marina ve fa?

41. xxx ( 19/11/2005 13:49)
tsy ny halatra ataon\'ny mpiasan\'ny jirama ihany no naha-fahity ny jirama, fa ny fanaovana tsinontsinona ny rano ananantsika ka nidi-bingo tamin\'ny solika!

dia atao inona ry i fijo lalana raha toa ka tsy hisy vokatra ho tanterina? marina mihitsy ny tenin\'i Pika!
dia angaha tsy ho an\'ny vahoaka raha toa ka moramora kokoa ny vidin\'ny vary? tsy ho an\'ny vahoaka raha toa ka miasa tsara ny jiro ary tsy midangana ny vidiny? tsy ho an\'ny vahoaka raha mba mirary ny fanafody sy ny vola aloha any amin\'ny hopitaly raha ilainy izany? ary vahoaka iza no mila ny lalana sy ny tetezana rehefa tsy afa-mamokatra intsony ary tsy mahaloha fre intsony ry zareo fa aleony mandeha tongotra ... tsy mbola misy mangataka amin\'ny filoha anie hoe anatero vola izahay na vary hohaninay atoandro e, raha izay no nisy dia efa lasa teny analakely ny olona niandry izay haterina fa tsy nikarataka any an-kafa! fa andrasana ho izay ve ny zava-misy vao hitaraina?
42. pika ( 21/11/2005 05:24)
ny famonjena ahingana io resaka jiro io dia efa fanampiana haingana ho an'ny vahoaka oh fa tsy hoe anatero sakafo ny vilaniny akory
moa tsy firifry ny tsy an'asa fa mitsoaka ny mpampiasa vola? oh 1 io a
ny mbola miasa mahatsiaro maty antoka dia manondritra ny vokatra vokariny
vahoaka reraka saozanina ve afaka ny mbola hamokatra tsara? ary ny ankizy mianatra afaka ny hitadidy fampianaana? rehefa avy eo ho eny akatso dia hikatso eny koa? ny zanaky ny mpanana mankaiza?
ny fahitana azy dia ny mpanana miha manana hatrany ny mahantra efa miha mahantra hatrany sy miandy fahafatesana, ny dahalo sy ny mpangalatra miha mitombo
43. fijo ( 22/11/2005 21:24)
aza hadino aloha,fa ny tantsaha mpamokatra dia faly nahazo lalana tsara an,aza hadino fa any ambanivohitra any be ny vokatra mihitsoka noho io tsy fisian'ny lalana io.
ny resaka jiro,tsy haiko loatra izay fandehany ao,fa mino aho fa tsy matory fotsiny ny fitondrana
ary maninona kay isika no mora kivy e.zamerika ngaha vita indray andro?taoko ity nitaingina sarety koa ny mponina tany taloha ,nefa tafavoaka izao?
ny antsika vao misy olana dia hovao ny filoha,nefa any ambadika any samy mitazona ilay fomba ratsy taloha ihany.
44. LazaRandri ( 22/11/2005 23:06)
azo lazaina ho zava-bita ve ny cinema? hahaha
45. pika ( 23/11/2005 05:48)
hahaha
ie vita aloha ny lalana mety hivoahan'ny vokatran'i TIKO e sy hangalany ny vokany
ny tatsaha anie tsy nisy fiovan'ny fidimbokatra ry zaeo e fa ireo mpanelanelanelana toy ny .... no toa vao maika nahazo tombony ny any ampotony tsy nisy fiovana toy izany koa ny mpanjifa toa vao maika nijija ny fisodrotry ny vidimbokatra raha tsy hiteny hafa tsy ny vary oh
46. fijo ( 23/11/2005 21:40)
lainga kosa ny filazana fa tsy nahita fitomboan'ny vidim bokatra ny tantsaha.
47. xxx ( 28/11/2005 07:42)
fijo: http://www.lexpressmada.com/article.php?id=38206&r=1&d=2005-11-28

raha 1200 Ar ny kilaon'ny litchi tany ampotony tamin'ny 2004 dia 700Ar monja izany izao.
48. pika ( 28/11/2005 09:36)
raha ny ovy koa no lazaiko dia 60-100ar ny kg any ampotony ary oh izy tonga eto tana :?:
49. fijo ( 29/11/2005 22:50)
ny letchy mila fikarakarana,fa tsy ao ny kaliteany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085