Izao indray ary ê!

1. tsimiandravola ( 02/10/2005 22:36)
Rehefa mamaky ny testamenta taloha isika dia mahita fa ilay Yaweh,na ilay Jehova ao dia tena masiaka be mihitsy.Aiza ve leiretsy ka dia olona tsy maninontsy maninona ery (yebusiens,hétiens,philistins,...)dia anirahany ny vahoakan'Israely ho vonoina (extermination) mba hangalana ny taniny.Na mpanompo "sampy" araka ny voalaza aza ireny mponina ireny dia mazava fa tsy nangalatra ny tanin'olona.
Mba olona manan-jo sy samy mamelom-bady aman-janaka izao ihany.Zo avy aiza?Fahefana avy aiza?
Tsy nisy akory fampihelezan-kevitra matotra mba ahafahan'izy ireny miala amin'ny vono-moka fa dia tonga dia daroka.
Amiko manokana aloha dia tsy "Dieu d'amour" mihitsy ny toy izany fa andriamanitra mpandripaka,mpanazazy,ary azoko lazaina mihitsy aza fa tsy vanona.
Amiko dia io Andriamanitra io dia fitaovana nampiasain'ny hebrio fotsiny mba hisolokiana ny fananan'olona.Noho izany fitsiriritana ny fananan'olona izany dia nanamboatra Andriamanitra mitovy mokon-doha aminy ny Hebrio=fandripahana (génocide)miampy fanafihan-jiolahy (grand banditisme).
Maharikoriko mihitsy satria saronana amin'ny ara-panahy ny fahalikàna.
Ka inona indray ary ny hevitrareo manam-pahaizana?
novalian'i jentilisa ny 11/10/2005 11:05
2. xxx ( 03/10/2005 08:46)
Raha mbola tsy fantatrao ny antony dia aza manimbazimba an'Andriamanitra toy izany
3. bichette ( 03/10/2005 08:55)
tsimiandravola > mila manao théologie angamba dia ho azonao kokoa ny momba an'io :°)
4. rongatry ( 03/10/2005 09:27)
Sao dia be loatra àry ny fahaizanao théologie, ka mitady hioampefy ianao, aza miteniteny foana toy izao fa mampatahotra !
5. pika ( 03/10/2005 10:19)
ny olona ts11 dia tsy maintsy manana ny atao hoe Atra heveriny fa mahery noho izy sy ny hafa, noho izany tsy natao hoe fitaovana fotsiny izany izy
aminao izany iza no Atrao?
ary raha maty sy tsy nitsangankovelona i Krisy foana angamba ny finoantsika, fa ilay anareo mba nanao ahoana?
mba nandresy ny fahafatesana izay tsy fantatry ny olombelona ny fanafodiny?
tsy mendrika ny hanazava anao izany aho no mety tsy manampahaizana ny amin'izany fa raiso ny torohevitry ny namana hoe mandehana mianatra théologie
6. tsimiandravola ( 03/10/2005 11:59)
be loatra àry ny fahaizanao théologie, ka mitady hioampefy ianao, aza miteniteny foana toy izao fa mampatahotra !
Izay sahy maty ihany no mifono lambamena hoy ny fitenenana.

Fa ny mahagaga ahy ihany aloha dia mitovy foana ny fahitako ny "eskiva" fanaon'ny gasy ê.
Raha tsy misitrika ao ambadiky ny finoana fotsiny ihany dia misitrika ao ambadiky ny zavatra hafa.Ny zavatra hafa hita isitrihana eto indray izao dia ny fianarana téolojia.Ny vokany dia misitrika ihany mba tsy ihatrehana ny zava-misy.

Dia inona izao no mahavoatery ny ianarana teolojia vao ahafahana manome ny hevi-dison'ny tena ???(lol).

Sady izay indray,toa ny mi-supposer ny sasany fa izaho no mila fandalinana (ha ha ha!!).Voatery tsoriko aminareo ve fa ny tena foto-diako eto dia ny hanao fitsapana ny hevitrareo ê,ary moa tsy azo atao koa ve izany?(Ny ahy anie ka tsoriko ê,inona ary ny mahadiso ny fitsorana?)

