Fanontaniana mila valiny tsara

1. xxx ( 19/10/2005 14:35)
Ahoana indray ianareo amin'ity fiangonana FPVM nohidiana ity tsy hitanareo ho lasa resaka be indray ve izy io , aiza ve ka fiangonana efa niroborobo ity indray ka hidiana dia ho aiza indray ireo olona be dia be tao ireo satria izy ireo dia efa fantatra fa tsy hiverina any amin'ny FJKM mihitsy aloha e! ondry efa tamana indray ve no roasina e! tena mino aho fa faly tsy misy hoatran'izany ireo partie contre satria ny fivavahana izay nandradrain'ny Filoha Ravalo ity nakatona efa nakatona aloha ny Universelle de Dieu izao indray ny FPVM izay tsy nanibazimba ny fivavahan'ny hafa dia nakatona dia iza indray ao aoriana no akatona ? tokony handray ny andraikiny ny Filoha amin'izao toe-javatra izao fa lasa misy zavatra tsy mety eto amin'ny firenena sady fivavahana efa manerana izao tontolo izao no hidiana dia asa re izay hiafarany fa ny FJKM tsy nahatazona ny ondry indray ve no nahazo ny rariny efa tsy fitiavana ny FPVM mihitsy ny an'ireo FJKM ireo . Dia anareo ny manohy azy ry zareo an!
novalian'i jentilisa ny 29/10/2005 13:19
2. xxx ( 19/10/2005 15:04)
fa oviana no nanakatonana azy hono e??efa nikatona marina ve?ary raha milaza ianao hoe iza no manaraka de efa haiko fa zah tsy mbola hilaza,fa zao e mivavaha fotsiny dia zay
3. routa ( 19/10/2005 15:34)
tonga de lazao ry xxx>iza ndray? ny trano fandihizana ny toerapilokana ny trano fivarotana toaka tsy tokony reny ve no hidina e!
4. sonwin ( 19/10/2005 20:38)
Mino aho fa nisy antony nanakatonana azy ao,ka io antony io no tsara jerena hoe nitombina sa tsy nitombina,dia izay vao afaka manome valiny...
5. sonwin ( 19/10/2005 20:39)
Mino aho fa nisy antony nanakatonana azy ao,ka io antony io no tsara jerena hoe nitombina sa tsy nitombina,dia izay vao afaka manome valiny...
6. routa ( 20/10/2005 04:01)
zay kou lou e! nefa sanatria de loza be ve? no de nidina.
7. pika ( 20/10/2005 04:09)
na izany aza aleo hivavaka an-kahalalahana ny olona @zay tiany tsy ireny mbola mpamonjy dadarabe ireny henjehina
8. routa ( 20/10/2005 04:16)
zay anie e! zay no mahatonga ahy nanontany hoe de efa loza be ve ny tokony hidina tsy hidina fa de mahagaga nefa mo reraka eto fona fa tsy manampahefana ka aleo mangina e!
9. dizneff34 ( 20/10/2005 07:25)
Ary maninona raha any an-trano no mivavaka e ? @ zay tsisy problème ??
10. jentilisa ( 20/10/2005 07:26)
Izaho dia mahalala zavatra ihany satria manana zaodahy mpitandrina any amin'iny faritra Alaotra ( Morarano Chrome no tena marina iny). Inona tokoa moa no zava-misy? Ny dabilion'ny sekoly FJKM dia robain-dry zareo avokoa satria hoe ry zareo no nanome azy. Toerana iray fotsiny izay nolazaiko izay. Fa maro dia maro ny faritra tadiavin-dry zareo avadika FPVM fotsiny ny fiangonana FJKM. Ny fananana anefa dia efa an'ny FJKM koa na miala 100% amin'io fiangonana io aza ianao dia miala ianao fa tsy afaka hibodo fiangonana mihitsy. Tsarovy fa efa nisy ny filazana nataon'ny foibe FPVM tsy hibodoan'ny olony intsony izay fananan'ny FJKM. Matoa anefa niroso ihany ny fanankatonana dia tsy nanaiky izay fanpahan-kevitra na teny midina izay ry zareo efa nilazana efa aza mibodo rehefa miala. Rentsika tsara ny zava-nisy tao La Réunion raha vao nipoaka fotsiny ity resaka FPVM ity. ILay findohan'ny fiangonana izany no nampisy olana, mbola maro hatramin'izao ny fananan'ny FJKM no tsy naverin'ny FPVM fa ny baiko hampitsahatra ny fibodoana no nisy. Koa anjarantsika no mandinika...raha izay toe-javatra izay no misy, nety ve sa tsy nety ny fanapahan-kevitra?
