ny Fiangonana dia Paroisse avokoa. Salles paroissiales; salle d'oeuvre sns... Ary ireny dia azo anaovana izay fety manaja ny maha olona rehetra sy ny olona manontolo, ary anisan'izany ny baolina na mondialina io na modiantoandro.
29. Veloo ( 17/12/2005 04:07)
o ry sonwin a mba traduiseo oe.. za tsy mahay teny allemand knou....
za anie mba gaga a raha tsy inn ko ry zareo dia hanao azy ao ampiangonanana, ny sasany zany dia mamalana mihitsy ato :roll:
marovezo a marina ny anao ka tsy manana salle de reception doly ny la plupart ny fiangonana rehetra, na katoloka ty na ny hafa etc...
30. dadabe ( 17/12/2005 04:27)
inona izany fiangonana katoloka izany ry veloo
31. Veloo ( 17/12/2005 04:36)
eeeeeeeeiiiiiiii ty dadabe ty ko katolika lesy io a..
tena navoka ny mopera lesy ledada ilay teniny kle:-D:-D:-D:-D
32. Mifenty ( 17/12/2005 09:07)
Jentilisa, ozy teniny

kivy be aho ny amin'izay satria tsy maintsy hisy toaka sy sigara tafiditra foana ao!

Hita hoe mihemotra be ny fiangonana any amin'ny ila-bolantany avaratra raha marina tokoa io!




d ony oa, mihemotra aona kosa mou? fanga kosa refa oe tsy manangana tilikambo na oe manao lalàna (asolo lé tetezana kely) d tsy mandroso ny fiangonana?

Na mba teneno oe inona no atao oe fandrosoan'ny fiangonana mba ho heno kle.
33. jentilisa ( 17/12/2005 09:28)
Ny toaka sy ny sigara! oviana teto madagasikara no tafiditra fiangonana izany? Koa raha hijery baolina ampiangonana ny olona dia ho voarara tsy hitondra ireo ve? Izay no antony hilazako izany teniko izany.

Raha ohatra kosa moa karazana salle d'oeuvre sahala amin'ny any @ katolika no hanaovany azy tsy hitako loatra ny olana fa ilay hoe ao ampiangonana mihitsy no tsy mety.

Sa efa nifoka sigara tao anaty trano fiangonana anaty fivavahana i Mifenty?

Ny finday ary efa atao izay handrarana azy tsy haneno ampiangonana!
34. dadabe ( 18/12/2005 07:48)
:roll:
35. jentilisa ( 19/12/2005 06:54)
sady rehefa misy baolina maty na tokony hio maty mety hisy ompa miaraka ihany ao am-piangonana an! Izany hoe mba "miara-manompa" ao am-piangonana e!

Sa masina be ny alemana rehefa mijery baolina? Ambiansy anie tsy maintsy misy raha hijery baolina izany e!
36. Samoana ( 19/12/2005 13:11)
jentilisa / Efa voalazanareo izany hoe "ambiansy" fa tsy ompa e ! Nisy mompera vazà tao @ paroasy Faravohitra ( Buthor no fiantsoana azy fa tsy haiko ny fanoratra ) mpilalao belote miaraka aminay hitsikianay fotsiny rehefa lasalasa ny "ambiansiny" !

Rehefa misy fanaraha-maso sy fepetra entina amim-pahendrena dia tsy tafiditra mijery baolina ny sigara sy toaka raha tiana hatao izany . An-trano aza izany vita ka toerana sahanin'ny fiangonana indray ve ?!Tsy manakana ambiansy velively izany. Rajentilisa angaha tsy mbola nahita an'i Damôpra na i Dapasy mifoka sigara na pipa an-trano fisainana na an-tokontanim-piangonana ? Dia tsy hanatrika ny fotoana tarihin'izy ireo izany jentl raha mahita izany ?:)
37. jentilisa ( 19/12/2005 14:12)
Ny ahy rangahy ity ny pasitera nanao batisa ahy mpifoka pipa be mihitsy fa mifamaly amin'ny fifohazana foana a! na alaina sary miaraka amin'ny katekomena aza izany an!

Mety ho misy mahalala izy raha vao lazaiko hoe tao Ambohimandroso Filadelfia Antsirabe izy no nitandrina tamin'izany fotoana izany. Nefa aloha izaho tena tsy mahatanty sigara mihitsy e!

fa le miara-manompa ao ampiangonana ho'aho no hampihomehy e! sady miara-manao Rainay izay any an-danitra izany no miara-manompa! :-D
38. lapino ( 19/12/2005 14:28)
Izay miady koa aza no tsy ferana, rehefa tsy raikitra ny loka fa Ôrzé le baolina maty. Dia ao daholo izany ny loka + ady + ompa.

Misy kil ho an'ny mpivoaka alina koa any am-piangonana amin'izany, tsy mba hanafika any ve izy? Dia na misy maditra tanana fotsiny koa aza dia efa tsy mety.

Za mbola tsy tia foana na anaty salle d'oeuvre sy ohatra an'izany aza kle. Mbola ao an-kianjan'ny tempoly foana tsinona.
39. Noslid ( 19/12/2005 19:27)
[quote=Mifenty]
maninona kosa anefa izany e.

baolina no atao solon'ny toriteny.

:twisted::twisted::twisted::evil::evil:o^oo^o:snif::snif::snif::snif::-@:-@:-@
40. mamzelkely ( 20/12/2005 11:52)
mhhhhhhh sonwin< anjaso fa refa tonga any aminareo za de azoko ny dikan'io zvt nalefanao io :roll::-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1707