Famoran-jazavavy aty Afrika

21. Veloo ( 13/12/2005 18:12)
ragadona zany kosa ve lesy dia culture kle abibina fotsiny io :wink:
22. Herimiafina ( 14/12/2005 02:04)
Izao ny olana mipetraka:

-Fahasarotampiaro no niavian'io fomba io,rehefa andeha hiady ny miaramila de tsy maintsy zairina le vadiny mba tsy hisy hikitikitika.
-Ny antony faharoa dia ilay fomba hoe tsy misy maka-vady ny vehivavy raha tsy vierge intsony.

Fomba taloha izy io ary tsy hay ny daty marina nipoirany. Ankehitriny anefa dia nivoatra ny fiaraha-monina afrikana, nisokatra tamin'ny avy any ivelany.

Ka manomboka tsy mankasitraka intsony izany fomba izany ireo vehivavy afrikana sasany (matetika ireo nahita fianarana ary efa monina any Europe).

Satria mantsy tsy safidy ilay izy fa forcée, satria vao kely monja ilay zaza de efa samborin'ny vehivavy ao an-tanàna dia couper-zozo.

An'iza ny fahadisoana? An'ireo lehilahy saro-piaro sy tsy maka vady ve raha tsy vierge? An'ireo vehivavy mi-forcer ny zanany vavy hoforaina ve?

Aza adino fa ny lehilahy tsy miteny satria mi-arranger azy le zavatra, fa ireo reny sy renibe kosa dia sahirantsaina mihintsy raha toa ka tsy mandalo amin'io ny zanany vavy satria fahafahambaraka be izany tsy vierge izany tsony sy izany tsisy maka vady izany.

Hitanareo amin'izany ny atao hoe "Vavambahoaka mitari-doza".8)