Ny fahitako azy fotsiny aza izao dia misy amintsika eto manketo koa satria mitetika ny hanely ny "filazantsara".Tsapako koa fa misy ilay iraika lahy izay mitady hampiely ny fivavahana silamo.
Ka ho ahy rehefa kary dia kary na Silamo ity na kristianisma na zidaisma ary efa fantatry ny rehetra izany tamin'ilay sizé iray iry.Ka dia arakarakareo ihany raha tianareo ny firesahana amin'ny fo madio sy mihaja ary mazava,tsisy ankinafinafina.



NB:marihiko fotsiny aloha fa tsy izay mpanakiana fivavahana rehetra dia Athée.Aoka tsy ho diso ianareo.
7. goga ( 03/10/2005 12:36)
tsimiandravola : mavesatra be ny teninao izany hoe : mirona loatra any @ tsy fanajana ny fahafahan'ny hafa indrindra izy ty resaka Andriamanitra. Jereo ny manodidina anao, fa kristianina no ankabeazany. Tadidinao moa ny histoaran'ilay fikambanam-pivavahana iray teto amintsika : nandodro Baiboly,sapile, sns ? fantatrao angamba no niafarany. Samia manana ny azy de mifanaja e ! Sa ahoana ?
8. tsimiandravola ( 03/10/2005 15:28)
[quote mirona loatra any @ tsy fanajana ny fahafahan'ny hafa indrindra izy ty resaka Andriamanitra[/quote]Ka izay ilay izy ê:ny ahy dia tsy misy zavatra hitako tsara afatsy ny fifanajàna.Ny mampalahelo ahy matetika dia misy ny antokompivavahana sasany (izay maro an'isa ny mpino ao aminy )dia mazàna manana fomba fanompàna spécial mihitsy ary rehefa hafa ny finoan'ilay olona iresahana dia lazaina fa "diabolika" na "satanika".
Tadidinao moa ny histoaran'ilay fikambanam-pivavahana iray teto amintsika : nandodro Baiboly,sapile, sns ? fantatrao angamba no niafarany
Tsy mazava tsara amiko ny tianao ho lazaina eto.Raha ny nisy tamin'ny andron-dranavalona I dia fantatro.Ny zavatra tsara indrindra dia ny tsy iverenan'ireny tantara ireny intsony fa raha misy tsy fifanarahan'ny sain'ny tena amin'ny fifavahan'ny hafa dia tokony ho resaka fifanakalozan-kevitra no hibaiko ny fihetsika rehetra tokony hataon'ny tsirairay.
Ka fanontaniana:moa ve vokatry ny fifanakalozan-kevitra ny zava-nisy tamin'izany sa vokatry ny mokon-dohan'ny tsirairay fotsiny?

Ny zavatra rehetra mety hitarika any amin'ny fampiasana mokon-doha noho izany dia tokony halevina impito mandifotr'olona ,na avy any amin'ny mpitondra firenena izany na avy any amin'ny olona entina:tokony hesorina noho izany ny fampiasana ny "finoana" eo amin'ny dinidinika atao sns sns.

Ny zavatra farany tokony ho fantatry ny tsirairay dia ny fandeferana satria fantatra fa ny Eglisy Kristianina indrindra indrindra no nampiasa izany tsy fahaiza-mandefitra izany teo amin'ny hafa nandritra ny taonjato maro,ka raha sedra diso bolila kely ve ny teny voalazan'ny mpino zavatra hafa dia efa atao toy ny montagne be ery?
Tsy te hampahatsiahy ny zava-bitan'ny Kristianina eto aho mba ho fanajàna azy ireny.

