Tafita i Madagasikara!!!

1. sambatra ( 30/11/2005 17:33)
Salama ny namana rehetra,

Manana foiben-tsolika "gisement pétrolier" i Madagasikara araka ny vaovao nandeha tato ho ato.
Ny fanontaniana mipetraka, mety hanampy an'i Madagasikara ho tafarina ve izany?
Mahagaga ihany manko satria saika ananantsika aby ny akora rehetra, ny tany , ny ala, ny hazan-drano, ny harena ankibon'ny tany, ny manam-pahaizana ... nefa tsy mety tafarina isika!!! Aiza ny olana???
novalian'i fijo ny 16/12/2005 21:52
2. xxx ( 30/11/2005 17:37)
ka ireo ananantsika rehetra ireo lasa olana daholo izao ko.
3. pissoa ( 30/11/2005 17:39)
raha ny hevitro alou misy olana avy amintsika Malagasy, mazava ho azy. fa raha resaka petrol izany kou, manahy mafy aho fa ... ataon-dry zalah matanjaka ring fiadina njay tsika le :( raha tsy hoe kely angah le petrol de tsy miraika ry zareo :-D
4. kally ( 30/11/2005 17:53)
Tsy ireo mihitsy no hampanankarena na hanova ny fiainan'ny gasy, ny mpanambola sy ny mpanao pôlitika no hanankarena amin'io.Ny ala izany efa ngazana ny ankamaroan'ny havoan'i Gasikara, efa be dia be ny tanety, ny manam-pahaizana mbola azo isaina no hitako nampihatra ny fahaizany teto Madagasikara.
Ny fitantanana sy ny toe-tsain'ny mpitondra sy ny mpanao pôlitika no isan'ireo zavatra be dia be mila fanovàna eto aloha, raha tsy miova ireo na hanana fitrandrahana solika isaky ny 100 metatra aza tsy hanan-karena na oviana.
5. sambatra ( 30/11/2005 18:08)
kally:

Mitovy hevitra amin'i Kally mihitsy aho amin'io filana fanovana "toe-tsaina" io.

6. lapino ( 30/11/2005 18:10)
Aiza ny olana???

Ananantsika daholo marina ny piesy rehetra sady ilay premiers choix daholo, saingy piesy detachées miangona anaty garazy ny antsika. Mbola be dia be ny olana fa tsy iray fotsiny, ary mbola ho ela isika vao handroso. Tsy àry ho voatanisa daholo, fa vitsivitsy ihany.

Ny olana voalohany, dia ny fomba fisainantsika mihitsy. Tsy ny mpitondra sy mpanao politika, fa ny vahoaka!!!

- Misy tononkiran'ny feo gasy izay mba nahasorena ahy hoe "Izay lasa aloha hantsoinay, izay taraiky handrasanay". Ahoana moa no fomba hahalasa lavitra amin'izany?

- Misy fomba fitenintsika koa hoe "Miaina amin'ny zava-misy". Izay ilay atao hoe malagasy tia karokaroka! Nahavaha olana maro tokoa manko ilay hoe "miaina amin'ny zava-misy" izay. Dia mbola any amin'ny angady sy angadin'omby foana ny fambolena malagasy amin'ny taon'arivo fahatelo.

Tena toe-tsaina efa don amintsika mihitsy io, nampian'ny sosialisma nandritra ny firipolo taona, dia vao mainka niraiki-tampisaka. Miala tsiny aho raha miteny, fa misy fahadisoan'ny razantsika, sy fahadisoantsika vahoaka malagasy no tena tsy mampandroso antsika.

Rehefa nandevozina isika nahavita arabe, lalamby, tonelina, sns ... nahatsangana tanàn-dehibe. Hatsembohana malagasy daholo no nampitsangana an'ireny. Nahazo ny fahafahana isika izao, mbola miaina amin'ny zava-nisy.

Vao ny olana voalohany fotsiny izay, amin'ireo olana fondamental.
7. sambatra ( 30/11/2005 18:18)
lapino:

Tohizo ireo olana hitanao fa ilaina ny izarana izany amin'ny be sy ny maro.

Moa ve ny mahatonga ny Malagasy miteny hoe "miaina amin'ny zavamisy" tena fomba fiainana tokoa sa noho ny tsy fahatakarana ny sokajy ambony kokoa tratry ny tsy fisiana no manosika azy ireo hitady fomba hampietrena sy hampitony ny adin-tsaina.

8. lapino ( 30/11/2005 19:09)
sambatra:
Tohizo ireo olana hitanao fa ilaina ny izarana izany amin'ny be sy ny maro.

