Famoran-jazavavy aty Afrika

1. Lov ( 12/12/2005 05:32)
Malaza an-gazety tatoato ny famoran-jazavavy (FGM-Feminine Genitale Mutulation or clitoridectomy)indrindra aty Afrika, mpandala ny nentin-drazana. Mihenjan-droa ny tady eo @ mpandala ny zon'olombelona ( vehivavy) sy ny mpandala ny nentin-drazana. Voalaza an-gazety aty Afrika fa an-jatony ireo tovovavy natao sy mbola hatao famorana @ ity volana desambra ity, eny fa hatram'ireo " enfant de la rue "aza. Ny mpandala ny zon'olombelona sy ny mpitondra fivavahana sasany dia miteny sady manamafy fa fandikana ny maha-olona sy ny vehivavy io fomban-drazana io. Ny mpandala ny nentin-drazana mandresy lahatra fa zava-dehibe io satria anisan'ny kolon-tsaina (core& roots) ary manome ny lanja ny "initiation" ny tanora hidirany @ f.monina sy ny maha-olon-dehibe, maro ireo tanora natao io fomba io no resy lahatra @ zany. Maro koa ireo manam-pahaizana no resy lahatra. Fa tsy vitsy koa ireo manda an-kitsirano.
novalian'i pitchou ny 23/01/2006 18:48
2. sipagasy ( 12/12/2005 06:14)
mmhhhh mahonena ny mahita ilay izy marina e!!!!!!tokony mba hihevitra ihany ny mpandala ny nentin-drazana fa misy ny tsara ary misy ny tsy mety koa ka mila avaozina na koa foanana tanteraka. Maro @ tovovavy koa anefa no efa tonga saina @ izany ka tsy manaiky fa dia terena fotsiny izao tsy omena ny zony akory mba ahafahany maneho ny heviny.
3. satasol ( 12/12/2005 09:01)
Fa misy zavatra tapahina ve sa atao ahoana ilay izy fa tena tdy arako mintsy e!
4. hery ( 12/12/2005 10:35)
satasol> ie, misy esorina. Misy faritra kely esorina fa arakaraky ny fomba. Misy ohatra ny clitoris no esorina misy ny lèvres supérieures no esorina... arakaraky ny fomba dia arakarak'ilay mpandidy azy koa. Matetika dia olona tsotra efa zatra mpanao azy fotsiny no mandidy fa tsy mpandidy any amin'ny hopitaly. Fa tena marary hono ilay izy satria tsisy nin nin mihitsy fa tonga dia didy maina be.

Fa angamba tsisy an'izany any Madagasikara e?
5. lapino ( 12/12/2005 11:32)
Raha jerena ireny fombafomba ireny, dia mety ho misy antony ihany niandohany. Ohatra izao ny famorana lehilahy, dia azo eritreretina ihany hoe satria mitahiry loto ao anatin'ilay prepuce iny, ka mety hankarary. Kanefa taloha sarotra ny fanafody, dia aleo misoroka. Any tsy misy olana satria amporisihana aza amin'izao noho ilay hoe mampihena 60% ny risika hahazoana sida. (soa ihany fa gasy kle :))

Fa io famorana vehivavy io tsy azoko mihitsy. Tsy mahonena ve le tsonjo tapaka ny kilitiny kle? Ny vehivavy anefa ange efa tsy maintsy mandalo ratra ihany rehefa manao voalohany.
6. ravakamalala ( 12/12/2005 13:36)
rah ny fieritreretako azy dia fanimbana ny zon ny vhv fotsiny io. tsy avela hahazo fahafinaretana ny vhv, satria ny clit no organe voalohany manome fahafinaretana ny tsonjo (fa tsy io fotsiny koa aloha e, soa ihany).

jereo fa ny famorana anie misy fanazavana sy antony mitombina ( arka ny tenenin i lapino ) fa ny an ny vhv dia ty hitako.

tsisy an izany koasa any dago hery a! mbola tys naheno aloha aho e!
7. ari.malala ( 12/12/2005 13:40)
mampihoronkoditra ny mieritreritra anzany ka! soa ihany fa tsisy anzay aty! fa mampalahelo ny mieritreritra an'le vhv ts manana safidy fa atao terivaimanta fts!
8. jefra ( 12/12/2005 14:14)
Araky ny reportage maromaro efa hitako dia mampihoro-koditra tokoa ilay izy.