11. bozimanga ( 20/10/2005 12:05)
amiko dia tsy tokony hasiana resaka fampiadiana finoana na FPVM na FJKM dia rehefa Andriamanitra iray no ivavahana ary atao @ finoana dia tokony tsy hisy olana Ny fampitambarana aza anie ryreto no tadiavina fa tsy fampisarahana eh
ary aza asiana resaka politika ny resa- pivavahana fa tsy mety izany ihany no mahatonga ny firenena malagasy tsy handroso satria zavatra roa mifanohitra izany
fa tena marina tokoa ve izany? ary efa officielle ve?
sao mantsy manely tsaho fotsiny ka........
12. avylavitra ( 20/10/2005 13:31)
Ny tena vaovao officielle aloha tsy haiko. Fa ny fantatro fotsiny dia efa nisy fanomezana baiko avy amin'ny FPVM hono mba tsy hanarakaraka ny FJKM ny olony any amabnivolo rehetra any, eny fa na dia ny taninao izao aza no iorenan'ilay fiangonana FJKM, dia aleo hafoy ho an'ny FJKM. Ny ondry indray mandry anefa tsy indray mifoha. Ary tsy ho azonao rohizana tady mahazaka koa ireny olona ireny mba hanaraka ny tenin'ny foibe. Fa ny hitako tsy rariny fotsiny amin'izy ity, dia toa efa alahelon'ny FJKM ela be an-taonany maro be izy io. Ary olana eo amin'ny FJKM sy ny Fifohazana Manolotrony no tena antony. Koa satria moa zanaky ny Fifohazana Manolotrony ny FPVM araka ny fahalalan'ny maro azy, Dia tsy namelan'ny FJKM raha tsy mirodana. Toa tany Manakara tany no tena niandoha ny olana, koa raha ny hevitro manokana dia tsy ny tany Manakara sy izay toeran-kafa nanao tsy nety ve no tokony ho nandraisana fepetra aloha, ary avy eo dia nanantona ny foiben'ny FPVM? Milaza mantsy ny ao amin'ny FPVM (araka ny vaovao henoko tamin'ny radio privee iray teto Tana tamin'ny herinandro) fa tsy nisy fampilazana taty amin'ny foibe iny didy iny raha tsy izy efa tapaka tany ho any. Sarin'ady fotsiny izany ilay nataon'ny FJKM nanaiky ny hifampiresaka tamin'ny FPVM tamin'ny Talata teo. Raha mahamarika ianareo dia izay fiangonana rehetra tsy ao anatin'ny FFKM no ataon'ny FJKM lasibatra amin'izo fotoana satria efa tsy voafehiny intsony ny ondriny. Tena mahamenatra anie ry reto fa ny Katolika tsy manasa ny lamba malotony imasom-bahoaka toy izao ataon'ny FJKM izao eh! Sa rehefa tsy fivavaham-panjakana dia tokony ho foanana? Tsy fombako na iza na iza io fa tena mba mahalasa fisainana ihany. Betsaka mantsy ny resaka momba ity resaka FJKM sy Fifohazana Manolotrony ity no efa henoko. Rehefa tsy nanaiky hono Manolotrony ny hanaraka ny Fomaban'ny Mpiandry FJKM dia noroahina ankolaka hiala anatiny trano fiangonana FJKM. Ary rehefa tsy afaka tamin'ny fomba milamina dia nanaovana tery vay manta. Indraindray aho tafaresaka amin'ireny olona tsy mpiditra ampiangonana ireny dia manongo tena sy menatra. Hoy mantsy izy ireny hoe Aleo ihany tahaka anay toy izay toa anareo miditra ampiangonana itony nefa ny ao aza avoaka indray ho eny an-dalam-be.
