NAHOANA????
21. xxx
(
16/11/2005 14:20)
Efa nolazaiko teo
Fa tsy ny anaramm-piangonana
No tena maha-mpivavaka
Manjary lasa mankaleo
Hoe izany no ifanononana
Ka lasa mampanavakavaka
Tsy misy afa-tsy ny baiboly
No maha Kristiana
Ny ankoatr'izay kolikoly
Nefa betsaka no fanina
Ka safidio tsara
Izay hinoanao
Satria tsy maintsy samy hiafara
Izao rehetra izao.
Fa tsy ny anaramm-piangonana
No tena maha-mpivavaka
Manjary lasa mankaleo
Hoe izany no ifanononana
Ka lasa mampanavakavaka
Tsy misy afa-tsy ny baiboly
No maha Kristiana
Ny ankoatr'izay kolikoly
Nefa betsaka no fanina
Ka safidio tsara
Izay hinoanao
Satria tsy maintsy samy hiafara
Izao rehetra izao.
23. akamatiana
(
16/11/2005 14:37)
i xxx kou sarotra tenenina
Jere ene fa mbola mamerina
Nefa z revenao ihany io
Fa milay l kozinjika anio
eny e, tsy mandà izany zah
Nefa tao ange no nahazoko aingam-panah
Fa tsy we manavakavaka sanatsia
sady tao no nahatonga anah mpanaradia
Jere ene fa mbola mamerina
Nefa z revenao ihany io
Fa milay l kozinjika anio
eny e, tsy mandà izany zah
Nefa tao ange no nahazoko aingam-panah
Fa tsy we manavakavaka sanatsia
sady tao no nahatonga anah mpanaradia
24. namanao
(
16/11/2005 14:59)
Fanadihadiana tononkalo ato zany
Tsara aloha le izy ry zareo
Mahasarika anay hamaky hatrany
Ka de aleo tsy hajanona eo
Fa ny indro kely
Zah tsy mahay tononkalo
ka mety tsy dia mamely
na dia homena ora valo
Fa Anarampiangonana aloha!
tsy mahavonjy fanahy
fa ny fatahorana ny Tsy Toha
no tsara hoanao sy ahy
Ka raha mihidy ny fiangonana
Aza tonga dia misaotaka
vokatry ny fanahy ange ny fiononana
ka ampiasao fa tsisy fitaka
raha toa ka misy ny tsy mety
nataon\'ny mpitondra firenena
mivavaha maharitra fa tsy vetivety
satria tsy alaolana ny mihenahena
Ny vavaka manova zavatra
ka maninona raha ampiharina
amizay ho iray latabatra
toy ny ny mpianakavy marina
Hatreo ny ahy androany
@ manaraka manao misimisy
ka hasiako fanindroany
hanalana zay mety ho indrisy.
ouf...
Tsara aloha le izy ry zareo
Mahasarika anay hamaky hatrany
Ka de aleo tsy hajanona eo
Fa ny indro kely
Zah tsy mahay tononkalo
ka mety tsy dia mamely
na dia homena ora valo
Fa Anarampiangonana aloha!
tsy mahavonjy fanahy
fa ny fatahorana ny Tsy Toha
no tsara hoanao sy ahy
Ka raha mihidy ny fiangonana
Aza tonga dia misaotaka
vokatry ny fanahy ange ny fiononana
ka ampiasao fa tsisy fitaka
raha toa ka misy ny tsy mety
nataon\'ny mpitondra firenena
mivavaha maharitra fa tsy vetivety
satria tsy alaolana ny mihenahena
Ny vavaka manova zavatra
ka maninona raha ampiharina
amizay ho iray latabatra
toy ny ny mpianakavy marina
Hatreo ny ahy androany
@ manaraka manao misimisy
ka hasiako fanindroany
hanalana zay mety ho indrisy.
ouf...
