TSY MENDRIKA AHO EKEKO IZANY

1. bichette ( 19/10/2005 06:33)
mibolisatra indraindray na dia efa mitandrina tsara izao aza isika olombelona. victime matetika amin'ny fitsinjovana loatra ny hafa, manampy ny hafa kanjo ny tena no ao andavaka, tsy maninona fa assumer-na ny natao. Diso tsara fanahy loatra ka manaiky ny hadalan'ny hafa dia ny tena tsy nanao na inona na inona indray no latsaka anaty lavaka, very namana, very hasina fa ny sasany miala maina fotsiny. Tsy maninona fa izany no fiainana
novalian'i jentilisa ny 28/10/2005 08:26
2. Herimiafina ( 19/10/2005 06:36)
Tsy miala maina izany ny sasany kah, mba manenjika azy ihany ny heritreriny fa tsy raharahiny fotsiny.8)8)8)
3. LazaRandri ( 19/10/2005 06:38)
Raha matsiaro victime i Bichette dia tsy fiainana izany ka. Tsy ao ilay fitiavana raha izay no mitranga :)
4. jentilisa ( 19/10/2005 07:01)
Anananao ilay hoe fitiavana! saingy ny hafa kosa manararaotra izany. Izay ilay hoe raha todim-pitia manodiava, ny todim-paty no aza manody. Ny mahagaga dia heverina ho vendrana hatrany ianao rehefa manampy ny hafa. Sahia mijoro. Tsy ny olona no nahatonga nao ho kristiana ohatra fa antson'Andriamanitra mihitsy. Raha olona efa ela aho no tsy kristiana intsony.
5. bichette ( 19/10/2005 07:07)
ny ao anatin'ny sain'ny sasany koa tsy hay loatra hoe inona no tena tanjona ka rehefa tratr'olona izy dia ny tena no victime, nefa ny tena tsy mahalala izay zavatra nataony sy lainga sy fika nataony tany ka ny tena nandeha tamin'ny lalana madio, diso "madio saina" loatra angaha ka tsy nahatakatra sy tsy nahita ny fandrika tao ambanimaso
6. bichette ( 19/10/2005 07:11)
fiainana daholo izany fa tsy maninona, atao anatra ny amin'ny ho avy
7. jentilisa ( 19/10/2005 07:13)
Izay indrindra ange no nahatonga ny tenin'i Jesoa nanao hoe morà tahaka ny voromailala, mailoa (fetse) tahaka ny menarana e! aza manaiky ambakaina fotsiny amin'izao. Tsy mbola mahalala ny tena fitiavana izy ranabavy matoa manao izany fihetsika izany. Heveriny fa ratsy avokoa sy tsy misy azo atokisana avokoa ny manodidina azy ka tsy hanaiky gisitra amin'izany koa izy.
8. bichette ( 19/10/2005 07:28)
herimiafina > tsy mino aho hoe manenjika azy ny eritreriny satria hainy ny manadika ny resaka ka izaho indray no diso, no tsy responsable, no lazaina fa "miala pà" no lazaina fa decevant, no lazaina fa anatin'ny vala satria nanaiky ny hadalany HONO. Tsy haiko ny avatra tena nandrasany tamiko fa izaho koa no tsy nahatakadavitra e !

