marina ve fa?

1. iketaka ( 11/11/2005 17:16)
mba te ahafantatra aho, fa isaky ny miresaka @ fianakaviana any madagasikara aho,dia milaza foana rizareo fa ny omaly tsy miova foana ny fiainana any. Izany hoe mihalafo ny fianana nefa ny mpitondra mihadonga andro aman'alina.Mamaky gazety anefa aho dia toa hoaran'ny hoe manomboka miakatra ny toe-karena malagasy,ka tena marina ve fa dia mitovy @ fitondrana taloha ihany no ataon'ireo ankehitriny? misaotra an'izay mamaly o!:)
novalian'i fijo ny 29/11/2005 22:50
2. jefra ( 11/11/2005 17:29)
Fa gazety inona no vakianao? Toa mifanohitra @ lazainao izay vakiako rehetra.
3. xxx ( 11/11/2005 19:03)
mafy ny fianana any fa aza manatavy resaka eo enao iketaka,resaka tina hatavy zany erahamahita zany ankehitriny
:-w
:-w
:-w
:-w
:-w
:-w
4. xxx ( 11/11/2005 19:15)
xxx > miankina amin'ny gazety novakiany io aloha eh.

izaho izao androany nahita hoe
“Ianareo no te hifidy an-dRavalomanana, hoy izy ireo, ka izao no vokany”. Ary nilaza izy ireo fa mahasahy matoa manao toy izao satria sarotra ny fiainana.

nalaina tao amin'ny L'expresse de Madagascar (11 Novembre 2005)
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=37706&r=11&d=2005-11-11

ilay "izy ireo" dia mpangalatra (namaky cyber)!
5. Herimiafina ( 11/11/2005 19:26)
Fa taiza no nisy fiainana tsy sarotra teto antany e?
Ny fiainana sarotra foana, fa indraindray ihany ianao no be saosy de lasa mahita hoe mora izy. Refa lany iny saosy iny de hitanao njay fa sarotra izy.

Sarotra koa izany ny fiainana any Dago

Tsy any intsony izany no olana fa any amin'ity manaraka ity:
"Efa mba capabla hanarina ny situation-ny ve ny gasy"

Ny fahantrana dia tsy resaka niveau, fa resaka possibilité.

Rehefa miha-sarotra ny possibilité hanananao zavatra iray (izay mora azo taloha) dia miha-mahantra ianao izay.

Ny malagasy dia kely possibilité noho ny rafitra misy, ny rafitra napetraky ny mpanjanaka, ny rafitra imposer-n'ny Banky mondialy sy ny FMI amintsika, ka tsy afaka manarina ny situation-ny tsara araka ny tokony ho izy.

Jereo ny amerikana, ravan'ny cyclone ny état sasany nefa de iray volana monja de tafaverina amin'ny laoniny. Satria be possibilité izy. Ny rafitra misy de souple, rapida, sady fiable de miray hina tsara koa ny olona.

Ka amiko diso ilay hoe "ny omaly tsy miova" satria hitako fa miova ihany ny situation any, miha-ratsy satria miha-kely ihany ilay possibilité hahafahantsika manarina ny toekarentsika.

6. fijo ( 11/11/2005 21:58)
za tany farany kosa aloha nahita fa nihatsara ny any e.niova lasa tsara ,saingy ny olona aloha dia tena marina fa mijaly.
7. SOLTAKER ( 12/11/2005 02:52)
zahay rangahy tsy ambodiny maizina sahala @ jiro kapôka fa ratsy ny situation eh, ary tsy zava-baovao fa hatry ny ela, zany hoe izavatra ratsy fahiny de mbola ratsy foana hatramizao, fa mandainga raha milaza we efa nihatsara zany lainga zany;
Ny ahiahinay fotsiny mety misy barrage @ pssibilité d'être hanjary (richesse) ny eto Dago satri ny tany tsy desert akory ary tsy miady hoatry ny tany sasany, fa tsy mivoatra fotsiny ny fiainana, eo no mipetraka ny pb,
asa na rahoviana izy ty??????????
8. jentilisa ( 12/11/2005 08:33)
tena kely ny ahafahana manarina an'i Dago! tsy hisy hankaty amin'ny tsy fisian-jiro izany!
9. zandikely ( 12/11/2005 17:23)
Marina fa miha mahantra ny gasy maro ny antony mahatonga an'izany. Fa ny tena antony, tsy mahay mitantana ny gasy, tia tena foana ny mpitondra hatramin'izay. Ahoana ny Mpanjanatany sy ny FMI foana no omena tsiny, nefa ny vola aza tsy hampiasaina aminy fampandrosoana fa ahodinkodina. Hadisoany FMI ve zany? Raha ny vola azony Madagascar izay nampiasainy araka ny tokony ho izy, ataoko fa tsy tahaka izao ny fiainana any. Rariny ny FMI raha mametraka conditions izy, jereo fotsiny, firenena tahaka any Madagascar ve hoy ianareo dia ilaina ny detaxation, aiza ny hahitanao vola hampandehananao raharaha raha tsy misy vola miditra aminy kitapom-bolam-panjaka?
Na ny firenenena matanjaka USA mba nandalo fanjanahana koa izy fa aza adino fa niasa mafy izy. Tsy misy miracle ny fampandrosoana fa EZAKA FINIAVANA FAHAIZAMANAO. Ny olona any Dago dia ahifika amin'olona foana ny hadisoana fa tsy mba jerena ny tsy fahaizana mitantana sy kolikoly isankarazany.
10. jajaf401 ( 12/11/2005 18:43)
zandikely > marina fa misy ny tsy fahaiza-mitantana, ekeko zany,
Fa ny tena loza dia ny FAVORITISME ary eo no nipoiran'ny tsy maty manota, ka raha mbola zany no iainana dia eto isika no raisina!!!!!!!
11. Herimiafina ( 12/11/2005 22:51)
Marina daholo izay voalaza.