25. xxx
(
16/11/2005 14:59)
Mpanaradia an'iza :?::!:
Aoka aloha hazava
Fa i Kristy tsy rava
Ary na bibibe toy ny trozona
Na afo mandoro
Tsy ampy hanozongozona
Izay finoana mijoro
Izay fiangonana voahidy
Raisinao ho mangidy
Dia avelao ho any
Fa raha mandalo izany
Tsy ilaina ny anarako
Fa ilay hevitra ambarako
No tena tiako haseho
Ho hitanareo :wink:
Aoka aloha hazava
Fa i Kristy tsy rava
Ary na bibibe toy ny trozona
Na afo mandoro
Tsy ampy hanozongozona
Izay finoana mijoro
Izay fiangonana voahidy
Raisinao ho mangidy
Dia avelao ho any
Fa raha mandalo izany
Tsy ilaina ny anarako
Fa ilay hevitra ambarako
No tena tiako haseho
Ho hitanareo :wink:
26. xxx
(
16/11/2005 15:02)
namanao >>
Alefaso ilay faharoa
Fa nareo toa mahavoa
Mahay mihitsy fa tsy vena
Fa mody manetry tena
Alefaso ilay faharoa
Fa nareo toa mahavoa
Mahay mihitsy fa tsy vena
Fa mody manetry tena
27. akamatiana
(
16/11/2005 15:24)
Mpanaradia an'i Kristy
Ie, tsy ho rava manjakizay doria
Fa ny fanahy mila vatsy
Raha tsy tinao azon'ny ratsy
Aiza no ahitana ny vatsim-panahy
Raha tsy ao am vala izay nampiverina ahy
Ohatra anao mihinan-kanina ihany
Raha sendra lovia hafa , toa sadaikatra ihany
zah akory tsy miteny we mangidy
Fa tsy azoko an-tsaina fotsiny nahatonga azy nahidy
ka izany no mahatonga ahy anontany
nefa raha diso zah , avelao iverina aty amiko ihany
i namanao alou tena mahay
Fa tsy mba poeta sarisary toa ahy
Ka marina ny anao fa ny mivavaka hatrany
No hany hanova ny olona eto an-tany
nefa raha tsy ao ny famelan-keloka
Toa sarotra ny hampiova ny zavatra rehetra
Nefa ny sasany toa miziriziry
Tsy mba hamela heloka, na kou mba mikiry
Ie, tsy ho rava manjakizay doria
Fa ny fanahy mila vatsy
Raha tsy tinao azon'ny ratsy
Aiza no ahitana ny vatsim-panahy
Raha tsy ao am vala izay nampiverina ahy
Ohatra anao mihinan-kanina ihany
Raha sendra lovia hafa , toa sadaikatra ihany
zah akory tsy miteny we mangidy
Fa tsy azoko an-tsaina fotsiny nahatonga azy nahidy
ka izany no mahatonga ahy anontany
nefa raha diso zah , avelao iverina aty amiko ihany
i namanao alou tena mahay
Fa tsy mba poeta sarisary toa ahy
Ka marina ny anao fa ny mivavaka hatrany
No hany hanova ny olona eto an-tany
nefa raha tsy ao ny famelan-keloka
Toa sarotra ny hampiova ny zavatra rehetra
Nefa ny sasany toa miziriziry
Tsy mba hamela heloka, na kou mba mikiry
28. jentilisa
(
16/11/2005 15:42)
Miainga miainga ny fanahy
Tena mahavariana ahy!
ady amin'ny alalan'ny poezia
no ato amin'ity sehatra ity.
Mba firy tokoa moa izany
ny olona afaka miditra
raha tahaka izao hatrany
no anaovana adi-hevitra?
Tena mahavariana ahy!
ady amin'ny alalan'ny poezia
no ato amin'ity sehatra ity.
Mba firy tokoa moa izany
ny olona afaka miditra
raha tahaka izao hatrany
no anaovana adi-hevitra?
29. xxx
(
16/11/2005 15:51)
Aza manahy
Ny baiboly no vakio
Fa ny vatsim-panahy
Avy ao anatin'io
Tsy ny lovia no hanina
Fa ny sakafo eo amboniny
Ka raha manimanina
Dia mandiniha tena
Fa tokony hojerena
Ny momba ilay finoana
Hoe Iza no tompoina?
Aiza no miraiki-po?
