NAHOANA????

1. akamatiana ( 15/11/2005 18:34)
Maro ireo jiolahy
Izay mandrava sy sahisahy
Nefa toa avela hatrany
Handrahona sy hiliba eto an-tany

Maro ireo mpino an'i Kristy
Manangona ireo ondry izay mania
Nefa toa voasakana izy
Ka mipetraka, tsy manan-tsafidy

Ka ho aiza ireo ondry vaovao?
Fa ny lalana toa nahidy, tsy ela akory izao
Dia ny Fiangonana [b]P[b/]rotestanta [b]V[b/]aovao eto [b]M[b/]adagasikara
izay nahitany aim-baovao nefa dia VOARARA

Koa napetrako ny hoe:"NAHOANA"
Ireo mpitondra no nanafoana
Ilay vala iray
Izay fivorian'ny Kristianina tsirairay

Sa manelingelina ny hafa
Ny manahita ireo kristianina tafa
Ka mamorona izao rehetra izao
vokatr'ilay fialonana nikotroka ela tao
novalian'i xxx ny 10/12/2005 22:50
2. cutie ( 15/11/2005 19:49)
akamatiana , mahay njy ka :-*:-*:-*
de ny valiny akia ,tsy haiko a, fa nahona kou ny misy disadisa eto an-tany , nefa ry zareo mpilaza ho kristiana efa miezaka ny mitory hatrany :-D:-D:-:-D
3. Ragadona ( 15/11/2005 20:06)
D nahoana ko no manontany hoe "nahoana" i akamatina ?
4. xxx ( 15/11/2005 22:52)
Avelao hikatona any
Ahoana inona izany?
Raha ny fahazoako an'io
Misy raha tsy madio
Fa fiangonana mivika
Raha misy fofom-politika

Tsy hoe akory izaho mibitaka
Fa atahorana hamitaka,
Asa aza raha hanaritaka
Ireo feo miparitaka
Ka na tsaho misy mivoy
izany na tena misy roiroy
Aleo ihany tsy hitohy

Ny tiako mba hamaliana
Ny tenin'i Akamatiana
Raha iankinan'ny finoana
Ny anaram-piangonana,
Dia toa terena na vozonana,
Saingy mety ho tsy tsaroana.
Mivavaka amin'ny fo
Ary amin'Andriamanitra no mankato
Dia izay no tena izy
Sy ampianaro ny ankizy

PS:
Misaotra fa original
Ilay tononkalonao
Mba tsy zavatra banal
Indray no atao :wink:
5. akamatiana ( 16/11/2005 04:40)
xxx misy zvt tsy azoko tsara
Ny tianao ambara
nefa indro ihany ao anambara
Raha mbola tsy misy mandrara

Ny tsy azoko mitsy anie
Dia maninn ireo fiangonana marobe
No tsy mba akatona
Sa ireny tsy be mpanantona

Fa Ireo izay feno marobe
Izay tsy mba manana foibe
sa tsy aram-panjakana
No nakatona sy norarana

Amiko amin'izao fotoana izao
Izay ahavonjy ny fanahy no atao
Ka raha tao no nahitany aim-panahy
Dia ny fanjakana tokony tsy hanana ahihay

Matoa izy nahataona olo-marobe
Dia misongadina fa mitory ny TENY ange
Fa tsy ohatra ny sasany
Ny hanongana pastora sy mopera no anjasany

Ho faranako injay alou
Fa raha misy tsy mahavoa
Izay rehetsa voalaza teo
Dia tohero zah fa aza leo hihihihihhih
6. akamatiana ( 16/11/2005 05:06)
d aza mi xxx mou zareo ann :-D
7. Fanja1 ( 16/11/2005 09:04)
fa tsika hanao inn eto @ ity tany ty hono aloha ?
8. akamatiana ( 16/11/2005 09:42)
fanja, fanontaniana iray
Izay mbola tsy haiko valiana hatrizay
angamba hanao ny tsara hatrany
Raha mbola velona eto an-tany

Nefa toa tsy izany
Fa toa mifanenjika ihany
Mifanaratsy etsy sy eroa
Manao izay mankaharary an-doha

Ny olona mivavaka
Toa enjehina , misy ankanavaka
Ny trano fivoriana
toa nakantona sy nidina

ka aleo ihany ato an-trano
no mivavaka refa tsy misy atao
dia manao ny tsara hatrany
fa izay no ilain'ilay mpahary any an-danitra any
Fa raha hiaraka amin'ny fiangonana mpanavakavaka
de aleoko iany , olon-tsotra tsy mpivavaka
9. bichette ( 16/11/2005 10:32)
^:^=D=D=D=D
10. Angie ( 16/11/2005 10:51)
Tena misaotra ny manantalenta
ka dia mirary soa tsy misy fetra

