Izao indray ary ê!

21. tsimiandravola ( 05/10/2005 06:32)
LazaRandri:

xxx, Bichette, Rongatry, Pika, Goga, Kamr, Jentilisa, Routa,
Aza dia mandany andro amin'ny antikristy, fa i Kristy no efa nataony ho fahavalony fa tsy ianareo.
Koa aoka tsy ampivarahontsana anao ny toy itony, fa ento midera sy manome voninahitra an'Andriamanitra; noho ny fahamarinan'ny Teny izay nampitondrainy ireo mpaminany.

Izao tenin'i LazaRandri izao no porofo mivantana ny amin'ny maha sekta ny finoana kristianna.Izao no lazaina hoe "embrigadement" ka omena anarana miatsaravelatsihy hoe "pastorat".Izao no fiandrianan'ny "obscurantisme" izay entam-barotry ny fivavahana kristianna.Izay tsy mifanaraka amin'ny "filazantsarany" dia kary.
Fomba fiteny daholo ny rehetra (euphémisme),fa ny tena marina dia "méprise",na ompa.
Ohatra fanao amin'izany amin'ny fiainana andavan'andro dia ny hoe "nègre" ohatra dia mody lazaina hoe "gens de couleurs".Ny hoe maty dia atao hoe niamboho.Ny nandevina atao hoe nanafina.Ny "gros" atao hoe "fort".Ny masiaka atao hoe "ferme".

Fa ny tena marina dia toy io toetran'Atoa LazaRandri io no tena mibahana amin'ny kolotsaina "judéochrétienne" sy ny silamo,ambonin'izany ny antsoin'i Michel Onfray hoe "pulsion de mort" mahatonga ny fivavahana monothéiste ho tia fahafatesana ka ankalazàny ny "maritiora",anaovany vy very ny aina,anaovany "rite sacrificiel".Ny anton'izany dia satria ny fiainana any an-koatra dia lasa "zava-misy" ary ambony kokoa aminy ka mahatonga azy ireny ho fahavalon'ny fiainana eto an-tany,fahavalon'ny fiainana ankehitriny,fahavalon'ny fahafinaretan'ny nofo sns sns...

Ataoko fa tsapanareo rehetra amin'izany fa rariny loatra ny olona tsy dakaoro ohatr'ahy raha mikiry mba hanome ny hevitray tsy mpino ny varotra saka be loha.Ka dia efa nanomboka moa izy ity ka dia mahareta ê.




22. xxx ( 05/10/2005 06:47)
[size=14]Ray o, mamela ny helony na dia fantany aza izay ataony! Amena.[/size]
23. jentilisa ( 05/10/2005 10:27)
Hamaly ilay voalaza niatombohan'ity resaka ity aho eto:
Nisy zavatra nahagaga nolazain'i Jesoa rehefa injay hiditra an'i Jerosalema izy. Hoy ny teniny: Ry Jerosalema! Ry Jerosalema! impiry impiry aho no te-hanangona anao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany saingy tsy mety ianao. Raha mba fantatrao manko fa dia tamin'ity anio ity monja aza...
Fa iza moa i Jerosalema? ilay tanàna lehibe tamin'ny fivavahana!
Manaraka izany dia nanitrikitrika i Jesoa tamin'ny fotoana iray fa izay rehetra nirahin'Andriamanitra dia novonoiny avokoa fa nanelingelina ny tombotsoany angaha ny filazan'izy ireo. Ary nisy aza ny mpisorona dia novonoina teo ampisoronana...Ny hitondra ny hafatr'Andriamanitra Izay nosakantsakanan'ireo namono ireo no mission'i Jesoa teto an-tany. Izy no mpitarik'ireo mpaminany novonoina fa tsy mpaminany namono kosa.

Fehiny: Ny olombelona matetika no mitsara alohan'Andriamanitra ary misavika ny toeran'Andriamanitra aza indraindray...Hany ka ny anaran'Andriamanitra no voahoso-potaka!
24. tsimiandravola ( 05/10/2005 11:28)
Hamaly ilay voalaza niatombohan'ity resaka ity aho eto


Io ary ilay nolazaiko.Vao manomboka i Rajenty dia efa miahaka.Tsy hitako mihitsy izay ifandraisan'ny lazainao sy ny lazaiko ery am-piandohàna.Ihezaho mafy ny hahazo izay lazaiko mba ho interessant ny resaka ê.Fa raha tsy izany lasa resa-ké.Raha tsy manao ezaka toy izany ianao dia manjary marim-pototra ny soupçon-ko hoe mitady hanao sivana miolaka fotsiny ny but-nao.