Samia ho tahian'Andriamanitra eh!
Marina mihitsy ilay voalazan'ny namana iray ery ambony hoe Tsy hiverina FJKM intsony ireo FPVM ireo, Ka raha ny hevitro dia tsy tsinin'izy ireny raha mivorivory eny amin'izay ahafahany manao fotoam-bavaka izy ireo. Sa hanirahan'ny Fanjakana Polisy indray ho fampitahorana. Manahy aho raha izany no miseho satria na ny Silamo aza anie izao ka mahatsiaro fa ataon'ny Fanjakana tsinontsinona e!
Dia ho hitantsika eo ny tohiny e!
13. sonwin ( 20/10/2005 13:45)
8O...
14. pika ( 20/10/2005 14:24)
zay indray aloha tsy haiko e
15. akamatiana ( 20/10/2005 20:41)
wajay , marina ve fa nikatona ny FPVM , le eo an-taninanandrano ve?? tsy mbô rariny kousa k, efa tao am FJKM no nailika d zao njay kou mbola nakantona , amiko alou an! dia toa fialonana dôly zany kle . Mampalahelo ilay toetra an .Asa anefa..
16. jentilisa ( 21/10/2005 06:58)
Aoka kosa hazava ny resaka. Tsy nailika ny tao @ FPVM fa nanala tena. Nilaza hoe izahay tsy maintsy manaraka ny pasiteranay. Sahala amin'ireny hoe pasitera ireny no ivavahana. NY niandohan'ny fitoriana fotsiny anie no Manakara fa eran'i Madagasikara feno korontana anaovany azy e! Tsarovy ny reska rehetra nitranga tamin'izany fotoana izany. Nisy zavatra tsy rariny tao Andravoahangy tao tamin'izany fotoana izany. Ankehitriny toa tadiavina adinoina izany. Aiza ao amin'ny Baikboly moa no misy fitenenana hoe tsy afaka ny ho mpandray ianao raha tsy manonofy aloha ary milaza ilay nofy amin'ny pasitera? Tsy efa fivilian-dalana amin'izay tena finoana kosa ve izany. Ahoana koa no ahafahana miteny hoe afaka tsy mangata-pamelana ho an'ny tenany intsony ny pasitera fa efa afaka tanteraka ny fahotany? ny olona rehetra anefa araka ny finoana dia mpanota avokoa.
Nalaina avokoa ny dabilio rehetra fa hoe izy no nanolotra. Fiangonana sivy ny tany Manakara...mba rariny ve izany. Mamkia ianareo azety iray gasy @ net (le quotidien) fa manomboka miraraka amin'izay anie ny fitarainana any @ faritra rehetra eto Madagasikara e! misintaka afaka misintaka fa ny manao tsifoifoy no tsy mety. Zavatra natolotrao ve dia entinao manaraka anao? sa nanaovana reservé tany @ FJKM hoe izahay ihany no mipetraka amin'ity dabilio ity?
Aza fady fa toa masiatsiaka izy izany!