Saingy, pousser-o lavidavitr anie ny analizy e. Avy aiza ny fanodikodinana, avy aiza ny tsy fahaiza-mitantana, dia ho hitanareo fa tong aeo amin'ilay antsoin ahoe cercle vicieux de la pauvrété ianareo, de iza no nahatonga an'io cercle vicieux io: ny Modele de développement linéaire nasian'ny Banky mondialy sy ny FMI ary ny club de Paris narahantsika hatramin'izay.

Identifier les causes à la conséquence.
12. jajaf401 ( 13/11/2005 11:25)
Marina zany ra-hery fa ny effort interne koa aloha maivana eh!!
Na mametraka condition hoatry ny ahoana ary izy ireo (BM, FMI) fa tsy matanjaka ny herintsika de dominé foana eh,
Firy moa zay ny financement mba efa ni-favorizeavany tsika fa tsy tafa eh, fa indrindra t@ andron'i Tantely, le plus financé du gouv. malgache depuis..
fa mihodina foana isika,!!!
13. pika ( 15/11/2005 10:28)
mba mamaly tsotra ilay fanontaniana aho izany hoe lazaina tokoa fa mitombo ny harinkarena saingy mihena ny fatran'ny sakafo ho hanina
juste fitazoman'aina sisa raha mahita fa ny mitondra otrikaina toy ny ronono, fromage,hena,voankazo,... aza tsy hitan'ny vava intsony
mafy ny fiainana aty, vao maika aza miha tany mahantra raha tsy hiteny fotsiny ny haizina eto dango
ny tanana ekena fa misy ny fanatsarana saingy vokatr'izay firy moa ny rava trano ka lasa 4amis tsy nasiana vahaolana akory?????
sao la madio ivelany toa ny fasana fotsiny ny hihafarana
14. palince ( 15/11/2005 10:36)
kabary ambony vavahady daholo ny an'ireo briky ireo fa ny kibony sy ny fianakaviany ihany no voky fa ny mpitsindroka eny anjoridira de mitombo tsy tahaka tamin'ny andron'ny debe:twisted:
15. fijo ( 15/11/2005 22:16)
tadidio fa vao niala teo tsiranana dia nijaly foana isika,saingy ity fitondrana ity irery no hany mba nitondra fihovana kely tao mada hatramin'izay.ary aza hadino,fa ny teo aloha dia nanao izay azony atao hanimbana ny firenena vao niala,ary tena ripaka ny volampanjakana nialany teo.koa gaga ve nareo raha miadana be ny fihovana misy any??????
ary mino ve nareo fa raha ny arema na ry zafy no miverina eo dia hidina tampoka ny vidin'ny solika,hoavy tampoka ny mpampiasa vola?hitoy ny fanamboarana ny lalana simba rehetra?hiova tampoka ny toetsaina tia kolikoly misy any.ahita vola tampoka ny fanjakana???? diniho tsara ihany aloha,sao hiverenan'ny mpanimba indray vao hoe aleo ihany ravalo.ny antsika mantsy le manenina io tena tian tsika,
16. pika ( 16/11/2005 09:53)
nareo tsy miaina eto dia miteny izany
ny taondasa koa ve tsy tsaroana e
azo lazaina fa mba nisy zavatra vita koa anie t@ andron'i deba e fa aza modia tsy hita
ny fandraisana andraikitra sy ny fanaovana be marenina @ hetahetambahoaka sy ny ainy no tena tsy zakany @zao fotoana izao
fantatra izao fa anisan'ny antony iray lehibe meety hampisondrotra ny vidin'entana ny fisian' ny delestage, hitsoaka ny mpampiasa vola, hihena ny mpizahantany, ho be ny tsy an'asa ..... moa ve mba nasiany topimaso fa tsy manao vazaha mody miady ao indray ry zalahy
iza no tena prioritaire kay ny lalana ve ????
ary raha lazaina fa vokatry ny teo aloha izao fahantrana izao koa rehefa hita fa tsy ho vita hono tsy nomena izay nahavita fa mibodo toerana nefa tssss
17. xxx ( 16/11/2005 14:39)
fijo:
ary aza hadino,fa ny teo aloha dia nanao izay azony atao hanimbana ny firenena vao niala,ary tena ripaka ny volampanjakana nialany teo