Tiako be ny hoe samia mitàna ny finoany.OK,noho izany dia aoka tsy hisy mihitsy amintsika eto hanao fitoriana ny "filazantsara na ny silamo. OK OK OK ???
9. kamr ( 03/10/2005 21:18)
Raha izaho no eo amin'ny toeranao dia sady matahotra aho no tora-kovitra namoaka ireo teny manompa an'Atra ireo. Asa na mba efa namaky ny baiboly hatrany amin'ny Testamenta Vaovao ianao mialoha ny hilazanao ireo hevitrao ireo, satria Atra tia ny olona rehetra tsy ankavanaka, ary nanao ny fomba rehetra ahalalan'ny olona Azy Izy, saingy nomeny safidy koa ny olona ny hino na tsia Azy. Tsy fombany ny manery olona. Ka na ireo olona nolazainao voaringana ireo aza dia efa nomen'Atra fotoana sy moyen ny hahafantarany Azy. Eny fa na dia Farao sy ny Egyptiana aza satria tia io firenena io koa Atra na dia nampahory ny tanak'Israely aza ireo. Saingy rehefa tsy mety mino ny olona akory atao??? Ary eto dia tiana ny manamarika fa tsy Atra no mpampahory na mpamono olona, Atra miaro ny mpanompony, fa rehefa mivadika Aminy na tsy mpanompony dia TSY FANTANY. Ary dia afaka manjaka amin'ireny ny ratsy. Tadidio fa tokana ihany ny tanjon'ny devoly satria efa fantany fa tsy maintsy ho voahidy any amin'ny helo mandrakizay izy ary mitady olona hiara-midy aminy au maximum any, ka tout les moyens sont bons. Dia vakio hatramin'ny farany ny BAiboly fa mi-evolue foana ny fiasan'Atra mba hamonjena ny olombelona. NY farany dia ny nampidinany an'i Jesosy Kristy ZAnany LAhy Tokana ho famonjena, ankoatr'Azy dia tsy hisy intsony famojena hafa fa io no farany. KA izay MINO sy MANAIKY an'i Jesosy irery ihany no hahazo famonjena. Ka na ianao nanompa an'Atra io aza mba isan'ny tian'Atra hovonjena RAHA TIANAO. Ary ny fisainan'Atra dia tsy ho takatrin-tsika na oviana na oviana, satria Izy no Atra Mpahary ary isika dia olona noforonin'ny tanany, koa aoka tsy haninana an'Atra toy izao.
10. jentilisa ( 04/10/2005 11:11)
tonga indray ny akama an! ho avy aho fa mbola tsy manam-potoana loatra e! rehefa malalaka aho mamaky tsara fa mbola maika! efa misy sujet indray ato izany!
11. routa ( 04/10/2005 11:32)
mahasahy ny olona sasany nefa ny tsy fantany de izao na ny ainao io aza avy Aminy ary noho ny maha fitiavana Azy de mbola io eo hianao ka mba tonga saina .
12. tsimiandravola ( 04/10/2005 11:51)
Raha izaho no eo amin\'ny toeranao dia sady matahotra aho no tora-kovitra namoaka ireo teny manompa an\'Atra ireo
Fantatro ny antony,ary tsy manome tsiny ny olona torakovitra rehetra aho.

Fa mba diniho kely ity toe-javatra ity:

-Voalohany aloha,asa na efa nahare ianareo ny antsoina hoe \"satanista\" sy ny hoe \"eglizy luciferienne\".Izaho aloha mbola tsy nahita izany fa reko fotsiny fa ry zareo hono toa sahy manimbazimba sy manitsaka lakroa ary manao \"messe noire\" izany mihitsy etc etc.
-Faharoa dia eo koa an-kilan\'izany ny teny maro ao amin\'ny baiboly izay azo lazaina fa MANERY ny olona tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny kristianisma,na farafaharatsiny ahay fanekena lembenana na dia tsy ao aza ny \"conviction\".Singaniko manokana eto ny teny ao amin\'ny baiboly manao hoe:mety ho voavela daholo ny heloka sy fitenenan-dratsy atao amin\'ny Zanaka,fa tsy misy ho voavela mihitsy kosa ny heloka ny fametavetana atao amin\'ny Fanahy Masina.
Ka iza no ho sahy hanao izany ka tsy ho tora-kovitra?Nahoana nefa no misy sahy?Ataoko fa mahery dia mahery izany,ary eo anatrehan\'ny ahiahy sy tebiteby tsy hay resena ,ary eo anatrehan\'ny tsy fahafantarana dia aleo aloha mangiana sady eritreretina fa tsisy antony rahateo anompanompana foana amin\'ny tsisy dikany

