Ny tenin'iza no arahinao?

21. Bibilava ( 04/10/2005 13:15)
Hoy i Kristy ao amin'i Lioka 13:23: "Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka."
Ka ny olana anie ry dadapasy ê,dia ity ê:raha io tenin'i Kristy io no arahina,dia karazan'ny ekenao izany fa feon'i Satàna daholo ny olona na feo rehetra tsy mirona amin'ny kristianisma?
Tsy azo lazaina ve izany fa teny ratsy atsipy ho an'ireo izay tsy dakaoro rehetra,azo lazaina fa anatema atao amin'ny karazam-pinoana na ny athéisme sy politika rehetra,ary fototra nipoiran'ny intolérence hatrizay ka nahatonga ny inquisition sy ny buchers etc?
22. LazaRandri ( 05/10/2005 00:05)
Bibilava:
Ka ny olana anie ry dadapasy ê,dia ity ê:raha io tenin'i Kristy io no arahina,dia karazan'ny ekenao izany fa feon'i Satàna daholo ny olona na feo rehetra tsy mirona amin'ny kristianisma?


fanamarihana aloha fa izaho sady tsy Dada no tsy Pasy :)

1) i Kristy no niteny an'io. (izay tsy momba Azy dia manohitra Azy)
2) izaho mino an'i Kristy.
23. sonwin ( 06/10/2005 14:50)
Ka ny tenin'i Kristy tsy raisina an-tendrony sahala amin'io
24. LazaRandri ( 06/10/2005 21:30)
hahaha! Fa inona ry sonwin no dikan'ny hoe "izay tsy momba ahy dia manohitra ahy"? Mba teneno ny fandraisanao azy avy any am-fakany fa ny ahy tokotrany angamba avy amin'ny tendrony. hahaha
25. sonwin ( 06/10/2005 22:17)
Ianao ihany dia afaka handray azy am fakany, vakio ny voasoratra eo ambonin'io teny io dia tohizo vakio koa ny eo ambany,ho hitanao hoe naninona i Jesoa no niteny io.Misy tranga tao afahana mandray amin'ny tokony ho izy ny Tiany hampitaina.
Fanamarihana, refa tsy tadidy tsianjery ny toko sy andininy ao amin'ny baiboly dia aza soratana fa manjary mandiso ny Voasoratra ianao Mr Pasitera:)
26. LazaRandri ( 06/10/2005 23:12)
Misaotra an'i Sonwin, :)

hahaha! ilay eo alohany sy manaraka azy anie ry Sonwin vao maika manamafy fa rehefa tsy avy amin'i Kristy dia avy amin'i Satana e. hahaha!
Sao kosa dia ny Baiboly iray manontolo mihitsy ry Sonwin no "an-tendrony" araka ny hevitrao?

"Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho." Lioka 11:20-24
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1111