:D



11. Angie ( 16/11/2005 10:53)
:oops:
Zahay dia faly mihaino vaovao
Na dia tsy dia tsara aza tao ho ao
Hoy aho hoe akory atao
Zay angamba no lahatra

Samia mivavaka na an-trano na aiza
Toy ny zanaka tsara taiza
Aza mitsara mba tsy ho tsaraina
fa mafy anie izany ka mampitaraina.
:oops:
:D
12. akamatiana ( 16/11/2005 11:03)
Misaotra akia Angie
Dia mirary soa ho anjy
Ho salama hatrany
dia aza kivikivy zany

Zah ange tsy mitsara
na dia anisan'ireo voarara
fa manontany we NAHOANA
izany no ato an-tsaiko ato fôna

Malahelo akia ny fo an!
Satria ny havana sy ny mpiray tampo
Dia notazaina sy nofohazina tao
sy niara-nifaly tao am l vala vaovao
Nefa injisy e
Izay no anjara tandrify.:(:)
13. Ragadona ( 16/11/2005 11:06)
Dia ahoana zao zahay tsy mba poeta reto ?
14. akamatiana ( 16/11/2005 11:16)
Ragadona, tsy ny poeta no ilaina
Fa ilay mamoaka ny hevitra ao an-tsaina
Ka raha misy zavatra tianao ambara
D etsy zany izy lazao fa tsy mbola nisy voarara

Dinika serasera izany an!
Tsy natao ho an'ny poeta ihany
Fa ho an'ny rehetra
tsisy lera sy tsy voafetra:)
15. Fanja1 ( 16/11/2005 12:39)
waouhhhhhhhhhhhhhhh chapô
clap clap
16. Ragadona ( 16/11/2005 12:55)
D eny ndray ary ko,
ra izay no maha so
K inona mo no holazaiko,
sy mba hotantaraiko ?
17. chipie1 ( 16/11/2005 13:07)
de iza no afaka hamaly
ny fanontaniany akamatiana
nahoana? nahoana? hatrany
nefa toa tsy voavaly fa nangina ?
18. xxx ( 16/11/2005 13:20)
Toa manjary mahaliana
Ny resak'i Akamatiana
Ilay ataony Poezy
Dia mahasintona ery


Izy koa mahafatifaty
Mampavelona ny anaty
......oha (Jereo eto)
Misaotra aloha aky
Fa mahafinaritra indry
Pi-maso kely aloha ;-)

Aza dia be alahelo
Ny fiangonana voahidy
Fa tsy ianao no nisafidy
Mangina, dia fafao ny lelo

Satria ireo mpitondra
Tsy donto toy ny ampondra
Fa misy zavatra tsinjoviny
Tandrovany sy arovany

Ka raha mampiahiahy
Ny fiainam-panahin'
ny olom-pirenena
Aleo tonga dia fefena

Raha maimbo politika
Sao izany dia midika
Fandrebirebena
Satria ny vahoaka
Mihinam-bary tsisy laoka
Mora angolena

Tsy mahasakana
Ny tena Kristiana
Na manao tohivakana
Ireo fanakianana
Fa na nenjehina sy nampijaliana
Aza ny mpino ry Akamatiana
Mbola velona foana ary ho mandrakizay
Ilay boky nodorana nefa tsy may
19. bichette ( 16/11/2005 13:37)
raha ny hevitro dia izao
manorata izao dia izao
taratasy ofisialy
tsara rafitra sy voakaly
ho an'ny mpitondra fiangonana
fa ajanony ilay ngonongonona
dia anontanio hoe NAHOANA
aza dia miandry fotoana
fa mba liana koa izahay
fa simba koa ny taninay
gasikara maminay
mahantra angamba fa tianay

maninona moa raha avoaka gazety
ho hitan'ny maro sa ve tsy mety ?


:?



20. akamatiana ( 16/11/2005 13:59)
xxx wa aza mi-x
fa izy ty ane tsy filma x e
Ka hanafenana solonanarana
fa manjary lasa mangarangarana

Dia ahoana ary ireo olona efa very
Izay niverina raha nandre ny toriteny
Raha misy zavatra hafahafa ao
dia maninona no mino ilay Tompo izay tompoinao??

eny akia bichette
nenjy no hevitra mety
sa efa nivoka journal
Fa zah no tsy maharaka ka misaina anjo aman'al



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1405