mba toroy hevitra e

1. dadabe ( 26/10/2005 05:32)
hono hoa ry zareo ,tsy haiko na resaka efa nandeha teto izy ity na tsy, fa aleo manotanitany foana.
sao mba misy mahalala hoe,ny tongolo gasy moa mampidina sa mampiakatra tension?tahaka izany koa ny anamamy?
dia mba ilazao sakafo hafa izay mba fantatrao fa tena ilaiko azafady e
2. pika ( 26/10/2005 05:45)
ny tongologasy mampidina toy ny ravinagarana koa
ny anamamy kosa mampiakatra sy ny hena mena toy ny henomby indrindra raha atao mantamanta sy ny sira
tandremo anefa fa tsy tsara ny manao dokotera tena mety mihevitra nao hoe miakatra nefa kay nidina ao koa ny hoe hita hoe niakatra dia hinana ireo sakafo mampidina kanjo lasa nidina be tao dia maty eo
3. Herimiafina ( 26/10/2005 05:47)
De zao kou, reny sira lazaina misy ioda ireny no tena mahatonga hypertension fadiranovana.

Vahaolana, ahahy amin'ny masoandro ao anaty bokal vao ampiasaina.
4. dadabe ( 26/10/2005 06:06)
ka raha sira efa vita triter le eny @ magazay dia ahoana??

pika> misaotra betsaka zao manko zah indraindray tahaka ny fanina izany:^),zah tsy mahalala na miakatra na midina ,fa sao dia mba misy ahafantarako fa miakatra na midina ny tension??(signe )
5. Herimiafina ( 26/10/2005 06:15)
Ngô de misy tazo ry dadabe de midina ny tension?

Raha marenindrenina sy marary loha eo ambonin'ny hatoka dia tena mety miakatra.

Ahazo foana alou le sira fa tsy hay mihintsy, feno cathion manenjana na mangoraka ny lalandrà mansty izay ireny.
6. agoago ( 26/10/2005 07:31)
Ny mety Dadabe dia manatona mpitsabo ihany a.Arahi-maso ny tosidra.Sao aretina hafa ny anao fa tsy resaka tosidra
Araka ny taona ny refin'ny tosi-dra.
Raha mihoatra ny 14 ny tension maximale (ambony), raha mihoatra ny 10 ny tension minimale (ambany), dia efa voasokajy ho manana tension avo ny olona iray(hypertendu).Eo amin'ny 12/8 eo ny normale.Fa raha ambany noho ireo ny valeur dia manana tosidra iva (hypotendu) Raha tena mifanakaiky koa ireo valeurs ireo dia tsy tsara loatra ho an'ny fo.
Misy sakafo tsy maintsy fadiana araka ny tosidra ananao.Koa izay ilay lazaiko hoe ny mpitsabo no afaka sady manara maso anao, no milaza aminao hoe izao atao, na izaro atao.
7. ari.malala ( 26/10/2005 07:44)
dadabe:

ka raha sira efa vita triter le eny @ magazay dia ahoana??

pika> misaotra betsaka zao manko zah indraindray tahaka ny fanina izany:^),zah tsy mahalala na miakatra na midina ,fa sao dia mba misy ahafantarako fa miakatra na midina ny tension??(signe )



mividy tensiomettre d enao ihany no maka azy d enao ihany no mahita we nidina na niakatra, any @ pharmacie no mividy anazy d zareo ihany no manoro we zao no fampiasana anazy, sady efa misy izao ny tensiomettre tonga d manome ny pulsation. Na ny tena tsara d manatona mpitsabo araka ny voalazan'ny namana, d zareo no mahita ny fanafody sy ny hygiène de vie tokony ahrahina.
8. pika ( 26/10/2005 09:56)
dadabe koa angamba tsy mazoto misotro rano koa
na izany aza mety ho fambara aretina hafa koa ny tension fa manatona ihany dokotera
dia aza de mery mihinana matsiro fona fa mankarary
mahereza mihinana légume
9. dadabe ( 26/10/2005 11:03)
fa zao anie e,nolazain'i ray amndreniko fa zahay hono taranak'olona be tension dia manaranaka hono ireny,marina ve zany ry zareo?
10. pika ( 26/10/2005 11:35)
mety mitombona izany
koa dia ahenao ary ny sira aza atao be loatra....
11. klemntina ( 26/10/2005 12:25)
dadabe raha taranaka olona manana tension ianao dia mety manaraka io fa manantona dokotera @ izay enao afam-po tsara
12. Herimiafina ( 26/10/2005 15:18)
Ry dadabe aza moa miari-tory ato knou aiza no tsy hisy blem tension.

Manaranaka ny tension, tsy de le tension loatra fa le toetran,ny lalandrà sy ny fo. Manaranaka le toetra maha-mora voan'ny tension izany e.

O ry dadabe an, misy fomba tsotra ity, vao maraina de ndana mandehandeha pieds nus eny ambony bozaka. de mba manaova koa Taichi-Chuan dieny mbola any Chine ihany i toi.
13. fasaly ( 26/10/2005 15:21)
dadabe:

ka raha sira efa vita triter le eny @ magazay dia ahoana??

pika> misaotra betsaka zao manko zah indraindray tahaka ny fanina izany:^),zah tsy mahalala na miakatra na midina ,fa sao dia mba misy ahafantarako fa miakatra na midina ny tension??(signe )



tsotra; mividiana tension mettre de fantatr'i toi na be loatra na latsaka loatra, sady tsy lafo izy ireny amzao sady hitanao amin'ny magasin rehetra eny....
de mba manaova repos ihany najinjay de ampy torimaso tsara e!:wink:
14. dadabe ( 27/10/2005 11:12)
misaotra betsaka anareo etena ilaina daholo izany fa aleo ampiarina e
15. Veloo ( 27/10/2005 15:20)
dadabe a,

Ny mampiakatra tension ko dia ny tsy fatorina ara-dalana, ireny miandry faty ireny na ireny mandihy any @ boite mandrapahatonga ny maraina ireny, miasa alina ka hatramin'ny maraina ireny mampiakatra tension doly ko an:wink:
16. Herimiafina ( 27/10/2005 15:41)
Ny miari-tory nefa mampidina ry Veloo an, (l)
17. Veloo ( 27/10/2005 16:22)
po ry kala hery a tsssssss lainga be zany ataovy indray alina dia ho hitanao :roll::roll::roll: tsy mampidina izany lety a
18. Herimiafina ( 27/10/2005 16:59)
Misy tension ianao hoy ny dokotera, ny dikan'izany mety midina na miakatra fa tsy voatery hoe hiakatra foana.

Ny miaritory nefa mampidina tension noho ny faharerahana be loatra vokariny.
19. Veloo ( 27/10/2005 17:38)
:roll::roll::roll:
20. iartistika ( 27/10/2005 17:59)
de ajanony koa ny :@ radada ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3327