17. eprom ( 21/10/2005 08:01)
Amiko aloha de tokony hodinihina ihany ny statut-ny FJKM ( sy ny FFKM ) eto Mkara. Fivavahampanjakana ve? Manjary mandiso ny fijerena ny olana indraindray. Izao mantsy no mahalasa saina ahy : raha misy mpitandrina 1 na 2 amin'ny fiangonana madinika iray manao zavatra tsy ara-dalana de ny fiangonana eran'ny Mkara no akaton'ny fanjakana. Inn ohatra no hadisoan'ny mpiavavaka EURD tany mahajanga na toliary ka nanakatonana ny fiangonany? Toy izany koa ny FPVM, nahoana raha ny pasitera na ny mpiangona izay tsy manara-dalana no faizina fa nahoana no ny fiangonana iray manontolo no hakatona? raha misy tsy fanarahan-dalana tany Manakara, inona no idiran'ny mpivavaka FPVM n'i Toamasina amin'izany no foanana ny zony hivavaka @ fiangonana izay tiany? Ary mino ve ianareo fa raha misy pasitera FJKM na mompera manao hadalana ( aza misy anie izany ) de hakaton'ny fanjakana ny FJKM na ny EKAR? Amiko de ny zon'ny tsirairay no ambony indrindra. Raha misy ny tsy manara-dalana de faizo izy fa aza kitihana ny zon'ny hafa.
18. eprom ( 21/10/2005 08:08)
Amiko aloha de tokony hodinihina ihany ny statut-ny FJKM ( sy ny FFKM ) eto Mkara. Fivavahampanjakana ve? Manjary mandiso ny fijerena ny olana indraindray. Izao mantsy no mahalasa saina ahy : raha misy mpitandrina 1 na 2 amin'ny fiangonana madinika iray manao zavatra tsy ara-dalana de ny fiangonana eran'ny Mkara no akaton'ny fanjakana. Inn ohatra no hadisoan'ny mpiavavaka EURD tany mahajanga na toliary ka nanakatonana ny fiangonany? Toy izany koa ny FPVM, nahoana raha ny pasitera na ny mpiangona izay tsy manara-dalana no faizina fa nahoana no ny fiangonana iray manontolo no hakatona? raha misy tsy fanarahan-dalana tany Manakara, inona no idiran'ny mpivavaka FPVM n'i Toamasina amin'izany no foanana ny zony hivavaka @ fiangonana izay tiany? Ary mino ve ianareo fa raha misy pasitera FJKM na mompera manao hadalana ( aza misy anie izany ) de hakaton'ny fanjakana ny FJKM na ny EKAR? Amiko de ny zon'ny tsirairay no ambony indrindra. Raha misy ny tsy manara-dalana de faizo izy fa aza kitihana ny zon'ny hafa.
19. routa ( 21/10/2005 09:42)
le fiangonana atsy andravohangy fivavahana ve zany ry reto a?
20. isalo ( 21/10/2005 12:36)
Raha ny vaovao voaraiko farany satria aho dia mpivavaka aho ary i Dada sy Neny dia mpiandry aho dia tsy nanaiky ny fanakatonana ny filoham-pirenena.
Ny olana mantsy ry zareo dia tohin'ilay navoakan'ny gazety taratra hoe "TSY MATAHOTRA NY FPVM NY FJKM"
Avy eo ny FPVM namoaka filazana ho an'ny mpiangona aho aminy mba ho tony ary hanaraka hatrany ny lalana mifehy ny fananganana fiangonana.
Amiko ny tokony atahoran'izay milaza azy ho Kristianina niova fo ka nandray an'i Jesosy Tompo sy mpamonjy dia ny devoly raha toa izy niemotra.
e!raha mba velona teo mantsy i masindahy Paoly dia nahazo tena henjana taminy ireo fiangonana na ny mpiangona ao aminy mifanenjika nefa dia Tompo iray ihany no tompohina.
Ho ahy tsy olana na aiza aho mivavaka na aiza
rehefa ilay Andriamanitra Ray-Zanaka-Fanahy Masina no tompohin'ilay fiangonana noho izany tiako ny "Catholique" ny FJKM ny FPVM ....
Izay aloha ry zareo a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.226