Rangahy nihinana alika!

21. Herimiafina ( 04/12/2005 20:13)
Zah tia alika be mahintsiny an, zah tsy hinana na hisy hi-forcer-aza.
Zah contre be an'ireny famonoana alika sy saka any Chine ireny mba hanamboarana fourrure.
Aiza ve ka saka velona be sy alika velona be izao dia atsoboka ao anaty rano mangotraka tsotra izao hangalana ny hodiny.
Nalahelo be izaho naheno ilay kiakikan'ilay biby tamin'ny projection hitako izay.
Biologiste izaho de tsy tia an'izany, :(:(:(:(
22. fiaritiana ( 04/12/2005 20:14)
milay zany a!
fa zà lo tsy tia saka maizina e!tsy haiko fa ohatrany allergik zany zà vo mahita saka; mitsangana daolo ny volo rehetra!:-D:-D
23. Herimiafina ( 04/12/2005 20:17)
Ka ny saka konkou mety allergique anao angamba, de tsara nareo raha tsy mifanena. hehehehehe:-D:-D:-D:-D
24. fiaritiana ( 04/12/2005 20:20)
ka ny blem anie e!aty senegaly a! mitovitovy amin ny isan ny mponina no isan ny saka, tena mandreraka mihitsy, miantsena izany enao an, mahahitsaka saka foana!tsssssssss!mahakamo mihitsy!
hatrany Dago zà tsy tia saka io, hirahana mividy zavatra amin ny alina dé matahotra saka, dé refa nasiana saka tao an-trano, natao tao an-dakozia lé izy dé tsy nety nahandro kaly zà dé nokapohana tamin ny ceinture!:^):^)
25. Herimiafina ( 04/12/2005 20:28)
Tsy aleonao aza saka toy izay liona na tigra klé, hehehehehe:-D:-D:-D:-D

Any Inde injay rajako no betsaka de tsy azo jerena eo amin'ny maso ry zareo fa mamono, hehehehe:-D:-D:-D:-D
26. fiaritiana ( 04/12/2005 20:29)
ka lé saka tsy avotra mahitsy e!
27. Herimiafina ( 04/12/2005 20:30)
Ianao kou izao mety tsy tin'ny saka an, ny saka mantsy tonga de mahita an'izany, hehehehe:-D:-D:-D:-D
28. fiaritiana ( 04/12/2005 20:31)
zany ve? tena izay no mety hijerijereny ahy klé!
29. Herimiafina ( 04/12/2005 20:48)
Tonga de hitany kah, misy energie mameno ny tenanao de henon'ny saka izany, ny alika koa torak'izany, tonga de hitany hoe mitady hamely ahy ity izany.
30. diamondra27 ( 04/12/2005 22:29)
tsara daholo sady azo hanina ny zavatra rehetra na biby na zavamaniry afa-tsy zay vénimeux ihany,ny racine eny ambanin\'tany aza mbola misy nihinana. Mbola manakohanina ianao matoa mbola mifidy sakafo fa rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava de ze hitanao eo no haninao na de tsy tianao aza, na hisafidy ny fahafatesana ianao. Ohatra izao oe misy mihinana escargot de maninona na de gasy aza, de ireny chenille ireny koa azo hanina sady mahatsara ny fahasalamana, rehefa mandede ianao de mahalala ny culture ny pays isankarazany, na de ao dago ihany aza de misy mihinana bibilava, voay, trandraka, sokona, amalona sns ary sao de efa nisy nihinana gidro, aty dago betsaka an\'io
31. Herimiafina ( 04/12/2005 22:32)
Matiko njy ry diamondra raha mihinana gidro any an, espesy rare ireny de tsy azo vonoina, hehehehe:-D:-D:-D:-D
32. Veloo ( 04/12/2005 23:14)
beurrrrrrrrrkkkkk
33. Malanjaona ( 05/12/2005 13:37)
Rangahy nihinana alika ? Eisy, tena nihinana ny tsy fihinany izany ilay rangahy, k'no... !
34. diamondra27 ( 05/12/2005 16:57)
nena le gidro njay tsy haniko fa ampianariko manao publicité, de indraindray mande @ tele le pub, aza matahotra enao ry herimiafina a!
35. dadabe ( 05/12/2005 17:02)
tany amerika kounkou anie le efa nisy nihinana hala (spider),d crocodile , d lion d ...
36. Veloo ( 05/12/2005 17:09)
beurrrrrrkkkkkkkk
37. zakony ( 07/12/2005 15:43)
za efa nihinana hala (akalamita be ireny) tam mbola kely, tsy hitako ze blem.

raha misy manome alika aho izao nefa tsy fantako de oaniko any fa tsy raraiko. Ny saina angamba ve no voa amin'ilay izy e? izany hoe voararan'ny baiboly aloha ny fihinanana alika sy saka e.

38. zakony ( 07/12/2005 15:51)
za efa nihinana hala (akalamita be ireny) tam mbola kely, tsy hitako ze blem.

raha misy manome alika aho izao nefa tsy fantako de oaniko any fa tsy raraiko. Ny saina angamba ve no voa amin'ilay izy e? izany hoe voararan'ny baiboly aloha ny fihinanana alika sy saka e.

39. fijo ( 07/12/2005 22:06)
za aloha tsy mbola nihinana,fa raha toa ka tsara kosa ve maninona moa????le izy anie ry zareo ka resaka saina fotsiny e.mihinana ny olona dia milaza fa tsara,fa rehefa laaina fa alika dia hoe te handoa aho,sns.za raha fitahana ka hitako fa tsara ,tsy raharahako avy eo raha fantatro aza hoe alika;toy ny ramanavy sy ny saka ihany io.
ary aza hadino,fa ny omby koa anie taloha tsy biby fihinana e.tamin'ny andron dralambo isika no nanomboka nihinana omby.
40. zakony ( 08/12/2005 10:25)
izao angamba no fomba ahafantarana ny biby hoe fihinana na tsia e, ny fofon'ny tainy, raha maimbo tay ilay izy dia tsy fihinana.
ny omby zao tsy dia maimbo azo ohanina izany ireny fa ny alika kosa tsy lasa :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5266