Fanontaniana mila valiny tsara

21. jentilisa ( 21/10/2005 12:51)
misy be drikina koa anie indraindray tsy mety mihaino hoe saiky manerana ny nosy no misy olana fa avadika politika hatrany ilay izy e!
22. sonwin ( 21/10/2005 14:20)
raharaha izy ity ka
23. sonwin ( 21/10/2005 14:21)
raharaha izy ity ka
24. eprom ( 22/10/2005 08:16)


jentilisa:

misy be drikina koa anie indraindray tsy mety mihaino hoe saiky manerana ny nosy no misy olana


Tsara fantarina aloha hoe ny fampianaran'ilay fiangonana mihitsy ve no mifanipaka @ lalana ( ohatra mamporisika ny olona hangalatra na hamono olona ), mitombina ny fanakatonana amin'izay. Sa ve ny mpikambana sasany no manao tsy ara-dalana?Amin'izay de ireo mpikambana ireo no faizina araky ny lalàna. Apetrako ary ny fanontaniana : raha ny 51% n'ny mpivavaka ao amin'ny fiangonana no tsy manara-dalàna, tokony hofoanana koa ve ny zon'ny 49% izay manara-dalana?

jentilisa:

avadika politika hatrany ilay izy e!


Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tokony mazava tsara ny fitondrana ny fiangonana eto Mkara. Inona no nahamay ny mpitondra sasany hamoaka ny didy fanakatonana ny FPVM? Tsy filandranoranony (pôlitika) @ filoha ve? Nahoana farafaharatsiny tsy nampanatsoin'ny ministera aloha ny 2 tonta rehefa tsy hampiakarina fitsarana ny raharaha fa nahoana no tonga de hoe manana ny rariny ny FJKM rehefa mitory? Nidina t@ faritra nisian'ny fitarainana ve ny fanjakana? Navela hiteny ve ny andaniny sy ankilany? Niteny ny FPVM ve izy ny tokony hamerenany ny fananan'ny FJKM saingy ny FPVM no mafy loha ka nanda ny tenin'ny ministera?

25. LazaRandri ( 22/10/2005 08:30)
faly i Satana fa mikorontana ny "fiangonana". Ny mpitarika tsy misy fitiavana fa feno fihatsaram-belatsihy, ny tarihina tsy mijery an'i Kristy fa ny lehiben'ny fiangonana no hitany, ny fiangonana efa babon'ny politika tanteraka.

Tsy atao mahagaga anefa izany fa efa nampiomanin'i Jesoa tamin'izany isika, ary efa nivavaka ho antsika rahateo koa Izy.
Ho Azy irery ihany ny voninahitra!
26. Aroniaina ( 22/10/2005 08:52)
Tena valiny be mihitsy izy ity an! Isaorana aloha ilay nahary fa tsy nikatona ny FPVM e! tena nihaino vavaka takoa ilay nahary aiza ve ka fiangonana efa mandroso io dia mbola nenjehina nefa efa niala tao amin'ny FJKM aryu izao tena ahiako miahiahy ny FJKM fa mety lasa FPVM daholo dia lasa foana eo ny dabilio ao amin'ny FJKM dia miahaka eo izy nefa raha tsy nampisy olana teo aminy izao ny FJKM dia mba voatazona ihany ny ondriny .Fa izao no avaliko an'i Jetilisa tsy izany eritreritrao velively ny ataon'ny pasteur ao amin'ny Antaninanandrano hoe : tsy maintsy manonofy vao afaka ho raisina mpandray fanasan'ny Tompo izaho izao noraisina tao tsy nisy an'izany ankory ka variana izany indray aho , misy ny ankizy manonofy ny olona ve moa tsy hanofy dia manambara ny nofiny izy ary hazavain'i Pasteur eo ilay izy fa tsy manaforcer izy hoa tsy maintsy manofy an!fa ny tena mampalahelo ahy dia maninona no mifanenjika foana ny fiangonana e! nefa efa mifoha ange izao e! andro mila fifanantonana ve dia lasa fisaraham-bazana no atao koa raha misy fianakaviana izany FJKM dia tsy hampiditra ny havany ao an-trano izy satria FPVM ve? lasa toy izay izany no tian'ny FJKM atao ve! tsy mety io e! Fa izaho manahy fa tena lasa resaka tsy mety mivalona io resaka io ry reto an! marina moa .Marina ny lazainareo hoe ny hafa ve no manao ny ataony dia ny mipetraka indray no voahala tena mahazendana ahy io ka .Fa dia izao ihany no solution rehefa mino ilay Nahary ianao dia izay ihany .
27. dadabe ( 22/10/2005 09:19)
Mpandefa : LazaRandri [ Valio ] 22-10-2005 10:30:31
Lohateny : Re : Fanontaniana mila valiny tsara
faly i Satana fa mikorontana ny "fiangonana".