Ka ny amiko manokana dia miankina amin\'ny \"fahalalàna\" no ahafahana na tsia misedra zavatra iray.Ho ahy dia tsy fitiavana te hiteny ratsy be fahatany fotsiny fa ny hevitra no tiako havoaka.Ary matoa aho manao izany dia satria aho siora.Ary io fahamatorana io no tsy ananan\'ny olo-maro,ary tsy finoana io tsy akory.Ny tsy nisian\'i Kristy ara-nofo,sy ara-tantara dia azo demontrer-na toy ny 3x5=15,izany hoe ara-tantara izay siansa.Tsy misy mihitsy idiran\'ny finoana amin\'izany.Ary rehefa voaporofo fa tsy nisy i Kristy dia mianjera ho azy koa ny Fanahy Masina.Rehefa voaporofo fa lainga tsara lahatra fotsiny ny baiboly,dia mazava ho azy fa miraraka ho azy ny fanahy masina izay nitsioka azy.Io no antsoin\'ny vazaha hoe:\"chateau de cartes.

Noho izany dia aza gaga ianareo raha misy ny sahy miteny zavatra eritreretinareo ho fady sy tsy fiteny mihitsy.Ny antony dia satria ny olona sahy miteny izany dia tsy olona adala tsy akory,fa olona mahalala fotsiny fa sakabeloha ny finoana kristianina.
Asa na mba efa namaky ny baiboly hatrany amin\'ny Testamenta Vaovao ianao mialoha ny hilazanao ireo hevitrao ireo
Raha resaka fahalalàna ,sy famakiana baiboly azoko lazaina fa tsy ambaka ny hafa aho,ary fantatro daholo ny lazaiko.
nomeny safidy koa ny olona ny hino na tsia Azy
Rehefa tsy manangona dia manapariaka,rehefa tsy momba ahy dia manohitra ahy,rehefa tsy mahafoy ny havany ,ny rainy amandreniny sns dia tsy mendrika ahy;rehefa tsy voavonjy dia very any amin\'ny afobe.
Ha ha ha ha!! IZANY VE NO ATAO HOE FAHAFAHANA MISAFIDY? eto aho dia malahelo milaza aminao fa raha ny fahitàna an\'izao dia tsy misy afa-tsy lalàn-tokana azoko izorana,izany hoe tsy manan-tsafidy mihitsy ny mpihaino filazàntsara,ary ny toy izao indrindra no fototra ijoroan\'ny \"intolérance\",ary ny Silamo koa dia tena raitra amin\'izy io satria nandova ny \"fomban\'ny Kristianisma ihany koa ireo.

Izao ary \"safidy\" azoko mba aroso anao:sady marary mandrakizay no mahantra sy mijaly main\'ny afo sy ny asidra sa sady manankarena no salama mandrakizay ao amin\'ny jaridaina tsisy rofy ???

Izao no karazan-safidy asain\'ny kristianisma atao.Tsy inona akory ny fomba toy izany fa fanerena hitelina ny fepetra rehetra takiana,dia ny hahatongavana kristianina,kristianina izay lazaina fa nisy an\'i Kristy ara-tantara=tonga nofo.

Dia manao azafady tompoko fa tsy nisy na hoviana na hoviana izany kristy izany.




13. routa ( 04/10/2005 12:18)
tsy hitako intsony ny hambara anao fa ny mivavaka ho anao no mety fa tsy anay ny hitsara ny ataon'ny olona tsiray2 fa samy mijinja ny nafafiny eny daholo ny rehatra .
14. velonantoandro ( 04/10/2005 13:32)
Ity dia nalaiko tany amin'ny dinika any an-kafa ,ka sao dia ianao ihany io ra-tsimiandravola?:D
Effectivement,c'est malheureux à dire pour les croyants,les témoignages contre l'existence du Christ fusent actuellement.Je tiens à en citer un,que j'ai piqué dans le livre de Dan BURSTEIN (Les secrets du Code Da Vinci) commentant le celèbre roman de Dan BROWN intitulé "Da Vinci Code".Ce livre est traduit de l'Américain par Guy Rivest (City Edition).

A la page 202,sous le titre:Jésus a-t-il réellement existé? ,nous lisons:
Je cite:
"Entretien avec Timothy Freke
Au chapitre 2,Timothy Freke traitait des archétypes du Féminin sacré.Ici,dans la suite de cette interview,il remet en question l'existence du Jésus historique.