Ka raha marim-pototra ny soupçon-ko dia porofo izany fa obscurantistes ny gasy mpino an'i Kristy:-D.Ka izany va no tianareo hatao témoignage ny aminy???

Somary mahagaga ahy ihany raha voninahitra no tediavinareo ho an'ny Tompo tompoinareo nefa fahafaham-baraka no hany fihetsika asehonareo ny momba ny fivavahana noforoniny.Eritrereto fotsiny ilay hoe "ny hazo tsara mamoa voa tsara" sy hoe "ny voany no ahafantarana ny hazo".
25. routa ( 05/10/2005 11:31)
Andriamanitra aza tsy nanery an-tsika eny atramin'izao aza mbola safidy hiany làlana roa atrany no nomeny ka anao ny safidy e!
26. tsimiandravola ( 05/10/2005 12:28)
routa:

Andriamanitra aza tsy nanery an-tsika eny atramin'izao aza mbola safidy hiany làlana roa atrany no nomeny ka anao ny safidy e!
Andriamanitra tsy nanery,fantatro izany ê!Andriamanitra "ectoplasme" (araka ny voalazan'i DO) ve dia ho afaka hanery an'iza iza!!!Ny "olom-boafidy" no manery,amin'izay indray ankolaka sahala amin'ilay noazavaiko tery ambony tery manao hoe:"iza no tianao:marary lava sy main'ny afobe sy ny asidra sa velom-pinaritra sady salama eo amin'ny paradisa tsisy rofy??"

Raha adikako izao dia i Routa mitady hanery ,na manery mihitsy ny mpamaky hanaiky an'io "safidy" tokana io,nefa azon'ny olona mihitsy ny misafidy lalana hafa:ohatra hoe miaina sy miasa tsara fotsiny amin'ny andro ahavelomany ety an-tany,ary mikatsaka ny haha-toy izany ny taranaka mandimby,satria rehefa avy eo dia sady tsisy ny paradisa,ary tsisy ny afobe izay voalaza.Ohatra fotsiny iny amin'ny safidy,fa mbola misy koa ireo misafidy ny atao hoe "reincarnation" sns sns.


27. jentilisa ( 05/10/2005 12:55)
Voalohany dia tsarovy fa manana fomba fijery isika! mifanohitra tanteraka izany!
Ianao niainga tamin'ny hoe Andriamanitra fitiavana ve dia handripaka hanao genocide olona tsy nanino-tsy naninona azy?
Dia ny navaliko anao dia hoe ny olona no niasa na namono tamin'ny anaran'Andriamanitra fa Andriamanitra naniraka ny inoako hoe Zanany hanambara ny Marina izay nifanohitra tamin'ny fihevitry ny olona tamin'izany fotoana izany!
Ary ireny olona ireny dia novonoina fa tsy namono. Izay no tiako ambara dia efa nisaritaka sahady ianao! Aiza re izany e? Izaho ange tsy nitsikera izay nosoratanao akory e! tsy nanao tac au tac tahaka ny nataoko taloha!
Izay fomba fihevitra hafa noho ny nahazatra tamin'izany fotoana izany dia efa manambara fa nisy fiovana teto ambonin'ny tany.
Taty aoriana mbola misy hatrany ny manao ny tsy mety amin'ny anaran'Andriamanitra fa tsy izany no midika fa tsy nisy ilay nirahina!
Na dia betsaka aza ny savony ny ankamaroan'ny gasy ohatra mbola maloto, izany tsy midika fa tsy nisy ny savony. Asa raha mbola miahaka ihany izany na tsia!
28. tsimiandravola ( 05/10/2005 17:28)
Dia ny navaliko anao dia hoe ny olona no niasa na namono tamin'ny anaran'Andriamanitra fa Andriamanitra naniraka ny inoako hoe Zanany hanambara ny Marina izay nifanohitra tamin'ny fihevitry ny olona tamin'izany fotoana izany!
Ary ireny olona ireny dia novonoina fa tsy namono. Izay no tiako ambara dia efa nisaritaka sahady ianao!
Ha ha aha!!!Izay rehefa mihezaka tsara ianao dia mazava,na dia mbola misy akrobasia kely ihany aza.

Ka ny fahazahoako izany aloha dia tsy izaho no hanao anao ho "mahamay" rah izany ny fihevitrao.Raha ny tena izy dia ataon'ny kristianna namanao mahamay ianao amin'izany satria amin'ny kristianna rehetra dia ny Yaweh na Jehova ihany,Atra izay miteny sy maniraka ny hamono sy hanao fandripahana (genocide) voatantara any amin'ny testamenta taloha ,ihany no Andriamanitra rain'i Jesoa.