Ny antony anaovana azy hono dia mba hampihena ny filan'ny nofo eo @ vaivavy refa manambady. Hoe rehefa nodidiana teo ny clito sy molotra kely ary ny ampahan'ny molotra be dia toa karazan'ny tsy mahita tsirony @ filan'ny nofo intsony ilay viavy, fa dia tena miptetraka ho fitaovana fampitomboana taranaka fotsiny.

Nisy filma/reportage hitako (toa Mali angamba fa tsy azoko antoka), d vao tonga fotoana ny sipakely dia misy karazana fanamarihana ny maha tovovavy azy. Dia mifidy izay lehilahy tiany izy hiaraka aminy (na ny manambady na ny mpitovo). Fa resaka filan'ny nofo fotsiny. Dia mandram-panambadiny dia tsy maintsy manaiky ny angatahiny/sitrapony izay lehilahy tiatiany ao an-tanana rehetra. D rehefa misy mpangataka ho vady izy d foraina @ izay. Volana vitsivitsy ao aorian'io no atao ny mariazy.

D nanontaniana 'lay reniny hoe: Ianao efa nandalo teo ka inona no tianao, taloha sa taorian'ilay famorana satria toa terenao hanao 'lay izy ny zanakao vavy. D hozy le ramatoa: Marina fa nahafinaritra be le taloha, fa tena tsy mahavita asa fa dia any foana ny saina, vao miala eo dia mitady hafa indray, tsy mahavita lilolilol'e! Fa rehefa voafora dia tsy misy filana intsony.