A votre avis,existe-t-il une quelconque preuve de l'existence de Jésus?

Absolument aucune.La seule preuve que nous ayons est contrefaite.J'affirmerais catégoriquement qu'il n'existe aucune preuve de l'existence historique de Jésus,mais qu'il en existe une multitude d'autres qui suggèrent que l'histoire biblique est un mythe....."fin de citation.

NB:c'est moi qui met en gras.

Il en résulte qu'avec une petite dose de " bonne foi",les croyants peuvent en tirer la seule conclusion qui s'impose:c'est d'admettre qu'ils se sont laissés bérner depuis 20 siècles de christianisme.

Enfin,je remarque que la polémique sur la résurection du Christ faisait rage dans les "écritures" elles même,ce qui suppose que l'existence du Christ est acquise.Il s'avère que c'était un leurre,un moyen comme un autre de déplacer le "problème" autre part.


Ranarivelo livatiana
15. velonantoandro ( 04/10/2005 13:45)
ny mivavaka ho anao no mety fa tsy anay ny hitsara ny ataon'ny olona tsiray
Ka raha marina anie ny tenin'i Tsimiandavola dia mivavaka amin'ny "rivotra" fotsiny i routa ê!
Tsy aleo ihany aloha fotopotorana izy dia ho hita eo.
Ka izao ny ahy no mba tiako ho fantatra:inona ary ary no azo anaporofoana fa tsy nisy i Kristy araka ny fahitan'i Tsimiandravola azy?Angamba izany no fanontaniana tsara apetraka kokoa ka ho an'izay tsy te hahita ny valiny ataon'i Tsimiandravola dia aoka hisinda fa tsy hamalimaly be fahatàny.Izay ny ahy no tena mba fahitàko.Satria raha marina ny azy,inona no antony tokony anetsitsetsemana be fotsiny izay filàzany?
16. kamr ( 04/10/2005 17:40)
Raha azoko tsara ny tianao ambara, dia olona tsy mino an'Atra ianao. Tsara rehefa fantatrao ny zavatra ilainao. Tsy dia hitako loatra izay interet hanohizana ity resaka ity satria tsy hitovy mihitsy ny tadindokanga. Koa dia mahita izay mahasoa ianao (raha tsy efa nahita), ny ahy fantatro Izay inoako koa dia hatreo aloha ny amin'iny.
17. velonantoandro ( 04/10/2005 20:02)
kamr:

Raha azoko tsara ny tianao ambara, dia olona tsy mino an'Atra ianao....Tsy dia hitako loatra izay interet hanohizana ity resaka ity satria tsy hitovy mihitsy ny tadindokanga....ny ahy fantatro Izay inoako koa dia hatreo aloha ny amin'iny.
Izaho manokana aloha dia mino an'Andriamanitra,fa tsy fantako raha amiko no intenenan'i Kamr na amin'i Tsimiandravola.Tsapako kosa nefa fa ny olona toa an'i Kamr dia tsy tokony hi-intervenir aloha satria efa manana ny inoany tsy azo akisoka.Ka rehefa hatreo aloha ny amin'iny dia hatreo izay fa aza miteny intsony,raha ny hevitro dia manjary maha-be kill an'dRatsimiandravola fotsiny.Efa fantatra anie fa tsy mitovy ary tsy hitovy ny tadindokanga ê.Ka raha vao maika compliquer-nareo lay izy dia vao maika mandreraka be ny manaraka ny discussion.


18. tsimiandravola ( 04/10/2005 20:25)
ka sao dia ianao ihany io ra-tsimiandravola?
Misaotra an'i velonandro nitondra an'io témoignage io.Tsy izaho io Ranarivelo io fa olon-kafa.Marihiko fa betsaka ny olona no nanomboka nijery ny momba ny finoana hatramin'izay nivoahan'ny boky "davintsy kaody" izay,ka tsy mahagaga ahy loatra.Tsy dakaoro fotsiny aho amin'ilay hoe "la seule preuve",misy preuve hafa fa sandoka daholo.

