Ny tenin'iza no arahinao?

1. LazaRandri ( 28/09/2005 00:00)
Matetika dia heverintsika fa iray tsy azo sarahina ny "olona" sy ny "heviny na ny finoany". Raha voaporofo fa tsy mari-pototra ilay "hevitra na finoana", dia raisintsika ho fankahalana ilay olona izany.

Hoy i Jesoa: "ataovy mpianatro ny firenen-drehetra" (tsy misy an-kanavaka, na inona na inona finoana n-arahiny).
Hanaiky an'izany ve i Satana? TSIA!
Hoy ny 'olon-kendry': "hajao ny finoan'ny hafa" (samia mitazona ny finoany)

Iza araka ny hevitrao no arahin'ireo 'olon-kendry'?
2. booboo ( 28/09/2005 12:22)
Omeo ohatra mazava oe fa tsy versets bibliques fotsiny ?
3. zakony ( 28/09/2005 13:09)
tsy azoko tsara ny fanontanianao raondriana a

fa izao no ambarako, ilay hoe hajao ny finoan'ny hafa dia : ohatra aza dorana ny baiboly, korany, sns, olona advantista aza forsena hihinana kisoa. Fa izany tsy misakana anao tsy hitory amin'izy ireo hoe ity no tokony haleha...
izay ve?
4. pika ( 28/09/2005 14:09)
:roll::roll::roll::roll::-w:-w:-w
5. aliotsy ( 28/09/2005 14:31)
ny finoana zaraina, ampahafantarina ny hafa fa tsy taomina ny hafa hivadika hanaraka anao. Ampahafantarina ny hafa ny fahamarina hinoanao dia anjarany ny misafidy avy eo. Raa hendry ianao dia entinao ambavaka ilay olona
6. sonwin ( 28/09/2005 14:32)
booboo>manamafy ilay voalazanao

LazaRandri> fa amin'ny fomba ahona no hanaporofoana fa tsy mari-pototra ny hevitra sy ny finoan'ny olona iray? tsy science pur ange io ry zoky e!
7. Veloo ( 28/09/2005 16:58)
LazaRandri a:
raha ilay titra no valiko dia izao fotsiny. Tsy misy tenin'olona azo arahinao... Ny baiboly no tokony arahina. Dia izay ihany...raha ny oul no henoinao samy manana ny heviny ry zareo ary tsy hitondra hanao any an-danitra oy ilay fiteny...
Ny olombelona samy manana ny finoany, ny zavatra ataonao dia miteny an'ny rehetra oe Jesosy anie ka tianao ary tiny ianao ho any danitra miaraka aminy ka izay manaraka tsara izay tsy manaraka an'azy ny azy..groupy roa ihany no hisy amin'ny farany:
- izay rehetra manaraka an'i jesosy
- sy izay rehetra manohina an'i Jesosy.
8. LazaRandri ( 28/09/2005 23:50)
Booboo:
Omeo ohatra mazava oe fa tsy versets bibliques fotsiny ?

izao ilay fanontaniana: manaraka ny tenin'i Jesoa hoe "ataovy mpianatro ny firenen-drehetra" ve ny olona milaza hoe "samia mitazona ny finoany"?

Zakony:
Fa izany tsy misakana anao tsy hitory amin'izy ireo hoe ity no tokony haleha...
voalazanao tsara mihitsy ilay izy fa misaotra. Ny 'olon-kendry' mantsy te ho tsara imason'olona dia manesika ny hoe "hajao ny finoan'ny hafa dia samia mitazona ny finoany"

aliotsy:
ny finoana zaraina, ampahafantarina ny hafa fa tsy taomina ny hafa hivadika hanaraka anao.
tandremo fa tsy mendrika ny hoe taomina hanaraka anao!! Taomina hanaraka an'i Kristy ny olona, "ataovy mpianatro" hoy izy fa tsy hoe 'ataovy mpianatrao' :). I Satana anefa tsy manaiky an'izany fa mampiasa ny tetika rehetra, anisan'izany ny hoe "samia mitazona ny finoany dia hajao ny finoan'ny hafa" :)

Veloo,
Misaotra
9. bichette ( 29/09/2005 06:42)
lazaRandri ié AMPAHAFANTARINA ani KRISTY, taomina ho an'i Kristy
10. sonwin ( 29/09/2005 15:30)
LazaRandri> fa amin'ny fomba ahona no hanaporofoana fa tsy mari-pototra ny hevitra sy ny finoan'ny olona iray?
11. LazaRandri ( 29/09/2005 21:57)
quote=Sonwin]fa amin'ny fomba ahona no hanaporofoana fa tsy mari-pototra ny hevitra sy ny finoan'ny olona iray?[/quote]

Sonwin a,
Efa adihevita tany aloha tany io fa ivereno jerena. Rehefa tsy "jamba" ny fo amam-panahintsika dia hitantsika mivandravandra izany ary tsy mila porofo akory. Fa raha "jamba" kosa anefa dia tsy ahita mihitsy na misy porofo aza.

"Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona". 2Kor2:14-15



12. LazaRandri ( 29/09/2005 23:25)
Paoly:
"fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa"
13. Herimiafina ( 30/09/2005 04:07)
LazaRandri:

Matetika dia heverintsika fa iray tsy azo sarahina ny "olona" sy ny "heviny na ny finoany". Raha voaporofo fa tsy mari-pototra ilay "hevitra na finoana", dia raisintsika ho fankahalana ilay olona izany.
Hoy i Jesoa: "ataovy mpianatro ny firenen-drehetra" (tsy misy an-kanavaka, na inona na inona finoana n-arahiny).
Hanaiky an'izany ve i Satana? TSIA!
Hoy ny 'olon-kendry': "hajao ny finoan'ny hafa" (samia mitazona ny finoany)
Iza araka ny hevitrao no arahin'ireo 'olon-kendry'?



Ny olonkendry lazain'i LazaRandri eto amiko dia i satana ihany fa miendrika olona. Anjelin'Andriamanitra norebireben'i satana ka lasa mamohy ny heviny hahavery izay manampinoana rehetra.

Ny ataoko hoe finoana indray dia ny finoana an'i Jesoa kristy. Ka izay rehetra tsy mino an'i Jesoa Kristy zany dia olon'i satana.
14. sonwin ( 30/09/2005 06:26)
ary ireto izany ilay hoe kristianina extremiste:^):°)
15. mandrindra ( 30/09/2005 13:53)
LazaRandri:

Matetika dia heverintsika fa iray tsy azo sarahina ny "olona" sy ny "heviny na ny finoany". Raha voaporofo fa tsy mari-pototra ilay "hevitra na finoana", dia raisintsika ho fankahalana ilay olona izany.

Hoy i Jesoa: "ataovy mpianatro ny firenen-drehetra" (tsy misy an-kanavaka, na inona na inona finoana n-arahiny).
Hanaiky an'izany ve i Satana? TSIA!
Hoy ny 'olon-kendry': "hajao ny finoan'ny hafa" (samia mitazona ny finoany)

Iza araka ny hevitrao no arahin'ireo 'olon-kendry'?

Samy manaraka ny feon'ny eritreriny ny tsirairay.
16. sonwin ( 30/09/2005 14:35)
ekena
17. LazaRandri ( 30/09/2005 23:30)
mandrindra:
Samy manaraka ny feon'ny eritreriny ny tsirairay.

ka feon'i Satana sa feon'i Kristy ilay mitsipaka ny fitoriana Vaovao Mahafaly eto araka ny hevitrao?
18. Bibilava ( 03/10/2005 00:49)
Fa angaha rehefa tsy feon'i Kristy dia feon'i Satàna andriamatoa Pasitera?Izany ve tsy ohatry ny miteny hoe rehefa tsy fotsy dia mainty;rehefa tsy momba ahy dia fahavaloko;rehefa tsy voavonjy dia very,rehefa tsy kristianina dia vorika;rehefa tsy "vaovao mahafaly" (baiboly) dia aza toriana.

Araka ny hevitrao ve Pasitera,dia mba rariny izany fametrahana ny olona amin'ny toerana tsy ananana safidy afa-tsy tokana ihany izany,raha tsy te ho any amin'ny afobe?
19. LazaRandri ( 03/10/2005 13:22)
Bibilava:

Fa angaha rehefa tsy feon'i Kristy dia feon'i Satàna?


Hoy i Kristy ao amin'i Lioka 13:23: "Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka."
20. Lalakely ( 04/10/2005 09:55)
"ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra", araka ny fahazoako io teny io aloha dia toa misy fahalalahana ihany ao amin'ilay fanirahana kah! tsy hoe hanely amin'ny olona ny hevitro aho fa hanamabara aminy ny fahamarinan'ilay Zanak'A/tra. anjarany avy eo no mandinika, ary angamba eto koa no ilaina fihofanana lalina hoan'ny mpitory mba tsy hanaonao foana na ho latsaka amin'ny fandrika hitory ny hevitry ny tena .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2073