KABALE ...

1. bichette ( 15/11/2005 13:53)
secte jiosy hono izy io ary ny ahafantarana raha mpikambana na tsia ny olona irayia misy irony bracelet manify toy ny tady menamena ny tanana ankavia. Ny ankamaroan'ny mpihira fanta-daza dia ahitana an'izy io toy i Madonna Brithney ..... ahoana ny hevitrareo ? inona no fantatrareo momba an'io fa tena liana aho ... misaotra
2. namanao ( 15/11/2005 14:22)
Za koa mba liana fa hay misy an'izany koa any?
3. kally ( 15/11/2005 16:16)
Ie! tsikaritro mihitsy izao fa na adala na hendry dia lasa manisy kofehy menamena kely eo @ tanany.Mba te-hitovy @ star-ny hono e!
4. bichette ( 15/11/2005 16:53)
kally > ié mety te hitovy @ star nefa misy dikany ireny dia io kofehy io no ahafantarana azy fa tsy haiko hoe inona no tena ataondry zareo
5. sipagasy ( 15/11/2005 17:27)
ny fahalalako azy dia resaka scientologie io e! sekta izany e! fa ho an'ny mpanam-bola ary any inde any ny tena fanaovadreo la retraite e!
6. kally ( 16/11/2005 08:17)
Tsy scientologie aloha ny kabbale raha ny fahafantarako azy.Tsy karazam-pivavahana loatra koa fa karazana fomba fisainana.Fomba fisainana entina hanandratra ny fanahin'ny olona iray izy io,hono.
Ny Torah no bokin'ny zareo,ny teny tsirairay anatin'io Torah io dia mifono misitery sy hevitra miafina, ny fiezahana hamoaka sy hahafantatra ireo hevitra miafina ireo mba hanandratana ny faahy no atao hoe kabbalisme.Io aloha ny fototra tena iaingany fa izay fomba fisehony sy fandraisan'ny tsirairay azy indray no tsy haiko.
7. Angie ( 16/11/2005 10:40)
Tena vao omaly no nisy documentaire momba an'io taty aminay fa tena resaka jiosy aloha lay izy fa saingy nisy zavatra nampatahotra fa sary eny ampasana sy olona miankanjo maintsy sy hafahafa daholo no nasehony ka sao aho manonofy ratsy dia navadiko zao aho vao nanenina ndray :oops:
8. bichette ( 16/11/2005 13:42)
Angie > fa inona no nataon'ireo olona ireo sa tena tsy hitandry aky
fa inona no tanjondry zareo hono :?:
9. hery ( 16/11/2005 15:28)
bichette> http://www.kabbale.org/intro_definition.htm
Io ilay hoe fantaro ny zavatra rehetra... dia tano izay tsara.
10. jentilisa ( 16/11/2005 15:34)
ny kabale tokoa dia fomba fahazoana ny teny tsy miankina amin'ny resaka intsony fa ilay soratra na endri-tsoratra mihitsy...raha ny fijeriko azy dia be ny jiosy no efa tafiditra amin'io kabale io. Mampivily ny tena sitra-pon'Andriamanitra raha iankinana amin'ny endri-tsoratra sy ny dikan'ny endri-tsoratra ny fanazavana ny baiboly.
11. Herimiafina ( 16/11/2005 22:05)
Shalom daholo, Que la paix soit avec vous.
Réligion Juive Orthodoxe izany voalaza rehetra izany.
12. cutie ( 17/11/2005 04:02)
io ary fa tonga ny raby :-D herimiafina
13. Herimiafina ( 17/11/2005 04:15)
Tandremo fa ny Raby Herimiafina dia mitady Pachart cutie an, hehehehe:-D:-D
Hanontany njay zao enoa hoe inn dikan'izany pachart?
14. cutie ( 17/11/2005 04:19)
ie , in ny dikan'zany :-D
15. Herimiafina ( 17/11/2005 07:28)
Anjara tandrify. Vao teraka ny lahimatoa de atolotra an'Andriamanitra de miandraikitra ny Synagoga sy manaraka ny Kabale. de rehefa lehibe izy de ny fianankaviana no mifidy ny vadiny, tsy hitany iny raha tsy iray andro mialoha ny andron'ny mariaziny. Iny sipa iny le pachart, na le anjarany avy amin'ny Tompo. Romantika be o?
16. bichette ( 17/11/2005 07:39)
hery > sotsa betsaka
herimiafina > ny jiosy no manao an io sa ilay kabbale
17. Herimiafina ( 17/11/2005 07:44)
Ny Jiosy orthodoxe izay manaraka ny fitaizan'ny Kabbale.
18. Herimiafina ( 17/11/2005 07:51)
Jereo ny Baiboly de ho hitanao fa voaresaka ao foana ny momba ny Kabbal, manomboka ny amin'ny andron'ny mpaminany ka mandrapahatongan'ny Actes des Apôtres.
Sivilizationa Jiosy io, Testamenta taloha, oeil pour oeil, dent pour dent.
19. jentilisa ( 17/11/2005 10:39)
fa marenina ary aho sa jamba? Tandremo sao afangaro ny kabale sy ny cannibal an!
20. bichette ( 17/11/2005 13:25)
ka tsara ve io zavatra io sa ratsy araky ny fahitanareo azy kay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1056