Tsapako koa fa mihamisy mihamisy ihany olona mi-s'interesser amin'ny fahamarinana,ary ny mety ho voalazako eto dia tsy misy ampaharivorivon'ny voalaza etsy sy aroa.

tonga indray ny akama an! ho avy aho fa mbola tsy manam-potoana loatra e! rehefa malalaka aho mamaky tsara fa mbola maika! efa misy sujet indray ato izany!
Dia miarahaba anao indray ra-jentilisa.Tsy dia faly loatra aho mandray anao eto.Ny antony dia fantako ny firesakao.Tsy tahotra anao akory izany fa fahasosorana,aoka hazava.Satria amiko dia misandrahaka be ny hevitrao rehefa mamaly ahy,sady be tsy andraofana,sady tsy hitako izay lohany sy vodiny.Ka raha afaka mihezaka ianao hanatsara izany dia tena milay.Afa-tsy hoe te handrebireby ny sasany izay liana fotsiny angaha ianao ka milalao "saturation".Raha izay dia karazana "censure" no ataonao.
Tena tiako kokoa ianao raha mandany andro mamaky an'ireto rohy ireto aloha vao miresaka amiko.

http://www.luigicascioli.it/home_fra.php
http://www.bible.chez.tiscali.fr/
http://www.truthbeknown.com/francais.htm
http://atheisme.free.fr/
http://www.lemanlake.com/
http://www.hereses.info/
19. LazaRandri ( 05/10/2005 01:01)
xxx, Bichette, Rongatry, Pika, Goga, Kamr, Jentilisa, Routa,

Aza dia mandany andro amin'ny antikristy, fa i Kristy no efa nataony ho fahavalony fa tsy ianareo.

Koa aoka tsy ampivarahontsana anao ny toy itony, fa ento midera sy manome voninahitra an'Andriamanitra; noho ny fahamarinan'ny Teny izay nampitondrainy ireo mpaminany.

20. jentilisa ( 05/10/2005 06:28)
tsimiandravola:

Dia miarahaba anao indray ra-jentilisa.Tsy dia faly loatra aho mandray anao eto.Ny antony dia fantako ny firesakao.Tsy tahotra anao akory izany fa fahasosorana,aoka hazava.Satria amiko dia misandrahaka be ny hevitrao rehefa mamaly ahy,sady be tsy andraofana,sady tsy hitako izay lohany sy vodiny.Ka raha afaka mihezaka ianao hanatsara izany dia tena milay.Afa-tsy hoe te handrebireby ny sasany izay liana fotsiny angaha ianao ka milalao "saturation".Raha izay dia karazana "censure" no ataonao.
Tena tiako kokoa ianao raha mandany andro mamaky an'ireto rohy ireto aloha vao miresaka amiko.

http://www.luigicascioli.it/home_fra.php
http://www.bible.chez.tiscali.fr/
http://www.truthbeknown.com/francais.htm
http://atheisme.free.fr/
http://www.lemanlake.com/
http://www.hereses.info/



Oadray kosa! fa nahoana ianao no tsy faly amin'ny fahatongavako eto? Izaho anie efa namaky ireo nolazainao ireo e! Ny olana dia izao...misy avy amin'ny bokin'ny peres de l'eglise no nangalany hevitra (Origene) dia valiako amin'ny alalan'ny peres de l'eglise ihany koa ianao. Ny tsikera napetrak'izy ireo dia izay kiana efa nahazo ny fiangonana tamin'ny androny ihany saingy izao mbola mijoro mandraka ity androany ny fiangonana. Ary manoatra noho izany...niroborobo mihitsy aza ny fiangonana fa nanontany tena ny amin'ny fijoroany. Niha-fantany bebe kokoa ny hevitry ny teny voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Ho antsika izay te-handalina kokoa ny finoana, mijere ireo peres de l'eglise ireo na dia amin'ny alalan'ny google aza fa hahasoa anao be mihitsy izany. Ary raha afaka misafidy dia ny an'ny croixsens no mbola tena nahafinaritra ahy aloha...fandalinana sy fampiroboroboana ny finoana izany ho an'ny mpino.

Ho antsika hafa ihany: rehefa miresaka amin'ny olona dia asio fifanajana hatrany fa ilay mampihorohoro sy mampatahotra hatrany no olana ho an'izay mahafantatra amin'izay tokony havaly izay iadian-kevitra...

Misaotra antsika nahavaky izay lavalava izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4891