Yaweh=Jehova=rain'iJesoa=Jesoa=zanaka=fanahy MasinaIray ihany ary tsy miova mandrakizay doria araka ny teny finoana.(Miala tsiny fa tsotsoriko fa tsy tena toy io ny fipetrany)

Ka raha iray ihany io Andriamanitra io,dia io ihany izany no Atra lian-drà,sy mpangalatra tanin'olona ho an'ny olom-boafidiny.

Amiko nefa raha te hiala amin'izany fiampangana izany ny Kristianna dia tsara ihany ny manaraka ny hevitrao satria araka ny filazana dia "hafa io Yaweh Andriamanitry ny tafika" io fa tsy ny Rain'i Jesoa.

Afatsy raha ianao indray angaha no tsy mahazo resaka.
29. xxx ( 05/10/2005 17:31)
I jentilisa anie musulman ê!:lol:
30. sonwin ( 05/10/2005 19:11)
31. velonantoandro ( 05/10/2005 20:22)
Vita ve ny mise au point sa tsia ê?
Toa lasa coliqué indray izy izany fa toa lasa musulman indray angaha i Jentilisa?:-D
32. tsimiandravola ( 05/10/2005 22:06)
Eo ampiandrasana an\'izay mafy be ary dia ireto misy synthèse kely momba an\'Yaweh na jehova.

-Fantatra ary Lojika fa i Jehova dia sady mahalala ny ho avy no mahalala ny efa lasa.Raha tsy mbola namorina ny anjely akory aza izy dia efa fantany fa hivadika ny sasany tamin\'ireo.Tsy misy zavatra lojika mihoatr\'izany.

Hatreo aho aloha dia OK,ary tena mahafinaritra ahy ny fisiany hatreo raha marina fa misy izy.Ary tsy misy afa-mandà na manaporofo ny fisiany na ny tsy fisiany hatreo.Raha Andriamanitra tsy mahalala ny zavatra hiseho amin\'ny ho avy akory dia efa tsy Andriamanitra izy izay.

Ka hatreo ary,tokony ho fantany izany fa hivadika ny anjely sasany izay ho foroniny.Ha ha!!Ireo anjely ireo no hataon\'ny baiboly hoe Satana,aty aoriana.

Dia eo aho no tena manao hoe tena firinga mihitsy io andriamanitra io satria na dia fantany aza fa hitondra fahoriana sy fahafatesana eo amin\'ny voariny ny sasany amin\'ireo anjely ireo (izay mazava ho azy fa tokony ho fantany hoe iza?)dia mbola nohariany ihany.

Kinanjo,matoa aho miteny toy izany dia fantatro fa ny téolojian-dry mpanao dabokandro(les bédouins sémitiques du clan d\'Abraham) no tsy mandeha lalàna.Mendrika ny tsy misy mihitsy ny Andriamanitra toy izany fa tsy mahavita azy.Ary raha manompa andriamanitra toy izany aza aho dia very andro fotsiny satria manompa ny \"tsy misy\"

-Mandeha indray manaraka:efa fantany izao fa tsy hanjary ny olombelona nohariany,kanefa nohariany ihany.Nanenina ihany izy tato aoriana dia najedany tamin\'ny safo-drano hono ny ankabeazany.Nahita olona \"marina\" ihany hono ingahirainy hoe!
Innnakory!Vao miala any dia efa resak\'izy samy mpianakavy fotsiny no tao amin\'ilay Sambo fiara.Resaka kitrano an-trano.Tsy ela dia indro indray fa nivalana ny hira.

-Tonga indray ny tilikambon\'i babela tato aoriana,ireto indray ilay mana-kevitra ny hi-defier an\'Jehova toy ny anjely noforoniny.Fa nahoana mihitsy ary no tsy nisy ara-dalàna izany izay noforonin\'i Lery.Amiko tsy mendrika hantsoina ho andriamanitra akory ny toy izany.

-Hadinoko ilay resaka bibilava tary am-pihandohana.
Na i Bibilava na i Satana dia tsy tokony ho teo amin\'ny sehatra mihitsy e.Iza no nahatonga an\'ireo teo?Moa va tsy ny fahajamban\'ilay Jehova ihany.Dia eo va mody ny bibilava no lazaina fa voatery handady,nefa i lery mihitsy no tena te hilalao amin\'ny ain\'ny olonmbelona.