Sao amin'ny zavatra mbola ho lo
Tsy hoe ratsy akory
Ny fihainoana toriteny
Saingy aza atao mampahory
Ny tsy fisian'ireny
Ny baiboly no vakio
Fa ny vatsim-panahy
Avy ao anatin'io
Tsy ny lovia no hanina
Fa ny sakafo eo amboniny
Ka raha manimanina
Dia mandiniha tena
Fa tokony hojerena
Ny momba ilay finoana
Hoe Iza no tompoina?
Aiza no miraiki-po?
Sao amin'ny zavatra mbola ho lo
Tsy hoe ratsy akory
Ny fihainoana toriteny
Saingy aza atao mampahory
Ny tsy fisian'ireny
30. akamatiana
(
16/11/2005 15:52)
hihihi jentilisa
mitazoma iany fa sô d migorisa
Afaka miditra dôly ny rehetra
Fa tsy we ho an'izay poeta
Fanontaniana ny ahy no napetraka
d izay manakavaly misokatra ny takelaka
fa tsy we ho an'i xxx sy akamatiana
Fa ho an'ny rehetra izay liana
mitazoma iany fa sô d migorisa
Afaka miditra dôly ny rehetra
Fa tsy we ho an'izay poeta
Fanontaniana ny ahy no napetraka
d izay manakavaly misokatra ny takelaka
fa tsy we ho an'i xxx sy akamatiana
Fa ho an'ny rehetra izay liana
31. xxx
(
16/11/2005 15:53)
Aza manahy
Ny baiboly no vakio
Fa ny vatsim-panahy
Avy ao anatin'io
Tsy ny lovia no hanina
Fa ny sakafo eo amboniny
Ka raha manimanina
Dia mandiniha tena
Fa tokony hojerena
Ny momba ilay finoana
Hoe Iza no tompoina?
Aiza no miraiki-po?
Sao amin'ny zavatra mbola ho lo
Tsy hoe ratsy akory
Ny fihainoana toriteny
Saingy aza atao mampahory
Ny tsy fisian'ireny
Ny baiboly no vakio
Fa ny vatsim-panahy
Avy ao anatin'io
Tsy ny lovia no hanina
Fa ny sakafo eo amboniny
Ka raha manimanina
Dia mandiniha tena
Fa tokony hojerena
Ny momba ilay finoana
Hoe Iza no tompoina?
Aiza no miraiki-po?
Sao amin'ny zavatra mbola ho lo
Tsy hoe ratsy akory
Ny fihainoana toriteny
Saingy aza atao mampahory
Ny tsy fisian'ireny
32. akamatiana
(
16/11/2005 16:00)
xxx , marina dôly ny voalazanao
Nefa ny fanontaniako mou efa novalianao??
Zay ihany ny tsy haritro kely
Fa ny finoana injay tsisy olana velively
Nefa ny fanontaniako mou efa novalianao??
Zay ihany ny tsy haritro kely
Fa ny finoana injay tsisy olana velively
33. xxx
(
16/11/2005 16:11)
Izay nanapaka an'ilay fanakatonana
Dia izy ihany no tsara hatonina
Ka hametrahana ilay fanontaniana
Fa raha izaho aloha tsy ho haiko valiana
Ilay hoe NAHOANA???? :?
Dia izy ihany no tsara hatonina
Ka hametrahana ilay fanontaniana
Fa raha izaho aloha tsy ho haiko valiana
Ilay hoe NAHOANA???? :?
34. akamatiana
(
16/11/2005 16:22)
eny njay ary fa ekena
ka d mianjy ny valintenim-pirenena hihihiih
Ka aôna , ho tohizana ihany ny rima??
Fa tena ôtsany milay sy mahaliana
Sa i xxx efa leo ny mamaly anahy
de ho faranana eto ny dinika izay nanahirana ahy
:-D:-D:-D:-D
ka d mianjy ny valintenim-pirenena hihihiih
Ka aôna , ho tohizana ihany ny rima??
Fa tena ôtsany milay sy mahaliana
Sa i xxx efa leo ny mamaly anahy
de ho faranana eto ny dinika izay nanahirana ahy
:-D:-D:-D:-D
35. xxx
(
16/11/2005 16:28)
Fa ahoana moa aho no ho leo
Taorian'ireo rehetra ireo?
Ento indray ny hevitrao
Fa milay ilay toa lalao :)
Taorian'ireo rehetra ireo?