23. Ragadona ( 14/12/2005 16:03)
Ka eo ndrindra nge no nanaovako hoe hadihadio satria matetika dia haingana be loatra ny fitsaran ireo andriambavin danitra amin ny tany mandroso ny lhl eo amin ny fiara monina ka zary tsy tonga any amin ny tena anton javatra mangeja ntsony ny fanadihadiana
24. Veloo ( 14/12/2005 16:58)
:roll:
25. Herimiafina ( 14/12/2005 19:40)
Raha jerena izany de ny fiaraha-monina iray manontolo sy ny lalanany no anton'io zavatra io fa tsy ny lehilahy ihany fotsiny, na ireo vehivavy mpanao izany fotsiny na ilay zaza fotsiny ihany.
26. pitchou ( 15/12/2005 16:49)
ragadona> raha izay no fomba fijerinao, naninona moa ianao ary no tsy mbola salaka fotsiny ihany no entinao mandehandeha? d tsy sasana raha tsy in1 isan-taona satria izay no fanao taloha? nahoana no nanaraka ny fanovana ny fomba ianao? sa izay no mi-arranger anao?
ny fanontaniana dia ity: nahoana no tsy maintsy tedavinao tazonina ny zavatra efa hita fa mety? satria tsy ianao ve no voakasika? sa ianao koa ve izany homba ireo gasy namanao @ faritra sasany hoe vonoina ny zanaka iray raha sanatria miteraka kambana satria izay no fanao? sa ianao mahita antony hafa hanamarinana izany ary tsy mahakasika afatsy ireo izay atao izany?
efa im-betsaka loatra no no-denoncer n'ireo voakasik'izany io fomba io, tsy ianao izay mikartama @ fiarovana ny olona mpandala azy akory, fa ny olona iharany sy ireo olona efa mahatsapa fa tsy misy antony tokony hamonoana ny 20% ny vhv any @ ireny tany ireny @ alalan'ny fomba feno habibiana otran'ireny!
27. Ragadona ( 15/12/2005 19:29)
Moramora oa refa miresaka fa aza entimpo e ary anaovy analyse de texte mihitsy izay ambaran olona ra toa ka somary manahirana kely ny mandray azy.Mba manasa anareo haka ambony haka ambany fotsiny aho satria na mety na tsy mety ny fomba iray dia lalana iray tsy azo ihodivirana ny famakafakana azy. Iza daholo ary zao reo firenena ahitana azy, azo faritana ve ... mba tsy hitsarana rivotra. Bne nuit pitchou a
28. Levy ( 16/12/2005 04:47)
Efa misy mazava ny fizotry ny adi-hevitra. Ny atao hoe culture aloha dia tena malalaka be. Ary tokony ho " promoteur de la vie", ka raha mifanohitra @ zay dia tsy izy. Ny Traditionel culture africaine dia ny community sy ny an-tanatohatra no be lanja fa tsy de ny tsirairay loatra. ka raha resaka 'zo' na mitovitovy @ zany ka ho an'ny 'individuel' dia tsy manan-danja loatra. Ka ny mikitika ilay ivon'ilay culture mihitsy no sarotra. Satria culture misy aina. Ity famorana ity dia ' rite de passage'na initiation. Misy zavatra maro be mifandafatra aminy:Toy ny tetezana fahazazana mankany @ maha-olon-dehibe. IO 'rite' no karazana fahazoan-dalana ( passport) mampiseho fa olon-dehibe ho tompon'andraikitra @ fiainany ilay tanora. Afaka miroso @ fanambadiana, mahay momba ny foko (tribes) misy azy...sy ny maro be mifandray @ ity ' famorana' ity. ka ny f.m sy ny firenena mihitsy no tokony hijery azy akaiky. Fomba fijeriko dia tsy ny hoe : Tsy mety io na tsia fa jerena ilay fototra. Marina ny fomba fijerin-tsika dia tsy mety tokoa. Ho an-dry zareo tena tompony raha sendra tafa-resaka aminy( ilay tena tsy mitampoka)dia tsy mahita ny point negatif i fomba io ry zareo. Isika avy ety ivelany no mahita hoe tsy mety. Ka anjarantsika marina no mijery.. Inona no fototra. Misy zavatra tsara koa nefa ao fa mety ho takona.
29. pitchou ( 16/12/2005 05:26)
levy> ahitsiko kely ianao: tsy rite de passage io ary tsy initiation mihitsy! raha manam-potoana ianao dia mba jereo daholo ny zavatra rehetra voasoratra sy voarakitra mikasika an'io! Ary raha sendra ny reportage rehetra mikasika an'io ianao dia ny olona efa niharany ihany no nilaza ny tsy fetezany, saingy ao ireo natahotra ny ho vonoin'ny lhl tao an-tanana, satrtia tsy manana zo hiteny dia manatanteraka ny fanohizana azy fotsiny. Tsy izany akory no atao hoe culture fa miala tsiny!