Marihiko koa fa ny vehivavy no lasa cible ianjadian\'ny misogynie satria nanaiky hofitahan\'ny bibilava.Resultats,lasa maharary ny vehivavy raha miteraka,dia ny lahy no lohan\'ny vavy,dia tsy mahazo miteny koa ny vehivavy rehefa any ampiangonana.....
(I Paoly apostoly,no tena tsy tia vehivavy eo ary tsy tia fury..ary mbola hasiako resaka betsaka mihitsy ny amin\'io any aoriana satria lery no tena miseho ho tompon\'ny fampianarana kristianina nefa tsy fantany akory ny mikasika biographien\'i Kristy)

Mbola maro ny azo resahana fa ny azo amintinana azy dia izay iray alehany:na tena tsy nahafantatra ny ho avy mihitsy ilay Jehova ka namoromporona foana noho izany tsy mendrika ny ho andriamanitra.Na kosa fantany tsara fa saingy nataony fanahiniana daholo ny ota efa vitan\'ny fivavahana monotheiste.Amin\'io farany io dia izaho indray no manolotra azy ny \"ompa reny\".Ka mba tsy hanaovako izany dia hoy aho hoe:tsy nisy izy.
33. jentilisa ( 06/10/2005 09:42)
Tsy azoko ny ilazana ahy hoe silamo fa azavao aza fady. Izaho dia nanoratra ny fanoharana nataon'i Jesoa fony nikasa hamono azy ny fariseo. Nilaza momba ireo mpiasa tany tsy nety nanome ny anjaran'ny tompon-tany fa namono izay nirahina kosa. rehefa ny zanaky ny tompon-tany amin'izay no nirahina dia hoy ny mpiasa hoe ity no mpandova ka raha vonointsika ity dia lasantsika ny tany.
Dia tahaka izany no nambarany tamin'ireo mpamono olona tamin'ny alalan'ny fivavahana sy intolerants amin'izay tsy mitovy hevitra aminy.
34. bichette ( 06/10/2005 09:55)
TSIMIANDRAVOLA > misy Andriamanitra ary na hanao fikarohana mandritry ny 100000000000000 siecles aza ny olombelona hisy zavatra foana tsy ho takantsika olombelona. Misy Andriamanitra hoy aho ka ny fahalebeazny tsy hotakatra mihintsy ny fiheviny, ny fisainany, ny antony zavatra nataony sns. Raha ilay hoe nasiaka be Andriamanitra tamin'ny testamenta taloha, tsotra ihany, mivavaha dia anontanio mihintsy Izy , tsy mila mikaroka etsy sy eroa fa ianao mihintsy no mandoalika dia manontany. Ok Tsimindravola ???? :-*
35. bichette ( 06/10/2005 09:59)
Tsimiandravola > avy aty hiara hivavaka isika
36. sonwin ( 06/10/2005 14:44)
37. sonwin ( 06/10/2005 14:49)
38. tsimiandravola ( 06/10/2005 21:58)
avy aty hiara hivavaka isika
:D
Tiako marihina kely aloha na izany aza,fa tsy afaka hitompo teny fantatra aho hoe misy Andriamanitra na tsy misy.Ny tena tiako dia MISY IZY.

Ny tiako hasiana tsindrim-peo fotsiny dia izao:ilay andriamanitra eritreretin\'ny maro nandritra izay taon-jato,sy an\'arivontaonany maro lasa izay no tsy ekeko fa hoe ilay Andriamanitra marina.Tsy iza akory io fa ny Andriamanitry ny Monothéistes indrindra indrindra (Silamo,Kristianina,Judaisme...)

Ka io no tena asiako,ary matoa aho manisy an\'io dia satria io no \"manjaka\" ao amin\'ny fon\'ny olona ,ka noho izany io no atao \"fanadihadiana\".Ary rehefa natao izany fanadihadiana izany dia hita miharihary fa io andriamanitra io dia antsoina amin\'ny hoe:\"ectoplasme\" (sary,mirage,nofy,....).Hafa dia hafa mihitsy izany miohatra amin\'ny \"sampin\'ny mpanompo sampy\".Ohatra ny andriamanitry ny \"païens\" sasany dia tsy \"ectoplasme\" mihitsy fa zavatra \"réel\",azon\'ny faharenesana tsapaina,ny \"zanahary\" ohatra.

Izany no handavako,ary itenenako mialoha fa \"athéiste\" aho.

Ny zavatra fantatro fotsiny dia ny \"Zanahary\" no mifanakaiky indrindra amin\'ny Andriamanitra eritreretiko.Izany akory tsy manao hoe manompoa an\'i Zanahary io,ary izy io dia tsy mitovy mihitsy amin\'ny \"conception\" n\'ny kristianina.Izany hoe mbola resaka hafa indray ny amin\'iny,fa tsy hanao proselytisme aminareo akory no mahamaika ahy eto.