D samy manana ny fombany tokoa ka!
9. Mafitoto ( 12/12/2005 15:27)
Izaho zay manoratra dia eto NAIROBI no ipetrahako efa taona maromaro izaho no taty, tena mampivarahontsana no sady mampalahelo, marina ny filazany sasany eo ambony fa mihenjana ny tady ankehitriny satria efa miova ny toetrandro misy ny mbola manaraka an'io fombaio ary misy ny mitsipaka tanteraka, tsotra ny antony mbola manjaka dia manjaka ny fampirafesana aty AFRIKA hany ka ny vehivavy dia atao fitaovana fotsiny fa ny lehilahy notompon'ny laka @ fanapahana rehetra didy kofehy lehibe, noho io antony famorana io dia misy ny maty satria mbola fomba nentim-paharazana no ampiasaina ary noho ireo ankizy sasany efa mba nandalo fianarana dia manazava @ Ray aman-dreny nefa tsy manaiky ry zareo, hany ka ataony ampitaka alefa mankany ambanivohitra ny ankizy mandritra ny fotoampialan-tsatsatra ka fatorandry zareo dia atao ny famorana tena mampalahelo, manomboka enjehin'ny lalana io amin'izao tena misy io tantara io hatramin'izao aza mba voany hoy ny fitenenanafa mandraingiraingy izay azony.
10. pitchou ( 12/12/2005 18:48)
marina ireo fanazavana nomen'i jefra eo ambony ireo. Raha tsy diso aho i Naomi Campbell dia efa nanao temoignage momba an'io, fa dia nilaza izy fa tsy mahita tsirony mihitsy izany, tsy misy filana izany fa rehefa manao firaisana aza dia fangirifiriana fotsiny!
ireo matrone mpanao an'io dia nilaza fa izy natao tsy nisy naninona izany ....
Ambonin'ny fanalana ny zo maha-olona azy dia toa hoe betsaka ihany no maty @izy io, noho ny loto sy ny hemorragie. Satria efa tena olon-dehibe no atao an! d silaka lame etsy sy eroa no anaovany azy! nisy t@ reportage iray aza vaky tavoangy!!!!
Izay no maha-zava-dehibe ny mouvement hiarovana ny zon'ny vhv ny fahitako azy!
tsara marihana angamba fa ny firenena izay fanjakan-dehilahy (izany hoe tsy mikaoty ho olona ny vhv) no tena mpanao azy io
11. akamatiana ( 12/12/2005 18:50)
:^):^):^):{:{ mamparo-koditra kle
12. Herimiafina ( 12/12/2005 19:04)
Le tsoahina iray manontolo miaraka amin'ny nofo de zairina iny alou de tena maparikoditra anh kou klé. gay gay gay. :°):°):°)
13. fiaritiana ( 12/12/2005 19:17)
aty amin ny Afrique de l Ouest misy anay ity mihitsy no tena misy an io FGM io na koa hoe EXISION no filazan-dry zareo azy, fomba zany izy io mba hitazomana ny vehivavy ho virj mandra-panambady, ohatran ny hoe hidina lakilé le zavatra e!
14. akamatiana ( 12/12/2005 19:35)
kaiiiiiiiii!:roll::-D
15. Herimiafina ( 12/12/2005 19:54)
Exision fiaritiana le clitoris fotsiny no miala an, mba tsy hahitan'ilay sipa fihany amin'ny lehilahy hafa, fa le FGM de tena fanalana tanteraka ny molotra be ny molotra kely ny clitoris ary ny fanjairana ny fivavina mihintsy. :}:}:°):°)
16. ari.malala ( 13/12/2005 06:54)
ô ry reto a, d in no tokony atao anajanonana an'le izy fa tena mampihoronkoditra maarin e!!!!!!!!!! sady mampalaelo b le vevavy iharan'le izy!!
17. Ragadona ( 13/12/2005 09:01)
Sao de mba ny hitovizan ny vhv amin ny lhl ary no anaovan dry zareo azy, ny lhl mantsy forana ... asa aloha e. Nefa za tsy miteny hoe tsara io, saingy sarotsarotra ihany ra resaka lalana, na hoe zon ny vhv no hanoherana an io satria ny zo dia arovan ny lalana, nefa ny lalana dia tsy fitserana fa ny lojikan ny saina no matanjaka, ka ra ny lojikan ny saina dia hoe tokony hitovy ny lahy sy vavy, ary tranga iray ampitoviana azy io famorana io...
Mety handrangitra ny vhv, eny fa na dia ny lhl aza io hvtr nosoratako io nefa za manana namana afrikanina zay ka mba nokaramainy ho avocat n'ireo mpandala ny fomban drazany aho androany....ny ampitso ho hita indray
18. lapino ( 13/12/2005 09:25)
Raha te hitovy amin'ny lehilahy ange ny vehivavy dia tsy tokony hoe hoforaina, fa ambolena zavatra aza e! :-D:-D
19. pitchou ( 13/12/2005 11:14)
ragadona> jereo ny fanazavana ery ambony! mifanohitra @ fikatsahana fitovian-jo io zavatra io! Raha lhl tena biby saina ianao ka tsy mikatsaka ny fahafinaretan'ny partenaire-nao na ny vadinao fa dia ny tenanao ihany fa ny hafa ao hijaly, dia mino aho fa tena ao anatin'ny zavatra tedavinao io! fa raha tsy izany, tsy misy olona mandala ny maha-olona ka hanohana an'io fomba io!
20. Ragadona ( 13/12/2005 12:29)
Moramora enao ry pitchou a ! Sady mety ho tsaratsara koko ra mamantatra an lay culture n'olona alohan ny hitondrana fomba fijery hoe momba na tsy momba, fa ra tsy zany d lasa fomba fijery feno tora po fotsiny le izy satria ivelan ny tontolon io culture io no iainantsika. Misotroa rano kely akia alo pitchou de ento ndray ny hevitra manaraka a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9217