i fijo ve mba mamaky gazety sy manaraka ny zava-misy any Dago, sa dia mihanona amin'ny hoe nihatsara ny lalana? sa mamaky ihany fa gazety "voafantina"? io no tena olana amin'ny gasy - tsy ampy ny vaovao azony ... nefa koa rehefa ilazana vaovao dia tsy mba mandinika fa manao hevi-draikitra.
fijo:
tadidio fa vao niala teo tsiranana dia nijaly foana isika,saingy ity fitondrana ity irery no hany mba nitondra fihovana kely tao mada hatramin'izay.

tsy marina - sa izao tokoa ny hoe taon-dasa tsy tsaroana! tamin'ny taona 198? no fotoana anisan'ny nampijaly ny vahoaka (nilaha-bary, ...), dia niarina kely isika avy eo ... dia amin'izao efa mitady hiverina indray ny fiainana tamin'ny 198? ... dia sahinao ve no miteny hoe ity fitondrana ity irery no nitondra fiovana kely? mety fiovana midina angamba no tianao ho tenenina! Jereo ny firongatry ny dahalo ... sao misy mihevitra fa te ho dahalo tsy amin'ny antony ireny olona ireny ... na ny fiainana no manery azy, na izy misy miaro (ilay antsoina hoe dahalo ambony latabatra)!
18. jajaf401 ( 16/11/2005 20:03)
Maro programme loatra koa anie Ravalo ty de lasa lany andro @ conception eh!!
Fa raha handahatra ny zava-bitan'ny mpitondra nifandimby isika dia mba efa tokony hanomboka kosa izay eritreretiny hatao souvenir n'ny fitondrany fa tsy hay ny ampitso eh,
Ny antony manko dia zao : reny olo nifandimby teo @ fitondrana reny toa mba misy ihany izay zavatra tsara fondation ary manana ny hasina manokana najorony alohan'ny hialana teo @ fitondrana; oh Tsiranana nanangana CUR de 6 provinces ohatra; Deba nanao Universitén'i Tanà ho numero 1 aty @ afrique sady mbola nahavita an'ny andekaleka koa; zao Ravalo no tompon'ny tour, ka zay mba zavatra hapetrany sady maharitra no andrasana, fa raha tsy mahavita izy dia eo koa izy no raisina hoatr'ireo t@ tetezamita reny foana!!
Fa mafy aloha ny jaly fa zao "tsy mbola mampaninona ny jamba aloha ny latsaka an-davaka eh"!!
19. Herimiafina ( 16/11/2005 20:38)
Il ne faut pas interpreter un mal par ses symptomes, il faut l'analyser dans ses racines.
20. fijo ( 16/11/2005 22:27)
mamay gazety tokoa aho ka,tribune sy midi ihany aloha e.
tsy milaza kosa aho ,fa vokatry ny teo aloha ihany izao fahoriana izao.
asa aloha na fihovana midina no hitako,fa ny hitako tany dia niha tsara ny lalana,niha be ny mpirevy isan kariva(vola n miasa eo)
mihatsara analakely,
miha betsaka ny zavatra hita any sns
ny dahalo efa nisy foana io,fa taloha tsy filaza satria manaratsy laza.moa ny rezepy taloha nanampy trotraka.iza no namorona ny rezepy??????
nanatsara ny universite tao tana tokoa ve ratsiraka?????????????????mba nianatra tao ihany aho ,fa tsy izay no hitako tao.
ary ireo lalana be vita ireo ve tsy azo tenenina hoe zavabita maharitra,sa hapoaka indray avy eo?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0759