Ho an\'i Bichette:efa nivavaka aho,ary raha resaka vavaka tamin\'ny fo tokoa,tsy mbola nisy naharaka ahy.Ary tsy fisekoana izany lazaiko anao izany.(Hisy indray mantsy ny hilàza fa tsy mbola kristianina nanana finoana mihitsy aho hatramin\'izay ka izany no tsy nandairan\'ny fivavahako.)Fa tsy nisy vokany,ankehitriny aho,nisokatra ny masoko vao fantatro ny antony tsy nandairan\'ny fivavahako.
Raha resaka finoana sy fampinoana,efa haiko tsara ny fandehan\'io.Ary raha tsapanao ny fivatravatrako ankehitriny dia fantaro fa toy izany ihany koa ny fiaingako nanoloana ireo tsy mpino,sy TJ,ary ireo Katolika fianakaviako,ary ireo silamo.Nandalo teto anoloako daholo ireny karazana antokopinoana ireny ary tsy ampy akofoko amin\'ny maha kristianna évangélique ahy izay \"né de nouveau\".Teneniko izany ankehitriny satria efa nalohako,fa raha mbola tsy nalohako izany dia tsy ho sahy niteny toy izany aho satria hoatran\'ny hoe \"miseko\",tsy fahafiriny.
39. xxx ( 06/10/2005 22:19)
ARGUMENT PAR LA PRIERE (II)
(1) Je voulais une journée de soleil, donc j'ai prié Dieu pour qu'il ne pleuve pas.
(2) Nous avons eu trois orages.
(3) Il est clair que Dieu m'a puni pour mes désirs égoïstes.
(4) Donc Dieu existe.

ARGUMENT PAR LA BIBLE (II)(1) La Bible dit que la Bible est vraie.
(2) Donc la Bible est vraie.
(3) La Bible dit que Dieu existe.
(4) Donc Dieu existe.

ARGUMENT PAR L'INCOHÉRENCE (ARGUMENT DE POLKINGHORNE A UN MILLION DE DOLLARS)
(1) Si la Bible avait été inventée par des menteurs, alors elle serait parfaite et sans faille ni incohérences apparentes, pour faire croire que c'est la parole de Dieu.
(2) Mais la Bible EST incohérente, erronée, et parfaitement ridicule en de nombreux endroits.
(3) Donc la Bible n'est PAS la création de menteurs.
(4) Elle doit être la parole de Dieu. Amen.
(5) Donc Dieu existe.

Dikany amin'ny tenindrazana:
(1)Raha Mpisandoka no namorona ny baiboly,dia ho nataony tonga lafatra,tsy misy ho kianina,ary mirapaka sy mirindra tsara.Amin'izay dia mora ny hampiaiky ny olona fa tena tenin'Andriamanitra tokoa ny baiboly
(2)Ny baiboly kanefa dia tsy mirindra,be fahadisoana,ary tena misy fahavendranana mihitsy amin'ny pejy marobe.
(3)Noho izany dia tsy sangan'asan'ny Mpisandoka ny baiboly.
(4)Ka izany no maha tenin'Andriamanitra ny baiboly.
(5)Fehiny:misy Andriamanitra.
40. jentilisa ( 07/10/2005 05:20)
Raha ny fandinihako azy amin'izao dia tariky Episkopo ianao raha tsy anao no izy. Ny fomba fiteny rahateo dia tahaka izany ihany.
Misy zavatra soratako aloha etoana: Vakiana ny jaona 8:31-47 Teny masiaka dia masiaka no ao iza manambara fa ny mpamono olona sy mpandainga dia olona mihaino ny feon'ny devoly fa tsy mihaino an'Andriamanitra.

Saingy ny mametraka kosa fa tsy izy mihitsy ny testamenta taloha dia miditra amin'ny fahadisoana ihany koa.
Ohatra raha mamaky izay voatondron'ny mana isan'andro avoakan'ny mpiara-mamaky ny baiboly isika (afrika) dia mahita fa (jeremia 41 manontolo) io mpaminany io dia niantso fanompoana fa tsy niantso ady. Ny olona entin'ny fireharehana mihevitra fa izay tsy manohitra amin'ny alalan'ny fiadiana dia mpamadika no mahavita mamono na dia ny piray tanindrazana aminy aza.
Eo dia ahitana fa niasa hatrany Andriamanitra na dia any amin'ny testamenta taloha aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5388