Feminisma: aiza ny vehivavy eo amin'ny asa fampandrosoana?

1. Herimiafina ( 21/09/2005 02:01)
''Rehefa nojerevana ny atidohan'ny vehivavy iray miala sasatra dia mitovy amin'ny atidohan'ny lehilahy iray eo ampiasana saina''.

Tsy lavina izany fa ny vehivavy dia tena côcô kokoa mihoatra noho ny lehilahy. Ny lehilahy foana anefa no nitondra hatramin'izay, ary ny vehivavy dia natao izay nanambaniana azy amin'ny asantokantrano, tsy manana anjara amin,ny tena asa fampandrosoana. Fantatsika ny fizarana asa sy andraikitra tsy mitovy amin'ny lahy sy ny vavy.

Maninona moa raha toa ka ampitoviana amin'izay ny bandy sy ny sipa any Dago eo amin'ny lafiny rehetra:
- Sady azo ataon'ny sipa no azo ataon'ny bandy ny asa rehetra misy, mecaniciens, sns.
- Samy manao 1000m amin'ny gym bacc.
- Asiana vehivavy miaramila (toa efa misy io). sns.

Fanamarihana: ireo no atondraharahan'ireo Feminista aty amerika avaratra, izay tena tsy manaiky intsony ny fanavakavahana ny vehivavy eo amin'ny lafiny rehetra.
2. lalatax ( 21/09/2005 04:55)
Marina mihitsy zany lazainao zany fa raha tsy zay tsy mandeha koa ny tokantrano iray.De raha ny lehilahy 1 no tafita @ fiainana, de jereo ny vadiny oe iza,de fantatrao ny tena mpanolon-tsaina azy.
3. Herimiafina ( 21/09/2005 15:07)
Izaho mantsy tsy dia mankasitraka loatra ilay Feminisma tandrefana ny tena marina e.

Misy karazany roa ny Feminisma:
- Ny feminisma kristianina: ny vehivavy dia tompon'ny tokantrano, miteraka, ary mikarakara ny fianankaviany, afaka miasa toy ny lehilahy koa.
- Ny feminisma tandrefana: mitovy zo tanteraka ny lahy sy ny vavy ary dia tokony tsy hisy intsony ny fanavahana amin'ny lafiny rehetra fa raha zavatra vitan'ny lehilahy dia tokony ho vitan'ny vehivavy ihany koa. Tsy voatery hiteraka sy soumise amin'ny vadiny ny vehivavy fa même pieds d'égalité amin'ny vadiny.

Tena anisan'ny nolavin'ny Papa Joany Paoly faharoa io feminisma tandrefana noho ny antony maro tsy mifanaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra izay entina hanohanana azy. Mivaha amin'ny famaritan'ny Soratra masina ny atao hoe vehivavy ny Feminisma tandrefana.

Ny olana aty amerika avaratra izao dia masinteny ny vehivavy ary manjakazaka tokoa. Raha misy mitory ohatra ianao hoe nanao harcelement sexuel nefa ianao tsy nanao izany akory ka viavy ilay nitory dia hinoana tsy misy explication ilay viavy ary ianao migadra. Ambony ny parole d'une femme ary tsy ilana verification sy preuve izany. Tezitra ny lehilahy ary dia miha-maro no mivadika Pédé.

Ankehitriny dia mety holavin'ny Feminisma tandrefana ny Fivavahana satri hono io no mahatonga ny fanavakavahana. Halalahana daholo koa ny zavatra rehetra toy ny marriage homosexuelle, ny multiparentalité (fananana vady maro), ny fananganana zaza entre parents de même sexe (filiation), sns.

Ratsy tokoa ilay hevitra satria mety hanimba ny atao hoe notion de valeurs, repères rehetra eo amin'ny fiaraha-monina. Ny hany mba zavatra tsara azoko raisina amin'io dia miady amin'ny fanavakavaham-bolokoditra koa ry zareo.
4. kally ( 21/09/2005 16:59)
Izaho kosa aloha vehivavy (mazava ho azy) fa ity feminisma tandrefana ity tsy adiko e! Ny antony?Be dia be ny tombotsoako very : iza intsony no hitazona varavarana ahy rehefa mba hiditra varavarana? Dia na entambe 50kg aza dia izaho ihany no tsy maintsy hibata azy satria efa mitovy ny tanjaka sy ny fôrsa?Izao aho anefa vao ny sakôsy be-ko feno entambe rehefa mba mivahiny iny,ny lehilahy ihany no mitondra azy,ny ahy ny pôketra fotsiny no vimbinina,ny toerana mba tsaratsara rehefa feno be iny ny fiara, ny vehivavy no mahazo azy fa mba mitsangana ianareo lehilahy...:lol:Ohatr'ohatra fotsiny ireo fa mbola be ny manaraka.

