antitra sy olona sembana...

1. xxx ( 16/11/2005 08:06)
hono wa ry reto ra nareo no tratran'izao situation zao we mila manampy olona de iza no hitanareo fa important kokoa manampy ny olona efa antitra sa olona sembana ara-batana???:roll:
novalian'i vale ny 28/11/2005 08:30
2. kally ( 16/11/2005 08:18)
Angaha tsy azo atao ny manampy azy roa?
3. Fanja1 ( 16/11/2005 08:28)
tssy safidy zany fa zay mila fanmapiana de ampiana amiko.
4. pika ( 16/11/2005 09:39)
za mba gaga ry fanja1 valala iray aza hifanapahana
ilay sembana moa raha misy zavatra hafa mety vitany dia anjaranao ny manampy azy oh hoe malemy ny tongotra fa matanjaka ny tanana misy azony ataony ka
5. bichette ( 16/11/2005 10:13)
marina ry reto a ! fa sao dé ny tian'i xxx anontaniana (tsy azoko aloha hoe maninona izy manao xxx @ izany fanontaniany izany) dia hoe raha sendra olona roa no anoloanao antitra ny iray ny iray sembana ka samy mila ampiana izy roa (mety hoe anay bus sns) dia hoe iza no ampianao voalohany

zany ve aloha ry xxx ? aiza ianao ?
6. pika ( 16/11/2005 10:41)
ka tsy mitovy @ lay hoe iza no ho vonjena ny ronono mandrotra sa ny rafozana tonga sa ny salaka miborotsaka? :-D
azo alamina tsara ny fanampiana an'azy roa ny antitra sy ny manakilema
7. dadabe ( 16/11/2005 11:18)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 16-11-2005 12:06:54
Lohateny : antitra sy olona sembana...
hono wa ry reto ra nareo no tratran'izao situation zao we mila manampy olona de iza no hitanareo fa important kokoa manampy ny olona efa antitra sa olona sembana ara-batana???

hummm :-w ampio ny antitra donky ampio zany zah :@
8. xxx ( 16/11/2005 11:29)
marina mits io vôlazan bichette io ka; ohatra zao anaty bus enao de iza no omenao priorité le olona antitra sa le olona malemy.
9. booboo ( 16/11/2005 11:52)
zay hitanao fa ho araky ny herinao sy ny sainao safidiana.
Ny antitra matetika @ lafiny rehetra no ilany fanampiana. Ny sembana ara-batana indray, zay tsy afaka ataony ihany no ilainy ny fanampianao.

raha atoroko anao fotsiny : fadio ny mi-infantiliser ilay antitra ( fomba firesaka etc ) sy manana sentiment de pitié @ lay sembana ara-batana.

Bon courage !
10. ari.malala ( 16/11/2005 12:09)
tokony tsy hisy safidy fa tokony hampiana daolo ka, raha any anaty bus alo, talo fa ny @ zao tô tsisy anzany tsony, nisy toerana voatokana ka ts maints mitsangana ze tratra mipetraka @ reny toerana ireny, fa ny @ zao efa tsisy anzany tsony...
11. xxx ( 16/11/2005 12:38)
tiko ho fantatra we ra tratra ny situation we ts maints misafidy ndry ry ari.malala de inn ny atao ndry
12. pissoa ( 16/11/2005 13:09)
raha resaka hoe mila fipetrahana izany, dia angamba izay hifandaminan'izy ireo, satria ny ahy seza 1 ihany, nefa izaho mihevitra fa mitovitovy ihany ny olana raha antitra sy kilemaina no mitsangana.
13. bichette ( 16/11/2005 13:10)
ari.malala > raha au meme momenta la meme heure au meme endroit misy antitra sy sembana tokony indray ampiana miaraka no tian'i xxx anontaniana aky a !
raha anaty bus io arakaraka, raha sembana tongotra na mitondra bequille ilay olona ka misy olona antitra be eo , ilay antitra mety afaka mitsangana ihany fa ilay sembana tsy afaka mitsangana no sady mitazona bequille no mifikitra mba tsy hianjera
raha sembana marenina na vilambava na tsy misy tanana indray ilay olona iray ka misy olona antitra be eo dia ilay antitra no ampiana satria ilay sembana afaka mamikitra ihany fa ny fahasembanany tsy manakana azy hitsangana sy hamikitra tsy hianjera
arakaraka io e
14. mamzelkely ( 16/11/2005 13:14)
fraanchement alo ts hitako zay tenenina satria sarotra be amiko le choix e, enga anie za ts ho tratran'izany klé:-D
15. ari.malala ( 16/11/2005 13:26)
bichette, hay v e..

xxx, raha any anaty bus au même moment d izay ifanarahan'zareo io ka, fa raha sanatria malemy tsisy tongotra d izy no omena toerana :)
16. xxx ( 16/11/2005 13:32)
Miala tsiny amin'i dadabe aloha, fa ny sembana hoy aho no omeko priorité satria:
Ho an'ny antitra:
- ny antitra efa nahavita ny fiainany, andalovan'ny olona rehetra ny misy azy. Ary tsy tao anatin'ny fahasembanana no niainany ny fiainany rehetra izay.
- noho izany koa tsy misy effet-ny ela intsony izay fanampiana ataonao azy eo satria afaka fotoana fohy dia hatao veloma izy

Fa ilay sembana kosa:
- mbola manana fiainana hatrehina, ka tokony hampiana tohana
- mbola manana adidy mila efaina, amin'ny tenany aloha, amin'ny vady aman-janany, amin'ny firenena
- tsy ny olona rehetra no sembana fa ireny no niangaran'ny vintana
17. mandrindra ( 16/11/2005 14:46)
Tsy misy hoe safidina izany izany fa omeo izay tandrifina azy ary araka izay azonao atao ny tsirairay na antitra, na sembana, na zaza, na tanora, na olontsotra. Saingy aza mano ny tsy eran'ny aina fotsiny.
18. Veloo ( 16/11/2005 17:35)
dadabe :-D:-D:-D
19. Herimiafina ( 16/11/2005 20:24)
Ampio daholo.
20. fijo ( 16/11/2005 22:50)
ampiako kely,raha eo ireo mila fanampiana ireo,nefa enao koa tsimaintsy mamonjy lera fa misy asa hita.inona no hatao?hanampy ny iray amin'ireo ve sa hamonjy le fotoana momba ny asa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.531