anatra ry reto : na inona na inona rehefa hitanareo hoe misy zavatra kinafinafina ao ambadika ao ataon'ny sasany dia hialao avy hatrany.
9. jentilisa ( 19/10/2005 07:34)
Aza tsotra fotsiny e! mahaiza mandalina. Efa nomena sainy isika; ampiasao izany fa aza ny fo no amparina. Tsy misy mpamitaka tahaka ny fo ange e!
10. majakely ( 19/10/2005 07:47)
jentilisa !tena toa morabe aminao ny milaza an'io hoe aza tsotra fotsiny ,,, fa raha sendra ny mahay mampadry izay anie ianao ka tsy hitanao mihitsy hoe inona no tokony handalinana e!!Indraindray mantsy toa mankaleo be ilay miaina amin'ny mefiance foana ka!!Nefa .......indrisy!
11. ari.malala ( 19/10/2005 07:56)
bichette, fiainana ky zany fa zay le we an'Andriamanitra ny famaliana a, misy farany daolo ny zvt rht k ny azo atao d ny mivavaka e :) mahereza fa fiainana daolo zany, atolory Azy ze manahirana sy mampalahelo fa Izy no hanova an'zany ho lasa fifaliam-be. :)
12. bichette ( 19/10/2005 07:58)
ari.malala misaotra aky a
13. ari.malala ( 19/10/2005 08:11)
fa in le olana nefa sa tsy azon'i bichette zaraian?
14. chipie1 ( 19/10/2005 08:19)
ny aminy manaraka no tandremo ! ataovy rano raraka tsy azo raofina intsony !
15. jentilisa ( 19/10/2005 08:26)
Efa hita kosa ve fa lainga be no ambarany dia mbola hinoanao foana. Raha hoy aho hoe andeha any @ volana isika dia mampino ve izany?
Ataony maniry kintana tokoa aloha rehefa teneniny hoe omeko anao ny lanitra e!
Izaho dia olona tena tsotrabe mihitsy ka noho izay toetrako izay no anatonan'ny olona ahy ka misy ny fetsifetsy. Raha mangataka amiko indray mandeha izy dia omeko tokoa moa fa miteny aho hoe tsy hisy fanindroany. Raha vao misy ny fanindroany dia efa hanambaka izay ny ao an'eritreriny. Misy indray ny olona tokony ho fantatrao avy hatrany fa hanambaka indrndra fa rehefa hiteny hoe maika tena maika iny. Fanararaotany manko iny mba tsy hieritreretanao tsara. Aza manaiky koropahiny na naovany chantage ankolaka no toro-hevitro voalohany dia sady tsotra ianao no mailo amin'izay. Ifandraisdo ihany na dia ny olona nahatezitra anao aza fa aza manaikinaiky be fahatany intsony. Sahia manao tsia e!
Tsy mahafaty ny manao tsia rehefa tsy azoazonao ny tolo-kevitra indrindra indrindra.
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy. Tokony hahay miaritra izany ny olona iray raha tena misy fitiavana tokoa ao anatiny. rehefa tsy mahay miaritra izy dia tsy fitiavana no ao anatiny fa filana. Raha samy filana moa no tadiavinareo dia efa izay izany fa raha fitiavana kosa dia tsy hitovy mihitsy ny tadin-dokanga e!
tsy mora ve izany fa sarotra ry majakely?
16. cocorie ( 19/10/2005 08:29)
Tsy manin akia zany fa traikefa manatsara ny fiainan-dry foana a!fa indry alo otsan'ny pesimista fona e!
17. bichette ( 19/10/2005 08:47)
misaotra anareo nampahery
za aloha tsy manome tsiny an'iza na an'iza satria manana responsabilité aho fa araky ny tenin'ny jentilisa azoko natao ny nanao hoe tsia. j'assume mes torts.Tsy manome tsiny olona aho fa enga anie Andriamanitra hanazava ny miafina rehetra
18. ravakamalala ( 19/10/2005 09:05)
bichette > Sarotra be ny hahita ny miafina, sy ny fitaka ambadika syny laingalainga satria ny ratsy tsy kely lalana.

aza atao mampiova ny toetra tsara ananana anefa izany fa mahaiza mandanjalanja araky ny tenin i Jentilisa, manana saina hieritreretana isika dia tsy maintsy ampiasaina.

rehefa tena nataon dry tam pitiavan akia zany ry bichette dia tsy misy anenenana a! marary ndry fa mbola hivaly aminy foana zany.
19. bichette ( 19/10/2005 09:13)
ravakamalala > misaotra @ fampaherezana sy ny anatra fa raisiko , tsy maniry aloha aho ny hivalin'izany na amin'iza na amin'iza satria namana daholo ireo olona fa ny hany mba faniriko dia ny hilamina ny zavatra rehetra
20. pika ( 19/10/2005 09:37)
izay vita dia vita fa aza misy hanenenana, ny soa atao @olona matetika tsy mivaly soa eo no eo fa mety hafa no mamaly azy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2492