Fa izao e: ny lahy no lohan'ny vavy ekena, fa ny vavy no hatoky ny lahy ,ny hatoka no mandidy ny loha hoe ary jerena, sa ahoana?:wink:
5. Herimiafina ( 21/09/2005 17:59)
Ny tena izy de samy favy na lahy na vavy ary misy zavatra tsy vitan'ny bandy koa vitan'ny sipa e. Sa tsy izay. 8)
6. Veloo ( 21/09/2005 18:53)
za tsy namaky fa lava lotra ilay izy marary ny masoko kle :^):^):^):^)
fa na inn na inn lazainareo ny vavy lasa mivotra be an tara train ndray nareo lahy kle :P
7. Herimiafina ( 21/09/2005 19:00)
Tsy de koi zany fa amizay koa tonga de revina bandy ndray no atao e.:-D:-D:-D:-D
8. Veloo ( 21/09/2005 19:07)
:roll:
9. Herimiafina ( 21/09/2005 19:20)
Raha tsy nisy sipa tokotrany moa teto antany de mety nanao ahoana? :roll:
10. Veloo ( 21/09/2005 19:32)
dia very doly nareo lahy rehetra 8-)8-)
11. Herimiafina ( 21/09/2005 19:50)
Ahoana moa no hahavery anay fa tsy maintsy ni s'adapte tamin'ny zava-nisy teo dahôlo zay knou. Mety nisy manampahaizana be zao taminay namorona vehivavy tampotampoka teo dia la sa nisy production ana vehivavy sy industrie fanamboarana vehivavy.

Nefa mety tsy manaja le contexta fa lasa misy vehivavy njay.:-D:-D:-D:-D
12. pitchou ( 21/09/2005 20:13)
misy ihany ny zavatra tena marina takian'ny feminisma tandrefana, ohatra rehefa asa mitovy dia karama mitovy! mety gaga nareo fa tany @ zany atao hoe zamerika zany no mbola nahitana taona 2 na 3 lasa izay, vehivavy natao kely karama noho ilay lehilahy teo ambany fifehezany noho izy vehivavy!
zavatra sahala @zany ohatra d tena tsy rariny mihitsy!

tsy fomba malagasy ity nefa mizesta be ny gasy manaraka azy: tsy manana ny anarany ny vehivavy @ tandrefana fa ny anaran'ny lahy no entiny! izany ve d mety? zany hoe efa misy firenena manaiky ny hananan'ny vehivavy anarana aloha izao!

ny tena moa tsy mipetraka any @ tany arabo na afrikana fa misy tena fanitsahana zon'olona fotsiny izao kosa atao @ vehivavy ka izany ve d tsy tokony harenina hoy nareo?
eo @ lafiny fianarana na fampianarana d tsy tokony ho deminista daholo ve ny olona hoy nareo?
13. Herimiafina ( 21/09/2005 20:20)
Mbola misy foana izany resaka ady ho amin'ny équité salariale izany aty zamerika avaratra aty kah.

Ny sipa izao efa tsy mitondra ny anarambadiny zany tsony, ary zenfant de manana anarana roa de ny an'ny rainy ary ny an'ny reniny ankoatry ny fanampin'anarana.

Dia notohizan-dry zareo hatrany Iran le tolona de voaroaka any foana ry zareo.
14. pitchou ( 21/09/2005 20:28)
soa fa nisy ny feminisma ahafahana mametraka zavatra ara-drariny eto @ ity fiainan'adala ity!:lol:
15. Herimiafina ( 21/09/2005 20:44)
Ny any amintsika anie toa tsy de misy olana ilay izy e. Fa aty no tena gravy, tena havahana foana ny vehivavy fa manembatsembana ny économie ny fampiasana vehivavy.

Raha bevohoka hono izao ny sipa de mahazo congé dia manahirana be amin'ny productivité ny asa izany. De izay le olana satri miantehitra be amin,izany ny économie aty.

Nony niditra teo amin,ny lafinya sa ny vehivavy de nitombo ny concurent ny lehilahy dia lasa be dia be ny demande de travail de nihena ny karama dia sosotra ny lehilahy.
16. pitchou ( 21/09/2005 20:57)
hoy enao! tena misy tokoa ny olana! jereo fotsiny aza hoe firy ny vehivavy ministra, firy ny vehivavy nommées DG na sahala @ zany any @ ministera d ho azonao an-tsaina hoe sahala @ ahoana ny fanavahana ny lahy sy ny vavy eo @ sehatry ny asa
17. Veloo ( 21/09/2005 21:02)
o ry hery a mba fantatrao moa fa ny CEO (PDG)aty vavy doly? tsyny karama mihitsy no mihena zany lety a fa ny bandy mihitsy manomboka kamo :P
18. Herimiafina ( 22/09/2005 00:01)
Tena vazivazy ny ahy reto fa tena perta be za raha tsy misyb sipa intsony zany eto antany an. Tena lasa depandant be nmahintsiny za, tena raha tsy misy sipa any ampianarana de tsy mazoto mianatra mintsy za, efa hatramin,izay mihintsy, nanomboka tam-za T2 tao amin'ny EPP dia efa mba motivé tam-le sipakely zay, dia nazoto be de lasa mahay be.

De torak'izany koa nony efa glady be taty aoriana de ze faculté be sipa no nidirako fa tsy ze tiako tsy akory.

Tena marina e, ilana ny viavy ary ilaina na de jerena fotsiny aza.:-D:-D:-D:-D
19. Veloo ( 22/09/2005 17:01)
kay nibararaka ihany :-D:-D:-D
20. Herimiafina ( 22/09/2005 18:03)
Ka za ary miapresié be mahintsiny kou. Ankafiziko dôlidôly ze taranja misy eto antany e.:-D:-D:-D:-D De ze hitanao amin'ny fiainana andavananjo zany. Za ne olombelona kristianina te-hanjaka amin'ny zavaboarin'Andriamanitra retraretra, miaraka amin'ireo olombelona akamako e. hehehehe:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3404