sondage tsy mampino!

1. jentilisa ( 29/10/2005 13:41)
Nisy sondage nivoaka nataon'ny Afrobarometre ka ny usaid no namatsy vola tamin'izany. Tsy mampino ny vokatra iray! inona hoy ianareo?
67%n'ny olona nanaovana sondage no mbola matoky ny Filoha ravalomanana! Mino izany ve ianareo?
novalian'i fijo ny 27/12/2005 21:47
2. xxx ( 29/10/2005 14:01)
yé zah mino 100%:D
3. xxx ( 29/10/2005 14:12)
fa in ko ny antony tsy tokony inoana an-zany zao
4. xxx ( 29/10/2005 14:41)
fa in ko ny antony tsy tokony inoana an-zany zao
5. xxx ( 29/10/2005 15:31)
zah tsy mino an'zany - tamin'ny fifidianana aza ve
zara raha lany, dia efa avy tsy nahomby telo taona dia hoe 67% ... mety samy manana ny % koa aloha io eh
6. kitjo ( 29/10/2005 16:04)
za tsy mino hoe 67% fa mino kosa fa mety mihoatra kely 8)
7. zama91 ( 29/10/2005 16:29)
inona nefa ny blem eh
8. Veloo ( 30/10/2005 01:50)
za mino 100% hahahaha
9. pitchou ( 30/10/2005 07:10)
:-D:-D:-D:-D:-D
jentilisa ngah ho tsy nino raha ny mifamadika t@zay no nolazainy? zany we67% no tsy matoky intsony? :-D:-D:-D
10. jamal ( 30/10/2005 13:57)
na sondage io na inona r'ise hanona ny hanina fa ny harena mila vintana.mbola ho tonga eo za dia jentilisa no ataoko pm.Misorata anarana zay hiditra ao @ fitondrako.Sady milay an!
11. xxx ( 30/10/2005 16:28)
zavatra mazava b zany fa tsy hita mintssy oe inona ndray ny antony tsy inoana an-zany , tsy ra8 sy ny fianakaaviny akory no nanaaovana sondage fa ny vaahoaka
12. xxx ( 30/10/2005 18:01)
io anie tsy miankina fotsiny amin'ny hoe vahoaka no nanaovana sondage eh - jerena kou hoe iza no nanao ny sondage, firy %n'ny atao hoe VAHOAKA no nanaovana ny sondage, ary iza no nantsoin'ny mpanao sondage hoe VAHOAKA, taiza no natao ny sondage ...
13. zakilinina ( 30/10/2005 20:51)
Minoa fotsiny ihany ry Jentilisa !
Aza lazaina hoe tsy nahomby ny fitondrana nandritry ny 3 taona.
Raha sanatria marina aza izany dia nohon'ny anton'ny fanakantsakanana ataon'ny ankolafin'olom-bitsy : ao ireo mararin-tseza, ireo tao no voahongotra nohon'ny tsy fahombiazana, ny mpanao kirin'antitra, ireo tsy maty voalavo an-kibo, ireo tsy maty manota sns.
14. marozevo ( 30/10/2005 23:30)
Za tsy mino hoe 67% izany fotsiny .... Mety ho 80 na 90 raha tena ny vahoaka rehetra no nanaovana sondage. Azavaiko ny hevitro : Inona no atao hoe vahoaka ? Ny olana ho antsika dia ny famaritan io teny io... indraindray rehefa tsy olon-drery dia vahoaka izay... indraindray ny mpifidy ihany no vahoaka .... indraindray izay mitovy firehana politika amin'ilay miteny ihany no ataony hoe vahoaka... Fa amiko, ny Malagasy rehetra dia manana zo ho vahoaka satria mivelona sy miaina ary mitady fivelomana amin'ny fomba mendrika eo am-panajana lalàana velona.. sns.
80 à 90 % no matoky an-dRavalomanana, minoa hy ianao.
15. xxx ( 31/10/2005 00:11)
vao maika tian'ny olona ravalo atramin'ny delestazy sy ny fanakatonana radio & fengonana...:-D:-D:-D:-D:-D
16. Herimiafina ( 31/10/2005 01:27)
jentilisa:

Nisy sondage nivoaka nataon'ny Afrobarometre ka ny usaid no namatsy vola tamin'izany. Tsy mampino ny vokatra iray! inona hoy ianareo?
67%n'ny olona nanaovana sondage no mbola matoky ny Filoha ravalomanana! Mino izany ve ianareo?


Ny mimenomenonana nie tsy midika hoe tsy tia e.
Rehefa misy fiovana tinao ampidirina izay ao ampiasana ohatra dia mimenomenona ny mpiasa. Favy izany, satria matoa ny mpiasa mimenomenona dia mi se sentir concernés. Ny atoo hoe tsy tia dia ireo tsy miraharaha.
17. jentilisa ( 31/10/2005 07:04)
Mahafinaritra izany fanehoan-kevitra tsotra izany! ary mety ho tanteraka koa anie ny tenin'i jamal ka mety ho pm aho e. 8) f'izany hoe nisy koa manko ny filazana tao anatiny hoe 12% ihany no mety ho azon'ny mpanohitra. Tena marina ny hoe mimenomenona tsy midika hoe tsy tia. Fa hono kosa ho'aho raha toa tokoa moa mahazo 80% Ravalomanana amin'ny fifidianana ho avy moa tsy lasan'eritreritra indray ve ny vahiny hoe tena tsy misy demokrasia indray any, na mety ho lasan'eritreritra hoe sao dia misy hala-bato kosa ary ao anatin'izany?
18. mandrindra ( 31/10/2005 10:21)
I chirac izao nahazo 80% isanjato mahery tamin'ny fifidiananna farany nefa tsy nisy nieritreritra hoe nisy halabato ve.
Ny 67% lazain'io sondage io de marina. Marina satria anie 67% ny olona nanontaniana manakasitrava ny fitondrana e. Fa ny fanontaniana tokony napetraka angamba dia ny hoe ahoana no fomba nanamboarany ny échantillon nanaovana sodage, tena représentatif ny mponina ao madagasikara ve?
19. jentilisa ( 31/10/2005 10:26)
nolazainy mihitsy aloha hoe nanerana an'i Madagasikara. Ary tany ambanivohitra no tena nataony betsaka. filazany izay aloha!
20. mandrindra ( 31/10/2005 11:16)
jentilisa, tsy ampy anie izany hoe nanerana an'i madagasikara izany. Firy isanajton'ny mpifidy ny any mabanivohitra, dia toy izay ihany koa ny proportion tokony ho alainy ; dia iza daholo ireo mpifidy any : mpampianatra, tantsaha, renimpianakaviana, mpiasanany' fokotany .... ; izany rehtra izany anie tokony ho raisina daholo e.
Amiko aloha mbola sarotra ny manao échantillon any Madagasikara raha resaka fifidianana izany satria, tsy mbola nandre aho hoe nisy fifidianana ka tsy nisy osoka, noho izany tsy mbola fantatra ankehitriny hoe inona ny caractérisitiquesn'ny mpifidy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0506