Tsia, izaho tsy hanohy! Io ihany aloha no tiako hotenenina, io omeko laharana voalohany io. ;)

Fomba fiainana tokoa ve ny "miaina amin'ny zava-misy"?
Raha ny zavatra hitako sy tsapako eo amin'ny malagasy, hatrany Dago hatraty am-pita, dia ENY.
9. Ragadona ( 30/11/2005 19:38)
Ataovy tsara r se ny baosy aty ivelany dé ndao hody hanao zay mba kely vita a
10. Lalakely ( 30/11/2005 20:20)
ny fanovana toe-tsaina ve tsy midika hoe fanovana olona mihintsy. satria manko raha izaho efa niaina zavatra ilay nahazatra teo iny dia ho sarotra mihitsy ny hoe hanana toe-tsaina vaovao, fa aleoko miteny tsotra hoe: mila olona vaovao. ireo mpanao politika, sy ny vahoaka efa misy @ izao anie izany dia tsy misy fanantenana intsony hitondra fandroasoana fa mila olona vaovao mihintsy. iza? avy aiza? hanahoana? ny tanora @ izao ve azo antoka hanana i toetr'olona vaovao io? marina ny an-dragadona saingy tsy hoe "izay kely vita", fa mbola mitovy @ hoe "miaina @ zava-misy" ihany izany. ny marina dia hoe: hanao izay hampandroso ny tanindrazantsika. mila fanapahan-kevitra maika nefa voadinika tsara.
11. joda ( 30/11/2005 20:28)
betsaka anie ny pays du tiers monde manana petrole fa tsy mahafaka ny fahantràna izany tsy akory e ohatra :ANGOLA, NIGERIA ,ARGENTINE, MEXIQUE etc..ny fahitako azy dia miainga @ mpitondra mihintsy ny zavatra rehetra e rehefa diso tafahoatra ny fitiavantena dia mahantra foana ny firenena resaka gestion io sy politika c tout!!!rahoviana no hitranga asa nagamba atsy ho atsy no ho tonga bemolanga....
12. fijo ( 30/11/2005 21:51)
isika no olana,ka samia mandinitena
13. Herimiafina ( 01/12/2005 00:21)
Na hisy harenan'ny kibon'ny tany tahaka ny inona aza eo, na hisy ressource toy ny inona, na hisy vola tahaka ny inona, rehefa tsy hay izay hitrahdrahana azy ho eo ampelatanana de naman'ny tsy misy ihany.
14. ravatorano ( 01/12/2005 06:13)
marina fa manana faritra misy petrole isika fa ny olana lehibe dia lazaian hatrin 'ny ela fa lafo b ny fitrandrahana izany ary tsy mahasahana ny sarany ny vidiny ka izay no antony lehibe mbola tsy nanaovana fitrandrahana mihitsy fa mbola amin izao stade de pré exploitation foana izao eh.
marian fa ny toetsaiana mihitsy no mila ovaina dia ho an ny malagasy rehetra io fa tsy hoe mpanao politika na mpitondra ihany.Isika rehetra no tokony hahatsapa fa mety hiova ho tsara kokoa ny fiainana eto raha miray hina marina amin 'ny fampivoarana isika jiabi2.
zà d aleoko lavitra aloah izany tsy hisy fa ny mpanana ihany no tena hahzo tombotsoa bobaka amin izany fa ny valala mandady harona d ho vizana tanteraka indray satria hifanaritaka indray ny mpanambola hampiasa izany d ny madinika hadinika ihany satria ny maventy v hijery afatsy ny tombotsoany
15. lapino ( 01/12/2005 11:23)
Marina daholo izany Ravatorano, fa izao no hevitro:

Tsy afaka hihevitra ho tompon'ilay solitany isika raha tsy nitrandraka azy, ka tsy afaka hanantena tombontsoa mivantana amin'izany izany ny madinika.

Kanefa tsy tokony atao hankarary fo hoe hisy olona lasa nanan-karena noho ilay solitany, kanefa isika tsy hahazo ilavoamena. Ilay izy koa tsinona tsy hoe hamono ny valala mandady harona, tsy hoe hampakatra ny saran-dalana sy ny vidim-bary ny fisiany.

Raha ny eritreritro aloha, raha misy izany, ka azo trandrahana, ka rentable, dia aleo misy, na dia olom-bitsy ihany aza no hahazo ny tombontsoa avy aminy. Mahazo tombontsoa koa manko ny firenena: misy asa voaforona, miakatra ny harinkarena, mihetsika ny filière rehetra mifandray amin'iny, sns ...

Ary raha izaho, tsy hantsoiko izay lasa aloha, fa vao mainka aza hoy aho hoe: Mandehana ianareo raha afaka fa aza miandry!
16. sambatra ( 01/12/2005 17:08)

Ary tsy matinareo lolo mihitsy io hiran'i Feogasy io an !!!
17. ravakamalala ( 01/12/2005 20:20)
Tsy vitan ny ho emionon amain izay misy fa mbola mapiana an ilay teny kely hoe "izay no lahatra e!":(
18. fijo ( 01/12/2005 22:49)
lapino,za koa momba io hevitrao io.tsy hoe isika rehetra no hanan,fa isika kosa tokony mba ahita bokany.
19. xxx ( 02/12/2005 02:39)
lapino:
Tsy afaka hihevitra ho tompon'ilay solitany isika raha tsy nitrandraka azy
tena tompony mihitsy isika ary voafaritry ny lalana izany. isika no manapakevitra na ho trandrahana ilay izy na tsia, isika koa no manapa-kevitra hoe iza no hitrandraka azy.

lapino:
Raha ny eritreritro aloha, raha misy izany, ka azo trandrahana, ka rentable, dia aleo misy, na dia olom-bitsy ihany aza no hahazo ny tombontsoa avy aminy.
izany no atao hoe HALATRA toy ny mahazatra amin'ny politika nisy teto hatrizay.

20. fijo ( 02/12/2005 22:11)
ka izay le fomba fiasa eran tany ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0602