Hasarotampiaro e!

1. valie ( 26/09/2005 10:39)
Aona kay ny fomba fahtanareo ty hasarotampiaro ty e!
novalian'i xxx ny 07/10/2005 12:22
2. fasaly ( 26/09/2005 11:49)
ié! mariky ny fitiavana ihany lay izy fa indraindray d'efa aretina ny sasany. rehefa tia ilay olona iray de tsy tiany ho an'iza na iza de harovany tsara sao lasan'olonkafa.
3. cocorie ( 26/09/2005 11:53)
Sarotiny de arovana e!
4. booboo ( 26/09/2005 11:59)
eka ouz
5. ravakamalala ( 26/09/2005 12:18)
zavatra aza akia ndraindray mahasaropiaro koa maika fa olona be zao. Endrika fitiavana ihany zany.
Fa misy aloha ilay tena marary saina be ireny tena mamapalahelo na ny mijery azy fotsiny aza.

Inona no mahatonga ny olona ho saropiaro diso tafahoatra loatra?
6. booboo ( 26/09/2005 12:20)
tsy mahatoky tena, araka ny hevitro, ny oul diso saro-piaro loatra
7. mamzelkely ( 26/09/2005 12:49)
fitiavana ny hasarota-piaro... tsisy tohiny...:°)
8. vahiny2004 ( 26/09/2005 12:59)
ny vy tsy mikitrana irery hoy ny ntaolo, ka sao mba manao fihetsika miteraka hasarotam-piaro koa ny andaniny ?
9. fasaly ( 26/09/2005 13:08)
:roll:
10. mandrindra ( 26/09/2005 13:18)
aza saropiaro izany fa mankarary fo ry zareo a !! aleo samy halalaka.
11. pika ( 26/09/2005 13:22)
za mba gaga ry mandrindra aza maka aretina ho an'ny tena fa lasa manaonao foana indraindray
sady rehefa tena mifampatoky anie ty misy izany hasarotampiaro izany e, ilaina fa atao karazana épice hampatsiro ilay fiarahana fa tsy atao be loatra ka lasa poizina hamono tanteraka
ary raha asehonao diso tafahoatra ny hasarotampiaro dia efa eo ianao no raisina :-D
12. radriana ( 26/09/2005 13:42)
ie, misy ny sasany hatramin'ny olona miantso amin'ny portable avy dia fanontaniana be hoe, izy ity, iza ilay niantso sns, mitady problème be.
Misy dinika atsy ambadika atsy hoe rehefa tia dia mijaly, ka ny fahitako ilay hasarotampiaro dia mampijaly tena fa maninona anefa raha ny fitiavany anao no jerena fa tsy ni-mi se passer any mabadika any e.
13. deghany ( 26/09/2005 15:28)
hasarotampiaro=tsisy fotony!! mahavaky lou @napà!!
14. chakkakkely ( 26/09/2005 15:54)
rehefa tia alo dia sty maintsy saro pîaro daholo eh fa le diso fafahotra no mitady blem @ ny fiainanany fotsiny ka mba asaina fetrany iany eh! sady mlankarary andoha be ange io eh!
15. Herimiafina ( 26/09/2005 16:49)
Za zao tsy mety saropiaro mintsy de tsy reven'ny sipa.
Saropiaro ihany aho taloha fa hitako hoe fikan,ilay sipa fotsiny le izy de tsy raharahiako tsony.
Hay kay za tsapain'ilay sipa de ataony izay mahasaropiaro mba hahafantarany hoe tena tia azy ve dia rangitra be izy refa tsy saropiaro za.

Za mantsy tonga de le effet inverse no mitranga raha izaho no manipuler-na.:-D
16. Veloo ( 26/09/2005 17:12)
Ny ahy indray no fahafantarako azy dia tsy tokony hisy ny fahasarotam-piaro rehefa mifankatia ny pivady satria efa niresaka tsara izy roa fa tena tia ary nifanazava tsara fa ny fiainana dia tsy prison ary afaka miresaka amin'iza na iza dia efa mipetraka tsara ny fatokiana no sady tsy manao extra gesture ataoko fa tsy tokony hisy saro-piaro izany. :wink:
fifantokisana sy firesahina eo pivady dia izay.
ireny olona tena saro-piaro be ireny indray dia fitiavan-tena ireny hoy aho..
17. xxx ( 26/09/2005 17:30)
Matetika ny fahasarontampiaro io no manimba na ny olona na ny teo-tsaina na ny fanambadiana ary ny fiarahana koa , nisy efa niteny teo hoe : ny fifampatokisana sy ny firesahana no tsara indrindra : ohatra matetika ny olona tena mpifankatia tsy sarotiny , na misy aza ny fanontaniana : iza izay ? raha sendra misy phone ....dia hoe...i hanona zay... hay ve ! dia vita efa au courant ianao izay fa tsy ho tohizana hoe ,fa ahoana? inona hono ? inona no tadiaviny .... raha miresaka ianareo dé tantarainy daholo amim-pitsikitsikina sinon manjary ...mitatra dé mitatra dé manorisory ny farany , ny fitiavana anie tsy azo metarina ary tsy azo lanjaina e ary indrindra tsy azo fehezina marary fo amin'zany eo! ny fifampitokisana sy ny fifanajana no izy , ny fiarahana mizara koa .
18. Herimiafina ( 26/09/2005 18:48)
Fa izao no tena izy e.

Ireny olona saropiaro be ireny an, no tena manao azy raha tsy fantatrareo.

Maditra be ireny ary manana saina mijangajanga be mihintsy de tsy tiany nefa raha ianao miaraka aminy no mba mano ny ataony.

19. xxx ( 26/09/2005 19:27)
zao kosa angamba ry Herimiafina ny zavatra ho tenenina eto tsy hoe ny lahy fotsiny , fa ao koa ny vavy , ny fisehoan' ny fahasarotampiarao @ ny lahy sy ny vavy dia samy hafa , mety ny eritreritrao hoe ny lahy fotsiny .. mijangajanga sns ... fa ny vady koa dia manana fahasarotampiaro tsy miankina @ ny fijangajangana fa eo @ ny tsy fatokisan-tena sy ny fitiavan-tena be loatra ary mihevitra fa hoe rehefa miaraka amiko ity dé ahy zay (fieverana fa zavatra ilay olona miaraka aminy ), ahoana ny hevitrareo.
20. Herimiafina ( 26/09/2005 20:09)
Tena mitovy hevitra isika raha izay. Raha mbola raisintsika toy ny fananana ny vadintsika de tsy hisy zavatra hanjary eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2362