marina izany saingy zao koa
hoy i KRISTY "aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanan aho ,tsy hitondra fiadanana aho fa fampisarahana ......"
tsy maintsy hiavaka foana ny vary sy ny tsimparifary e8)
28. LazaRandri ( 22/10/2005 09:22)
sao kosa ary dia mba akofa sy tsiparifary ireo ry Dadabe fa tsy misy vary?
29. dadabe ( 22/10/2005 09:26)
asa re!!zah tsy afaka ny hitsara:@
30. sonwin ( 22/10/2005 13:45)
marina leisy zany frera:@
31. sonwin ( 22/10/2005 13:45)
marina leisy zany frera:@
32. dadabe ( 23/10/2005 07:59)
:@:@
33. jentilisa ( 24/10/2005 11:03)
Ny olana tsy hoe bangabanga ny dabilion'ny FJKM fa ny dabilo mihitsy no raofin'ny sasany...halatra ankarihary! Fa rehefa teo amin'ny halatra trano mivantana vao niteny ny ankilany dia izay vao nikorapaka hoe misy tsy mety tokoa izany. Ho an'i Aroniaina. Tsy izaho no namorona fa olona ao aminareo ihany no nanazava izany taminao mpiara-miasa rehetra ka tsy haiko intsony hoe iza no milaza ny marina...mbola ao rahateo izy!
34. estine ( 25/10/2005 08:56)
mbola tsy nikatona aloha ny FPVM atreto.efa nisy koa ny fihaonan'ny roa tonta ny vokany no tsy mbola hay
35. sonwin ( 25/10/2005 09:13)
fa nikatona sa tsy nikatona e, etsy ambony toa hoe embesana miaramila, eto indray toa hoe mbola mihaona...
36. dadabe ( 25/10/2005 11:08)
ka mety mbola t@ le izy tsy nakatona angamba ity no nosoratana fa zao toa efa nambesana miaramila ,sa...zah mihitsy ve no fanina e..:^)
37. sonwin ( 25/10/2005 12:47)
tsy fanina lah fa toa nikatona ndray hono ka:^)
38. jentilisa ( 25/10/2005 13:09)
fa hono tokoa ho'aho, tamin'ny anaran'ny fiangonana inona moa no nanorenana io teo @ taninanandrano io? toa mbola tsy nisy manko izany FPVM izany tamin'ny nanorenana io fiangonana io teo sa izaho no diso? Volan'ny mpiangona inona izany no nanorenana io?
39. ANARIM ( 25/10/2005 14:29)
ny teniko d tsotra fotsiny
na FPVM io na FJKM na Silamo na Katolika, tsy misy na iray aza hitondra ny antokompinoany any @ Andriamanitra rehefa tonga izay fotoana izay, fa mitovy daholo eo anatrehany. Na jiosy, na jentilisa, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy,na iza na iza, ... zay no teniny
aza mety hadalain'ny zatsy na izaroa fa tsy kely lalana ny devoly!
ny antoka ho antsika dia tia antsika Jesosy ary mahalala ny miafina rehetra momba antsika.
Adala izay tsy sarotiny @ tiany, ka samy miaro ny heviny, fa Andriamanitra no efa nampiray sy namela heloka, ka dia samy maka izay tandrifiny eo e!
40. scorpion ( 25/10/2005 21:15)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0717