Ento indray ny hevitrao
Fa milay ilay toa lalao :)
36. akamatiana
(
16/11/2005 16:45)
asa!!! iza no mahalala
Fa zao d mihevita enao we adala! hihiihiih
nenah kou miaro vazivazy
sady manary dia d manala azy e!
fa enao klou mahay e
Sady manafina aminay
we iza no solon'anarana
sa tena tsy azo ampafantarina??
tsy we midika inn zany
Fa zah mba mantanitany
fa raha matafitonana anao
dia akipilio d ,d tsy ho hitanao hihihihihih
Fa zao d mihevita enao we adala! hihiihiih
nenah kou miaro vazivazy
sady manary dia d manala azy e!
fa enao klou mahay e
Sady manafina aminay
we iza no solon'anarana
sa tena tsy azo ampafantarina??
tsy we midika inn zany
Fa zah mba mantanitany
fa raha matafitonana anao
dia akipilio d ,d tsy ho hitanao hihihihihih
37. xxx
(
16/11/2005 17:06)
Tsy miafina aho akory
Na te hanorisory
F'amin'ny dinika manaraka
aho miseho amin'ny anarako
Tamin'ity dinika ity
Hoe aleo ilay hevitra no hiampita
Aza mikorapaka injy
Hisy foana ny resaka fa tsy ho vita
Dia tsy mampisy olana
Ny manontanintany foana
Aleo aza izay hoy ny ohabolana
Sa tsy izany? Sa ahoana?
Asa raha efa nisy
Resaka toy izay
Fa raha tsy izany dia indrisy
Fa record ny anao :)
Na te hanorisory
F'amin'ny dinika manaraka
aho miseho amin'ny anarako
Tamin'ity dinika ity
Hoe aleo ilay hevitra no hiampita
Aza mikorapaka injy
Hisy foana ny resaka fa tsy ho vita
Dia tsy mampisy olana
Ny manontanintany foana
Aleo aza izay hoy ny ohabolana
Sa tsy izany? Sa ahoana?
Asa raha efa nisy
Resaka toy izay
Fa raha tsy izany dia indrisy
Fa record ny anao :)
38. akamatiana
(
16/11/2005 18:18)
ie, zay mitsy l fiteny
Izay ambara ombieny
ka eto njay sika zao
Manao ankamantatra we iza enao??? hihiih
Mahafinaritra ahy
ny manao rima toy izao
Nefa am maha-sarintsary ahy
D tsy mahita morsa tsony aho
Aleo alou avela hatreo
sanatsia tsy we leo an
Fa aleo ho any aorina
fa ande alou Akamatiana hihi
ka ny mba hafatro eto
D misaotra z nandalo teto
Ho salama tsisy harary
samy ho tahin'i zanahary
Izay ambara ombieny
ka eto njay sika zao
Manao ankamantatra we iza enao??? hihiih
Mahafinaritra ahy
ny manao rima toy izao
Nefa am maha-sarintsary ahy
D tsy mahita morsa tsony aho
Aleo alou avela hatreo
sanatsia tsy we leo an
Fa aleo ho any aorina
fa ande alou Akamatiana hihi
ka ny mba hafatro eto
D misaotra z nandalo teto
Ho salama tsisy harary
samy ho tahin'i zanahary
39. ftma
(
16/11/2005 21:38)
Izaho izao te hamaly, nefa tsy mahay mikabary
raha resaka finoana dia aleko mangina.
Akamatiana: tena lasa poety mihitsy ndry zandrikeliko.
raha resaka finoana dia aleko mangina.
Akamatiana: tena lasa poety mihitsy ndry zandrikeliko.
40. sof
(
16/11/2005 21:54)
ftma:
Izaho izao te hamaly, nefa tsy mahay mikabary
raha resaka finoana dia aleko mangina.
Akamatiana: tena lasa poety mihitsy ndry zandrikeliko.
Dia variana ny tenanay
mijery zato haingam-panahy
Za anefa tsy mahay
Ny hamaly tsy ho sahy
Bravô Zandry, mivavaha, mahereza
Zokinao mivavaka mba hateza
izato finoana ngeza dia ngeza