ragadona> ny anao vola no tedavinao dia tohano matanjaka ny zavatra tsy mety sahala @izany! na dia mahafaty olona aza tsy maninona! ary mbola antsoina ianao hanohana mavitrika ireo RAD mamono mahafaty ny zanany noho ny fomba fanao eo @ fiaraha-monina, sady mino aho fa ho fahafinaretana be ho anao ny mandre izany! problemanao tokoa angaha moa izay famonoana ny hozatra isan'ny ilaina indrindra rehefa hiteraka ny vhv? tsy ianao ange no harary na hiala aina @izany e! problemanao angaha raha zary fanaintainana sy fijaliana tsy azo idivirana ny asa firaisana natao ahitana fahafinaretana? tsy ianao ange no hanaintaina fa ilay vhv!
30. Ragadona ( 16/12/2005 05:53)
Manaitaina be nga hono le izy ? fara faharatsiny hoe mba asio fanatoranan ra tsy maintsy atao e. D raha ivelany Pitchou ka efa tsy mianatra ntsony dia modia any Mada mandamina ny fiterahana zaza kambana, fa aza any lavitra no be tsikera
31. Levy ( 16/12/2005 09:33)
pitchou> Misy zavatra tsy azonao ny tiako ho lazaina. Tsy hiady hevitra aminao @izany anefa ny olana. Mino aho angamba raha izany fa mipetraka aty @ ireo tany manao io fomba io ianao. Ataoko sy inoako zany fa hainao tsara daholo ny fizotrany raha filazanao io. Tsy miteny velively izaho hoe mety io, fa hoe inona no fomba mety hanafohanana azy, tsy vitan'ny tora-po fotsiny. Efa maro be koa ny boky na fanadihadiana izay navoakan'ireo atao hoe manam-pahaizana tera-tany, niainga avy @ ireo faritra mampihatra io, hita fa tsy mitovy velively ny fomba fijerin'izy ireo. Ary tsy misy fampiharana hoe inona no tokony hatao. a suivre
32. isrine ( 16/12/2005 13:44)
Fitiavatenan'ny lehilahy ny fahalalako azy, @ izay dia lasa toy ny fitaovana ny vehivavy fa tsy mba afaka mahazo fahafaham-po.
33. Ragadona ( 16/12/2005 16:28)
Zay manenjika lhl foana zay ange ry isrine no mampihilana an lay fomba fijery e, tompon andraikitra amin io daholo na lahy na vavy. Tsy ny raim pianakaviana ataoko no manaraka akaiky ny fombafomba hatao amin ny zanany vavy fa ny reniny no tena akaiky azy kokoa amin io. Ohatra : tsy ny rainy mihitsy no ho mpanoro hevitra ny zanany vavy amin ny resaka fadim bolana fa reniny foana(afa tsy hoe tranga manokana nga). Dia mba vinavinao ary ny mety ho andraikitry ny renim pianakaviana amin ny fampahazoana vahana an io fomba io.
34. fijo ( 16/12/2005 22:21)
soa fa tsy nisy an'io tany amintsika,fa tena habibiana io fa tsy finoana.
ny nihandohan'io anie dia fahasarotampiaron'ny lahy e.ary ny antony dia ny tsy ahazoan'ny sipa tsirony.
izany hoe ny andry zalahy dia ny ahatonga ny azy fotsiny;ka raha izay tsy aleo ve atao irery ao e.samy ho tonga ihany no tanjona.
35. isrine ( 17/12/2005 12:37)
Marina zany ry fijo a.
Fa i ragadona dia miaro ny lehilahy fotsiny.
36. Ragadona ( 17/12/2005 12:47)
Aaaa ka, fa zany hoe ndraindray d mora loatra hoan ny vhv ny manilika any amin ny lhl zay zava mitranga, nefa nge ny lhl tsy d mba manenjika vhv zany....
37. HS ( 21/12/2005 07:46)
Raha ny hevitro manokana satria mifangaro be ny fomba fijery, dia aleo fotsiny ilay vehivavy iharan'ny famorana no omena safidy malalaka rehefa tonga eo amin'ny fotoana tokony hamorana azy : hoe atao sa tsy atao. Tsy tokony hisy intsony ny faneriterena fa hialana tanteraka.
38. Herimiafina ( 21/12/2005 07:52)
Ka zazavavy kely mbola tsy tompontsafidy anie no iharan'ilay izy ry HS e.
39. APOKY ( 26/12/2005 13:04)
Nenah alo ny tena tiko de le fomba hoe sintosintonina ny lèvre de farany miha-lava be ohatry ny an'ny lelah e.
Fa le didina alo tsss.... manimba tontolo iainana e.
40. anjeliko ( 29/12/2005 05:52)
tena maharikoriko io fomba 1 io.tsy d hitako loatra zay zavatsoa entin'io.lazaina hoe tsy mampisy filana eo @ zavavy io.nefa tsy mahatsapa filana zany a na tsy natao zany e!

tsarovy kosa anefa fa ny famorana ny zazalahy koa d fomba nentin-drazana mitovy karazana @ famorana zazavavy e!lasa mahery b lé hoditra sisa mijanona eo (ny any lhl norana io an!!!).toa hoe lé hoditra nalaina iny mitana loto ,ka mety hiteraka aretina raha tsy voasasa tsara ho an'ireo zay tsy no forana.mitondra zavatsoa ihany zany ny famorana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5886